Ny Malagasy sy ny Fivavahana

1. tsitialainga ( 07/01/2013 13:39)
Tokony hankalaza ny Paska ve ny Malagasy ary ahoana no tena fankalazana azy? Betsaka mantsy ny miroa saina satria samy manana ny fomba fankalazany azy avy rehefa mety ho fiangonana sy antokom-pivavahana eto Madagasikara.
répondu par didi10 le 09/01/2013 08:05
2. nilex ( 07/01/2013 13:43)
samy mahalala ny hevitry ny paska angamba ny kristianina rehetra dia samy mankalaza izany araka ny heviny amin'ny baiboly sy izay maharesy lahatra azy fa tsy tokony hijery ny hafa mihintsy indrindra fa ireo tsy dia matotra loatra aram-pinoana
3. Nehemiah ( 07/01/2013 14:59)

tsitialainga:

Tokony hankalaza ny Paska ve ny Malagasy

Tokony hiverina @'Andriamanitra @ fony rehetra ny Malagasy tsy vaky volo fa tsy ilaozana miady hevitra @ zavatra tsy mampandroso ny fiombonantsika @'i Kristy sy ny fahalalana Azy.
tsitialainga:
ary ahoana no tena fankalazana azy?

@ fo faly tena mitodika @'Andriamanitra vonon-kisaotra sy hidera Azy @ nanomezany ny Zanany lahitokana ho an'ny famonjentsika.
4. tsitialainga ( 07/01/2013 16:54)

Nehemiah:

tsitialainga:

Tokony hankalaza ny Paska ve ny Malagasy

Tokony hiverina @'Andriamanitra @ fony rehetra ny Malagasy tsy vaky volo fa tsy ilaozana miady hevitra @ zavatra tsy mampandroso ny fiombonantsika @'i Kristy sy ny fahalalana Azy.
tsitialainga:
ary ahoana no tena fankalazana azy?

@ fo faly tena mitodika @'Andriamanitra vonon-kisaotra sy hidera Azy @ nanomezany ny Zanany lahitokana ho an'ny famonjentsika.

Amiko otran'ny mbola misy hevitra hafa fonosin'io Paska io sady tsara ny manadihady tsara fa tsy manaonao foana e! Raha hivavaka ihany mantsy dia aleo tena @ Fanahy sy ny Fahamarinana araka ny voalaza fa tsy atao soulagement de conscience fotsiny ny mivavaka na mankany am-piangonana.
Ohatra izao aminao Nehemia, tena mifantoka tsara sy tafatodika tsara amin' Andriamanitra ve ianao raha midera azy any am-piangonana ka misy manao jupe hatrany am-poto-pe eo alohanao ary eo akaikinao indray misy vehivavy mampiseho ny antsasa-nonony? Ary eo ankavanana manao mifinjifinjy hatrany ambony ka hatrany ambany? Io mantsy ilay tonga @ ilay hoe raha tsy mananatra azy ianao dia miombon' ota aminy ka moa isika izay te-hanana fifantohana tsara amin' Andriamanitra ve no tokony hifindra toerana sa ireny karazan' olona tsy matotra ireny no tokony tsy ampidirina sa ahoana no tokony hatao?
Marina fa natao hivavahan'ny olona rehetra ny tranony fa kosa mba mampieritreritra ihany raha isak' Alahady izao na isan-tSabata izao manandrify an'i Pasitera @ mini-jupe sy ny décollleté mampiseho nono foana ry tovovavy eny fa na dia ny efa manan-jafikely ka mba te-ho à la page sy à la mode aza kanefa tsy azo adinoina fa na ny eritreritra izay any anaty aza mila atao tsara rehefa hikatsaka an' Andriamanitra ary ny fo atao madio tanteraka, mainka fa ny fitafiana ivelany raha feno zanaka sy olom-pady sy ray aman-dreny any am-piangonana? Izany ange Nehemia no mahatonga ny ankamaroan'ny olona tsy mankany am-piangonana intsony e? Mety hiteny ianao hoe dia ahoana ilay ao @ Hebreo 10/25? ASA????
5. leva2 ( 07/01/2013 18:52)

tsitialainga:

Tokony hankalaza ny Paska ve ny Malagasy ary ahoana no tena fankalazana azy? Betsaka mantsy ny miroa saina satria samy manana ny fomba fankalazany azy avy rehefa mety ho fiangonana sy antokom-pivavahana eto Madagasikara.

Velona Jesosy.

Aleo atao hoe "kristiana malagasy" fa tsy n'y malagasy rehetra mantsy no kristiana, eny fa na dia miditra am-piangonana, mino an'Andriamanitra, mahalala tsara an'i Jesosy aza.

Raha fantatrao ny hevitry ny tena hevitry ny paska na paka dia tsy tokony hisalasala ianao amin'ny fankalazana izany. Ny mampieritreritra dia ity : raha "Kristiana" no tsy mahalala ny tena hevitry ny paka dia mampisalasala ny aminy, fa ny lalam-pamonjena azy mihitsy no tsy fantany.

"Maty Kristy, paska ho antsika" I Kor 5/07
6. tsitialainga ( 08/01/2013 07:46)

leva2:

Salama Leva a!
Mahafinaritra ny RAIN-TSIKA fa havaoziny isa-maraina tokoa ny famindrampony.
Niresaka Paska na Paka tokoa isika omaly ary tena nahafinaritra fa matoa vitsy ny mpisehatra nanome ny heviny dia hita tokoa fa lohahevitra tena mifono zava-dalina io.
Araka ny nambarako foana teo aloha dia tsy azo atao intsony ny manaonao foana, satria isika malagasy dia efa voa foana vao tonga saina, tena tonga @ ilay voalaza ao @ Hosea 5/15 iny e.
Nilaza ianao farany teo ry Leva hoe "Maty Kristy, paska ho antsika" I Kor 5/07.
Ireto àry misy fanontaniana vitsivitsy tokony hampieritreritra an-tsika malagasy milaza azy ho kristiana :
1- Fa maninona no misy "s" na pluriel ny hoe Pâques?
2- Iza na inona no atao hoe Paska?
3- Zanak' ondry lahy firy no novonoina tamin' izany?
4- Andro sa alina no nankalazana azy? AIza? Eny ankalamanjana sa any an-trano?
5- Firy andro sa firy alina no nankalazana azy?
6- Fa nahoana no ALAHADY FOANA ny Paska?
7- Inona no antony nanaovana ilay rà nahosotra teo @ tatao sy ny tolam-baravarana roa t@ trano?
Amiko àry raha tsy mazava tsara avokoa ny valin' ireo fanontaniana ireo dia hampisalasala ahy ny fankalazana azy sao tonga @ ilay voalaza ao @ Jaona 4/22?
Tsy ny sain-tsika mantsy no tokony hitarika an-tsika hizotra mankany @ ilay Jerosalema vaovao, na dia mbola eto an-tany aza isika fa ny sain' i Kristy sy ny Fahamarinany izay inoan-tsika sy neken-tsikaho Mpamonjy.
Noho izany tena mampatahotra le resaka raha vao mivaona @ fahamarinana izay nomena an-tsika araka ny Jaona 4/24 sy ny Apok 22/11.
7. Nehemiah ( 08/01/2013 08:12)
Ny tsi-mampitombina ny Paska napetraky ny Katolika izany no tian'i tsitialainga tenenina ? Manazava ny antsipiriany momba an'izany ity rohy ity :
http://www.biblebelievers.com/babylon/sect32.htm
Kanefa atao ahoana fa tsy ho fantatra mihitsy ny andro tena nitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, ka raha ny hevitro aloha dia aleo manaraka ny daty ôfisialy fa saingy i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany t@ maty no ankalazaina fa tsy atody amam-bitro.
8. nilex ( 08/01/2013 10:37)
Izaho no tena marina ry zareo dia ho voavaly izany resaka izany an.Maro be ny mpitondra fivavahana sy ny mpivavaka any ampiangonana eto Madagasikara fa kosa vitsy kely mihintsy no tena vita fihavanana amin'Atra fa ny maro an'isa dia ireo izay manao izany ho fombafomba ivelany fotsiny ka tsy mahagaga raha mipetraka ny fanontanianao .
Tsy mbola takatry ny ankamaroan'ny olona marina izany atao hoe manaradia ny Tompo izany.Olona efa nifanena taminy marina ihany no afaka manatanteraka izany fa raha toa ny olona iray mbola tsy nahatsapa teo amin'ny fiainany fa nifanena tamin'i Kristy Jesoa marina izy dia sarotra aminy ny tena hiova fo sy hitory koa amin'ny hafa.
9. leva2 ( 08/01/2013 10:59)

tsitialainga:

1- Fa maninona no misy "s" na pluriel ny hoe Pâques?
2- Iza na inona no atao hoe Paska?
3- Zanak' ondry lahy firy no novonoina tamin' izany?
4- Andro sa alina no nankalazana azy? AIza? Eny ankalamanjana sa any an-trano?
5- Firy andro sa firy alina no nankalazana azy?
6- Fa nahoana no ALAHADY FOANA ny Paska?
7- Inona no antony nanaovana ilay rà nahosotra teo @ tatao sy ny tolam-baravarana roa t@ trano?
Amiko àry raha tsy mazava tsara avokoa ny valin' ireo fanontaniana ireo dia hampisalasala ahy ny fankalazana azy sao tonga @ ilay voalaza ao @ Jaona 4/22?

Velona Jesosy!

1- Miala tsiny namana tsitialainga, tsy fantatro hoe baiboly inona no nahitanao fa "au pluriel" ny "Pâque" fa ny karazana baiboly teny frantsay miisa 07 eto am-pelatanako : Luis second, Darby, Parole de vie, Bible de Jérusalem, synodale 1911, alliance biblique universelle, eny fa na ny baiboly témoins aza, dia tsy au pluriel mihitsy ny "Pâque". Tokana ny lalam-pamonjena.
2- "Maty Kristy, paska ho antsika" Io no mamaritra ny atao hoe paska namana, satria Kristy no ilay "Zanak'ondry" novonoina natao fanati-panavotana tamin'Andriamanitra ho an'izay mino sy mandray Azy. Ny androm-panafahana ny zanak'israely teo ambany vahohon'ny egypta, ka nankalazana voalohany ny paska dia tandindon'izay ho avy, dia i Kristy.
3-4-5- Raha mahaliana ny namana hafa, mila vakiana ny Eks 12 manazava tsara ny antsipiriany., fa tamin'izany dia isan-tokatrano no namonoana zanak'ondry, ny harivn'ny andro faha-14n'ny volana "voalohany" araka ny baiboly no amonoana ny zanak'ondrin'ny paska. Mifanandrify indrindra amin'ny andro sy ora nahafatesan'i Jesosy rahateo io.
Ankehitriny nefa, Jesosy Kristy no efa fanatitra tokana sy maharitra mandrakizay ho an'izay mino sy manolo-tena ho Azy (Heb 10/12).
6- ALAHADY FOANA NY PASKA? tsy ny fotoana fitsanganaNY mihitsy akory no paska fa ny nahafatesany "maty Kristy, paska ho antsika" fa tsy hoe "nitsangana Kristy", ary sabata tamin'io (zoma hariva mody masoandro). Ny andro firavoravoana sy fihinanana mofo tsy misy masirasira kosa no nanomboka tamin'ny andro voalohany (alahady) ary naharitra herinandro izany.
Mampisafotofoto ny mpino ankehitriny ny fisian'ny karazana calendrier : grégorien, jiosy,sns ... fa amiko manokana, ny fahalalana aloha ny atao hoe paska no tena zava-dehibe. Manaraka izay, rehefa mankalaza ny paska amin'ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao rehetra ianao, araka ny nandidian'ny Tompo hoe "izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy", dia izay no zava-dehibe.
7- Ny ran'ny zanak'ondry teo amin'ny tataom-baravarana sy tolana dia niarovana ny zanak'israely tsy ho azon'ny fandringanana. Tandindon'ny ran'i Jesosy ihany koa io. Ny ran'i Kristy dia sady manadio antsika amin'ny ota : "Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry" Apo 07/14, Miaro antsika amin'ny ozona an'izao tontolo izao : "le sang sera pour vous un signe protécteur" Exode 12/13b. Antoky ny famonjena sy fanafahana izany ny ran'ny Zanak'ondry.
10. tsitialainga ( 08/01/2013 11:42)

Tsy andriko izay hamaliako anao tanteraka Leva fa mbola mamaly fanontaniana vitsivitsy @ lohahevitra hafa fotsiny aho dia hitafa sy hanohy ny dinika isika.
11. tsitialainga ( 08/01/2013 13:40)

Eny àry namana Leva2 fa dia tafaverina soamantsara eto indray isika.
Ny hanombohako azy dia ilay fanontanianao voalohany mikasika ilay paska pluriel/singulier, avereno vakiana kely ny lahatsoratra sy ny fanontaniana fa tsy nilaza velively aho fa tsy maintsy hitanao ao anaty baiboly io "Pâques" io izany hoe au pluriel, fa tiako ny manambara aminao anefa fa raha misy Louis second ao aminao dia mba jereo kely hoe any @ vocabulaire misy asterisque dia ho hitanao toy ny masoandro be lohataona ao ny pâques au pluriel miaraka @ définition fa ny tokony hatao mantsy rehefa manao fikarohana ny fahamarinana dia tena mandinika tsara fa tsy taitaitra. Tiako izao ny mampahafantatra anao fa tena mi-existe ny Pâques (au pluriel) io ka izao ny définition: féte chretienne commémorant la résurrection de Jésus-Christ. Dia ho hitanao eo ambony ihany koa ilay Pâque (au singulier) ka ny définition dia : La Pâque est l' une des plus grandes fétes que les juifs contemporains de Jésus venaient célébrer à Jérusalem. Elle avait lieu au printemps et commémorant la sortie d' Egypte (Déot : 16: 1-8).
Ny Juifs traditionnels sy ny contemporains izany dia samy nanana ny paka nankalazainy.
Asa na mety hazavazava @nao @zay ny resaka fa misy karazany roa ny paka izany dia ny paka voalaza ao anaty baiboly araka ny teneninao sy ny paka izay karazana fety civile hoan'ny juifs tany Israel kanefa dia mbola hita taratra ankehitriny ary tian'ny Romana ampidirina sy haverina mihitsy ny tokony hankalazana ity paka pluriel ity satria inona no antony?
Tsy ny jiosy loatra no namorona azy io fa ny an-dry zareo dia ilay singulier ihany fa ny grec sy ny romana avy taty aoriana no nandrafy azy io ho fankalazana SAMPY ANANKIROA tena goavana dia ny Volana sy ny Masoandro. Rehefa tonga ny Alahady dia nankalazaina ny dieu soleil tamin'io vanim-potoana io ary ny ampitson'io indray dia ny volana na dieu lune rehefa Lundi ka izany no nahatonga ny Dimanche de pâques sy ny Lundi de pâques tsy ho azo sarahina satria mpivady ireo. Tianao ho fantatra koa ny zanany? Azo antoka fa tena nisy fomba nahatsiravina mihitsy nankalazana ireo andro anankiroa ireo.
Ankoatra izay dia tena afa-po raha ny tenako manokana amin'ireo valim-panontaniana 6 ambiny satria dia ara-pahamarinana tanteraka araka ny voalaza ao anaty baiboly avokoa izany.
Ny teniko hamehezana azy dia tsara raha tena atao ara-pahamarinana tanteraka araka izay voalaza ao anaty baiboly ihany koa ny fanisana ny andro fankalazana azy io. Izany hoe raha vao tsy voahaja ilay andro faha-14 @ VOLANA VOALOHANY dia toy ny manaonao foana ihany isika ka mivaona @ tena FAHAMARINANA.
Dia hatreo indray izany ny resaka aloha fa raha misy dinika fampandrosoana dia vonona eto foana isika.
Mampahery ny mpikatsaka FAHAMARINANA rehetra.
12. Miharena ( 08/01/2013 16:05)
Mba te-hanontany ihany aho hoe raha tsy mankalaza na inona na inona isika ve dia tsy marina?
13. leva2 ( 08/01/2013 18:10)

Miharena:

Mba te-hanontany ihany aho hoe raha tsy mankalaza na inona na inona isika ve dia tsy marina?

Velona Jesosy!

Raha momba ny paska na paka no resahina namana miharena dia fety nandidian'i Jehovah hankalazaina mandrakizay izy io : Eks 12/14 "Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah; hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna mandrakizay".
Toy ny sabata ihany koa : "Dia hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany" Eks 31/16.

Raha tena mankatoa Azy isika namana dia tsy hisalasala hanaraka ny teniNY.
14. leva2 ( 08/01/2013 18:18)
Misaotra anao namana tsitialainga.

"Paques" sy "Paque" : Miala tsiny aminao namana fa ny ahy dia izay ao anaty baiboly ihany aloha. Fa misaotra anao tamin'ny fanampim-panazavana fa tsy nahafantatra izay tokoa aho raha tsy ianao. Marina tokoa fa ny any anaty calendrier grégorien izao dia ilay au pluriel no fahita.

Mandrakizay ny FAMINDRAM-PONY!
15. Maranatha ( 09/01/2013 05:32)

Paska ny resaka. Ahoana no voalaza t@ tandindona ?? ahoana kosa no voalaza @ fahatanterahana @ izao andro izao ???

tandindona: Ny paska Eks 12, Fotoana 1/taona

fahantanterahana: Ny paska Ikor 5:7, Fotoana Isaky ny mahatsiaro I kor 11:25

Tsy hainareo ve fa abidiam-pianarana ao @ Kristy ireny Hebreo 6:1, Tena mbola zaza isika raha mbola any no mbola mampisalasala. Mbola tokony homen-dronono, mbola tsy mahalaitra venti-kanina, maika moa fa ny taolana.

mahereza
16. tsitialainga ( 09/01/2013 07:01)

Maranatha:

Paska ny resaka. Ahoana no voalaza t@ tandindona ?? ahoana kosa no voalaza @ fahatanterahana @ izao andro izao ???

tandindona: Ny paska Eks 12, Fotoana 1/taona

fahantanterahana: Ny paska Ikor 5:7, Fotoana Isaky ny mahatsiaro I kor 11:25

Tsy hainareo ve fa abidiam-pianarana ao @ Kristy ireny Hebreo 6:1, Tena mbola zaza isika raha mbola any no mbola mampisalasala. Mbola tokony homen-dronono, mbola tsy mahalaitra venti-kanina, maika moa fa ny taolana.

mahereza

Tongasoa ato @ lohahevitra ianao Maranatha.
Somary gaga ihany aho aminareo mpitsako taola-malemy itony no mbola tsy afaka manavaka ihany ny Fanasan' ny AdonaÏ, 1Kor 11/25 sy ny Paska tena Paska.
Ary aminao inona koa zany no dikan'ny famakiana mofo nataon'ny Apostoly ao @ Asa 2/42;46?
Raha azoko tsara zany tsy manao Paska intsony ianao fa mitovy foana @nao ny fanasan' ny Adonai sy ny Paska satria tandindona araka ny filazanao azy ka tsy ilaina hatao intsony fa efa vitan' i jesôsy? Ary ny SABATA koa @nao sao dia efa vitan' i jesôsy tety an-tany ka tsy mila hiverenana intsony fa abidiam-pianarana?

Ohatra raha miteny IZY fa IZY no VARAVARANA, IZY no Tompon'ny SABATA, IZY no Làlana, IZY no FAHAMARINANA, IZY no MOFO sns...dia efa vitany daholo izany ny asa rehetra fa tsy tokony hihetsika sy hiasa sy hampiaka-tsotro ao am-bava intsony isika?

Aleoko ihany beazina @ ronono sady tsy misy faikany aloa avy any am-bava kanefa mitombo tsara @ fahalalàna toy izay reraka valanorano mitsako taolana tsy mitombo, ary mety ho tapa-nify mihitsy aza ka hitarika hémoragie mety hahafaty.

Ary aiza ao @ baiboly koa no misy izany fanoharana omena taolana izany namana Maranatha???????? Venti-kanina no soratra ao fa tsy taolana no fihinan' ny olombelona fa créature hafa (....) no natao hihinana sy hikiky ary hitsako taolana!!!!!!!
Tokony hofidiana ihany izany ny verbe sy ny adjectif ranamana fa EL SHADDAI tsy mampihinana taolana olombelona izany toy ny tsy fampihinanany rà sns...
Azonao tonga dia tsorina ange fa rava ny lalàna dia fohy sady mazava e !
Tsy tsara ny kamo ara-panahy ry namana malala fa voasoratra hoe izay tsy miasa tsy mendrika hihinana koa mainka fa ny ara-panahy?
Izany no mahasarotra sy maha-tery ny làlana mankany an-danitra ry namana ka vitsy no mahita azy fa tsy tsotsotra sy azo tsotsorina fotsiny ny resaka dia tafiditra sy voavonjy.

Fehiny :
Marina fa samihafa ny fanatanterahana ny Paska taloha sy ankehitriny fa tsy midika akory izany fa tsy ilaina intsony ny fitandremana azy.

Mazotoa miantsehatra e!
17. didi10 ( 09/01/2013 07:03)

tsitialainga:

Tokony hankalaza ny Paska ve ny Malagasy ary ahoana no tena fankalazana azy? Betsaka mantsy ny miroa saina satria samy manana ny fomba fankalazany azy avy rehefa mety ho fiangonana sy antokom-pivavahana eto Madagasikara.

Eny, tokony hankalaza ny Paska ny malagasy ary io no tokony ho fety lehibe indrindra ao anatin'ny taona fa tsy ny 26 juin.

Ahoana ny tena fankalazana azy?

Fantatrao ve aloha no tena dikan'ny Paska?

* Tamin'ny harivan'ny andro faha efatra ambin'ny folon'ny volana voalohany amin'ny taona no namoronan'i Jehovah ny Paska tany Egypta ka namonoana ny zanakondry mba hamonjena ny vahoaka Israely. (Eks 12)
* Nataon'i Jehovah ho lalàna ny fankalazana ny Paska sy ny andro firavoravoana.(Lev 23;5)
* Io zanakondry novonoina io dia tandindon'i Jesosy izay maty tamin'ny harivan'ny andro faha-efatra ambin'ny folon'ny volana voalohany ihany koa.
Porofo: Ny fanisana andro ao anaty baiboly dia manomboka ny hariva maty masoandro ka mifarana amin'ny hariva maty masoandro indray. Ny andro faha 14 (Paska) noho izany dia nanomboka ny hariva, ka niara-nihinana ny mofo tsy misy lalivay niaraka tamin'ny mpianaNY Jesosy avy eo nankany an-tendrombohitra, nosamborina, nogadraina, ny maraina nokapohina ny atoandro nofantsihina, ny hariva alohan'ny maty masoandro nalevina: andro iray no nisehoan'ireo rehetra ireo: izay no mahatonga ilay soratra hoe:
I kor 5,7
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika

Ny andro fahafatesan'i Krsity ilay zanakondrin'Andriamanitra no Paska fa tsy ilay andro voalohany nitsanganany izay ankalazain'ny fiangonan-dehibe ankehitriny akory.

Toy izao ny Programa Paska amin'io taona vaovao manaraka io (calendrier Baiboly) fa asiako référence amin'ny calendrier grégorien.

- 1 Abiba (taombaovao) = 11/03/2013

- 14 Abiba (nisan) = 23/03/2013 amin'ny hariva = Paska
Fotoam-pivavahana, raha afaka manao dia misy fifanasan-tongotra avy eo misy fandraisana ny fanasan'ny Tompo

- 15 Abiba (nisan) = 25/03/2013= Fiandohan'ny andro firavoravoana
Fotoam-pivavahana, fetibe misy fiderana sy fihobiana

- 22 Abiba (nisan) =31/03/2013= famaranana ny andro firavoravoana
Fotoam-pivavahana, fetibe misy fiderana sy fihobiana.
18. Nehemiah ( 09/01/2013 07:13)

didi10:

Tena fixes ve ireo daty ireo ? Ny calendrier Jiosy mantsy calendrier lunaire, fa ny calendrier grégorien dia solaire.
19. didi10 ( 09/01/2013 08:05)
Ny calendrier Jiosy dia luni-solaire fa tsy lunaire fotsiny,
Sady manaraka ny fihodin'ny volana izy no manenjika ny fihodin'ny tany koa;

29.5 andro ny volana iray ary ny taona dia misy volana 12 mizara saison 4 izay miatomboka amin'ny lohataona (printemps); raha manao kajy isika dia 29.5 x 12 = 354 andro fotsiny ireo 12 volana ireo ka tsy mahahenjika ilay 356 andro ihodinan'ny masoandro, izany hoe misy décallage 11 jours isan-taona io. Mba tsy hisian'ny décallage amin'ny fahatongavan'ny printemps dia misy ilay 13e mois isaky ny telo taona (11 x 3) ka voahenjika indray ilay décallage teo.

Tsy fixe ireo daty ireo fa miovaova isan-taona fa ity ny base de calcul

Fiandohan'ny taona : Tsinam-bolana amin'ny lohataona vazaha (Volana Mars)
Paska : harivan'ny andro faha 14, manisa 14 ianao dia izay daty eo alohan'ilay faha-14 no izy satria amin'ny hariva ny omaly no manomboka ny andro.
Miditra Andro firavoravoana amin'ny Paska:: Andro faha 15
Mivoaka andro firavoravoana amin'ny Paska: Andro faha 22
Ny andro firavoravoana dia maharitra 7 andro ka ny fiantombohany sy ny fiafarany no misy fotoam-bavaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0533