"NI...NI..." MBOLA AO ANATIN'NY FANDRESEN-DAHATRA NY ROA TONTA ISIKA IZAO....

1. laza5700 ( 04/01/2013 22:28)
SADY TSY RAVALOMANANA NO TSY RAJOELINA Inona no mety ho tombotsoa sy fahavoazan'ny ankolafy tsirairay ao anatin'io sosokevitra "NI...NI" io= ho an-dRavalomanana, ho an-dRajoelina, ho an'ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo? Inona no nahatonga an'-dRajoelina efa saika roboka hanaiky an'io soso-kevitra io? Tokony hanaiky io tsy filatsahana io v Ravalomanana? Ireo no fakafakain-Atoa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony amin'ity horonan-tsary ity izay nentiny indrindra handresena lahatra ny roa tonta mba tsy hilatsaka.


http://www.youtube.com/watch?v=waESWTPGhAY

NB: Fandaharana RESABE sur Ma-TV ny 30 novembre 2012 = andro vitsy tao alohan'ny recommandation'ny SADC tamin'ny 8 décembre milaza hoe tokony horesena lahatra izy mirahalahy mianaka. Mbola pertinent nefa ny fandresen-dahatra rehetra ao anatiny satria hatram'zao aloha dia RAVALOMANANA nihizingizina tsy nanaiky hatrizay indray no io fa nanaiky tampoka fa RAJOELINA efa nanamafy ela hoe efa nieritreritra an'io Ni Ni io ndray no toa mihazohazo= MBOLA AO ANATIN'NY FANDRESEN-DAHATRA NY ROA TONTA TSARA ARAKA IO RECOMMANDATION SADC IO ZANY ISIKA IZAO .
répondu par nilex le 07/01/2013 13:21
2. andrywui ( 05/01/2013 01:14)
Efa tapitra ny film ko., niakatra ny soratra , maty ny deba be ,
Blood sport vandammmm
3. nilex ( 07/01/2013 13:21)
raha hoe ni ni no mety tsy olana fa ny tena vahaolana eto anefa dia izy roalahy mihintsy no asaina mifaninana eto dia aleo ny vahoaka no hitsara ny rehetra.Fa misy tsy sahy aho satria fantany fa tsy hahazo 0.5% akory ao ka mety ho ratsy ny tohiny fa aleo i dada hitadiavana hevitra ny tsy hodiany.Rehefa manao ratsy tsy maintsy mahana sady aleo hono henjehin'ny omby masika toy izay henjehin'ny heritreritra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3307