Ny Kristiana sy ny taom-baovao 01 janvier

1. didi10 ( 13/12/2012 13:05)
Tsara ny Tompo

Faly ery isika tsy mankalaza ny 25 Desambra manakiana ireo mbola mankalaza ka apetraka amintsika indray ary ny fanontaniana hoe tokony hankalaza ny 01 Janvier ve isika?
répondu par Miharena le 08/01/2013 08:39
2. Nehemiah ( 13/12/2012 13:16)
Tit. 3:9
3. miarana ( 13/12/2012 14:24)
Isika tsy mankalaza datin'andro fa mankalaza an'Andriamanitra isan'andro.
4. didi10 ( 13/12/2012 14:56)

Nehemiah:

Tit. 3:9


tokony tsy hiatsara velatsihy isika fa raha mankalaza ianao dia inona no antony tsy mankalaza dia inona no antony
5. bor2lais ( 13/12/2012 17:28)
Radidi:

Faly ery isika tsy mankalaza ny 25 Desambra manakiana ireo mbola mankalaza ka apetraka amintsika indray ary ny fanontaniana hoe tokony hankalaza ny 01 Janvier ve isika?

Natao ho an'ireo tsy mankalaza Krismasy moa izany ity lohateny iray ity ? :-)
6. moustaraf ( 14/12/2012 04:30)
Salama namana,

Raha i Kristi (na kristos) romana no arahinao dia mankalaza fety be dia be ianao, ivelan'ireo nandidian'i Tsitoha hoe "IN-3 isan-taona no hiseho eo anatrehako ny israely" ary fety 3 no nodidiany tsy maintsy ankalazaina MANDRAKIZAY.

isan'ireo ve ny Krismasy, 1er janvier, sns......???

Ny romana rehefa namorona ny fivavahana kristiana (t@ andron'i Amperora Constantin) dia MBA NAMORONA FETY IHANY KOA mba itovitovizana @ fivavahana Hebreo, vankio ny histoire de l'église!!!

Ny Torah dia mankalaza ny VOLANA VOALOHANY MANONTOLO fa tsy ny ANDRO VOALOHANY AKORY, izany no nandidian'ny Tsitoha! ary tsy Janoary io volana io!!!
Ny andro voalohany @ janoary na ny 1er javier dia ho fanomezan-kasina an'i JANUS ARIUS ilay olona sampona (double face) izay nivavahan'ny ROMANA ihany koa.

7. Nehemiah ( 14/12/2012 05:29)

didi10:

tokony tsy hiatsara velatsihy isika fa raha mankalaza ianao dia inona no antony tsy mankalaza dia inona no antony

Aiza izay fihatsarambelatsihy eo ? "Halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany." Tsy mahasoa an'iza na iza ny miadiady @ resaka tsy misy dikany toy izao fa zavatra hafa mihitsy no tokony karakaraintsika kristianina : ny fitotongan'ny soatoavina kristianina @ fiaraha-monina, ny fanipahan'ny olona an'Andriamanitra sy ny teniny, izay mitondra fitomboan'ny isan'ny heloka bevava, kolikoly, fanompoan-tsampy, fahantràna, fifandirana, homosexualité, fijangajangàna, tsi-fankatoavana ray aman-dreny, fanalan-jaza, fihatsarambelatsihy. Tokony mijoro am-piraisana antsika, @ maha-"fanasin'ny tany" antsika, fa tsy mandany andro mifanasa vangy nefa samy mino an'i Kristy.
8. didi10 ( 14/12/2012 10:49)

bor2lais:

Radidi:

Faly ery isika tsy mankalaza ny 25 Desambra manakiana ireo mbola mankalaza ka apetraka amintsika indray ary ny fanontaniana hoe tokony hankalaza ny 01 Janvier ve isika?

Natao ho an'ireo tsy mankalaza Krismasy moa izany ity lohateny iray ity ? :-)


Tsia ka! lojika kokoa raha ireo mpanao Krismasy no sady manao taom-baovao fa betsaka ireo tsy manao krismasy kanefa mankalaza ny taom-baovao ihany.
9. didi10 ( 14/12/2012 11:33)
Fantatrao ve fa amin'ny 11 Mars 2013 ny taom-baovao araka ny nanamboaran'i Jehovah azy?
10. leva2 ( 16/12/2012 20:33)
Velona Jesosy!

Nankalazaina tao amin'ny testamenta taloha ny taom-baovao, ary misy karazam-pety maromaro ao nataony ankalazaina : Lev 23.
Marihiko fotsiny fa ilay iray minitra, adiny iray, tontolo andro na tontolo alina natokantsika hiderana an'Andriamanitra sy hisaorantsika Azy iny : iny no tena ankasitrahany. Fa tsy ilay hanim-pitoloha, tsy ilay alim-pandihizana makotroka, tsy ilay fisotrosotroana sy fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao.

Misaotra namana!
11. Nehemiah ( 17/12/2012 05:45)

leva2:


Marihiko fotsiny fa ilay iray minitra, adiny iray, tontolo andro na tontolo alina natokantsika hiderana an'Andriamanitra sy hisaorantsika Azy iny : iny no tena ankasitrahany. Fa tsy ilay hanim-pitoloha, tsy ilay alim-pandihizana makotroka, tsy ilay fisotrosotroana sy fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao.

(y)
12. Miharena ( 18/12/2012 08:58)
Ny namana Didi10 eo am-panombohana ny dinika dia milaza hatrany hoe Tsara ny Tompo, ka inona àry no anto"ny fanontaniana?
13. didi10 ( 19/12/2012 08:01)

Miharena:

Ny namana Didi10 eo am-panombohana ny dinika dia milaza hatrany hoe Tsara ny Tompo, ka inona àry no anto"ny fanontaniana?


Ny hoe tsara ny Tompo namana Miharena dia sady fiarahabana antsika no fanomezana voninahitra an'Andriamanitra tahaka ny rehefa hanao veloma dia miteny hoe tahian'ny Tompo
14. Miharena ( 19/12/2012 14:13)
Izay mihitsy namana no ilazana hoe inona no tian'ny namana hahatongavana amin'ilay fanontaniana? Ny fahatsaran'ny Tompo nampisy saina famoronana teo amin'y olombelona ka nanaovany ireo rafitra fampiasana ny andro ve sa fanakianana ny zava-bitan'ny olombelona?
15. tsitialainga ( 07/01/2013 13:19)

didi10:

Fantatrao ve fa amin'ny 11 Mars 2013 ny taom-baovao araka ny nanamboaran'i Jehovah azy?

Salama daholo ny namana isany. Hay tena misy ady hevitra mahafinaritra mihitsy ato amin'ny serasera ato. Misaotra an'i Didi10 fa tena tsy ampy mihitsy ny fampahafantarana ny fahamarinana eto amin-tsika, hany ka lasa manompo andriamanitra tsy fantany sy tsy nifanao fanekena taminy ny Malagasy. Izaho àry mbola manamafy ihany koa fa io 11 Mars 2013 io no tena TAOM-BAOVAO n'ny Malagasy avy amin'i SHADDAI Ilay nahary ny lanitra sy ny tany.
Raha mbola mikiry ihany àry isika ka mbola mahita fanisan'andro sy fampianarana hafa sy mpampianatra hafa izay mitondra lainga dia mitandrema fa sao tanteraka ilay ao amin'ny 2 Tim 4/3-4; sy ny 2 Pet 2/1-3 satria efa nomena an-tsika hatry ny ela anie ny fanisan'andro marina sy ireo fotoana tokony hajaina sy hivavahana e! Tsy aleo ve harahina tsara ny ao amin'ny AA 17/30-31. Sa mbola tsy fay foana ve isika @ ireo lainga rehetra manodidina an-tsika? Mahereza daholo ry namana sy ry Malagasy mpandala ny fahamarinana fa ny MARINA TSY MBA MATY.
16. Miharena ( 08/01/2013 08:39)
Raha mbola mihevitra isika fa hohamarinina amin'ny alalan'ny tranga na fanisana andro dia tsy ho voavonjy izany. Ny olana dia tsy misy mahita ny vontoatin"ny nahatongavan'ny Tompo teto an-tany fa variana amin'ny fanisana andro.
Azo lazaina fa rite na mythe izay efa anisan'ny notoherin'i Kristy tamin'ny andron'ny Jiosy ireo lazaina fa andro tokony hotandremana.

Na izany na tsy izany, dia samy manana ny fanisana andro ny olona samihafa fa matoa neken'ny rehetra izao fanisana andro ankehitriny izao dia manana izay azony ambara ny Tompo hoe tsy misy izay miseho eto ambany masoandro izay tsy nahazo fanekena alohan'ny hahatanterahany. Io dia ny tsirairay no tompon'andraikitra fa tsy misy idiaran'ny Tompo. Ny ataon'y Topo dia ny manamora ny fanazavàna ny MAHA-IZY antsika avy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1344