Aiza ho aiza isika eo anatrehan'ny fahalalàna an'Andriamanitra?

1. Miharena ( 11/12/2012 12:30)
Nosokafana ity lohahevitra ity hahafahana manao bilan ny fahalalàna tsapantsika momba ny Mpahary.

Ny olana manko rehefa tena mandinika isika dia misy ireo hevitra izay mandeha dia tsy hahitana mangirana mihitsy fa mihodinkodina eo fotsiny.
Ohatra iray ny momba ny ho avin'ny olombelona, izay lazaina hatrany fa roa ny lalana dia ny fiainana sy ny fahaverezana.
Ny fanontaniana tena tsara apongatra dia eo amin'ny fahatsapana ny tena fahamarinana fa tsy adihevitra tsy misy fiandohany sy fiafarany.
Eo amin'ny famaliana ilay fanontaniana dia atao hoe toy ny lolo isika, isika ve mbola azo lazaina fa mbola anisan'ny kilasin'ny fanday sa efa lolo?

Raha ny Lolo ohatra no anontanian'ny Fanday dia mbola nofinofy no fahafantarany ny fiainan'io lolo io noho ny tsy mampanana helatra azy. Nefa rehefa tena zohina dia efa ao anatin"ny selan'ny fanday ny hahatongavany ho lolo.

Dia misokatra àry ny adihevitra ary mirary antsika ho tafavoaka hahasahana ilay fianana manontolon'ilay fanday lasa Lolo.
répondu par Miharena le 22/12/2012 06:18
2. Miarana ( 12/12/2012 11:19)
« Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. » (Isaia 40:28)

« Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . » (Salamo 145:3)

=> Sombiny no fantatro ary tsy nahalala aho raha tsy Izy Andriamanitra no nanambara ny tenany.
3. Miharena ( 12/12/2012 13:00)
Misaotra ny namana Miarana nanome sombiny amin'ny fahalalàna izay voatanisa ao anaty Baiboly. Raha ireo no jerena dia manambara fahalehibeazana ny Mpanao Salamo. Fa ny momba ny fiainantsika izany fahalehibeazana izany, misy marika ve hahafahantsika mandrefy? na dia eo amin'ny rafitra momba antsika olombelona noforonina araka ny endrik'Andriamanitra fotsiny aza? Sa rehefa misy tranga ivelan'ny tenantsika tsy tohitra dia izay no atao hoe fahalehibeazan'Andriamanitra?
4. bor2lais ( 13/12/2012 18:04)
Miharena > "nous irons tous au paradis" moa no tianao ahatongavana e ? :-)

Raha tahaka ny lolo sy fanday ny fiainan'olombelona, nilaina ve ny asam-pamonjena nataon'i Jesoa ? ;-)

Ataoko fa tsy niteny an'ity akory Izy :
"efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao"

Fa rehefa mifidy ny fiainana kosa ianao dia izay angamba vao tahaka ny fanday sy ny lolo ny fiainana ! :-)

Diso aho ve ?
5. Miharena ( 14/12/2012 16:35)
Eo indrindra isika namana

Mety ho fanday mandrakizay ve ny lolo raha efa natao ny programa momba azy?

Misy fomba fiainana roa ao, ny iray Fanday, ny iray Lolo. Misy safidy roa tokoa ve raha izay no izy?

Aoka ho fantatra fa efa ara-panahy isika na dia ao anaty nofo aza. Ka ahoana moa no ilazana fa tsy ho velona isika aorian'ny fiofoana na koa hoe fialana amin'ny nofo? ilay safidy ve mahafoana ny maha-lolo?

Ny namana bor2lais ve izao raha ampahafantarina fa misy fomba fijery diso fotsiny no mahatonga ny filazana fa misy safidy, fa ny marina tsy azo iadian-kevitra dia fanday aloha ianao dia lolo avy eo na inona fiheveranao na inona, na inona safidinao na inona, dia tsy hanaiky ve ianao hoe : hay zava-poronin'ny saina fotsiny ilay safidy?

Ny safidy koa ve mandrakizay sa mandalo? Iza no misafidy? Ilay fanday sa ilay lolo?

Dia toy io koa ny analogie momba ny fanahy sy ny nofo. Iza no misafidy, ny fanahy sa ny saina? Ny ateraky ny fanahy dia fanahy, ary ny ateraky ny nofo dia saina eto. Ny saina manam-petra ve mahatarika ny fanahy mandrakizay ho faty miaraka aminy ?

Io no fanontaniana tokony hovaliana marina fa manjary mihodinkodina amina zava-poana isika.
6. bor2lais ( 14/12/2012 17:51)
Aorian'ny safidy vao miresaka fanday sy lolo aho fa vakio tsara ny nosoratako ! :-)
Tadidio fa misy ny antsoina hoe lolom-paty a ! ;-)
7. Miharena ( 14/12/2012 18:27)
Ilay fanontaniana dia hoe: Ny safidy, iza no manao azy? Inona ao amin'ilay iza no manao azy? Ilay ampahany mandalo sa ilay ampahany mandraikizay?

Tsy maintsy misy aloha ny iray amin'ireo izay vao tonga ny safidy raha misy izany ary mitombina tsara. Ny safidy dia azo lazaina hoe hiverimberina hanao fanday ianao dia lolo avy eo, dia miverimberina eo, Na mahazo tsara ianao hoe ilay iray no tena ianao fa ilay mandalo tsy ianao, dia tsy mihodinkodina intsony ianao amin'izay.
8. bor2lais ( 15/12/2012 14:11)
miharena:

Ilay fanontaniana dia hoe: Ny safidy, iza no manao azy? Inona ao amin'ilay iza no manao azy? Ilay ampahany mandalo sa ilay ampahany mandraikizay?

Tsy maintsy misy aloha ny iray amin'ireo izay vao tonga ny safidy raha misy izany ary mitombina tsara. Ny safidy dia azo lazaina hoe hiverimberina hanao fanday ianao dia lolo avy eo, dia miverimberina eo, Na mahazo tsara ianao hoe ilay iray no tena ianao fa ilay mandalo tsy ianao, dia tsy mihodinkodina intsony ianao amin'izay.


Tsy fantatro aloha na ny inona na ny inona ao amin'ny olombelona no manao ny safidy fa ny fantatro dia napetraNY amin'ilay olombelona namboariNY io safidy io ! Azo lazaina hoe "safidy orienté" ange ilay izy satria efa atoroNY ihany hoe ny fiainana no tsara !

Mila vaniny ve Izy aminao raha mametraka ilay safidy ?

Nanaonao foana ve Izy nandefa ny Zanany hamonjy ny olombelona satria aminao na ho ela na ho haingana dia ho voavonjy foana izy ireo ?

Amiko ny fandraisako azy dia, ny safidinao dieny mbola velona no antoky ny fiafaranao rahatrizay ! ;-)

Farany tsy mitovy ny fandraisantsika ilay resaka "fanday" sy "lolo" : noheveriko fa rehefa mitombo ny "fanday" dia lasa "lolo" (tahaka ny "zaza" lasa "lehibe") ! :-) Hay ny anao kay ny "lolo" mbola mety miverina "fanday" !
9. Miharena ( 16/12/2012 15:57)
Bor2lais:

Nanaonao foana ve Izy nandefa ny Zanany hamonjy ny olombelona satria aminao na ho ela na ho haingana dia ho voavonjy foana izy ireo ?


Miala nenina hatrany Andriamanitra eo amin'y asam-pamonjena. Ny famonjena lehibe indridra tiana avoitra eto dia ny fampahatsiarovana ny olona fa Fanahy izy fa tsy nofo. Io ilay nanoharana ny fanday sy lolo (izany hoe fianana nofo tsy maintsy mitozo amin'ny fiainana ara-panahy). Raha io no ampahafantarina ny olona dia mahazo toky izy fa manana fiainana mandrakizay. Hainy tsara ny manavaka ny nofo sy ara-panahy eto. Ny saina hoy aho sy ny hevitra dia mbola nofo ihany avokoa (mihelina ihany). Ny fanahy kosa dia mandrakizay.

Fantatra anefa fa sady nofo isika no fanahy ary tokony hahalala fa fanahin'Andriamanitra no ao anatintsika amin'ny maha-voary noforonina araka ny endriNY antsika. Io no fampianarana fototra ao anaty Baiboly. Ny fivilianana dia entin"ny saina avokoa na vokatry ny saina.


Farany tsy mitovy ny fandraisantsika ilay resaka "fanday" sy "lolo" : noheveriko fa rehefa mitombo ny "fanday" dia lasa "lolo" (tahaka ny "zaza" lasa "lehibe") ! Hay ny anao kay ny "lolo" mbola mety miverina "fanday"

Tsy azonao tokoa izay lazaina teo ambony raha io no famakianao azy ka hazavana bebe kokoa.
Io resaka miverimberina io dia ny saina no manao azy. Ny saina no misafidy araka ny resaka nolazaintsika fa tsy ny fanahy. Ny Fanahy dia efa eo ary omena maimaim-poana. Tsy misy isika raha tsy misy fanahy.
Ka ilay miverimberina dia azo lazaina fa illusion (na zava-poronin'ny saina zary iainana). Hitantsika angamba ny atao hoe réincarnation. Safidy no mahatonga io phénomène io. Rehefa tonga i Kristy dia tapaka hatreo io endrika io fa mandroso ho amin'ny maha-Fanahy antsika isika ao AMINY.

Io no mahatonga ny fanoharana momba ny fanday sy ny lolo. Toetra roa samihafa tanteraka ireo nefa efa programa tsy azo ihodivirana.

Dia toy izany koa ny olombelona, manana programa tsy azo ihodivirana izy satria ny tena maha-izy azy dia ny fanahy fa tsy ny nofo sy ny sainy.

Asa na azo ilay izy na tsia.

Eto dia raha te-hahalala an'Andriamanitra marina isika dia tsy mitady ivelany fa mangady ao anatintsika ao hahafantarantsika ilay Fanahy iraisan'tsika AMINY.
10. bor2lais ( 17/12/2012 11:35)
miharena:

Eto dia raha te-hahalala an'Andriamanitra marina isika dia tsy mitady ivelany fa mangady ao anatintsika ao hahafantarantsika ilay Fanahy iraisan'tsika AMINY.

Ahatsiarovako ny resaka lavabe nifanaovana teto taloha io teninao io.

Tsy hamerina ny adihevitra aho akory (isan'ny mba nandray anjara tamin'izany i bor2lais ka mba misy fantatro kely ihany ny firehanao) fa mamehy fotsiny ny tianao ahatongavana sao mahaliana ny namana hafa tsy mahafantatra ! Izay no isan'ny mahaliana ahy amin'itony sehatra tahaka itony (fifampizarana sao mahasoa) !

Aza misalasala manitsy raha toa ka misy diso ny lazaiko :

1. ianao dia manohana fa efa ao amin'ny tsi11 ny Fanahin'Andriamanitra ary "héréditaire" izy io

2. io no mahatonga anao milaza fa na ho ela na ho haingana dia io Fanahin'Andriamanitra izay tohananao fa efa ao amin'ny tsi11 io no handresy

3. izay no mahatonga an'i bor2lais ery ambony miteny hoe : aminao dia "nous irons tous au paradis !"

Marihiko fa ilay fofon'aina nomeNY an'i Adama no lazainao fa Fanahy Masina izay mbola lovàn'ny tsi11 hatramin'izao !

Tsiahiviko koa fa i bor2lais dia manohana fa tsy mitovy ny "souffle de vie" nomeNY an'i Adama sy ny "souffle d'Esprit" nomeNY tamin'ny andro pentekosta ohatra ! :-)

Fa mba misy fanontaniana kely manitikitika ity : rehefa miresaka i miharena mitovy ve ny "fanahy" ("f") sy "Fanahy" ("F") ? ;-)
11. Miharena ( 17/12/2012 16:14)
Somary mivoana amin'ilay lohahevitra ianao namana Bor3lais raha mametraka fanamarihana momba izay faharesen-dahatro.

Izay fomba fahazoana izay momba ny tena sy ny fahahy no lazaina eto ary rehefa iainana ilay izy dia tsapa ary manamarina ilay tenin'i Kristy hoe izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Ilay ataonao hoe fanahy (f) sy Fanahy (F) dia mety ho sarotra ihany ny manavaka azy satria ilay (f) dia avy amin'ilay '(F) ihany ary mitovy hery aminy saingy tototry ny saina sy ny fianana ara-nofo. Azo lazaina fa sedra no nahatongavantsika ho olombelona ary raha tsy nisy i Jesoa nizara hoe ianareo dia tsy olon'izao tontolo izao na dia eo amin'izao tontolo izao aza, dia tsy nazava fa manana anjara ho zanaka isika. Ny olana dia tsy manaiky ny saina ary manaraka iny koa ny fo ary adinoina tanteraka ilay Fanahy (Sombiny iraisana ao anaty ifandraisana amin'ny Loharano).

Ilay fahazoana ilay Fanahy Masina ihany koa no mety tsy azon'ny olona. Ny olona mifoha no mahatsapa tanteraka ny fiasan'ny Fanahy Masina. Tsy hoe mirotsaka ny Fanahy Masina fa mifoha ao amin'ny tsirairay avy.

Izay aloha no fahazoako azy fa asa hoe ahoana no fahazo'ny namana Bor2lais azy.
12. bor2lais ( 18/12/2012 14:42)
miharena:

Somary mivoana amin'ilay lohahevitra ianao namana Bor3lais raha mametraka fanamarihana momba izay faharesen-dahatro.

Ekena ary e ! :-)
Mba napetrako fotsiny iny ahafantarana hoe aiza no tianao ahatongavana ka ! ;-)
miharena:

Izay fomba fahazoana izay momba ny tena sy ny fahahy no lazaina eto ary rehefa iainana ilay izy dia tsapa ary manamarina ilay tenin'i Kristy hoe izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Tsy fantatro raha izaho no tsy mahazo tsara fa ny tianao tenenina ve dia hoe : "ny olombelona (rehetra) sy ny Ray dia iray ihany" ?
Raha ny fahalalako azy mantsy dia toa valinteny nataoNY ho an'ny fariseo angamba izy izay ! Nefa araka ny fahalalako kely ny faresen-dahatrao dia mety tsy mifanalavitra amin'io lazaiko io ny tianao tenenina a ! ;-)
miharena:

Ilay ataonao hoe fanahy (f) sy Fanahy (F) dia mety ho sarotra ihany ny manavaka azy satria ilay (f) dia avy amin'ilay '(F) ihany ary mitovy hery aminy saingy tototry ny saina sy ny fianana ara-nofo.

Somary zava-baovao amiko indray ity ry miharena a ! :-)
Ahoana izany ny fandraisanao ny antsoina hoe "fanahy maloto" avoakan'i Jesoa amin'ny demoniaka iray ? Mba tsy avy amin'ny Fanahy Masina ("F") kosa angamba ilay "fanahy maloto" a !
miharena:

Azo lazaina fa sedra no nahatongavantsika ho olombelona ary raha tsy nisy i Jesoa nizara hoe ianareo dia tsy olon'izao tontolo izao na dia eo amin'izao tontolo izao aza, dia tsy nazava fa manana anjara ho zanaka isika. Ny olana dia tsy manaiky ny saina ary manaraka iny koa ny fo ary adinoina tanteraka ilay Fanahy (Sombiny iraisana ao anaty ifandraisana amin'ny Loharano).

Marihiko amin'i miharena fa toa vavaka nataoNY ho an'ny mpianaNY io tianao lazaina io raha tsy diso aho a ! Izany ho an'ny efa mpanaraka Azy (fa tsy ho an'ny rehetra) ! Ireo eo "amin'izao tontolo izao" faharoa lazainao eo ambony io ve dia heverinao fa manana ny Fanahy Masina ("F") ?
miharena:

Ilay fahazoana ilay Fanahy Masina ihany koa no mety tsy azon'ny olona. Ny olona mifoha no mahatsapa tanteraka ny fiasan'ny Fanahy Masina. Tsy hoe mirotsaka ny Fanahy Masina fa mifoha ao amin'ny tsirairay avy.

Hitanao fa tafaverina amin'ny resako ery ambony ihany isika fa tsy dia mivoana araka ny nolazainao akory ? :-)
"Nous irons tous au paradis" ;-)
13. Miharena ( 18/12/2012 16:02)
Bor2lais:

Somary zava-baovao amiko indray ity ry miharena a !
Ahoana izany ny fandraisanao ny antsoina hoe "fanahy maloto" avoakan'i Jesoa amin'ny demoniaka iray ? Mba tsy avy amin'ny Fanahy Masina ("F") kosa angamba ilay "fanahy maloto" a !


Eto amin'ity ampahany ity ihany no asiako fanamarihina ary hizarako izay fahalalako momba azy io namana Bor2lais.

Ny fanahy maloto dia vesatra azo noho ny fampiasana ny vavahadintsaina handray izay rehetra manodidina azy. Ny voalohany indrindra dia ny fitsarana sy fanavahana hoe izatsy n oatao hoe maloto ary izaroa no atao hoe madio. Faharoa, ny fanekena fa mety maloto rehefa misaina ilay maloto ary madio rehefa misaina ilay madio. Ny mpanao safidy anefa dia tsy misy afa-tsy ny saina ary izy ihany no mampanaiky anao hoe ity no tena tanako ho finoana na fiainana.

Manana lanjany lehibe ny saina eo amin'ny lalan'ny olona iray. Izy no mampanaiky fa ratsy fanahy ianao na tsara fanahy.

Ka mipetraka ihany fanontaniana hoe : fa maninona no manana fanahy maloto isika? sao dia ny fomba fijery no hafa matoa manana na mahazo izany isika?

Mila valiny matotra io namana Bor2lais sao dia mahatonga saina antsika ihany ny valiny hahatsapa ny tena atao hoe fanahy iraisana amin'Andriamanitra? Matoa Jesoa namoaka fanahy demoniaka dia fanadiovana no ataony. Tsy misy fanahy hafa diovina afa-tsy izay anananao. Ka mipetraka ihany ny fanontaniana hoe an'iza io fanahy dioviNY io ary maninona no dioviNY? Azo lazaina ve fa mifampizara fanahy Satana sy Andriamanitra?

Izay tsy manana fahefana manana ny fanahy no roahina eo amin'y demoniaka. Ary satria tsy manana fahefana dia mazava fa tsy manana fahefana ho an'ny olombelona rehetra fa tsy hoe ampahany ihany dia avela ireo resy ho faty. Tsy manana fahefana mamono koa satra tsy manana fahefana mamorona Satana. Ka aiza ho aiza marina àry ny tena mampierikerika ny namana Bor2lais amin'ireo resaka aroso ireo? Tsy manana fanantenana ve ianao hoe nous irons tous au Paradis matoa mandoto saina mihevitra izay fahaverezana atao hoe illusion ihany?

Mifohaza namana fa aza dia matory ao anaty hevitra misafotofoto dia raisina ho fahamarinana a!

Io no atao hoe mifoha, rehefa mahatsapa tsara fa Fanahin'Andriamanitra no iananao sy efa nanananao hatrizay ary ho mandrakizay mba hahatà ny fampianaran'i Krsity hoe eo amin'izao tontolo izao ianareo fa tsy naman'izao tontolo izao.

Mety misy indray izao no milaza hoe ny Apostoly ihany no niresahana izany fa tsy ny hafa. Andriamanitra manana fitaovana maro ahafahana mampahatsiaro fa zanany ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Na Dahalo aza ampahafantariny fa zanany.

Ny endri-pinoana mihitsy no mivoana indraindray matoa tsy afaka mijery ireo sehatra lazaiko ireo namana Bor2lais.

Sa ahoana hoy ianao?
14. bor2lais ( 19/12/2012 07:08)
Miharena > na efa betsaka aza ny namana niteny anao izany dia amafisiko eto fa tsy ara-tSoratra Masina velively ny zavatra lazainao eto.
Izay no nahatonga ahy nanintona ny sainao hoe "somary zava-baovao amiko indray ity Miharena".
Averiko indray fa tsy nisy nilana ny asam-pamonjena nataon'i Kristy raha dia samy ho voavonjy araka ny lazainao ihany daholo ny olombelona.
Ny voalohany amin'ny boky ny Genesisy ihany angamba no mety iraisantsika fa ankoatra izay dia hafa tanteraka ny anao ! :-)
15. Miharena ( 19/12/2012 14:10)
Namana Bor2lais,

Marina ny fanamarihanao amin'ny ampahany. Ampahany satria mety tsy mitovy ny fandraisantsika ilay Soratra Masina.

Mety io lazaiko io mihitsy no ara-Tsoratra Masina nahatongavan'i Kristy ho nofo fa tsy noheverinao angamba dia lazainao fa hafa.

Rehefa mamaky io Soratra Masina io aho dia afaka mamoitra ireo rehetra voatanisako ireo.

Tsy milaza aho hoe tsy nanana fahalavoana ny olombelona fa miresaka kosa hoe inona ilay endrika fahalavoana. Miresaka koa ny momba ny famindram-po mandrakizay aho. voasoratra ao izany raha mijery tsara ianao. Ny fandraisana azy mihitsy no samihafa eo amiko sy ianao fa mitovy hatramin'yn farany ny fandraisako ny Soratra Masina, hahitako fahazavana sy fanavotana LEHIBE ao ary zaraina amin'ny namana na dia tsy asiana tanisa aza. Misy zva-baovao aorina ao. Ka io sehatra mivoatra io angamba no tsy mampitovy ny fomba fiheverantsika sa ahoana namana? Mety ho dis ofitsara ny namana koa aho fa tsy voatery ho marina ny supposition. He izany izy hoe supposition - illusion iray koa izay fa tsy réalité ka aza raisina ho marina aminao.
16. niryna ( 21/12/2012 21:01)

Miharena:

Nosokafana ity lohahevitra ity hahafahana manao bilan ny fahalalàna tsapantsika momba ny Mpahary.

Ny olana manko rehefa tena mandinika isika dia misy ireo hevitra izay mandeha dia tsy hahitana mangirana mihitsy fa mihodinkodina eo fotsiny.
Ohatra iray ny momba ny ho avin'ny olombelona, izay lazaina hatrany fa roa ny lalana dia ny fiainana sy ny fahaverezana.
Ny fanontaniana tena tsara apongatra dia eo amin'ny fahatsapana ny tena fahamarinana fa tsy adihevitra tsy misy fiandohany sy fiafarany.
Eo amin'ny famaliana ilay fanontaniana dia atao hoe toy ny lolo isika, isika ve mbola azo lazaina fa mbola anisan'ny kilasin'ny fanday sa efa lolo?

Raha ny Lolo ohatra no anontanian'ny Fanday dia mbola nofinofy no fahafantarany ny fiainan'io lolo io noho ny tsy mampanana helatra azy. Nefa rehefa tena zohina dia efa ao anatin"ny selan'ny fanday ny hahatongavany ho lolo.

Dia misokatra àry ny adihevitra ary mirary antsika ho tafavoaka hahasahana ilay fianana manontolon'ilay fanday lasa Lolo.
tsy azoko ny tianao ahatongavana .Tonga hoe dia mba resaho ny tianao ho lazaina.Sa dia zazabodo ny tena ka tsy mahazo izay tiana lazaina. hi,hi
17. Miharena ( 22/12/2012 06:18)
Niryna:

tsy azoko ny tianao ahatongavana .Tonga hoe dia mba resaho ny tianao ho lazaina.Sa dia zazabodo ny tena ka tsy mahazo izay tiana lazaina. hi,hi


Miarahaba ny naana Niryna indray,

Zazabodo mihitsy no mahatakatra io zavatra lazaiko io fa tsy ny olona efa nanangona fahadisoam-piheverana be dia be nanototra ny marina momba azy.

Asa ianao na nanaraka ireny fijoroana vavolombelona nataon'ny namana isan-karazany ireny fa rehefa mandinika tsara dia mahita fa tsy io nofontsika io no isika fa endrika hafa. Io ilay Lolo tiana atao fanoharana eto. Ny nofo mety lo (fanday) dia mivadika tsy mety lo sady tsy manam-petra (natao hoe lolo satria ny lolo manana elatra) tsy mitovy intsony ilay mandady sy ilay manidina nefa iray no niandohany, dia ilay mandady. Singy tsy nisy koa ilay mandady raha tsy avy amin'ilay manidina.

Ka io dia azo oharina amin'ny fiainan'ny olombelona. Fanahy isika dia notorontoroniana ao anaty nofo ary mivoatra ho fanahy indray rehefa modimandry. Izany hoe efa misy programa matipaika momba ny olona tsirairay avy araka ny toetra efa feno ao amin'io programa io.

Ny tsy fahatsapana izany dia miteraka fanontaniana maro toy ny hoe ; ho voavonjy ve sa tsia? mankaiza izay vao voavonjy? inona no fepetra takiana sns.... izay tsy mahavaly ny fanontaniana hoe : ahoana avy ny fisehoan'ny endri-tsika raha niteny Andriamanitra hoe : andeha isika hanamboatra olona mitovy endrika amintsika. Ahoana no fahalavoana rehefa tsy mahatsapa fa Endriny tokoa isika (efa manana programa feno sy mandrakizay).

Izay aloha no azo hazavaina fa eo amin'ilay zazabodo indray:

Asa na efa nanana izao fisainana na fahatsapana izao ianao namana Niryna tami'ny mbola kely. Manana fitiavana be ianao ao anatinao ao ary izay rehetra mandalo ny saina dia mora voaray avokoa ary malaky dia malaky ny interprétation andraisantsika zaza ilay zava-miseho rehetra sy ianarana. Dia rehefa mahita olona miady hevitra dia mahatakatra tsara hoe diso hevitra be ny sasany. Eo isika dia mahatsapa fa manana toerana ambony kokoa noho ilay mpiady hevitra ary manana vahaolana tsara fa rehefa miteny dia lazain'ny lehibe hoe ianao izay zaza bodo io tsy afaka mananatra anay lehibe. Dia rehefa mitombo ny taona dia miha-mafy hatoka ary miseho ho lehibe mahalala ny zava-drehetra nefa vesa-tsaina daholo io nangonina io fa tsy manome ilay fahamaivanana teo aloha intsony. Dia rehefa antitra mamakafaka tsara izay vao mahatsapa hoe hay tsy io nofo mora raraka io fa hafa mihitsy (indrindra fa rehefa mandinika ny Teny Fototra tian'Andriamanitra ajoro sy ho fantatry ny rehetra ho antsika). Dia eo isika vao tonga saina sy vory tanteraka ny maha-feno antsika.

.

Fa ny fanontaniana dia hoe raha précoce moa isika ka mahalala sahady ilay programa, dia hoana re no ho tohin'ny tantarantsika avy e! Mbola hanao toy izao adihevitra mitranga sy mampisalasala izao ve? Sa hiasa dia hangina hitozo amin'y lalantsika avy hahato ny Mazava hanjaka eo amin'ny fiainantsika avy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1355