Dinika ny Fivavahana, finoana

1. sitlo ( 08/11/2012 13:34)
Dinika momba ny fivavahana sy finoana no eto fa tsy fiderana na tory teny tsy valiana.

Raha niteny aho hoe ridicule ny filazana hoe: ikarakarana ny fiainana rehefa tapitra ny aina ny fiainana. Dia mitombina tsara mihitsy io. Ary raha toa ka mahavoaka hevitra manohitra an'io ianareo dia asehoy.

Fa aza atao hoe:
ho moramora ny nahazo an'i Sodoma sy Gomoro
efa tonga eto amin'ny sehatry ny Fivavahana, finoana ny mpanao vali-boraingina , olon'ny Nofo, olon'ny fijangajangana
Raha nivory ny zanak'i El dia mba teo koa i satana!

Dia aza ampiana hoe:
tsy manaraka tsara
tsy maaraka
mila itoeran'ny fanahy masina vao hahatakatra
mampalahelo
mahereza
mivavaka ho anao
velona Jesosy sns

Tsy haiko na hoe ny dikan'ny ady hevitra aminareo dia fitsarana izay tsy mitovy hevitra aminareo, na hoe fitadiavana olona hiara-hidera aminareo. Raha izay no tadiavinareo dia malalaka ny fiangonana.

Fa raha entinareo hodinihina eto ny finoanareo dia aza gaga mihitsy raha misy manohitra anareo. Ary asehoy tsara ny mampitombina ny hevitra entinareo.
répondu par niryna le 17/11/2012 04:54
2. Maranatha ( 09/11/2012 05:16)
Matio 16:23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i ...(sitlo) hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Avoindrindra ianao, fa izay an'ny olona.
3. milofo ( 09/11/2012 06:20)
Akory aby e ! ?
Zao ny tena maria tokony samy malagasy no miady hevitra eto satria :
-Dinika @ teny malagasy ity
-Ny malagasy manana ny fivavahana,Finoana nolovainy t@ razambeny
-Ny fototra lehibe mahatonga ny Malagasy hahantrra dia ny tsy fitazonanan ny kolontsaina maha Malagasy anao na fara faharatsiny ny fahaizana mampivady ny kolontsaianantena @ fandrososana vahiny

Ny fivavahana Malagasy tena Malagasy dia fivavahana t@ razana io no efa kolontsaina napetraka mampifandray ny velona @ ANDRIAMANITRA mpahary izao tontolo izao
Ny finoana indray dia toy izao : mino ny Malagasy fa misy aminy ny TSINY sY Ny TODY . ny tsra na ratsy vitanao dia tsimaintsy mivaly @ nao @ fotoana tsy voafetra ary tsimaintsy misy akony @ fiainana any akoatra
4. booboo ( 09/11/2012 09:47)
Sitlo > Mahereza. :-D :-D :-D :-D :-p
5. Miharena ( 09/11/2012 14:49)
Ny namana Sitlo dia efa ela mihitsy no teto ami'nity dinika serasera ity ary efa fantatra efa ela. Namana avokoa ny rehetra fa tsy tokony hisy fanavahana.
Amiko dia tsy hoe manana finoana na firehana aho dia hilaza fa izay fantatro ihany no marina fa miezaka manome fanazavana mahomby kokoa aho eo anatrehan'ny fanontaniana izay mety hiseho.

Anisan'izany ohatra ny an'ny namana Sitlo hoe


Raha niteny aho hoe ridicule ny filazana hoe: ikarakarana ny fiainana rehefa tapitra ny aina ny fiainana. Dia mitombina tsara mihitsy io. Ary raha toa ka mahavoaka hevitra manohitra an'io ianareo dia asehoy.

Manejika zava-poana no azo ilazàna ny ataon'ny namana hoe ridicule eto.

Ny ilàna fahatsiarovan-tsaina sy tena eo amin'y Kristianina no tokony heverina rehefa misy mahita fa misy zavatra ridicule ao. Ny olana fotsiny dia izao, ny olona tsy mandalina mihitsy tsy afaka hilaza marina fa ridicule ilay izy.

Mila valin-teny mazava io resaka io. Inona no atao ao am-piangonana, mampianatra sa manomana sa mamoha?

Raha izy telo dia ampy izay ny ao. Raha iray monja fotsiny ilay izy dia ridicule araka ny resak'i Sitlo. Rehefa sendra miteraka fanavakavahana eo amin'y olombelona samy olombelona koa ilay fampianarana dia azo lazaina fa ridicule.

Misy fijoroana maro izay mametraka tsara izay hafatra momba ny tena finoana ary hita fa tsy fanenjehana ny fianana manaraka no vontoatiny fa fiainana ny ankehitriny mandrakizay. Izany hoe mametraka ny maha-izy ny olombelona eo anivon'ny tontolo ara-panahy marina iainana dieny mbola ao anaty nofo. Io ilay hoe olona mifoha.

Ny fifohazana ihany koa dia arakaraka ny tsirairay fa samy hifoha daholo ihany na dia olona tsy mahalala mihitsy aza, na koa tsy nampianarin'olon-kafa fa ny Tomo mivantana no manao ny asa. Ka mba ho isan'izany izao ny namana Sitlo.
6. andrywui ( 09/11/2012 22:46)
ppfffff.... lalipaka ny hagegeny !!!
7. andrywui ( 09/11/2012 22:53)
toa tonga de entimpo be ?? nga de tsy mba afak miresaka tsara toi ry pensilihazo raha ts mi semoquer ny oul eto amn serasera a !! adihevitra malalaka miteny ze tiny lazaina eto fa tsy tapenambava otran tongobolo , faharoa rehefa tsy maita avaly toi de midira ary amn lohahevitra hafa na dinika hafa otran'ny oe antson'ny fo fa aleo ny oul hiteny ze tiny sy hilaza ze ao andohany !! sa efa tsy demokratika tsony eto ry pensilihazo ????
8. andrywui ( 09/11/2012 22:54)

Matio 16:23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i ...(sitlo) hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Avoindrindra ianao, fa izay an'ny olona.


fay enao zay aminio ry sitlo malala !!!! hohohohoh
9. andrywui ( 09/11/2012 22:58)
aza miady amn oul tsy mahatakatra ry reto a !!! farano hatreo ty adihevitra ty de manokafa hafa azo iaditsika hevitra fa olon'ny fo sy be fo ary foizina no nanoratra an'io ka mampahery atsika mpisera fivavahana sy finoana ah tsy ho tai2tra fa "asan'ilay nazera" daholo zany !!!
10. niryna ( 10/11/2012 21:38)
sitlo:

Dinika momba ny fivavahana sy finoana no eto fa tsy fiderana na tory teny tsy valiana.

Raha niteny aho hoe ridicule ny filazana hoe: ikarakarana ny fiainana rehefa tapitra ny aina ny fiainana. Dia mitombina tsara mihitsy io. Ary raha toa ka mahavoaka hevitra manohitra an'io ianareo dia asehoy.

Fa aza atao hoe:
ho moramora ny nahazo an'i Sodoma sy Gomoro
efa tonga eto amin'ny sehatry ny Fivavahana, finoana ny mpanao vali-boraingina , olon'ny Nofo, olon'ny fijangajangana
Raha nivory ny zanak'i El dia mba teo koa i satana!

Dia aza ampiana hoe:
tsy manaraka tsara
tsy maaraka
mila itoeran'ny fanahy masina vao hahatakatra
mampalahelo
mahereza
mivavaka ho anao
velona Jesosy sns

Tsy haiko na hoe ny dikan'ny ady hevitra aminareo dia fitsarana izay tsy mitovy hevitra aminareo, na hoe fitadiavana olona hiara-hidera aminareo. Raha izay no tadiavinareo dia malalaka ny fiangonana.

Fa raha entinareo hodinihina eto ny finoanareo dia aza gaga mihitsy raha misy manohitra anareo. Ary asehoy tsara ny mampitombina ny hevitra entinareo.
Tsy fantatro aloha izay dinika sy adi-hevitra tany aloha tany ka nahatonga anao hiteny ireo ambony ireo. Toy ny dinika rehetra ny sehatra eto ka misy ny fizarana,misy ny fifanankalozan-kevitra ary toy ny fiainana rehetra tsy ho voatery hanaraka ny teny zaraina daholo ny olona.Tadidio fa ny fahavalo na ny olona tsy tia anao no sahy hiteny sy hilaza ny marina aminao fa ny namanamana dia tsy sahy hanitsihitsy hilaza ny marina ny momba anao.Amin'izay fotoana izay dia mianatra lesona hianao.
Raha mizara ny baiboly ny olona ka avy amin'ny alalan'ny tonony sy ny andininy izany dia aza marary amin'izany fa dingany fotsiny dia vita e ok

Maranatha
Matio 16:23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i ...(sitlo) hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Avoindrindra ianao, fa izay an'ny olona.
Tsy itako izay hidiran'ny sujet amin'io teny tanisanao io ooops .Mila mitandrina isika indraindray indrindra raha misy olona tsy mety mandray an'i kristy izao dia tsy ho fafazana teny toa izao izy. Asa anefa fa hevitro iny hoy Borlais2 izay hi,h
11. niryna ( 10/11/2012 21:52)

milofo:

Akory aby e ! ?
Zao ny tena maria tokony samy malagasy no miady hevitra eto satria :
-Dinika @ teny malagasy ity
-Ny malagasy manana ny fivavahana,Finoana nolovainy t@ razambeny
-Ny fototra lehibe mahatonga ny Malagasy hahantrra dia ny tsy fitazonanan ny kolontsaina maha Malagasy anao na fara faharatsiny ny fahaizana mampivady ny kolontsaianantena @ fandrososana vahiny
izany ve? toa tsy miteny kosa hianao fa lasa resaka politika indray izy ity kanefa fivavahana ooops .Tsy ny fitiavantena ve e,tsy ireo izay nisolelaka ny vahiny sy namadika ny tanindrazana ve,tsy ireo izay nivaraotra ny tanindrazany ny vahiny fa tsy ny malagasy mpiray tanindrazana aminy ve,tsy ireo mpanondrana ny harem-pirenena sy mpamadika palitao ve,tsy ireo izay tia tena ka ny tombotsoany ihany ve no tadiaviny tsy ireo ve no nahatonga ny malagasy nahantra/.Samy mivavaka ny Atra hivavahantsika amin'izao fotoana izao ihany ny firenena hafa fa tsy mbola naheno aho na iray aza hoe ny fivavahana no nampahantra ny fireneneny an.

Ny fivavahana Malagasy tena Malagasy dia fivavahana t@ razana io no efa kolontsaina napetraka mampifandray ny velona @ ANDRIAMANITRA mpahary izao tontolo izao
dia ho voaozana ve izany isika sanatria anie izany satria Atra dia fitiavana ary Atra dia saro-piaro ary Atra dia efa nanambara hatramin'ny voalohany fa Izy irery ihany no tokony hiankohofana.Ny tantaran'Israely anie dia fiainana hiainantsika rehetra e.Moa ve ry zareo nanaraka an'Atra ? Moa ve rry zareo nino ny teny izay nampitondraina azy ireo? Moa ve ry zareo nino ? Nomena azy ny Mpamonjy moa ve izy nino fa tsy mbola miandry foana hatramin'izao fotoana rehesahintsika izao? Tsy azoko ny ampifandraisana ny fivavahana amin'ny razana sy ny fivavahana amin'Atra velona.Jereo fotsiny ary fa olona toa ny rehetra misy manangana ho olo-masina ooops voatoraky ny vato eto aho.Mila mamaky baiboly angamba isika dia mampifandray izany amin'ny fiainana hiainantsika ankehitriny

Ny finoana indray dia toy izao : mino ny Malagasy fa misy aminy ny TSINY sY Ny TODY . ny tsra na ratsy vitanao dia tsimaintsy mivaly @ nao @ fotoana tsy voafetra ary tsimaintsy misy akony @ fiainana any akoatra
ka raha io indray na tsy mpino an'Atra aza dia mahalala izany fa tsy ny malagasy irery ka.Ny fanontaniana dia hoe moa ve isika mino an'ilay zanak'Atra tonga tety an-tany/ Mino Azy fa Atra velona Izy? .Atra iraisan'ny kristiana rehetra io fa tsy ny malagasy irery ihany.Mety nisy ny mpitondra fivavahana izay nitady ny tombotsoany ka nanampy ny vahoaka kanefa tombotsoa ho azy no tadiaviny ,iny indray dia azy sy Atra fa tsy idirako sy tsy afaka hitsara izany aho,saingy misaora ireo izay nitondra ny fivavahana teto amintsika ka nahafantarantsika ny fisian'ny Ray nahary izao tontolo izao.Eny mety hiteny isika hoe tsy mbola tonga teto ireny dia efa nino izany isika ,anikehitriny kosa dia ahiraNy ny masontsika satria tiaNy isika ary tiaNy ho voavonjy avokoa.. Hisy hiteny eo hoe vonjena amin'ny inona?
12. bor2lais ( 12/11/2012 15:01)
Niryna:

Asa anefa fa hevitro iny hoy Borlais2 izay hi,h

;-)
13. niryna ( 17/11/2012 04:54)

Maranatha:

Matio 16:23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i ...(sitlo) hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Avoindrindra ianao, fa izay an'ny olona.
fa maninona kosa no toa heverinao fa satana no ao anatiny? tsy hoe akory manohina ny heviny aho fa ilay fomba ataontsika mila mitandrina foana fa manjary lasa mivoana ny fampiasantsika ny tenin'Atra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2087