hira noelin-dRaimbilanja

1. jantina ( 12/10/2012 09:59)
Ho an' ireo antoko mpihira any am-piangonana dia fotoana fanombohana ny famerenan-kira krismasy izao. Mba tsy hamerenana izay natao t@ taona lasa dia mitady hira vaovao aza moa Zah ndray mahatsiaro ny hira noelin-dry Raimbilanja izany! Dépliant n'ireny hira ireny no nananako t@ zany nihirahirainay azy tao an-trano dia tsy voatahiry! Asa raha mbola misy manana ireny raki-kira ireny mba azo ifampizarana na tonony fotsiny na MP3 mihitsy! Enga anie mba hisy hanana!
Misaotra mialoha

"...Ny noelinay dia tsy miova hatrizay
Ny noelinay dia ny finoanay
Hihobina indray lay Zanaky ny Ray
...Teraka tety ilay Kristy
répondu par jantina le 23/10/2012 12:34
2. jantina ( 12/10/2012 10:09)
Misy 3-4 eo ny tonony ao @ tononkira fa ny feony tsy tadidy intsony ny sasany!
3. andrywui ( 21/10/2012 20:17)

jantina:

Misy 3-4 eo ny tonony ao @ tononkira fa ny feony tsy tadidy intsony ny sasany!
an'i Njakatiana io ry bainn a !! ity misy iray !!

MBA FANTATRAO

mba fantatrao
fa ny lanitra hono anio
hilaza zavabaovao
famonjena ho ahy sy anao

nidina tety antany
ny zanak'andriamanitra
injao teraka ho atsika
injao misasak'alimbe

asandrato ny feo fisaorana ny Ray
be ny hasoavany
anio ka hatramzay

faingana re o ry mino
hitsena ilay tomponao
injao teraka ho antsika
injao misasak'alimbe
4. andrywui ( 21/10/2012 20:22)
FA TOY IZAO ...

mpiandry ondry tao antsaha
no nilazan'ny anjely hoe
fa mpamonjy no teraka anio
lay voafidin'andrimanitra

Fa toy izao
no nitiavana
an'andriamanitra izao ttlo izao
nomeny ny zanay lahy tokana
mba tsy ho very izay rehetra mino azy
fa hanana ny fiainana
mandrakizay

notarihin'ilay kintana
ireo magy izay nanolotra
volamena zavamanitra
ary miora ho fanatitra
5. andrywui ( 21/10/2012 20:24)
HAZAVANA HO AHY SY HO ANAO

tao anaty haizimpito
dia indro ny mazava be
fa ny hany hazavana
dia indro sendra famonjena

hazavana ho ahy
hazavana ho anao
hazavana ho atsika rehetra izao
6. andrywui ( 21/10/2012 20:25)
ireo ny an'i IRAIMBL haiko
7. andrywui ( 21/10/2012 20:37)
raha ilainao ny accords sy ny petites notes rehetra sy ny break ,striktiora ao anatiny dia azoko omena anao
8. andrywui ( 21/10/2012 20:43)
Fa le nalefao ery ambony ndray an'i Njakatiana io !!

NOELINAY

rehefa tonga ..
ny andro Noely toy izao
dia samy manao
izay rehetra tiany atao

ny tehifaly
manao zay rehetra tsy fanao
ny anao kosa
inona ny noelinao?

noelinay dia tsy miova hatrizay
noelinay dia ny finoanay
hihobiana indray lay zanakin'ny Ray
teraka tety ilay Kristy

NJAKATIANA



9. jantina ( 23/10/2012 12:34)
misaotra betsaka, tena an'i Njakatiana marina io ambony io hay! fa tsara koa io kah, ilay azo atao MP3 no tiako mba hananana, fa misaotra an'i andrywui aloha @ ireto e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1544