Fampianarana Baiboly : Teny tsy misy kilema Fiz 02: BATISAN'NY RANO

1. didi10 ( 10/09/2012 06:43)
répondu par didi10 le 13/09/2012 06:09
2. leva2 ( 10/09/2012 17:27)

didi10:




Velona Jesosy!

Misaotra namana didi10.
Ny tiako ho marihina kely namana didi10 dia misy zavatra goavana be hadino, na tsy voaresaka eto amin'ity fampianarana momba ny batisa ity : ny famaritana ny atao hoe batisa, sy ny hevitr'izany atao hoe batisa izany eo amin'ny fiainan'ny mpino.
Ireto versets ireto dia afaka hameno azy :
- Rom 06/03-11 :
"Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Fa ny amin’ny nahafatesany, dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy.
Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy"

- Gal 03/27-29 :
"Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana"


Izany hoe midika ho fahafatesan'ilay tenan'ny ota izany ny batisa : alevina na asitrika ao anaty rano, ary velona kosa ho an'Andriamanitra manomboka hatreo ary tonga zanak'Andriamanitra : natsangana, na nasandratra avy ao anaty rano.
Ny vokany dia tonga an'i Kristy ilay mpino manomboka eo ary mitombona aminy ilay famaritan'i Apostoly Paoly hoe : "tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko" Gal 02/20.

Mazotoa namako isany mikatsaka ny Fahamarinana.
3. didi10 ( 10/09/2012 19:07)
Misaotra namana leva2
Tahian'ny Tompo ianao sy ny ankohonanao.
AMENA?
4. moustaraf ( 11/09/2012 11:10)
Ye , somary misy hadino kely!
1.Alevina isika @ alalan'ny batisa, ka oviana ary isika no maty, mba ho azo alevina? FA SAO DIA MANDEVIM-BELONA?
Satria izay maty voaporofo 'araka ny lalàna" ihany no azo alevina.
5. Miharena ( 12/09/2012 05:06)
Fahamarinana ara-panahy no andraisana azy fa raha ara-nofo dia alevina tokoa. Ny fanahy no velona mandrakizay ary izay no namolavolan'ny Ray azy efa hatrizay namoronana izao rehetra izao. Ny sisa dia tantara firobohana amin'y haizina na fandalovana sedra ho an'io fanahy tonga lafatra avy amin'ny Ray io.

(Jereo ny tantaran'ny zanaka adala fa io avokoa no lasitra misy ny olombelona).
6. moustaraf ( 12/09/2012 11:36)
"Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao
.
Eto no misy tsy itovian-kevitra:
Niara-nalevina taminy t@ batisa ho @ fahafatesana isika
batisa= fandevenana
Averiko foana ilay fanontaniako : Izay efa maty (araka ny lalàna) no alevina, mba tsy handevenam-belona. Oviana no maty ilay "tena ota" alevina @ batisa?
Satria ny batisa dia tsy = Fahafatesana sy fandevenana ? FA FANDEVENANA IHANY.
7. leva2 ( 12/09/2012 22:26)

moustaraf:

Ye , somary misy hadino kely!
1.Alevina isika @ alalan'ny batisa, ka oviana ary isika no maty, mba ho azo alevina? FA SAO DIA MANDEVIM-BELONA?
Satria izay maty voaporofo 'araka ny lalàna" ihany no azo alevina.


Velona Jesosy!

Fahafatesana ara-panahy no resahina eto fa tsy ara-nofo akory, ary ny mpanota, ny olon'izao tontolo izao no antsoin'ny baiboly hoe "maty fanahy" Col 02/13 : "autrefois, vous étiez spirituellement morts à cause de vos péchés et parce que vous étiez incirconcis, des païens. Mais maintenant, Dieu nous a fait revivre avec le Christ. Dieu nous a pardonné tous nos péchés".
Diniho tsara ary fa vanim-potoana talohan'ilay famelan-keloka ilay "autrefois, vous étiez spirituellement morts"; ary vanim-potoana nanomboka teo amin'ilay famelan-keloka ilay hoe : "Mais maintenant, Dieu nous a fait revivre".
Izay no mahatonga ny batisa hoe "batisan'ny famelan-keloka". Lio 03/03.

Ny Fanahy Masina anie hanazava ny Teny, hanokatra ny fo, ary hirakitra izany ao anaty ka ho tonga fiainana! AMEN
8. niryna ( 13/09/2012 05:25)
Fa maninona no atao hoe fampianarana tsy misy kilema? Izany ve tsy midika hoe ny anay ihany no marina? Matoa nizarazara ny fiangonana hatramin'izao dia samy maka izay mahametimety sy mifanaraka ilay fampianarana ny olona ao anatin'ilay fiangonana.
Amiko ny fampianarana rehetra dia izay ao anatin'ny baiboly ka tsy mivoana izany na maka izay tandrifindrifiny sy mahametimety ny ao aminy ihany. Tsy mihevitra ny azy ho marina foana na efa fantatra fa diso izao aza.Eo mantsy ny olana ankehitriny satria samy mihevitra ny azy ho fampianarana tsy misy kilema avokoa ny mpizara rehetra tato ato ooops
9. didi10 ( 13/09/2012 06:09)

niryna:

Fa maninona no atao hoe fampianarana tsy misy kilema? Izany ve tsy midika hoe ny anay ihany no marina? Matoa nizarazara ny fiangonana hatramin'izao dia samy maka izay mahametimety sy mifanaraka ilay fampianarana ny olona ao anatin'ilay fiangonana.
Amiko ny fampianarana rehetra dia izay ao anatin'ny baiboly ka tsy mivoana izany na maka izay tandrifindrifiny sy mahametimety ny ao aminy ihany. Tsy mihevitra ny azy ho marina foana na efa fantatra fa diso izao aza.Eo mantsy ny olana ankehitriny satria samy mihevitra ny azy ho fampianarana tsy misy kilema avokoa ny mpizara rehetra tato ato ooops


Azoko ny ahiahinao namana niryna fa mba efa nijery ilay fampianarana va aloha ianao vao nanao fanamarihana sa vao nahita ilay soratra dia "fampianaarana tsy misy kilema" dia tohina?
Tim II 4 : 1 - 5
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.062