Tena marina sy azo inoana ve ny Baiboly ?

1. jojo3t ( 17/08/2012 04:18)
Mety ho gaga ianareo hoe ahoana koa izany fanontaniana izany?

Isika rehetra mitory eto, dia mampiasa andininin-teny avokoa, zao anefa aloha, misy olona tsy mino ny voalazan'ny baiboly mihitsy, zany hoe tsy mino ny baiboly manontolo hoe marina, tsy maintsy efa tratran'ny teny toy izao isika raha efa nitory tamin'ny karazan'olona maro : tsy mino ny baiboly izahay.

De ahoana, tonga de hiala ve isika, ary tsy hiresaka amin'ilay olona momba ny baiboly intsony?

Misy anefa olona rehefa hanazavana ny momba ny baiboly dia manaiky handinika azy io ihany, zany hoe tsy mandà an'Andriamanitra izy fa amim-pahatsorana no hilazany ny tsy finoany ny baiboly noho ny tsy fahalalany, misy kosa anefa ireo mandà an-kitsirano sy tsy tia azy io mihitsy, ny amin'iny indray dia afaka adidy isika.

Zava-dehibe ny handresen-dahatra ny olona tsy mino ny baiboly mba handinika azy io satria miankina amin'izany ny hoaviny mandrakizay.

Ka zao ary, amin'ny fifanakalozan-kevitra eto, inona no porofo azonareo omena fa marina sy azo inoana ny baiboly ?
répondu par ratsirano le 03/10/2012 19:56
2. arist ( 17/08/2012 08:18)
Tena marina sy azo inoana ve ny Baiboly ?

Manahirana rahalahy ny mamaly io fanontaniana. Ny tenanay TSY MAHAY MAMAKY BAIBOLY. Tsy afaka mamaly ny fanontanianao momban'ny Baiboly aho.

Raha manontany kosa ianao hoe: Tena marina sy azo inoana ve Andriamanitra ? TSY HISALASALA AHO HAMALY ANAO HOE: ENY.

Fa raha mandinika ny resaka ato amin'ny forum ny tenanay dia afaka milaza fa NY BAIBOLY DIA BOKY, ARY SAMY MANDRIROTRA NY TOKO SY ANDININY AMIN'IZAY ITIAVANY AZY NY OLOMBELONA ATO, KA INDRAINDRAY LASA MISY MIFANASA VANGY SY MIFANOLANA MIHITSY.

Ka raha mametraka an'io fanontaniana io ianao dia MBOLA HAMPIRONGATRA NY ADY HEVITRA SY HO LASA RESABE ETO INDRAY.

3. didi10 ( 17/08/2012 08:50)
Azo zaraina 2 ny valim-panontaniana.

1- Sur le fond
Baiboly = Tenin'Andriamanitra = azo itokisana 100%

2- Sur la forme
Eo amin'ny "traduction" maro isan-karazany izay nataon'olombelona, miteraka interpretation maro no mahatonga ny olona sasany tsy hatoky ny Baiboly. Ny tsara rehefa mamaky Baiboly dia mila manakatra ny hevitra d'origine, mampitaha traduction samihafa.
Tsy midika akory izany fa tsy azo itokisana ny Baiboly fa Tenin'Andriamanitra io ary tsy azo ampiana na anesorana.
4. arist ( 17/08/2012 09:05)
arist - 17/08/2012 10:18
Tena marina sy azo inoana ve ny Baiboly ?

Manahirana rahalahy ny mamaly io fanontaniana. Ny tenanay TSY MAHAY MAMAKY BAIBOLY. Tsy afaka mamaly ny fanontanianao momban'ny Baiboly aho.

Raha manontany kosa ianao hoe: Tena marina sy azo inoana ve Andriamanitra ? TSY HISALASALA AHO HAMALY ANAO HOE: ENY.

Fa raha mandinika ny resaka ato amin'ny forum ny tenanay dia afaka milaza fa NY BAIBOLY DIA BOKY, ARY SAMY MANDRIROTRA NY TOKO SY ANDININY AMIN'IZAY ITIAVANY AZY NY OLOMBELONA ATO, KA INDRAINDRAY LASA MISY MIFANASA VANGY SY MIFANOLANA MIHITSY.

Ka raha mametraka an'io fanontaniana io ianao dia MBOLA HAMPIRONGATRA NY ADY HEVITRA SY HO LASA RESABE ETO INDRAY.
5. jojo3t ( 17/08/2012 09:27)
Misy marina ny voalazanareo ry namana, fa zao anefa :

1)Tsy tokony hampirongatra adi-hevitra na hifanolanana ity lohahevitra ity satria zao : tsy ny interpretation na ny traduction avoakan'ny olona mandika baiboly no tiana lazaina eto fa ny hoe : olona tsy mino baiboly, zany hoe, tsy mino izy fa avy amin'Andriamanitra ny baiboly, ary eritreretiny ho tsy marina fa hoe olona no nanoratra azy tany amboalohany.

Ohatra : raha hanome toko sy andininy zao enao hoe : 2 Timoty 3 : 16 : ny Soratra rehetra avy amin'ny fanahin'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, dia hiteny aminao izy hoe, tsy mino an'io voalaza io za fa mbola olona no nanoratra an'io.

2)Ny tiana avoaka zany dia hoe inona no porofo omenao ny olona tsy mino fa tena avy amin'Andriamanitra io baiboly io, ary marina ny zavatra voalaza ao.
6. didi10 ( 17/08/2012 11:18)
Ny fitondrana "fascicule" sy "boky hafa" ankoatry ny Baiboly mandeha mitory mihitsy no mahatonga ny olona mametra-panontaniana ny amin'ny azo inona na tsia ny Baiboly.

Amiko mora kokoa ho an'ny olona no mino fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly rehefa tsy ampivadiana amin'ny Boky hafa fa vakiana ny Teny dia hazavaina araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ihany.
7. Randria2007 ( 17/08/2012 14:10)
Inty ny ahy no mba hevitro TSOTRA BE
Ny finoana no mahamarina na maha diso ny Baiboly. Raha mino ianao dia marina izy. Mifanohitra @ izay koa ny maha diso azy. Azo lazaina araka izany ary fa raha tiana ho marina ny Baiboly dia hamafiso ny finoana. Tsy afa misaraka @ finoana izany ny fahamarinan'ny Baiboly. Rehefa tsy eo ny finoana dia tsy misy dikany ny Baiboly. Misaotra indrindra
8. Miharena ( 17/08/2012 17:02)
Ny famaliana ny fanontaniana dia miankina amin'ny fanadihadiana aposaky ny tsirairay ihany.

Misy ny manadihady fa misy fandikana tsy mifanaraka aminn'y tena tiana hambara tamin'ny fotoana nanambaran'ny Tompo azy ny Baiboly.

Misy koa ny fanadihadiana izay tsy olombelona no manome azy fa Jesosy tenany mihitsy ary manambara fa misy tsy mety ny fandikan'ny olona izay voalaza ao anaty Baiboly. Izany hoe fanitsiana fomba fandraisana ny Baiboly mihitsy no tiaNY ahatongavana.

Ny olana fotsiny dia rehefa tafiditra loatra amin'ny fampianaran'ny olombelona ny Kristianina noho ny fanekena fa izay ambaran'ny mpitory raha vao maka andininy iray na roa ao dia marina avokoa, dia tsy tafavoaka mihitsy izy ary mandà izay ohatra velona ihaonan'ny Krsitianina voafidy hanambara izay nampitondrain'ny Tompo azy taty aoriana.

9. leva2 ( 17/08/2012 19:27)

didi10:

Ny fitondrana "fascicule" sy "boky hafa" ankoatry ny Baiboly mandeha mitory mihitsy no mahatonga ny olona mametra-panontaniana ny amin'ny azo inona na tsia ny Baiboly.

Amiko mora kokoa ho an'ny olona no mino fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly rehefa tsy ampivadiana amin'ny Boky hafa fa vakiana ny Teny dia hazavaina araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ihany.

Velona Jesosy!

Azoko ny tianao hahatongavana, sy ny tianao hasiana amin'io, saingy tsy hidirako ny amin'izay.

Ity no mba hitako namana didi10 : "Velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra" Heb 04/12
Mila porofoina io. Velona sy mahery eo amin'ny fiainanao ve ny tenin'Andriamanitra? Mandehana ampahafantaro ny hafa, mandehana zarao amin'ny manodidina anao ary porofoy aminy.
Raisiko ilay hoe :"Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany" Asa 01/08.
Sy ity tenin'i Kristy ity :"Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana" Mat 10/07-08.

Tadidio fa ny mpianatry ny Tompo anie tamin'izany ka tsy nitondra horonan-taratasy, na nisy baiboly nazavaina akory; fa ny fiainany rehefa niaraka tamin'ny Tompo no notantarainy, izay hitan'ny masony sy ren'ny sofiny no nambarany, miampy ireo fahagagana samihafa nampanaovin'ny Tompo azy araka ny halehibean'ny finoany. Ary izany no nahatonga ny vahoaka marobe nihaino azy ireo, sy resy lahatra ary nanara-dia sy nandray an'i Jesosy tamin'izany.

Mahereza namako isany!
10. didi10 ( 18/08/2012 15:43)

leva2:

Tsara ny Tompo
Marina ny voalazanao, ny tena mpitory teny manana ny Fanahy Masina dia afaka mitory ny Tenin'Andriamanitra na dia tsy mitondra na inona na inona, na tsy manao préparation avy any an-trano aza.
Mila mianatra mandeha amin'ny fitarihan'ny Fanahy isika rehefa miasa ho an'ny Tompo, tsy isika intsony no mandresy lahatra araka ny fahalalana ananatsika fa ny Fanahy Masina no mandamina ny zavatra rehetra.
11. jojo3t ( 20/08/2012 04:46)
Misaotra ny namana isany naneho hevitra, efa nolazaiko tery aloha fa ny olona tsy mino ny baiboly resahina eto dia tsy noho ny interpretation na traduction ataon'olona, na fampianarana samihafa fa olona tsy mino ny baiboly hoe tenin'Andriamanitra tsotra izao fotsiny.

Tsotra dia tsotra ny valiny raha te hanaporofo isika hoe tenin'Andriamanitra marina ny baiboly :
Maro dia maro ny porofo, ary lava dia lava, ary tsy fotoana fohy no handresenao lahatra olona iray hino ny baiboly, fa santionany kely ihany no hazavaina eto :

Amin'ny alalan'ny faminaniana voasoratra ao amin'ny baiboly sy efa tanteraka(2 Pet. 1 : 20,21 : "Tsy misy faminaniana avy amin'ny hevitr'olona..." :

1) Faminaniana : Isaia 44 : 24, 27,28 ; 45 : 1-4 : (vakio : momba an'i Kirosy handrava an'i babylona... (vita tamin'ny 732 T. K. teo ho eo ny bokin'i Isaia).

Fahatanterahany : mbola tsy teraka i Kyrosy tamin'ny fotoana nanoratana an'io faminaniana io, efa nolazaina mialoha ao anefa ny anarany sy ny tetikady hanafihany an'i babylona, tamin'ny 617-607 T.K. vao natao sesitany tany babylona ny jiosy,ary tamin'ny 607 T.K. vao rava i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanomboka tanteraka ilay faminaniana tamin'ny 539 T.K. Navilin'i Kyrosy tao amin'ny farihy iray ny Reniranon'i Eofrata, ary navelan'ny Babylonianina hidanadana ny vavahadiny nandritra ny fety tao an-tanàna, ary resin'ny Mediana sy Persiana notarihin'i Kyrosy i babylona. Nolazaina koa fa ho haolo tanteraka ny tanan'i Babylona ary tsy honenana intsony, ary hatramizao isika izao dia mbola lao sy tsy misy mponina any babylona fahiny(afaka mikaroka isika, any akaikin'i Irak no misy an'i Babylona fahiny, ary hitan'i mpikaroka fa lao tanteraka ilay tanàna.)

Faminaniana : Lioka 19 : 41-44 ; 21 : 20, 21 : "faminaniana nambaran'i Jesosy Kristy tamin'ny taona 33 momba an'i Jerosalema sy ny handravana azy. Vakio...

Fahatanterahany : Nikomy tamin'i Roma i Jerosalema, ka tonga nanafika an'ilay tanàna ny tafika romanina notarihin'i Cestius Gallus, tamin'ny taona 66, hoy anefa i Josèphe, mpahay tantara jiosy : nangonin'ilay mpitari-tafika romanina tampoka ny miaramilany ary niala tao amin'ilay tanàna izy, araka ilay faminaniana mihitsy, afaka nandositra ary ireo kristianina tao nandritra io fotoana io, araka ilay nolazain'i Jesosy mihitsy, nanao fahirano an'ilay tanàna avy eo ny Jeneraly Titus tamin'ny fotoanan'ny Paska, taona 70, ary nandrava tanteraka an'i Jerosalema, hita amin'ny fandinihana ireo sisan-javatra fahiny, fa rava tanteraka izay rehetra naorin'ny jiosy.

Raha mamaky ny faminaniany Daniela koa isika dia hahita porofo maro be tanteraka mahakasika an'ireo fanjakana natanjaka nifadimby sy ny fomba nahalavo azy ireo...

Faminaniana : 2 Timoty 3 : 1-5 : "Momba ny fiainana amin'ny fotoan'ny andro farany... Vakio"

Fahatanterahany : amin'izao andro iainantsika izao, voalaza ao fa ho sarotra sy tsy ho mora setraina ny fiainana, zany hoe mihamafy foana ny fiainana, ary ireo toetra rehetra lazaina ao dia tsy misy tsy tanteraka amin'zao andro iainantsika izao, ary tamin'ny fotoana nanoratana io faminaniana io dia tsy mbola mafy be toy izao ny fiainana, ary marihiny tsara ilay hoe any aoriana any.

2)Mifanaraka amin'ny Siansa ny baiboly :

Endriky ny tany :
Isaia 40 : 22 : "Boribory ny tany.. Vakio"

Hifandraisany amin'ny Siansa : 300 taona taorian'ny nanoratana ny bokin'i Isaia dia nisy astronoma grika nikajy ny refin'ny antsasaky ny savaivon'ny tany. Mbola tsy ny rehetra anefa tamin'zay no nanaiky hoe boribory ny tany. Tamin'ny taonjato faha-20 vao hitan'ny olona fa "boribory" tokoa ny tany, rehefa afaka nandeha fiaramanidina izy ireo ary tonga hatrany amin'ny volana sy any ambony tsy taka-maso any.

Fiaimpiainan'ny biby : Lev. 11 : 6 : "Ny bitrodia dia mandinika..."

Ny ifandraisany : nolavin'ny mpanao tsikera izany nandritra ny taona maro. Hitan'i William Cowper anefa tamin'ny taonjato faha-18, fa mandinika tokoa ny bitro. Nohazavain'ny boky iray momba ny biby navoaka tamin'ny 1940 ny fomba fanaovan'ny bitro izany.

3) Mirindra tsara ny ao anatiny :

Miavaka ny baiboly satria olona 40 teo ho eo no nanoratra azy. Nisy tamin'izy ireo anefa mpanjaka, mpaminany, mpiandry ondry, mpamory hetra, ary dokotera. Tsy afaka niray tetika izy ireo mba hampirindra ny zavatra nosoratany, satria naharitra 1610 taona ny nanoratana an'io boky io. Tsy misy mifanipaka mihitsy anefa izay nosoratan'izy ireo. Izay isika vao afaka milaza ilay ao amin'ny 2 Timoty 3 : 16 hoe avy amin'Andriamanitra tokoa ny baiboly.

Maro be ireo famiananiana efa tanteraka antsakany sy andavany manaporofo fa marina sy azo inoana ny baiboly, tsy maintsy isika aloha no mahay tsara azy ireny mba ahafahana mitory amin'ny olona, porofo tsy azo lavina mantsy izy ireny ho an'ny olona tsy mino baiboly.

Mety ho lava ny fanazavanao amin'ny olona, nefa tsy maintsy manazava isika, izay no maha-mpitory ny mpitory, ary nosoratana izy ireny mba ho fantary ny olona rehetra sy inoany fa tenin'Andriamanitra ny baiboly, ary maro no efa nanaiky ny baiboly ho marina rehefa avy nahafantatra ny fahatanteran'ireny faminaniana ireny.

Mazava tsara amintsika amzay ngamba ny tiana havoaka hoe mila porofo mivaingana ny olona sasany vao mino ny baiboly, fa tsy mionona amin'ny filazana andininy fotsiny hoe ny baiboly dia tenin'Andriamanitra.
12. didi10 ( 20/08/2012 07:34)
Tsara ny Tompo

Marina ny voalazan'ny namana momba ny faminaniana ara-baiboly afaka hanaporofoina ny maha Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.
Mila mitandrina ihany anefa isika fa ny Tenin'Andriamanitra tsy siansa ka mila porofo foana vao azo ekena. Ny Tenin'Andriamanitra dia mitaiza ny finoana, rehefa mitory dia ampianarina hino an'Andriamanitra sy ny Tenin'Andriamanitra ny olona, ny finoana tsy mila famantarana na porofo fa fanekena apetraka ao anaty, mipetraka miaraka amin'ny fanantenana sy ny fitiavana.
13. jojo3t ( 21/08/2012 03:38)
Tsara ny fanamarihan'ny namana, tsy tokony hafangaro ny siansa sy ny baiboly, zany hoe tsy boky ara-tsiansa ny baiboly, fa kosa manome toro-lalana sy milazalaza zavatra sasany mifandray amin'ny siansa, anisan'izany koa ny fitandremana ny fahasalamana nomena ireo Israelita fahiny momba ny fahadiovana, ny baiboly dia efa ela be no nosoratana, fa ny mpikaroka taty aoriana, ary manamarina fotsiny zay voalazan'ny baiboly. Marihina koa anefa fa misy mpahay siansa tsy mino ny baiboly, anisan'izany ny momba ny famoronana, tsy création fa évolution no inoan'izy ireo.
14. Miharena ( 21/08/2012 13:35)
Ny Siansa dia mijery izay rehetra fanamarinana toe-javatra na trangan-javatra iray. Tsy mifanohitra ny Baiboly sy ny siansa raha tena atao ny fandinihina.Ny antony dia ny fandalinana Baiboly dia efa midika fa siansa no atao. Raha miresaka isika hoe Théologie dia efa misy fandalinana ao izay. Izay no maha-siansa ny fandalunana Baiboly.

tsy voafetra amin'ny resaka évolution sy genèse fotsiny koa ny fandalinana ara-tsiansa fa efa tonga amin'ny fizotran'ny famoronana ary tsy maintsy tonga amin'Andriamanitra hatrany nno iantefan'ny siansa rehefa mandinika lalina izy.

Fehiny: tonga amin'ny finoana ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra ihany ny siansa raha toa ka fandalinana no ilazana ny momba azy.
15. leva2 ( 21/08/2012 22:12)

jojo3t:

Mazava tsara amintsika amzay ngamba ny tiana havoaka hoe mila porofo mivaingana ny olona sasany vao mino ny baiboly, fa tsy mionona amin'ny filazana andininy fotsiny hoe ny baiboly dia tenin'Andriamanitra.

Velona Jesosy!

Misy fomba filaza tokony hahitsy aloha e : Tsy hoe ny baiboly no hinoana, fa ny Andriamanitra no hinoana ary ny baiboly ekena fa tena tenin'Andriamanitra.

Apetrako ary ny fanontaniana hoe : Ampy hinoan'ny olona ve ny fitanisana porofo ao anaty baiboly ny amin'ny faminaniana efa tanteraka ohatra?
Averiko raisina ilay tenin'i Jesosy Kristy hoe :"Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany" Asa 01/08.
Raha ny marina izany dia isika mihitsy no tian'i Jesosy Kristy ho vavolombelony, izany hoe porofointsika amin'ny olona ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika manokana (fahagagana niseho teo amin'ny fiainanao, fahasoavana, fiovam-po, sns ...)
Ireto koa mbola porofo ampanaovin'ny Tompo antsika :"Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia" Mat 10/08.
Na eo aza ireo rehetra ireo, ity verset ity no mba aza adino :"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah" Sal 34/08. Amin'izay fotoana izay dia ilay olona toriana mihitsy no hanaporofo ka hino fa tenin'Andriamanitra tokoa ny baiboly.

Misy fiheverana tokony hahitsy koa fa tsy ny fahaizantsika mandresy lahatra, na manaporofo anie no mety hahatonga ny olona hino fa tena asan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra tanteraka izany, fa isika dia fitaovana fotsiny ihany.

16. jojo3t ( 22/08/2012 04:17)

Ny mino ny baiboly resahina eo dia ny hoe : mino ilay olona fa tenin'Andriamanitra tokoa ny baiboly, zany hoe avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra na dia olona aza no nanoratra azy.

Fiandohana ihany ny fanaporofona toy ny faminaniana, fa mila mianatra baiboly mihitsy ilay olona, ary izay no tanjona handresen-dahatra azy fa tenin'Andrimanitra ny baiboly, satria tsy ny fahitany fahagagana na zavatra hafa no zava-dehibe fa ny fandalinany ny tenin'Andriamanitra, io ihany no ahafahany ahazo ny fiainana mandrakizay :
Hoy i Jesosy ao amin'ny Jaona 17 : 3 : "koa mba ahazoan'izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra anao, ilay hany Andrimanitra tokana sady marina, sy i Jesosy Kristy izay nirahinao." Mila mianatra mihitsy ilay olona.

Noho izany, tsy maintsy mitory sy mampianatra koa ny kristiana :
hoy ihany i Jesosy : Matio 28 : 19,20 : 19 koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; 20 ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

Efa akaiky ny farany voalaza io raha ny famantarana nomen'i Jesosy no jerena, izay no antony itoriana amin'ny olona rehetra ny tenin'Andriamanitra araka izay azo atao, handresen-dahatra ireo tsy mino, izany no ahalalany ny sitrapon'Andriamanitra sy ny taridalany ary ny tokony hataony mandra-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

Miankina amin'ny Aina ary ny fahafantarana ny tenin'Andriamanitra.
17. LazaDaddy ( 22/08/2012 04:29)

jojo3t:
Ka zao ary, amin'ny fifanakalozan-kevitra eto, inona no porofo azonareo omena fa marina sy azo inoana ny baiboly ?

1) Ianao no hitan'ny olona voalohany izay vao mihaino ny teny ambaranao izy.

2) Rehefa manana fitondran-tena mendrika sy madio ianao dia mihaino anao ny olona raha tena tsy mahalala tokoa izy.

3) Ny nanao fanekena na fati-dra tamin'ny sampy sy ody ary ny ratsy isan-karazany kosa dia azo sokajiana ho roa:
+ Misy ireo manaja sy mihaino anao ary manana faniriana ny hibebaka rehefa hitany taratra ilay fahazavana amin'ny alalan'ny fitondran-tena mendrika ao aminao. Mihaino anao izy ireny na dia voarebireby aza izy etsy an-daniny noho ny fanekena nataony t@ ilay ratsy. Ireny olona ireny dia afahan'i Kristy rehefa mibebaka sy misy mivavaka ho azy (ady mafy io ary mila vavaka andro aman'alina).
+Misy kosa ireo minia tsy mihaino sy manaratsy satria efa nisafidy ny momba azy izy ka voafatotr'i Satana sy efa nisotro "ny aleoko maty".
18. niryna ( 26/08/2012 04:17)

jojo3t:

Mety ho gaga ianareo hoe ahoana koa izany fanontaniana izany?

Isika rehetra mitory eto, dia mampiasa andininin-teny avokoa, zao anefa aloha, misy olona tsy mino ny voalazan'ny baiboly mihitsy, zany hoe tsy mino ny baiboly manontolo hoe marina, tsy maintsy efa tratran'ny teny toy izao isika raha efa nitory tamin'ny karazan'olona maro : tsy mino ny baiboly izahay.
dia rehefa tsy mino izy dia izay izy izany fa anjarantsika no mivavaka azy satria tsy anjarantsika no anova olona.Asan'Atra izany ka tsy afaka haka ny toeraNy isika

De ahoana, tonga de hiala ve isika, ary tsy hiresaka amin'ilay olona momba ny baiboly intsony?
izay mangetaheta dia omeo rano ho sotroiny,afaka manasa azy koa anefa hianao.Avy amin'ny inona izany? ny fomba fiteny,ny fomba fiainana,ny fomba fifandraisana amin'olona,ny fomba fiasa.Ny momba anao amin'ny mahakrisitana anao.Taratra izay miseho ety ivelany indrindra ao anatiny izany ka tsy azo hiodirana fa izay no itarafan'ny olona antsika
Fitiavana,Famelankeloka,Fahaizana mivavaka ny hafa mba hanatona an'Atra ireo izay mbola tsy mahalala ny fitiavana sy ny famonjena izay nomeNy izay rehetra mino Azy.

Misy anefa olona rehefa hanazavana ny momba ny baiboly dia manaiky handinika azy io ihany, zany hoe tsy mandà an'Andriamanitra izy fa amim-pahatsorana no hilazany ny tsy finoany ny baiboly noho ny tsy fahalalany, misy kosa anefa ireo mandà an-kitsirano sy tsy tia azy io mihitsy, ny amin'iny indray dia afaka adidy isika.
dia efa voalazan'ny baiboly izany araka ny fanoharana izay misy naniry teny amin'ny toerana iva ka nohanin'ny voromanidina ny voa satria tsy latsa-paka,na teny amin'ny tsilo ka ny tsilo no nangeja azy na teny amin'ny tany lonaka ka llatsapaka ary dia namoha voa maro.
Noho izany ,anjarantsika hoy aho no mizara ,ny hafa no manondraka fa Atra kosa no mikolokolo ny fony na hitsimoka ao anatiny izany finoana Azy izany na tsia

Zava-dehibe ny handresen-dahatra ny olona tsy mino ny baiboly mba handinika azy io satria miankina amin'izany ny hoaviny mandrakizay.
marina tokoa izany saingy mizara ,hatreo ihany no anjarantsika fa ny rehetra dia izy sy Atra no mifanaraka,na hino izy na andaha Azy dia eo koa no manomboka ny asaNY na efa ela aza Izy no naniry ny rehetra hanatona Azy

Ka zao ary, amin'ny fifanakalozan-kevitra eto, inona no porofo azonareo omena fa marina sy azo inoana ny baiboly ?
Misaotra anao nizara. Izay dia efa porofo iray hilazana fa hisy,nisy ary mbola hitombo aza ny isan'ny olona hanalavitra an'Atra indrindra amin'izao andro mihamamirifiry ny fahantrana izao.Tsara ho fantatra koa anefa fa ny olona mahantra no betsaka mpino satria tsy mba manana hianteherana na harena izy ka mora azy ireo ny manankimpo amin'Atra.
Tsy miandry ahantra na ny hisy zavatra hitranga koa anefa isika vao mino.Finoana izay zavatra tsy ita maso io saingy miantra amin'ny fiainanao io( andavan'andro manontolo).Tsy iteny aho hoe toy izao no nahazo ahy dia lasa nino aho.Efa fantatr'Atra ny olona izay hino Azy ary efa fantany koa ny hiala aminy ,eo ihany koa na ho azavainao in-jatompolo eo aza izy ,rehefa tsy hino izay izy dia tsy hino.Eo ihany koa anefa no tonga dia mitodidoha amin'Atra noho ny jiro sy fahazavana izay tazany manangasanga aminao ka nahatonga azy hanontany hoe inona no nahatonga anao nino an'Atra.
Tsy anova olona isika fa isika no mila miova sy mankasitraka ary mandray ny olona.Mizara no anjarantsika fa Atra irery no manokatra ny fony raha mino Azy izy.
Misaotra tompoko
19. jojo3t ( 27/08/2012 04:05)
Marina avokoa ny voalazanareo,voataona amin'ny atao na fitondratena mendrika ny olona araka io lazainy Lazadaddy io, ho an'ny sasany anefa mety tsy ho ampy handresy lahatra azy zai raha tsy manazava lalindalina enao, ireo zavatra tanisain'i namana Niryna ireo dia mazava tsara, ary izany no tokony hataon'ny kristiana rehetra, anjarantsika no manome izay mangetaheta, zany hoe mamafy ny voa, fa Andriamanitra no mampiroborobo an'iny voa iny, raha manana toe-po tsara le olona torina dia mamokatra tsara ny vokatra, izay mafy fo kosa dia efa afaka adidy isika fa tsy afaka hanery azy hino ny tenin'Andriamanitra.
20. RBNIR ( 28/08/2012 10:22)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Hoy ny lohahevitr'i ny namana hoe : Tena marina sy azo inoana ve ny Baiboly ?
Voalohany indrindra aloha dia mila mino ny fisian'Andriamanitra sy Mino an'i Jesosy Kristy isika :

http://forum.serasera.org/forum/message/m4ffe73717ce13

Rehefa mino an'i Jesosy ianao dia hinoy koa ity nolazainy tamin'ny mpianany ity :
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Izao tokoa mantsy no nambaran'ireo irakany ireo raha mikasika ny Soratra Masina:

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Raha tena "mihaino" azireo marina tokoa isika dia tokony hino fa ny Soratra Masina (na ny Baiboly) dia avy amin'ny Tsindrimandrin'Andriamanitra fa tsy avy amin'ny fisainan'ny olona akory.

Vavolombelona 2 be izao no miteny eto : ny iray apostoly petera, ny iray kosa indray dia mpianatr’i ny apostoly paoly atao hoe timoty.

Koa raha tena nandray marina ianao dia raiso koa ity teny manaraka ity:
« Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » (Jaona 17:17)

Io no manaporofo fa dia Marina ny Baiboly satria araka ny voalaza tery ambony dia ilay tenin'Andriamanitra dia tsy aiza fa ao anaty Soratra Masina na ny Baiboly ihany.
Ny apostoly Jaona indray kosa no nanamafy teto fa Marina.
Hoy ny Tompo averiko ihany hoe « Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.04