Tena marina sy azo inoana ve ny Baiboly ?

21. Ranyah ( 29/08/2012 21:57)
Tsy voatery mila porofo nge e, raha tsy izany koa tsy finoana raha efa hita ny preuve.
Isika izao ary tsy nisy nahita ani Jesosy nefa mino daholo
22. ratsirano ( 31/08/2012 21:34)
Miarahaba ny namana rehetra indray. Mba hamaly an'ity fanontaniana ity hoe :
leva2:
Ampy hinoan'ny olona ve ny fitanisana porofo ao anaty baiboly ny amin'ny faminaniana efa tanteraka ohatra?[/b]

Betsaka ny porofo manamarina fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly, ankoatran'ny maha bokin'ny faminaniana azy.

Ny Baiboly dia natomboka nosoratana tamin'ny andro naha puissance mondiale ny Egypte (3000 taona lasa) ka niafara tamin'ny naha puissance mondiale any Rome (98 de notre ère) . Olona mi-isa 40 no nanoratra azy nandritra ny 1600 taona. Olona velona tamin'ny fotoana samihafa ireo, ary tsy mitovy ny fari-piainany. Nisy tantsaha, mpanarato, mpiandry ondry. Nisy koa mpaminany, mpitsara, mpanjaka....

Nefa dia mirindra tsara ny Baiboly hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
Porofo izany fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly arakan'ny voalaza ao amin'ny IIPetera 1:20,21 : "Fantatrareo voalohany indrindra fa tsy misy faminaniana ao amin'ny Soratra Masina avy amin'ny hevitr'olona, satria tsy avy tamin'ny sitrapon'olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin'Andriamanitra kosa no nitenenan'ny olona, araka izay nitarihan'ny fanahy masina azy".

Niharan'ny fanenjehana sy ny fanoherana ny Baiboly hatramin'ny voalohany. Nisy mihitsy aza ny fandorana sy famonoana olona izay nanana azy tamin'ny fotoana androny. Nefa dia tonga hatramin'izao androntsika izao ny Tenin'Andriamanitra na dia teo aza izany. Manamarina ny voalaza ao amin'ny Isaïa 40:8 izany :"Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin'Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra".
Hoy koa i IPetera 1:25 :"fa ny tenin'i Jehovah kosa maharitra mandrakizay, izany ilay teny nambara ho vaovao tsara taminareo".

Boky tsy manatsahala ny Baiboly satria voadika amin'ny teny mi-isa 2300 mahery ka afaka manana azy io ny 90 % mahery ny mponina eran-tany. Maro ny boky efa nivoaka fa tsy mbola nisy nahazo an'io tomban'isa io.

Nohon'ny fitiavan'Andriamanitra antsika dia manome torohevitra maro ho antsika izy ao anaty Baiboly hanampy antsika amin'ny fiainana.

Noho ireo antony ireo dia tsara ho antsika ny mandalina ny Baiboly satria miankina amin'izany ny hoavintsika.

Mirary soa ho antsika rehetra.

[quote=jojo3t]

Mazava tsara amintsika amzay ngamba ny tiana havoaka hoe mila porofo mivaingana ny olona sasany vao mino ny baiboly, fa tsy mionona amin'ny filazana andininy fotsiny hoe ny baiboly dia tenin'Andriamanitra.

Velona Jesosy!

Misy fomba filaza tokony hahitsy aloha e : Tsy hoe ny baiboly no hinoana, fa ny Andriamanitra no hinoana ary ny baiboly ekena fa tena tenin'Andriamanitra.

Apetrako ary ny fanontaniana hoe : Ampy hinoan'ny olona ve ny fitanisana porofo ao anaty baiboly ny amin'ny faminaniana efa tanteraka ohatra?
Averiko raisina ilay tenin'i Jesosy Kristy hoe :"Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany" Asa 01/08.
Raha ny marina izany dia isika mihitsy no tian'i Jesosy Kristy ho vavolombelony, izany hoe porofointsika amin'ny olona ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika manokana (fahagagana niseho teo amin'ny fiainanao, fahasoavana, fiovam-po, sns ...)
Ireto koa mbola porofo ampanaovin'ny Tompo antsika :"Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia" Mat 10/08.
Na eo aza ireo rehetra ireo, ity verset ity no mba aza adino :"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah" Sal 34/08. Amin'izay fotoana izay dia ilay olona toriana mihitsy no hanaporofo ka hino fa tenin'Andriamanitra tokoa ny baiboly.

Misy fiheverana tokony hahitsy koa fa tsy ny fahaizantsika mandresy lahatra, na manaporofo anie no mety hahatonga ny olona hino fa tena asan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra tanteraka izany, fa isika dia fitaovana fotsiny
23. RBNIR ( 03/09/2012 05:48)
Ranyah:

Tsy voatery mila porofo nge e, raha tsy izany koa tsy finoana raha efa hita ny preuve.
Isika izao ary tsy nisy nahita ani Jesosy nefa mino daholo

Faly miarahaba namana,

TsaraB ny fanananao izay finoana izay ary tehirizo tsara,
Fa saingy Jesosy tsy nanary ny apostoly Tomasy raha nitaky porofo izy,
Ary maroB ny olona izay tsy mety hino raha tsy mahita porofo namana.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
24. Ranyah ( 03/09/2012 06:36)

[/quote]
Faly miarahaba namana,

TsaraB ny fanananao izay finoana izay ary tehirizo tsara,
Fa saingy Jesosy tsy nanary ny apostoly Tomasy raha nitaky porofo izy,
Ary maroB ny olona izay tsy mety hino raha tsy mahita porofo namana.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
[/quote]

Azon'ATRA atao ange no mandefa écran géant eny an-danitra hoe izao no any am helo ary izao no any @ paradisa ( samy hino daholo amzay, ) fa maninona no tsy ataony ? tsy fotonan'ny preuve intsony izao à part ny exception ireo olona maty ka nankany an-danitra ka velona indray, (nefa na dia ireny aza misy milaza fa manao blabla)
25. RBNIR ( 03/09/2012 07:13)

Tazomy mafy ny finoanao fa tsara e, dia mivavaha amin'ny FAHAMARINANA (izay marina no araho araka ity teny manaraka ity « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)
Aza manaraka fampianarana diso no dikan'io namama.
Ny namama moa eto te haka toky marina y maha marina ny baiboly dia izay no antony namalian-tsika azy teto,
Samia ho tahin'ny Tompo namana
26. ratsirano ( 03/10/2012 19:56)

RBNIR:

miarahaba antsika rehetra

Marina tokoa ilay teny ao @ Jaona 4 : 24. Fa inona tokoa moa no atao hoe : mivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana ?
Araka io andiniteny io : Andriamanitra dia Fanahy ; noho izany, tsy hita maso izy. Ka rehefa mivavaka aminy dia mampihatra an'ity andiniteny voalaza ao amin'y 2Korintianina 5 : 7 milaza hoe : "Fa finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan'ny maso".

Ary ny momban'ny hoe : mivavaka amin'ny fahamarinana dia tsy hoe fahamarinana araka ny fihevitry ny olombelona azy fa araka ny hevitr'Andriamanitra. Toy izao tokoa no nolazain'i Jesosy ao amin'ny Jaona 17:17 : ".....Ny teninao no fahamarinana".

Noho izany dia izay voalazan'ny Soratra Masina, dia ny Baiboly, irery ihany no fahamarinana.
Ilaina izany ny mandinika lalina ny Tenin'Andriamanitra raha tiantsika ho hankasitrahan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika aminy.

Mirary soa ho antsika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0539