Ny Malagasy tondroin’ny Baiboly sy ny Torah

1. moustaraf ( 13/08/2012 05:26)
Salama daholo!
Ara-tantara:
Ny boky rehetra milaza ny tantaran’ny Malagasy dia ireto no lazainy raha fintinina: 1) avy any Indonezia (Javana), 2) Arabia, 3) Afrika
Hatreto dia mijanona eo ireo fikarohana ireo satria vitsy ny mpikaroka Malagasy no sady lafo dia lafo ny fanaovana faikarohana.
4) Avy any Israely (??), hoy ny fikarohana vitsivitsy izay liana fanaporofoana satria tsy hita anatin’ny tantarantsika izany.
IO indrindra no itondrana fanazana eto:

Araka ny Baiboly sy ny Torah:

I- rehafa nanota ny Mpanjaka Solomona dia tonga ny faminaniana fa hovakivaky ny firenena Hebreo (Israely t@ voalohany misy foko na firenena 12), ka ny roa (+1) no sisa ho an’ny taranak’I Davida.
II- Tanteraka izany faminaniana izany tamin’ny andron’I Jeroboama
III- Teraka ny fanjakan’I Joda: firenena 3, renivohiny Jerosalema, sy ny fanjakana Israely (firenena 9, Samaria no renivohiny)
IV- Mbola nitohy nanota ihany anefa izy roa tonta ireo ka tanteraka ny faminaniana momba ny fandroahana azy ireo ho babo any amin’ny jentilisa ka: I Joda babo tany Babylona (niverina nody rehefa afaka 70 taona) ary ny Israely babo tany Asiria ( Tsy mbola niverina mandraka androany)
V- Ilay joda izay niverina avy t@ fahababoana no nanangana indray ny tempoly, ary izy ireo ihany no lasa firenen’I Israely ankehitrio
VI- Fa ilay foko 09 kosa , babo tany Asiria dia , NIPARITAKA mamerana izao tontolo izao ka tsy tafody mandraka androany.
IZANY REHETRA IZANY DIA AZO VAKIANA AMIN’IREO BOKIN’NY MPANJAKA, TANTARA ao @ Baiboly

VII- Eto no itarihana antsika bebe kokoa: Raha babo tao Asiria ireo israely ireo dia tsy nijanona tao fa rehefa tapitra ny fahababoana dia nanohy ny diany, ka ity no DIA iray (1) izay voafaritra tsara ao amin’ny Baiboly:
VIII- Ny dia voalohany
a) ISA 11:11-12/21 Asyria-Egypta-Patrosa-Etiopia…moron-dranomasina (dikan-teny hebreo =nosin-dranomasina), I Etiopia tamin’ny andron’ny mpaminany dia I Afrika antsinana manontolo (Ampira Etiopiana)
b) Dia faha-2:
-ISA 66: 19 : Manadalo an’I Azia , tonga ao JAVANA ary miafara amin’ireo nosy lavitra.
-ZEFANIA 3:9-13 Andafin’ny onin’I Etiopia ny zanakavavin’izay naely. Iza ilay onin’I Etiopia ? Canal de mozambika, na océan Indien.

Mason-tsivana efatra (fotsiy)no apetrantsika ho enti-manondro ilay toerana:
1)Nosy 2) an-dafin’I Etiopia taloha 3) Mifora, satria taranak’I Abrahama 4) misy fifandraisana ara-tantara amin’ny Javana!

Comore ¾ , Maurice ¾ , la Réunion ¾ , Maldives 2/4 , Seychelles 2/4, Madagasikara 4/4

Mbola maro ireo faminaniana milaza ny Malagasy, sy ny fomba tokony hiainany amin’ny maha taranaka voafidy azy, kanefa tsarovy fa ozona no nampielezana ny Israely , ary rava ilay fanekena tao Sinay. Raha tonga ny fanekena vaovao dia fantaro fo hoentina hamintrana ilay fanekana rava noho ny ditran’ireo Ray bentsika ary IANAO (MALAGASY ) no anton’izany fanavotana izany.

Malaza @ izao fotoana izao ny fitadiavana "les tributs perdus d'israël", vaky loha ireo mpikaroka maneran-tany satria tsy mba hita amin'ireo bokin'ny tantara any @ archives izany. Nandalo teto ny filohan'ny Communauté des juifs de l'Europe t@ herinandro lasa, naka porofo maro!

Tsy voatanisa ireo porofo raha toa ka mahaliana anao! manorata @ zafjohs@yahoo.fr , na ny 032 58 457 13
répondu par hasiniony le 16/07/2014 08:37
2. didi10 ( 13/08/2012 07:02)
Tsara Jesosy Tompo

Misaotra ny namana amin'ny fampahafantarana ny "tantara" ny amin'ny fihavian'ny malagasy.

Tsy azo odian-tsy hita tokoa ireo porofo maro afaka manamarina fa manana fihaviana jiosy ny malagasy, raha eo amin'ny fiteny fotsiny dia manana teny maherin'ny 1000 mitovy amin'ny fitenin'ny Jiosy isika.
Maro ireo fiangonana vaovao manindry mafy ho fotom-pampianarana io tantaram-pihaviana io, inona anefa no naterak'izany?
Lasa niverina amin'ny lalàna ireo fiangonana ireo, lasa latsa-danja ny "vaovao mahafalin'i Kristy" fa ny lalàn'i Mosesy no abahana eo amin'ny fiainan'ny mpino, lany fotoana amin'ny fandavana ny dikan-teny ara-Baiboly sy ny Anarana tokony hiantsoana an'Andriamanitra ny mpitarika ny fiangonana ary miezaka ny mivavaka sy mihira amin'ny teny Hebrio aza moa ny fiangonana sasany!!
Nankaiza ny finoana fa ny Anaran'i Jesosy no mahavonjy?
Aiza ho aiza ny fahatanterahan'ny tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana?

Efa nampitandrina io trangan-javatra io ny Baiboly:
Tim I 3-7
3 Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa, 4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy, 6 izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy, 7 dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.

Titosy 3,9
9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. 10 Izay mpanao hevi-diso , rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, 11 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.

MAZAVA SADY TSOTRA NY FAMPIANARANA NY MOMBA IREO MPANARA-DIA AN'I KRSITY

Gal 3, 23-29
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 TSY MISY INTSONY NA JIOSY NA GRIKA, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

Deraina Jesosy.
3. universal ( 13/08/2012 08:52)

moustaraf - 13/08/2012 07:26
Salama daholo!
Ara-tantara:
Ny boky rehetra milaza ny tantaran’ny Malagasy dia ireto no lazainy raha fintinina: 1) avy any Indonezia (Javana), 2) Arabia, 3) Afrika
Hatreto dia mijanona eo ireo fikarohana ireo satria vitsy ny mpikaroka Malagasy no sady lafo dia lafo ny fanaovana faikarohana.
4) Avy any Israely (??), hoy ny fikarohana vitsivitsy izay liana fanaporofoana satria tsy hita anatin’ny tantarantsika izany.


Fanamarihana kely fotsiny ny ahy.
1/ Tsy mbola mijanona mihitsy ny fikarohana momba ny fihavian'ny malagasy, fa mbola mitohy hatrany.
2/ Ny zava-misy mbola iainana amin'izao fotoana izao ireo voambolana nolovaina avy amin'ny arabo ohatra anaran'ny andro alatsinainy, talata sns.....sy ny alakarabo alakaosy sns.... Na misy fikarohana na tsy misy, tsy azo hodian-tsy hita ny fisian'ny sorabe teo amin'ny malagasy sasany.
3/ Maro amin'ireo teny sansrit avy any atsinanana no mbola hita amin'ny teny malagasy ary misy fomba itovian'ny malagasy sasany amin'ireo tatsinana ireo
4/ Na dia nijanona araky ny filazanao azy aza ny fikarohana tsy azo afenina fa misy firazanan'ny malagsy sasany avy atsy afrika koa isika

Ka heveriko mba hampitombona ny fanehoanao ny hevitrao dia tsy tokony ho généralisé-na hoe ny malagasy rehetra no voakasik'io ao anaty Baiboly sy torah io, fa mety ho am-pahana malagasy ihany.

Misaotra indrindra
4. AndriambyII ( 13/08/2012 09:19)
Ary ny teny arabo gotoraly dia nanankarena noho ny gramatika hebreo . Maro koa ireo taranaka arabo nifangaro t@ israelita taloha no razamben' ny malagasy .
5. moustaraf ( 13/08/2012 19:35)
re:
Zavatra 2 no tiana hosoritana eto:
1.Ny voalazan'ny baiboly dia tsy mifanohitra @ voalazan'ny mpahay tantara fa saingy misy fanampiny fotsiny, araka ireo porofo ara-baiboly ireo . Tsy zavatra noforonina ireo , na vao androany fa faminaniana efa ela tokoa.

2.Mitondra inona moa izany? hoy i didi10. Tsipihina tsara eto aloha fa , tsy mitovy ny foto-pampianarana misy antsika ka aza terena ny hevitra tsy mitovy.
a) zava-dehibe ny fahalalantsika fa isika "ilay israely izay naely" izay hangonina indray ho amin'ny fanekena vaovao (fanavaozana ilay fanekena), izay TSIPIHINA FA TSY HO AN'NY JENTILISA AKORY, fa na ilay Mesia aza dia tonga hamonjy ny very @ Israely. ZAVA-DEHIBE IZANY! fa raha te hovonjena ny hafa firenena dia atao grefy ao @ israely (tahaka ireo olona hafa firenena niara-nivoaka t@ israely avy tao Egypta); Tsy maintsy eo aloha ny Israely vao misy lalana ho an'ny jentilisa!

3. Aza ampiadiana i Mosesy sy ny Mesia fa iray ihany ireo :Mosesy tandindon'i Mesia- tsy misy zavatra mifanipaka izany ao @ lalàna (Torah) sy ny didy vaovao (fifankatiavana), fa vao maika mampitoetra azy tsara.
Ianreo ve izany isan'ireo olona tsy fehezin'ny lalàna ka Mihinana totozy, sy alika, ary kalalao sy kankana??? fa efa ambanin'ny fahasoavana?? Nahoana no ekena ny "Aza mangalatra, aza mijanganjanga,....nefa tsy ekena ny Mintandrina ny Sabata"??

4.Ny anarana dia tsy azo adika na oviana na oviana."lotoina ny anarako" ary ny "Voninahitro tsy omeko ny hafa". Inona no ratsy amin'ny fiverenana @ anarana fototra izay niantsoan'i Abrahama ilay mpamorona???
vAKIO Ny boky "Fary mamy" classe terminale fa ho hitanreo ao ny dikan'ny teny Andriamanitra tamin'ny ntaoolo malagasy, talohan'ny nidiran'ny baiboly : fiantsoana mpanjaka maty ka efa voraka ka tsy azo lazaina hoe maimbo!

5. aZO Lazaina ve fa anganongano foana ireo "toko sy andininy ao @ baiboly" izay manondro an'i Madagasikara? SANATRIA IZANY

6.TSY MISY INTSONY NA JIOSY NA GRIKA: tandremo fa io teny io dia natao ho an'ireo hafa firenena izay nanpa-kevitra hanaraka ny fiangonan'ny apostoly (jiosy)- fa tsy ho an'ny jentilisa any @ fiangonan'ny jentilisa fa sao diso hevitra!
Tsy mitovy isika raha izany stria IANAREO natao batisa t@ anaran' i Kristy (Kristos= grika), fa izahay t@ Hamasherha zanak'i Elohim nahary ny tany sy ny lanitra.

7.Ny fototra iorenan'ny fanadihadiana dia tsotra:
-Voatondro fa ilay nosy no iafaran'ny dian'ireo israely izay naely: na dia lalana roa samy hafa aza no nodiaviny: 1) nadalo an'i Persia sy indonezia 2) arabia sy afrika
ka na dia nifangaroharo sy nifanambady tamin'olon-kafa aza ireo israely ireo dia "Izaho mahalala ny nalehan'izy rehetra" hatrany @ faran'ny tany= Ilay nosy= Madagasikara

8.Efa voasoratra koa anie "miara-monina ao izy sy ny taranak'i Kadera (Arabo)", dikany: tsy misy mifanohitra akory izany resaka izany,fa mifameno tsara! nefa kosa ny teny fanekena dia ho an'ny Israely!

9.ireo isarely ireo , dia olona nandositra fa tsy nitsangatsangana akory, ary voasoratra koa fa "izay vohitra onenany dia lazainy fa fihaviny" satria niafina fatratra sao fantatry ny tompon-tany, ary izany no tsy nahitana mihitsy ara-tantara ny nalehan'ireo Tributs d'israel ireo.

10.Eto dia ahitsy ny fanadihadiana izay efa nisy teo aloha izay milaza fa foko iray ihany no hebreo eto Madagasikara; betsaka izy ireo ary afovoan-tany sy anindrana:
oh:
midabôra (heb.) = midabôra = miteny
zara (heb.) = zara = taranaka
Tsadik (heb.) =tsadiky = marina
Anan (heb)=agnigny = rivotra
zaken= zoky
Eloh(im/a) = loha (avo indrindra)
kevod= vody ondry= voninahitra
ariv =hariva
èhad= al ahad / tnin=at tinin/ ...sabat =sabotsy
oz =ozatra /......................sns............................
Maroz seth= Maroantsetra , seranana nidiran'ireo hebreo teto Madagasikara

6. sitlo ( 13/08/2012 20:07)
Ny an-dry didi10 tonga dia izao Kristy sy ny famonjena izao foana isaky ny misy dinika mivoaka. Na tsy misy idiran'i Jesosy aza ny dinika dia avadika hoe, latsa-danja Kristy izay nitondra famonjena...

Raha ny voalazan'i universal indray dia azo atao hoe marina ihany fa saingy ny isavasavana ny raviny hono dia ny ahitana ny fotony. Ekena hoe mifangaro isika, ary tsy tokony atao safo be mantsina, fa saingy ndeha atao hoe ny sasany amin'ny malagasy no tian'ilay ranamana ho tenenina.

Fa raha hiverina amin'ny dinika nolazain'i moustaraf aho dia voalazanao tsara fa niparitaka ny israelianina tamin'izany. Araka izany, mety nisy ireo nankany amin'ny toeran-kafa ihany koa. Eny fa na hatrany Afrika atsimo aza. Koa tsy dia manavaka firy angamba ilay hoe, misy taranaka jiosy amin'ny malagasy.

------------------------------
Nisy boky izay novakiko momba ny teny malagasy. These de doctorat an'izay frantsay izay ilay izy fa efa 100 taona lasa angamba izay.
Voalazany tao, fa ny Zafimaniry dia avy amin'ny fianakavian'i Mohameda. Ilay namorona ny finoana silamo. Voatery tsy naintsy nandositra ry zareo tamin'ny ady an-trano tany tamin'izany. Nisy taranak'arabo ihany koa nanaraka taty aoriana fa nony tafahoana dia nitohy indray ny ady tao antsimo antsinana. Tsy naharesy tosika ny zafimaniry izay efa tafaorina tamin'ny teorana avo, ka zary nisaraka nianantsimo sy nianavaratra ary nahatonga ny foko Tanala, Antefasy, Antambahoaka ary ny avy taty aoriana dia ny Antemoro.
Tamin'ireo faritra ireo no nivoahan'ny fomba malagasy maro, indrindra fa ny fahalalana momba ny andro, volana... ny sorabe, ny taratasy, ny satrobory...
Ny Bara koa anefa dia manana fomba silamo na dia somary mainty fihodirana aza. Tsy mahagaga izany satria ny arabo dia ny varotra sy ny fivezivezena no foto-pivelomany tamin'izany ka tafita tany Afrika ny finoana silamo, ary niampita tamin'ny Bara...

Fa raha hiverina amin'ny merina sy ny karazany aho dia ny azia atsimo antsinana no tena ifandraisany.

---------------------------------
Koa tsy koah, mety hoe misy taranaka jiosy ny gasy. Fa ny fahitako ny tena tiana ahatongavana amin'ilay lohahevitra dia hoe: noho izany olom-boafidin'Andriamanitra ireo.

Dia averiko eto ny tenin'izay sirianina amerikanina akamako izay. Maninona hoy aho ny jiosy ny tsy tian'ny olona maro. Tsy ny silamo ihany, fa na ny mainty hoditra, na ny fotsy hoditra... dia be no manana kakay amin'ny jiosy. Dia hoy izy, satria ny jiosy dia milaza ny tenany ho ambony noho ny hafa.
7. Miharena ( 14/08/2012 04:11)

Dia averiko eto ny tenin'izay sirianina amerikanina akamako izay. Maninona hoy aho ny jiosy ny tsy tian'ny olona maro. Tsy ny silamo ihany, fa na ny mainty hoditra, na ny fotsy hoditra... dia be no manana kakay amin'ny jiosy. Dia hoy izy, satria ny jiosy dia milaza ny tenany ho ambony noho ny hafa.


Marina ilay fanamarihana. Ary ady eran-tany io fanambonian-tena io ka niteraka fanehoana hery. Ny fandemena avy amin'ny fanehoana hery amin'ny fananana fitaovana no nentin'ny mpanjanaka namolahana ny Malagasy. Nefa tsy azo lavina koa fa ny Malagasy dia nifaninana sy nifambotry an-toerana koa talohan'ny nahatongavan'ny vahiny nanjanaka. Ka asa hoe kolon-tsaina avy aiza io fifandirana io araka ny hevtrareo?

Raha hadihadiana dia ny fisian'ny foko teto izay niady ho ambony no maneho ilay resaka toe-tsaina Jiosy manambony tena notantarain'i Sitlo io. Raha tsy tonga teto ny mpanjanaka dia tsy folaka izy io. Fa na izany aza ny fomba fitenenana dia efa ahafantarana fa tsy milavo klefona mihitsy ny Malagasy: Hoy izy manko hoe ; vero notaingenam-pody aho, tsy folaka fa mandefitra.

Aiza ho aiza tokoa moa izany izao ny fiarenan'ny Malagasy amin'ny sehatra misy ankehitriny?
8. jojo3t ( 14/08/2012 04:56)
Marina ny voalazanareo, misy ampahany jiosy ny malagasy, ary efa fantatsika hatramizay fa avy amin'ny firazanana samihafa ny fihavian'ny malagasy, na arabo io, na avy atsy afrika io na asia sy europa, efa miresaka ny fihavian'ny malagasy ihany isika, ny akamaroantsika dia mainty hoditra, maro no milaza fa voaozona ny mainty hoditra ka nahatonga ny fanenjehana azy ireo mivaivay.

Misy diso fandray an'ilay tenin'i Noa ao amin'ny Gen.9 : 25 hoe : Ho vaoazona anie i Kanana, aoka izy no ho ambany indrindra amin'ny andevon'ny rahalahiny. Tsy misy resaka volon-koditra mihitsy nefa eo. Voaozona kosa i Kanana, zanak'i Hama, noho izy nanao zavatra mamoafady(Gen.10 : 15-19), ireo fotsy hoditra nonina tany atsinanan'ny Ranomasina Mediterane no taranak'i Kanana.

Ny zanakalahin'i Noa : i Sema sy Hama ary Jafeta no nielezan'ny mponina rehetra teto an-tany taorian'ny safodrano.

Ny nihavian'ny mainty hoditra dia avy amin'ny zanakalahin'i Kosy(zanak'i Hama) dia i Seba sy Havila sy Sabta sy Rama ary Sabteka(Gen.10 : 6, 7) Taty aoriana,dia i Etiopia no nolazain'ny Baiboly hoe Kosy. Nilazana an'ireo olona tany amin'ny faritra atsinana'i Afrika ny hoe Seba taty aoriana, ary tsy lavitra an'i Etiopia io faritra io.(Isaia 43:3). Ary azo inoana fa nisy niparitaka taty Madagasikara koa ireo.

Tsy olona voahozona na ambony firazanana noho izany, fa noho ny zavatra nataon'izy ireo na fahotana nataon'izy ireo no nahatonga azy ho voahozona, rehefa nanota sy nikomy tamin'Andriamanitra foana koa ny israely dia nolavin'Andriamanitra izy ka nanao fifanekena vaovao izy(resaka hafa mihitsy indray io).

Fa ny zava-dehibe eto dia ny hoe, na jiosy isika, na asiatika, na afrikana, dia tsy misy ambony na ambany fa mitovy daholo, ka ny fehiny dia ireto andininy vitsivitsy ireto :

Asa 10 : 34, 35 : "Tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra, fa amin'ny firenene rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
Jaona 3 : 16 : nanome ny zanany lahitokana Andriamanitra mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy.
Matio 23 : 8 : hoy i Jesosy : Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Jaona 13 : 35 : hoy ihany i Jesosy : Raha mifankatia ianareo, dia izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.
9. didi10 ( 14/08/2012 09:04)

moustaraf:

re:

Mitondra inona moa izany? hoy i didi10. Tsipihina tsara eto aloha fa , tsy mitovy ny foto-pampianarana misy antsika ka aza terena ny hevitra tsy mitovy.
a) zava-dehibe ny fahalalantsika fa isika "ilay israely izay naely" izay hangonina indray ho amin'ny fanekena vaovao (fanavaozana ilay fanekena), izay TSIPIHINA FA TSY HO AN'NY JENTILISA AKORY, fa na ilay Mesia aza dia tonga hamonjy ny very @ Israely. ZAVA-DEHIBE IZANY! fa raha te hovonjena ny hafa firenena dia atao grefy ao @ israely (tahaka ireo olona hafa firenena niara-nivoaka t@ israely avy tao Egypta); Tsy maintsy eo aloha ny Israely vao misy lalana ho an'ny jentilisa!


Hono hoy aho rahalahy, ny anao izany rehefa mitory dia mila resena lahatra aloha ny olona fa Zanak'Israely ara-pirazanana (taranaka Jiosy) zay vao itoriana ny finoana sy famonjena?
Sa raha efa nandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany ny malagasy dia hilaza ianao hoe mivoaha tao fa midira amin'ny fanekena vaovao satria Jiosy isika fa tsy Jentilisa?
Mbola tsindriako ilay tenin'ny Paoly fa iray ihany izay ao amin'i Kristy fa efa nariana ny maha-jiosy, jentilisa, maha-andriana sy andevo.

moustaraf:

Ianreo ve izany isan'ireo olona tsy fehezin'ny lalàna ka Mihinana totozy, sy alika, ary kalalao sy kankana??? fa efa ambanin'ny fahasoavana?? Nahoana no ekena ny "Aza mangalatra, aza mijanganjanga,....nefa tsy ekena ny Mintandrina ny Sabata"??


Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho ao amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika (Gal 3,24)
Matoa ny olona mbola manaiky tazain'ny lalàna dia mbola tsy tafiditra ao amin'ny famonjen'i Jesosy Kristy izy.
Ilay Mesia nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy( Gal 13,13)

Hoy ianao hoe: mihinana totozy, alika, kalalao, kankana va izahay?
Tsy misy maloto ireo ho an'ny olona manana fisainana madio.

Tit 1,15
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Rom 14,20
20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.

Sao dia diso hevitra ianao amin'ny resaka Sabata fa manao fivoriana Masina tokoa izahay amin'io andro io saingy tsy noho ny lalàna fa noho ny fitiavana an'Andriamanitra ka manompo Azy amin'ny andro efa notondroiny ho fitsaharana sy fivoriam-bavaka.
Tsy mijangajanga, tsy mangalatra, tsy mamono olona izahay, tsy noho ny amin'ny lalàna fa efa voasoratra hoe: Jao I 3,9 "Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra. "

moustaraf:

4.Ny anarana dia tsy azo adika na oviana na oviana."lotoina ny anarako" ary ny "Voninahitro tsy omeko ny hafa". Inona no ratsy amin'ny fiverenana @ anarana fototra izay niantsoan'i Abrahama ilay mpamorona???
vAKIO Ny boky "Fary mamy" classe terminale fa ho hitanreo ao ny dikan'ny teny Andriamanitra tamin'ny ntaoolo malagasy, talohan'ny nidiran'ny baiboly : fiantsoana mpanjaka maty ka efa voraka ka tsy azo lazaina hoe maimbo!


Tsy ampianarina ianao fa ny teny: Andriamanitra, Tompo, Dieu, God, Adonai, EL, Elohim, Mpahary dia anarana ikambanana (Nom commun) iantsoan'ny samy hafa firenena ilay tompoiny, fa ny anaran'ny Andriamanitr'i Abrahama, Jakoba, Isaka dia YHWH fa ny fanononana Azy no niova araka ny tenim-pirenena samihafa: YaHWeH notononina Iaveh YeHoWa notononina Jehovah.
Iray ihany ireo fa aza miteny ratsy ny anaran'Andriamanitra ka milaza fa sampy ny Jehowah na Yaveh.

moustaraf:

Tsy mitovy isika raha izany stria IANAREO natao batisa t@ anaran' i Kristy (Kristos= grika), fa izahay t@ Hamasherha zanak'i Elohim nahary ny tany sy ny lanitra.

Asa 3,6
Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta.

Marina ny voalazanao fa natao batisa tamin'ny Anaran'i Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra lahitokana izahay. Ianao no manaratsy ny Anaran'ilay Tompoko fa izaho kosa dia mbola mankasitraka Azy satria tsy tambo tanisaina eto ny fahasoavana sy ny fitahiana ary ny hery vita sy azo avy tamin'izany Anarana izany, mety ary ankasitrahana ny fivavahana amin'ny Anarana d'origine (YeHoWaH, YaHWeH, YaHoShoWaH; YeHSHoWa) ny tenanay fa tsy mankasitraka kosa ny filazana fa sampy ny Anaran'i Jesosy kristy satria mitovy ihany ireo.

Tim I 4 : 1 - 16
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. 4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, 5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
10. Miharena ( 15/08/2012 07:42)
Mila miavaka tsara aloha ny tantara sy ny fifamadibadihana nifanesy fa ny azo antoka dia tsy amin'izao fotoana izao izay fiantsoana rehetra fa efa lasa avokoa ary ezahana tohizana. Isika raha tsy Andriamanitra izay TENY dia tsy manana alalana ny hanonona AZY mihitsy amiko raha tsy IZY no milaza hoe izao no Anarako ankehitriny.

Izany hoe izay tena nahazo ny teny no afaka mitantara.

Fa eo amin'io resaka anarana io ihany, misy ny milaza fa ilay YHWH dia diso ary nahitsy ho YESHUWA. Ilay SHIN natsofoka tao no mamerina amin'ny laoniny ny zava-drehetra diso taloha araka ny famelabelaran-kevitra momba azy io any amin'ny site azontsika jerena amin'ny aterineto.

Ny Krsitianina Malagasy ankehitriny moa dia naneho fanavaozana teo amin'ny fanononana ny Anaran'i Jesosy sy Jezo, mba iombonana ho Jesoa. Ka sao dia ny fanangonana antontam-pahalalàna toy izao atao izao no nahatonga ny fiombonana hanaovana io fanononana io?
11. didi10 ( 15/08/2012 15:48)
Tsy azon'i Miharena
יהוה=YHWH Anaran'Andriamanitra
יהושע = YHSHWH Anaran'i Jesosy, ilay YHWH nitsofohan'ny SH midika hoe Andriamanitra ilay mpamonjy (Dieu le Sauveur).
12. Miharena ( 15/08/2012 17:46)
Tsy mandà izay fahazoanao azy aho Didi10 fa misy koa ny manana fahazoana hafa momba ny YHWH izay tsy lazainy mihitsy hoe io no tena normal momba an'Andriamanitra Ray noresahani' Kristy.

Tsy hoe tsy azoko ilay izy fa mametraka fotsiny ny fanamarihana hafa aho ary miezaka mamantatra hoe azo heverina ve izany sa tsia?

Raha toa tokoa manko jerena ao anaty Baiboly dia tsy dia hita hoe tia mampiasa ny teny hoe YHWH i Jesoa fa avy hatrany dia RAY no tena notononiNY. Ny fifandraisaNY Amin'io Ray io dia azo lazaina fa tsy mifanalavitra fa mifampiditra (Izaho sy ny Ray dia Iray ihany hoy Izy). Raha ny fahazoako azy izany dia tsy dia tena azo heverina ny miantso an'Andriamanitra hoe YHWH raha arak'i Kristy.Tanisa iray ihany avy amin'ny Tetamenta taloha no nampiasainy raha niteny hoe Jehovah na YHWN Izy.

Ankehitriny dia misy ireo fiangonana mifoha tsy dia tia mampiasa io teny hoe Jehovah na YHWN io fa Jesosy ihany ary ny Ray no antsoiny.
13. leva2 ( 16/08/2012 19:26)
Velona Jesosy!

Misy fanahy miasa roa samihafa mazava be sy miavaka ary mifanohitra eto amin'ity sehatra serasera ity. Mazava ho azy fa ny iray ihany no izy, ary ilay hafa kosa dia fanahy mamitaky ny devoly na satana.

Mahazo mahatoky ianao namana didi10 fa tsy irery ianao eto, ary "Tano mafy izay efa anananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao" Apo 3/11.

Ny zavatra mba tiako ambara dia izao : Jiosy aho, ary mizaka ny zom-pirenena amin'izany maha-jiosy izany avy amin'ny raibeako izay jiosy 100%. Ny zavatra tsapako nefa dia tsy nisy vokany na nitondra ninoninona teo amin'ny fiainako manokana ny maha-jiosy, fa ny tsapako dia teo ambany ozon'ny lalàna aho, ary nitovy tanteraka tamin'ny olon'izao tontolo izao, maty fanahy, andevozin'ny ota, nanjaka ny ara-nofo. Tsy dia araka ny filazan'i Moustaraf azy hoe "taranaka voafidy".
Rehefa tena nandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainako kosa aho dia tsapako ho nanomboka niova tanteraka izany rehetra izany : tsy tsaroako intsony ilay olom-boahozona fa nahatsiaro tena ho notiavina aho, zary naharikoriko ny fiainan'izao tontolo izao nilomanosako fahiny, tsapako eo amin'ny fiainako andavanandro ny Fanahin'i Kristy manampy ahy, miaro ahy, mitsinjo izay ataoko rehetra, rehefa nentiko teo amin'i Jesosy ny fahalemeko sy ny fahotako dia itako nohafahany tsikelikely aho,roahako amin'ny anarany ny devoly dia lasa, angatahiko amin'ny anarany ny fahasalamana dia tanteraka, ary mahatsiaro tena ho olon'afaka aho ankehitriny. Ankehitriny vao tsapako fa "taranaka voafidy" aho noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompoko.

Mba maha-te hanontany ry namana Moustaraf hoe : mba nisy ve ny zavatra nentin'ity karazana batisa notononinao tetsy ambony ity teo amin'ny fiainanao? Niteraka fanantenana tahaka ny inona teo aminao ny nahalalanao ity lalam-piaviana malagasy nilofosanao fatratra?

Mivavaka ho anao aho namana Moustaraf!
14. Miharena ( 16/08/2012 21:11)

Misy fanahy miasa roa samihafa mazava be sy miavaka ary mifanohitra eto amin'ity sehatra serasera ity. Mazava ho azy fa ny iray ihany no izy, ary ilay hafa kosa dia fanahy mamitaky ny devoly na satana.


Azonao ambara ve hoe inona no mahasamihafa ilay fanahy?
Ny fahalalako ny olombelona rehetra dia iray ihany ny fanahiny fa ny heviny sy ny fisainany no mahasamihafa azy.
15. moustaraf ( 18/08/2012 05:07)
Salama daholo e!
"Ringana ny oloko nohon'ny tsy fahalalaly"
1.Isika rehetra mamaky baiboly avokoa fa ny fandraisana no samy hafa, na aiza na aiza ao amin'ny Soratra masina dia tsy misy mihitsy milaza fa "Nfindra any amin'ny jentilisa ny fifidianana" , "Ianao izay oliva maniriniry foana..... dia atsofoka ao amin'ilay fototra oliva tsara.....",
2. Ny fahitana izay hitan'ny Petera "nidiny avy tany an-danitra"= biby rehetra; dia tsy nentina velively nilazana sakafo fa fanendrena an'ny petera hitory amin'i Kornelio (Italiana= hafa firenenena); Matoa nanda mafy i Petera tsy hihinana dia TSY NAHAZO IZANY FAMPIANARANA IZANY IZY TAMIN'I YESHO'A (ka asakasak'areo mihinana ).
3.Mba vakio kely ny Fahitana ao @ Apokalipsy momba ilay Dragona sy ilay vehivavy:
Ireto ny Code itovizantsika:
-Vehivavy= fiangonana / niteraka zazalahy= fiangoana nivoahan'ny Mesia
-Nakarina any an-danitra= Mesia / nisy ady tany an-danitra= nanaraka tany ny devoly
-Nazera ny devly = resy /nanenjika an'ilay vehivavy= nanenjika sy namotika ny fivavahan'ny apostoly= Roamana ( année 313 Amperora Constantin t@ alalan'ny Edit de Milan no ni-offisialiser ny fivavahana KRISTIANA, izay marihina fa tsy fivavahan'ny Apostoly)
-Ny catholika orthodoxe no Ray be n'ny fiangonana Kristiana, izay vao ny Catholika Romana

-Namoaka riaka t@ vavany ilay dragona nanenjika ilay vehivavy = namoaka fampianarana sandoka maro ilay dragona (riaka= rano be maloto # tenin'Atra = ranon'orana) hamotehana ilay fampianarana tena izy, nentin'ny Mesia.
-Niteny ratsy ny ANARANA = novana anaran-tsampy avokoa ny anaran'ilay nahary ao amin'ny Baiboly ( Dieu, God, God, Andriamanitra, Jésus,.....), mba hiankohofan'izao tontolo izao.

3. Ny famiananiana dia milaza mazava fa "avy aty amin'ny nosy lavitra no hitondrako izay mpivavaka ho ahy".

4.Ekena fa tsy hebreo akory ny Malagasy rehetra (Marina izany), nefa kosa"Ilay lalana voasoritra ao @ baiboly io kosa angamba tsy noforonina= Javana --ilay nosy / Etiopia --ilay nosy), niparitaka sy niely ny israely ary any @ firenena maro (anjaran'n ny no mikaroka ny momba azy, fa ny aty Madagasikara dia mazava be). Na ireo foko izay mitonona ho arabo aza eto Madagasikara dai ho gaga ianareo raha ilazana fa "Soratra hebreo trananiny" no hita tao. ...????

5.Mitondra inona moa izany?
1.Midika izany fa tsy olon'olom-poana araka ny nafafy hatr'izay isika ka tokony hitraka sy hifofotra masy hiverina @ fahamarinana
2.Tsy ambony noho isika akory ny frantsay sy ny Vahiny izay manambaka antsika sy mitsentsitra antsika, fa voatsindry ara-tsaina sy ara-panahy isika, satria ilay sampiny no iankohofantsika andro aman'alina.
3."Ho avy ny andro hahalalan'ny oloko ny anarako" ary "Izaho ho Elohym-ny ary izy ho oloko"
Ny tsy fahalalantsika ny anarana no midika fa babo isika ka naely an-tany lavitra, vakio ny baiboly fa rehefa babo ny Israely dia adino foana ilay anarana ivavahana,
Babo any Egypta 400 taona ny Israely= na i Mosesy aza tsy nahalala ny anaran'nyilay nivavahan'i Abraham. "Iza no ho lazaiko amin'ny olona?"

4-Ekena fa YHWH no soratra milaza ilay mpamorona ao @ baiboly, io dia tsy azo tononina raha tsy amin'ny antony manokana, ary tsy YaHVeH na JeHoVah izany no famakiana azy fa Abréviation io, ny romana no nampiditra ireo zanatsoratra ireo, fa ny Hebreo rehefa tonga @ io soratr io dia manonona ny "Adonay" , tsy anarana akory fa fanomezam-boninahitra. Anilan'izay anefa dia nanome anarana azo tononina izy dia ny "Elohym".

Tsy MIEZAKA MANDRESY LAHATRA NA IZA NA IZA AHO ETO FA MILAZA FOMBA FIJERY HAFA ANKOATRA NY EFA FANTATRA HATRAMIN'IZAY, satria forum ity iresahana ity.
16. Miharena ( 18/08/2012 07:31)
Raha hiverina tanteraka amin'y lohahevitra ihany ay mba hisian'ny fanadihadiana lalina kokoa, dia mba te-hanontany an'i Moustaraf ny amin'ny fanazavana ny Apokalypsy momba Ilay vehivavy manana kintana 12 eo amin'ny lohany, i Mikaela Andrian-dehibe izay hanavotra izao tontolo izao.

Izay aloha no fanontaniana fa ny tsoa-kevitra azo fotsiny amin'io tantara ataonao io dia hoe : aty Madagasikara izany ve ilay nosy voambara fa nanafenana ilay Fiangonana tena izy?
17. moustaraf ( 19/08/2012 09:15)
Salama daholo!
1.Miala tsiny indrindra @ fanontaniana etsy ambony fa Ny fanazavana ny Apokalipsy dia ho lava be ary mety hivoana @ thème etsy ambony, ary hifanesy tsy ho tapitra eto koa ny toko sy ny andininy samy hafa.
2.Ny tiana tsipihina dia ireto:
Maro ireo fomba eto Madagasikara no tsy voazava raha mianona fotsiny @ hoe, avy etsy indonezia, afrika sy Arabia fotsiny ny Malagasy/ fa misy izay niaviany lavidavitra kokoa, satria misy ireo fombantsika izay tsy hita amin'ireo toerana ireo akory.
ohatra:
Fomba fototra:
-Mampody faty an-tanindrazana, famonosana faty (fehy 5 sy 7), fampodiana taolam-balo, fananana fasan-drazana (miray karan-doha), Misaona haratana ny loha,
-Mividy somotra @ zoky
-Ilay tao-trano: Miankandrefam-baravarana (Tsy ilay hoe mitodika any Lameka akory, fa araka izay lazain'ny Torah io)
-Lanjan'ny Lahimatoa eo @ fianakaviana
-Fomba ara-panambadiana : mitondra loloha
-.....

Ireo fady tsy voazava ny fiaviany
-Tsy fihinanana rà (amina foko maro io)
-Tsy fiasàna Atalata (@ Hebreo: andro fifadiana ny andro faha -3 @ herinandro= Atalata)
-Andro tsara ny Asabotsy = Sabata andro firavoravoana @ Mpahary (fitsaharana)
-Ny tsy fihinanana kisoa (amina foko maro tsy silamo, nefa tsy manao ody gasy)
-Tsy fihinanana biby an-drano tsy misy vombony sy kirany
-.........

Ireo kolotsaina saro-pantarina sy mifangaroharo
-lanjan'ny isa 12 sy 7
-Principe du -KA, -TRA, -NA @ teny gasy (mitovy @ Asyriana)
-Ireo anarana RA- (lova Egyptiana)
-Andro sns.....(Arabo, indoneziana, )
-Gramera sy Syntaxe (Aramena, hebreo, Arabo....)

Ireo dia manaporofo fa nivezivezy araka ny faminaniana efa voalaza ireo Ray ben'ny Malagasy, ARY voalaza fa NIAFINA SY NANFINA NY IDENTITE-NY IZY IREO satria halan'ny firenena rehetra izany Hebreo izany;
Isa 16: 3-4 "israely voaraoka nafenina ao Moaba, ary Moaba no lazainy ho fireneny....." dia mifindrafindra indray , ary miafina ao Egypta, any Etiopia, sns....

Kanefa dia izao no hitranga :
-Zakar 7:14 fa haeliko any @ firenena tsy fantany izy
-Zakaria 1:17b/ 2: 16 mbola hifidy an’I Jerosalema indray Ny Mpahary
-Zakar 8:13 ho tonga fitsofandrano ny firenena rehetra izy
-Ezek 8: 23 Ny hafa firenenena no hanatona ny jiosy mba hivavaka
-Zakar 8:23 hisy 10 hafa firenena hihazona ny sisin-damban’ny jiosy 1: hiaraka aminareo izahay fa ao aminareo El
-Mika 4:2 ny jentilisa ho avy @ israely hivavaka
Eny fa na ilay Paradisa aza dia Hantsoina hoe: JEROSALEMA RHADASHA( vaovao)

Fehiny 1:
Ny fivavahan'ny Israely no idiran'ny Hafa firenena rehetra fa tsy ny fivavahan'ny Jentilisa (hafa firenena) no idiran'ny Israely, Ary izay ivavahany no ivavahan'ny hafa firenena, fa tsy ny hafa firenena no hampiditra zavatra hafa sy anarana hafa entina ivavahana.

Raha hiditra ao amin'ilay jerosalema vaovao ,misy vavahady 12 dia ny anaran'ny foko 12 amin'ny Israely, Aiza no hidiran'ny Hafa firenena?? raha tsy tafiditra ao anatin'ny foko 12 izy???? Ahoana no fidirana ao?? Any @ hafa firenena ve no vavahady idirana ao @ isiraely??
YESHO'A no lalana sy vavahady, ary ety an-tany ianao dia tsy maintsy miditra ao raha te hiditra @ vavahady 12, ary @ fomba Israely fa tsy @ fomba Romana, grika, ....

Fehiny 2:
Ianao Malagasy io no tsy maintsy hatonin'ny hafa firenena hivavaka , satria ianao ilay Israely, fa tsy ny Hafa firenena no mampiditra ny fombany sy ny fivavahany. Ataonao ahoana anefa ny fitarika ny hafa firenena raha ianao aza tsy mahalala ilay fomban'ny rainao hebreo natao ivavahana? Indrindraindrindra fa ianao aza tsy manaiky ny maha Hebreo anao???

Manorata @" zafjohs@yahoo.fr " izay mila ny antsipirihany fa homena fahafaham-po tokoa.
18. didi10 ( 23/08/2012 07:29)
Romana 11,25
25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry hianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra,

Mazava anie io teny io namana fa misy hozona manjo ny Jiosy amin'izao ka mahatonga azy ireo hanamafy fo tsy handray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy azy, sanatria ianao izay efa novonjena ve no hiverina hiditra ao amin'izany hozona izany? Tsy hovonjena ny jiosy mandrapaha-feno ny isan'ny Jentilisa Ka raha maty ianao kanefa mbola tsy tonga ny fahafenoan'ny Jentilisa dia ho aiza ny fanahinao?

19. moustaraf ( 24/08/2012 16:07)
Romana 11,25
25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry hianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra,

Mazava anie io teny io namana fa misy hozona manjo ny Jiosy amin'izao ka mahatonga azy ireo hanamafy fo tsy handray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy azy, sanatria ianao izay efa novonjena ve no hiverina hiditra ao amin'izany hozona izany? Tsy hovonjena ny jiosy mandrapaha-feno ny isan'ny Jentilisa Ka raha maty ianao kanefa mbola tsy tonga ny fahafenoan'ny Jentilisa dia ho aiza ny fanahinao?
---------------------------------------

Salama namana,
Mahagaga ahy izany fomba fandinihana izany; mazava tsara anie io voalaza’ny Roamana io: «Ny Israely sasany»; tsy ny Israely rehetra akory anie no mafy fo e! fa ny SASANY ihany, ka tsy mitombona ilay fanaovana safobe ilay fehezanteny (Izany foana no olana amin’io toko sy andininy tsongatsongaina io)

Lazaiko foana fa tsy mitovy mihitsy ny fomba famakintsika ny baiboly (avaratra sy atsimo / Romana sy Hebreo) ka ho lany andro eto raha hifandahatra.

Tsy fahafenoana araka ISA mihitsy no lazaina eo ry namana, fa ilay Fahafenoana (fahatanterahana) nentin’I Mesia, mba ahafahan’ny jentilisa koa mba hovonjena, varavarana idiran’ny hafa firenena (ny baiboly fototra mantsy tsy ahitana io teny Jentilisa io);
Ary «ny Hafa firenena izay mino hiara-miditra amin’ny Israely rehetra»

Ianao milaza fa efa novonjena io moa? Tamin’ny finoana grika sy Romana (mifontotra amin’ny anaran’ilay grika Kristos) izay nafafy, sa tamin’ny filazantsara izay notorin’ny Apostoly?

Raha mitondra ity loha hevitra ity aho tsy manao antery akory hoe tsy maintsy Israely isika rehetra, Tsia! Fa izay Taranaka Israely ihany no Israely! Tsy Israely ara-panahy araka izay aelin’ny sasany akory , fa Israely ara-nofo (taranak’I Abrahama, Isaka ary Jakoba) mihitsy.

Mahafaly fa maro ireo (avy amin’ny antokom-pinoana sy foko isankarazany) no nahazo bitsika mangina ka nisokatra ny masom-panahy, ary nahatsapa fa tonga ny antso ho an’ny «Israely izay niely» mba hiverina @ fanavaozana ny fanekena (=famorana ny fo) araka izay efa voasoratra. «Ny ondriko mahalala ny feoko» hoy ny Mpamonjy,

«kororohina tahaka ny vary, ny Israely, saingy tsy hisy ho latsaka na dia izay aza»
20. mpanontany ( 27/10/2012 16:10)
Azafady, misy lovantsofina sy porofo arkeôlojika ve manamarina ireo zavatra voalaza ireo (hebreo ny malagasy)?

misaotra betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0539