Ny Malagasy tondroin’ny Baiboly sy ny Torah

21. hasiniony ( 16/07/2014 08:37)
...Izahay dia malagasy ray, sy malagasy reny, araka ny lamina nametrahan'ny Avo indrindra azy! Ary raha ny tantaran'ny Jiosy no resahina eto dia azy manokana iny fa tsy misy tokony hidiranao malagasy velively, ...ny soratra masina raha teo dia milaza ireny mibaribary fa tsy misy zavatra miafina izany, araka ny ataon'ireo mpikaroka, kanefa mikaroka zavatra tsy marina izy, fa manao fikarohana ihany, saingy amin'ny maha olona azy, fa tsy araka ny fitarihan'ny fanahy tsiakory.

Koa satria ve noho ny amin'ny tenin'i Zefania, "an-dafin'ny onin'i Etiopia" ve..., dia hiteny ianao fa malagasy io voalaza io?
Zefania 3:10/ Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.
- Amiko kosa raha an-dafin'ny onin'i Etiopia no lazaina, dia ireo firenena manaraka ireto: Somalie, Soudan, Kenya, Ouganda, ary Congo...

Ary izao no aza hadino, fa io firenena voatondro fa an-dafin'ny onin'i Etiopia io, araka ny teny faminaniana dia misy mission ampanaovina azy, ary tsi-maintsy hanao izany izy, kanefa misy fepetra takiana vao tanteraka izany...
Zanaka vavy: tsy Jiosy velively no ambara eto, fa FIANGONANA.
Apok 12:17/ 17Dia tezitra tamin'ilay VEHIVAVY ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa,...

Manazava indrindra ny fanazavan'i Isaia mpaminany, mikasika io an-dafin'ny onin'i Etiopia io, fa jentilisa samy jentilisa no mifampitory ny teny famonjena, ary misy tokoa ny voavonjy izay hatao fanatitra ho an'Andriamanitra amin'izany:
Isaia 18: 1-2;7/ 1Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia, 2Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny. 7Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Yahvah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Yahvah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.

Tahaka izany indrindra no mission ampanaovina ilay zanaka vavy (Fiangonana), izay firenena an-dafin'ny ranon'i Etiopia; saingy tsy tanteraka izany rehetra izany, raha tsy ialohavan'izao fepetra izao:

Ny Nosy hiandry ny lalàny: Eto no resahina indrindra i Madagasikara, fa tsy ny Malagasy tsiakory.
- Isaia 42 :1-4/ 1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilIzy. 2Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. 3Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. 4Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
- Isaia 52:7/ 7Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Isaia 28:19/ 19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.

Ny Fampianaran'i Yahoshuah izay entin'ny mpanompony dia ny Episkopo Samuelson Edward ery amin'ny tendrombohitra Ambohidrapeto no mahatanteraka ireo fepetra ireo ho an'izay tsy mahalala, ary rehefa izany... dia didin'Andriamanitra mihintsy izao tontolo izao mba hijery sy hihaino izany, ary indrindra fa ilay firerena an-dafin'ny ranon'i Etiopia, mba ahafahany mitondra ireo fanantitra.
-Isaia 18:3/ 3Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra et? ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.

Toy izany sy toy izany, ny fahamarinana, fa tandremo misy mamitaka anareo amin'ny teny sy ny lainga tsaralahatra! TSY JIOSY VELIVELY NY GASY, ARY ILAY ZANAKA-VAVY = FIANGONANA, fa tsy ny zanak'Isiraely mielimpatrana velively.


















Izany hoe Andriamanitra maniraka ny Jentilisa hitory ny famonjena amin'ny Jentilisa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0068