fitafiana ivelany: azo itsarana ny kristiana ve ?

1. felampaiso ( 02/08/2012 19:06)
Midika inona marina ny fitafiana eo amin'ny mpino,amin'izao lazaina fa andron'ny fandosoana izao dia mitady hihalefy ny soatoavina mahakristiana, ka heverina fa ara dalana sy tsy mahamenatra na dia izay fitafiana efa hila hampitanjaka aza ?
répondu par moi le 27/11/2014 13:06
2. leva2 ( 02/08/2012 21:47)
Velona Jesosy!

Tena azo hitarafana ny ao anaty ny endrika ivelany amin'ny fitafiana.
Alaivo sary an-tsaina hoe kristiana ianao, izany hoe manana an'i Jesosy ao anatinao.
Dia andramo hoe rehefa mivavaka dia teneno hoe : mba hanao sexy kely isika androany ry Jesosy!" dia mety ve izany?

Anjaranao ny mamaly azy.
3. RBNIR ( 03/08/2012 06:07)

leva2:

Velona Jesosy!

Tena azo hitarafana ny ao anaty ny endrika ivelany amin'ny fitafiana.
Alaivo sary an-tsaina hoe kristiana ianao, izany hoe manana an'i Jesosy ao anatinao.
Dia andramo hoe rehefa mivavaka dia teneno hoe : mba hanao sexy kely isika androany ry Jesosy!" dia mety ve izany?

Anjaranao ny mamaly azy.

AMEN!
4. didi10 ( 03/08/2012 07:00)

felampaiso:

Midika inona marina ny fitafiana eo amin'ny mpino,amin'izao lazaina fa andron'ny fandosoana izao dia mitady hihalefy ny soatoavina mahakristiana, ka heverina fa ara dalana sy tsy mahamenatra na dia izay fitafiana efa hila hampitanjaka aza ?

Tsara ny Tompo

Tiako raha mba somary détaillena kaly ilay lohahevitra.
Tsy iadian-kevitra aloha fa ny akanjo sexy, ny décolté be, ny dos-nu, ny mini-jupe, ny tata-jaitra hatrany amin'ny fe... sy izay akanjo rehetra hanaovanao fanahy iniana hanairana filàna dia tsy tokony anaovan'ny hanaovan'ny Kristiana.

Matio 5 27
27 Efa renareo fa voalaza hoe: " Aza mijangajanga" (Eks.20.14). 28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

Fa ny fanontaniana tena mipetraka dia ny momba ny Pataloha ho an'ny vehivavy?
Ny Teny entin'ireo mandrara ny Pataloha ho an'ny vehivavy dia ilay hoe :

Deo 22,5
5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.

Taloha dia niavaka tsara ny fitafian-dehilahy sy fitafiam-behivavy, amin'izao fotoana izao kosa dia alaiko ohatra ny T-Shirt, ny Blouson, tsy afaka manao T-Shirt ve izany ny lehilahy raha manao T-shirt ny vehivavy?
De ahoana ireo Pasitera sy Diakona manao "robe"?

Tadidio fa misy koa ilay fomba fitenenana hoe "l'habille ne fait pas le moine".
5. lovegod ( 03/08/2012 07:12)

felampaiso - 02/08/2012 21:06
Midika inona marina ny fitafiana eo amin'ny mpino,amin'izao lazaina fa andron'ny fandosoana izao dia mitady hihalefy ny soatoavina mahakristiana, ka heverina fa ara dalana sy tsy mahamenatra na dia izay fitafiana efa hila hampitanjaka aza ?

tsetsatsetsa tsy aritra ihany ny ahy,
1/ Raha ny fahalalako azy dia fony adama sy eva tao edena dia niboridana, ary rehefa nihinana ilay voankazo voarara ry zareo dia nahatsiaro tena ho niboridana,
2/ Raha fony isika vao teraka dia nibiridana ihany koa voa-janahary izany, izany hoe izany no nanaovan'Andriamanitra antsika... Ny akanjo izany ny olombelona no namorona an'izany ary lasa lamaody izany taty aoriana

Ka raha mametraka ny lohahevitra ianao dia tsotra ny teniko: ny vatan'olombelona dia voa-janahary, tsy misy zavatra ratsy ao (na loha io, na tanana, na fitaovam-pananahana, na fitombenana io sns...) misy ilàna azy avokoa ireo taova amin'ny vatana ireo, mba andramo esory anie ny taova lazainao fa mamoafady ( nyfitombenanao sy ny taovam-pananahanao) dia ho hitanao ny vokany e...

Sanatria tsy miteny aho hoe NDAO HIBORIDANA DAHOLO REHEFA MIVAVAKA ANY AM-PIANGONANA, SANATRIA. Ny tiako hambara dia tsy tsara loatra ny mijery zavatra amin'ny lafiny ratsy, ny mitsara aloha hoe maontina ity, iroa tsy maontina satria zavatra ivelany izany....

l'habit ne fait pas le moine
6. jojo3t ( 03/08/2012 08:03)
Mazava ho azy tsy tokony hanao sexy ny kristiana, tsy tokony hanao fitafy manintona filàna ara-nofo, ary tokony ho maotina mba hanome voninahitra an'Andriamanitra :

1 Timoty 2 : 9 : "9 toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotinana sy fahendrena, tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy no atao, 10 fa asa soa araka ny mety amin'ny vehivavy mpivavaka. (katolika).

Ny vehivavy no lazainy eo, fa voafoako koa na lehilahy aza, ny vehivavy moa no tena tia miravaka ka izay no nampitandreman'ny baiboly azy, voalaza eo zany fa tokony ho maotina ny Kristiana, indrindra rehefa mandeha mivavaka na manao asa fitoriana, eny fa na andavanandro aza dia tokony ho maotina foana, izay no hamantarana azy hoe kristiana, tsy misy tsipiriany momba ny didin'akanjo ao amin'ny baiboly, fa tokony kosa tsy hampiseho faritra manaitra ny maso na hanao izay fitafy manintona filàna.
7. bor2lais ( 03/08/2012 08:42)
Azon'i Felampaiso hazavaina misimisy kokoa ve ny antsoina hoe "soatoavina Kristiana" izay mihalefy nohon'ny fitafiana azafady raha tsy mahadiso ? Misaotra mialoha ! :-)
8. RBNIR ( 03/08/2012 11:51)
lovegod:

tsetsatsetsa tsy aritra ihany ny ahy,
1/ Raha ny fahalalako azy dia fony adama sy eva tao edena dia niboridana, ary rehefa nihinana ilay voankazo voarara ry zareo dia nahatsiaro tena ho niboridana,
2/ Raha fony isika vao teraka dia nibiridana ihany koa voa-janahary izany, izany hoe izany no nanaovan'Andriamanitra antsika... Ny akanjo izany ny olombelona no namorona an'izany ary lasa lamaody izany taty aoriana

Faly miarahaba namana,
Dia hiverina hiboridana daholo v izany indray v izany isika namana? :-).
Mba tsiky kely fotsiny iny fa toa otran'ny misy tension B tato ho ato e somary henjakenjana ny atimosfera teto amin'ny forum?? sa ts'izany?? Izaho mino fa isika rehetra samy hiaraka hiaiky fa tsy mety intsony izany (fakam-panahy B tsy misy otran'izany :-) ). Tsy mitovy koa ny tena marina ry namana a, Adama sy Eva nitafy ny voninahitr'Andriamanitra tamin'ny voalohany dia takona ilay mahamenatra.
Ny lohahevitry ny namana dia hoe "fitafiana ivelany: azo itsarana ny kristiana ve ?"
Tsy afaka mitsara aloha isika satria voararan' i Jesosy izany,
Fa raha izao no lohahevitra hoe "fitafiana ivelany: azo itarafana ny ao am-pon'ny kristianina v? Dia hoy aho hoe ENY satria : « Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. » (Lio.6:45).
Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
9. mirananirina ( 03/08/2012 13:22)
Nahafinaritra ahy ilay lohahevitra , raha ny fomba fitafy no itsarana ny maha kristianina dia tsy izay loatra angamba satria raha ny fitafin i Jesoa sy ny rainy no jerena dia ohatra ny malabary na akanjo lava izay mbola tohizan ny pasitera na mopera rhf any ampiangonana no tokony hanaovana. Raha ny vhv indray toandry Maria renin i Jesoa no jerevana dia akanjo lava sy manao sarondoha izay mbola ataon i masera sasany ! Henjehan ny kristianina mafy anefa ankehitriny ireny olona mbola misarona loha sns ireny asa angaha hoe nahoana ?
10. mirananirina ( 03/08/2012 13:25)

lovegod:

felampaiso - 02/08/2012 21:06
Midika inona marina ny fitafiana eo amin'ny mpino,amin'izao lazaina fa andron'ny fandosoana izao dia mitady hihalefy ny soatoavina mahakristiana, ka heverina fa ara dalana sy tsy mahamenatra na dia izay fitafiana efa hila hampitanjaka aza ?

tsetsatsetsa tsy aritra ihany ny ahy,
1/ Raha ny fahalalako azy dia fony adama sy eva tao edena dia niboridana, ary rehefa nihinana ilay voankazo voarara ry zareo dia nahatsiaro tena ho niboridana,
2/ Raha fony isika vao teraka dia nibiridana ihany koa voa-janahary izany, izany hoe izany no nanaovan'Andriamanitra antsika... Ny akanjo izany ny olombelona no namorona an'izany ary lasa lamaody izany taty aoriana

Ka raha mametraka ny lohahevitra ianao dia tsotra ny teniko: ny vatan'olombelona dia voa-janahary, tsy misy zavatra ratsy ao (na loha io, na tanana, na fitaovam-pananahana, na fitombenana io sns...) misy ilàna azy avokoa ireo taova amin'ny vatana ireo, mba andramo esory anie ny taova lazainao fa mamoafady ( nyfitombenanao sy ny taovam-pananahanao) dia ho hitanao ny vokany e...

Sanatria tsy miteny aho hoe NDAO HIBORIDANA DAHOLO REHEFA MIVAVAKA ANY AM-PIANGONANA, SANATRIA. Ny tiako hambara dia tsy tsara loatra ny mijery zavatra amin'ny lafiny ratsy, ny mitsara aloha hoe maontina ity, iroa tsy maontina satria zavatra ivelany izany....

l'habit ne fait pas le moine

. Ao tsara ilay valiteny! Nahoana tokoa moa no henjehina ny fomba fitafin ny hafa? Na ireo naturiste ? Nefa Adama sy Eva ary niboridana hono?mahagaga tokoa!!
11. lovegod ( 03/08/2012 13:48)
Misaotra anao RBNIR,

Marina ny anao hoe niakatra tokoa ny tension tato ho ato, fa aleo entina milamina izy ity.

Izaho tsy mihevitra ny hoe tokony hiverina hiboridana indray isika, tsy mety izany satria manerana an'izao tontolo izao dia tsy tafiditra ao amin'ny code de moralité eken'ny rehetra izany.

Raha jerenao tsara ny nanombohan'ny teny nosoratako dia hoy aho hoe: "tsetsatsetsa tsy aritra ihany ny ahy.... (ny dikan'io teny io dia toy ny fanamarihana ihany) ,

Teo am-pamaranana ny teniko aho dia izao no namabarako

lovegod - 03/08/2012 09:12
Sanatria tsy miteny aho hoe NDAO HIBORIDANA DAHOLO REHEFA MIVAVAKA ANY AM-PIANGONANA, SANATRIA. Ny tiako hambara dia tsy tsara loatra ny mijery zavatra amin'ny lafiny ratsy, ny mitsara aloha hoe maontina ity, iroa tsy maontina satria zavatra ivelany izany....

l'habit ne fait pas le moine

Ny tena marina dia ilay fomba fijerena zavatra no tiako ho zaraina (avereno vakiana azafady ilay citation nataoko etsy ambony).

Asa na efa mba novakianao ilay tantara tao anaty baiboly nanambaran'i Kristy hoe:

Matio 15 – 19 : «fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijanganjangana, ny halatra, ny ampaga lainga, ny fitenenan-dratsy»

Marina fa resaka fanasan-tanana alohan'ny hisakafo no niaingan'iny resaka iny, saingy raha hiverenana ny lohahevitra dia akanjo heverina ho mamoafady no resahina, ilay olona manao io akanjo io anefa tsy mieritreritra fa ratsy sy mamoafady ny fitafiny, fa aminy dia io no lamaody, mipetraka ny fanontaniana manao hoe: tena ratsy tokoa ve io olona io? Ny fomba fiakanjony ve no sakana tsy hanatonana an'Andriamanitra ao am-piangonana?

Ny hevitra ho zaraiko dia tsotra ihany, tempolin'Andriamanitra isika, tsy misy ratsy izany ny tenantsika, isika no tokony hifehy tena sy ho tolérant rehefa misy trangan-javatra iray miseho ary mba eritrereto koa fa mety ho fitsapàna antsika izany.

Misaotra antsika rehetra ary mino aho fa tsy nandratra n'izan'iza ny teniko.
12. felampaiso ( 05/08/2012 17:08)

bor2lais:

Azon'i Felampaiso hazavaina misimisy kokoa ve ny antsoina hoe "soatoavina Kristiana" izay mihalefy nohon'ny fitafiana azafady raha tsy mahadiso ? Misaotra mialoha ! :-)

Ny tiako antsoina amin'ny hoe soatoavina kristiana dia izay :
1/ fitandremana ny fandaminana ara-boajanahary napetraky ny Tompo amintsika.
Ohatra : Raha miresaka fitafiana ny Deoteronomia 22.5 dia milaza fa "tsy tokony hanao fitafian-dehilahy ny vehivavy,ary tsy tokony hanao fitafiam-behivavy ny lehilahy , fa izay manao izany dia fahavetavetana eo imason'ny Tompo" satria mamitaka ny mason'ny mpijery izy,nahoana ? satria TE-HISEHO HO OLONA HAFA IZY FA TSY ILAY TENA TENANY,lasa miteraka fisalasalana eo amin'ny mpitazana izany = TSY METY NY tenue vestimentaire ambiguë, ny vehivavy dia tokony ho hita sy ho fantatra avy hatrany hoe vehivavy io rehefa mitafy ,ary ny lehilahy dia tokony ho fantatra avy hatrany hoe lehilahy io rehefa miakanjo fa MAMITAKA NY TRAVESTISSEMENT. Tsy tsara ny mampifamadibadika zavatra na fitafiana e.Aoka hajaina ny rafitra ara_boajanahary avy amin'ny Mpahary mba hahaizana manome voninahitra Azy satria efa navahany ny lehilahy sy ny vehivavy.

2/ fa ny hevitra ara-panahy momba ny fitafiana araky ny Baiboly koa dia fanehoana ny endrika ivelany ananan'ny olona efa manana fiainana mandrakizay.Tsy mety izany raha MIHATSARAVELATSIHY ARA-PIVAVAHANA ny kristiana ka ivelany mitafy toetra tsara nefa ny toetra ao anaty dia mbola maka ny lasitry ny fombam-piainan'ny olon'izao tontolo izao.Rehefa kristiana dia aoka ho hita hoe kristiana tokoa ny fiainana ahitana ireo vokatry ny Fanahy Masina voalazan'ny Galatiana 5 .
.....milaza ary ve izany fa rehefa tsy kristiana fiaina dia aza miseho ho kristiana koa ? Mbola afaka manokatra ady hevitra hafa indray izany koa samia mamaly....
13. lovegod ( 05/08/2012 19:51)
Miala tsiny fa niditra eto indray, haneho hevitra fotsiny ihany ka… Tsy voatery ho marina ihany koa. Ary mety ho HORS SUJET ihany koa fa dia ifonako mialoha aty am-piandohana

Tena manahirana anie ny miresaka ity soatoavina kristianina sy fitafiana ity e.

1/ Raha maka toko sy andininy ao amin’ny baiboly isika momban’ny fitafiana dia tadidio fa fomba fitafy jiosy tamin’izany andro izany no tiana hambara fa tsy fomba fitafy Malagasy na sinoa na japoney (raha ny sary documentaire no jerena dia samy manao akanjo lava mirebareba tsy hita ny anavahana azy na ny lahy na ny vavy), ka raha raisintsika ny fitafiana heverintsika fa mihaja entina makany am-piangonana dia ny lehilahy manao complet ary ny vehivavy manao costume sy zipo (ohatra ihany io fa maro ny fomba fitafy mihaja). Tiako ny misarika ny saintsika fa fomba fitafy tandrefana ireo, ary ireo fitafy ireo aza teo amin’ny tandrefana dia tsy mitovy toy ny taon-jato faha17, izany hoe nivoatra nanaraka ny lamaodin’izao tontolo izao, ka azo entina ihany ve sa tsia?

2/ ny jiosy dia tsy manaraka ny finoana kristianina (raha ny fahafantarako azy dia izany JUDAISME izany ny finoana arahan’izy ireo), nefa mbola mandala ny fomba fitafin’ny jiosy fahiny, ahoana no andraisantsika izany? Tsy mendrika ny hanao izany fitafiana izany ve ry zareo satria tsy kristianina?

3/ Ny fomba fitafy koa dia manaraka ny fomban-tany: ohatra ry zareo «ecossais», ny lehilahy dia manao zipo ary tsy misy olana izany any amin-drizareo. Ka raha misy ecossais tena votom-pinoana sy tia vavaka be dia ho raisintsika fahavetavetana eo imason’ny tompo ve rehefa manao zipo izy?

4/ Asa ianao raha miombo-kevitra amiko na tsia fa tsy ny miditra any am-piangonana ihany isika no kristianina ka tokony hanao fitafiana mifanaraka amin’izany. Amiko n’aiza n’aiza misy antsika dia tokony haneho ny maha kristianina ka ny olana anefa dia ity: Inona ny fanamiana tokony hanaovan’ny zanatsika rehefa hanao education physique any ampianarana? Rehefa hanao natation? Sns
…
Eritreritra ihany izany fa antenaiko fa tsy hanafitohina anao
14. bor2lais ( 06/08/2012 10:51)
Misaotra an'i "felampaiso" tamin'ny valinteny ... saingy miombon-kevitra tanteraka amin'ny voalazan'i "lovegod" farany io aho eto ! :-)
15. niryna ( 06/08/2012 20:22)

felampaiso:

Midika inona marina ny fitafiana eo amin'ny mpino,amin'izao lazaina fa andron'ny fandosoana izao dia mitady hihalefy ny soatoavina mahakristiana, ka heverina fa ara dalana sy tsy mahamenatra na dia izay fitafiana efa hila hampitanjaka aza ?
vny takin'ny ahoana kosa aloha ny atao hoe fitafiana kristiana?
Raha ny masonao no manembanjembana ka mahatonga anao ho solafaka dia tsara ny tsy manana azy e.tsy midika izany fa hoe potsero ilay maso fa aleo jamba hianao e.
Raha hiangona no andehanana kanefa ny maso mijerijery ny manodidina dia efa voa koa anie izany ilay olona ,tsy hivavaka angataka famelankeloka fa vao maika hampiditra heloka sa hoe ny maso mijery tsy mitondra mody?
Misy fiangonana dia be fombafomba ka na dia tsy tao anaty baiboly aza ilay izy dia mamoromporona fotsiny ny sasany.Misy izao fiangonana mampianatra hoe tsy mahazo miankanjo mena sy maintsy dia ahoana ireny fihaonambe ny TVplus ireny?
Misy ny tsy mahazo manao lokomena,tsy mahazo mipantaloha
Raha toa ka tsy manafitohina ny hafa (manome fakam-panahy ny hafa )dia mety amiko satria ny fo no jeren'Atra fa tsy ny fitafiana.Ary izy sy Atra irery fa tsy ny hafa ka raha toa ka variana hitsikera ny hafa isika raha resaka fitafiana dia lasa tsy fihaonana amin'Atra no jerentsika fa voatarika amin'ny fisainana hafa isika.Eritreritra ny ahy iny."ny fo ao anaty no jeren'Atra fa tsy fitafy ety ivelany"
16. lovegod ( 07/08/2012 07:12)

niryna - 06/08/2012 22:22

felampaiso

Tena tohanako 100% ny hevitrao ry niryna.
17. Miharena ( 07/08/2012 12:03)
Raha miharoharo fikasan-dratsy ny hanaovana ilay fitafiana dia mazava fa mandentika ny hafa izany. Fa raha toa kosa ka fahatsorana no itondrana ilay fitafiana dia tsy misy maharatsy izany.

Ny mila tandremana fotsiny ho an'ny olona mitsaratsara ny hafa fa izy ihany no mavesatra eo raha tsy tao anaty eritreritr'ilay mitondra fitafiana hafahafa akory izay heveriny ny momba azy mitondra.

Ary io no matetika ataon'ny olona, mitsara ny hafa izy nefa tsy ao anaty fiheveran'ilay olona akory izay fitsarana ao aminy ka miteraka vesatra ho azy mitsara ihany izany. Izy mihevitra ohatra hoe : any amin'y helo io olona io izao fa manao fitafiana toy izatsy na izaroa. Rehefa tsy izay anefa no misy fa reny fa voavonjy soa aman-tsara ilay olona dia menatra indray izy hitady hoe inona no marina? dia ny mahavoa eo dia lasa izy indray no maka tahaka ilay olona notsarainy fa hoe tafiditra na manao toy izany aza.
18. manoasoa ( 01/10/2012 07:42)
Maninona moa izay fitafiana e!na tena maontina farak'izay maontina aza ianao ka tsy ao anatinao ao Kristy dia ataoko angamba fa zava-paona ihany izany sady mamitan-tena ianao raha manao toy izany.Fa izaho mino hoe:Rehefa ao anatinao Kristy dia hijoro vavolombelona hatrany ianao,ary anisan'izany ny fitafianao.Fa ny olana angamba amiko dia hoe:tena ao anatin'i kristianina ve Kristy?
19. mycall ( 27/11/2014 08:25)
bnjr daholo,ra ny fitafiana no resahina amiko dia rehefa feno ny fanahy masina isika dia tonga de fantatsika ny fitafiana tokony ho mendrika hanaovantsika;ny fanahy masina no mitarika ka milaza ny tokony hatao sy ny tsy.Lasa halanao ho azy zany ny fitafiana tsy tokony hanaovana,ra amin ny maha olona tsy vita io an;fa amin'ny herin'nyFM ao anatitsika dia mandeha ho azy.
ra ny vevavy ndray de ataoko angamba fa tsy mety ny fitafiana mety hampiditra fanahin'nyfijangajangana;mety hanitona filana ara nofo ka lasa miteraka zavatrafa.HA TAHIAN NY TOMPO
20. moi ( 27/11/2014 13:06)
Marina fa misy mitovitovy ihany fa efa miavaka mihitsy ny fitafian-dehilahy sy ny fitafiam-behivavy. Misy pataloha tonga dia fantatrao hoe andehilahy kosa zany didiny zany ka, itsy tena didiny am-bavy be mihitsy. Toy izay koa ny lobaka sns... Noho izany dia tsy mitombina amiko ny hoe ny vehivavy mipataloha = manao fitafian-dehilahy... Izay no manazava hoe misy lehilahy manao zipo, inoako fa tena zipom-dehilahy ny azy. Na izany aza, ny lehilahy tena kristiana kosa tsy ho tia hanao string-dehilahy e ! asa !
Tadidio fa misy toerana sy fotoana fanaovana azy ny karazam-pitafy. Ny pyjama ohatra dia fitondra matory, ny maillot de bain rehefa hilomano, ny tenue de sport ... fa mahagaga fa misy mahatondra fitafy tsy sahaza ny fiangonana mihitsy any am-piangonana a ! ny cycliste ve dia fitondra miantsena ? na hanao costard eny amin'ny plage ?
Zay no mba tiako zaraina amintsika namana e. Fantaro ny fitafy manome voninahitra ny tenanao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5001