NY BAIBOLY
1. pulm
(
25/07/2012 12:37)
Aiza no tena misy ny fampianarana? ao @Testameta taloha ve? sa ao @Testameta vaovao? satria manko nandinika ny saiko nanomboka namaky ny Baiboly hatrami'ny voalohany ny tena, jereko ny ao @ TTaloha azoatao ny manambady betsaka( i Abrahama, i ,Jakoba, ohatra samy nanambady maro) nefa indray aty @ Tvaovao milaza hoe manaja ny vadinao! betsaka ny zavatra mifanohitra hitako ao nefa ny fitambaran'ireo no manome ny Baiboly! dia iza ary no tokony arahana ny Ttaloha ve? dia afaka manambady maro, afaka mijangajanga, afaka mamono olona( maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, sns...) ny Tvaovao ve? nefa indray milaza hoe:manaja ny vadinao, tiava ny namanao, sns...dia iza ary no tena tokony arahina?
Amiko, sarotra be ny hamaly an'izany ka mba mila valiny mahafa-po avy aty @tsika rehetra

répondu par RBNIR le 22/01/2013 09:44
2. Tefigasy
(
25/07/2012 13:03)
pulm:

Mila mitandrina tsara ianao noho ny amin'izay voasoratra rehetra ao anaty baiboly:
Kor2 3 : 6 : " nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy ; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona."
Raha amin'izao vanim-potoana misy antsika ankehitriny izao, inona no drafitra nomena antsika ary :
Lio 9 : 35 : "Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe : Ity no Zanako voafidiko ; Izy no henoy ."
Jesosy Kristy no henoy. Raha miteny aminao Jesosy aty amin'ny fanekena vaovao fa afaka manambady maro ianao dia ataovy fa tsy misy olana, fa raha tsy izay kosa dia .... (aoka ianao no hanoy azy)
3. RBNIR
(
25/07/2012 14:29)
pulm:
Aiza no tena misy ny fampianarana? ao @Testameta taloha ve? sa ao @Testameta vaovao? satria manko nandinika ny saiko nanomboka namaky ny Baiboly hatrami'ny voalohany ny tena, jereko ny ao @ TTaloha azoatao ny manambady betsaka( i Abrahama, i ,Jakoba, ohatra samy nanambady maro) nefa indray aty @ Tvaovao milaza hoe manaja ny vadinao! betsaka ny zavatra mifanohitra hitako ao nefa ny fitambaran'ireo no manome ny Baiboly! dia iza ary no tokony arahana ny Ttaloha ve? dia afaka manambady maro, afaka mijangajanga, afaka mamono olona( maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, sns...) ny Tvaovao ve? nefa indray milaza hoe:manaja ny vadinao, tiava ny namanao, sns...dia iza ary no tena tokony arahina?
Amiko, sarotra be ny hamaly an'izany ka mba mila valiny mahafa-po avy aty @tsika rehetra
Faly miarahaba namana,
« Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. » (Matio 19:8).
Ny tiana asongadina eto dia ilay tenin'i Jesosy Kristy hoe "fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany".
Izany hoe ny olona anie izany efa nahafantatra tsara ny sitrapon'Andriamanitra (izay nampianarin'i Jesosy Kristy taty aoriana) talohan'ny nivoahan'ny lalàn'i Mosesy e! Diniho tsara.
Ary marina izany , jereo anie e, ny fahafolokarena (vakio Gen.14:18-20) dia efa notanterahan'i Abrahama tamin'izany mpisoron'Andriamanitra atao hoe Melkizedeka izany.
Toy izany koa talohan'ny nivoahan'ny didy folo dia efa notandremana ny andro fahafito (Sabatan'i Jehovah):
- Gen.2:2 (Andriamanitra mihitsy no nitandrina io andro io voalohany indrindra).
- Eks.16:24-25 (talohan'ny nivoahan'ny didy folo dia efa nasain'Andriamanitra notandremana ny andro fahafito na ilay Sabata).
Raha mamaky tsara ilay Gen.14:18-20 ianao dia hahita fa kay nisy olona hafa (ankoatran'ny taranak'i Abrahama efa nanompo an'Andriamanitra (izany mpisorona atao hoe Melkizedeka izany sy izay miaraka aminy).
Ary raha ny marina araka ity « Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Heb.7:17).
Araka io teny io i Jesosy Kristy dia nampianatra ny fomba fanompoana efa nisy talohan'ny nivoan'ireo lalàn'i Mosesy.
Moa tsy izay v ilay hoe "nanangana ny efa rava"???
Ry namana isany tadidio fa Andriamanitra sy Adama razam-ben-tsika anie ka nifanerasera ary nifampiresaka e! Azo inoana tsara fa betsaka ny sitrapon'Andriamanitra nampianariny an'i Adama (na dia tsy voasoratra aza). Ary azo hinoana tsara (na dia tsy voasoratra koa aza) fa nampianatra ny taranany Adama mikasika ny sitrapon'Andriamanitra.
Hita taratra izany tamin'ireo taranak'i Adama taty aoriana izany.
Diniho, ange e:
1- Melkizedeka izay efa nanompo araka ny fampianaran'i Kristy (izay taty aoriana B tokoa)??? Iza ary no nampianatra azy???
2- Toy izany koa i Abela, Noa (nahoana no niavaka tamin'ny olona fa voalaza fa nankasitrahana ny nataony. Fa naninona no tsy nanao ny fanaon'ny be sy ny maro izy ireo???
3- Enoka (Gen.5:24) izay voalaza fa niaranandeha tamin'Andriamanitra ka tsy hita (niakatra velona v sa lasa aiza fa dia hoe "nentin'Andriamanitra". Iza no nampianatra azy ??
Ry namana isany, na Adama nampianatra tsara ny taranany, na Andriamanitra mihitsy no nidina matetika tety an-tany ary niresaka tamin'ny olona izay tiany.
Hiverenako ny hifandraisan’ireo amin’ny lohahevitra, raha araka ireo fanazavana ireo ambony ireo dia nisy tamin’ny andron’ny lalàna karazana tolérance (otran’ny tsy haiko tsara ny fandikana azy an) noho ny fahamafisam-pon’ny olona. Saingy tsy toy izany kosa ny tena nisy tamin’ny andro taloha sy tamin’ny nampianaran’I Jesosy Kristy Tompo (fampianarana tsy misy kilema).
Na izany na tsy izany dia tsy azo arina ny testameta taloha araka ireto teny manaraka ireto.
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
4. Miharena
(
25/07/2012 16:27)
Marina tsy azo lavina ny fandaharan-kevitr'i RBNIR. Misy ny fitohizan'asa ataon'i Kristy izay efa fanorenana taloha izay tsy miova saingy koa misy ireo izay fomba nataon'i Krsity hamenoana tsara izay momba ny finoana marina izay tsy amin'ny fombafomba ivelany na ny fahalalàna tantara tsy mahavonjy velively.
Raha toa ka mivoaka ny fanamarinana toy izao nambaran'i RBNIR izao dia mazava fa efa tonga ny fotoana ifaneraserana amin'i Krsity sy Andriamanitra Ray mihitsy ho an'ny olombelona entina hanarenana tsy mety rehetra manodidina ny finoana.
Melkizedeka ohatra dia efa mandrakizay ny fanompoany ary ankehitriny dia miasa izy ireo.
Azo atao mihitsy ny manamarina izany amin'ny fizaràna maro momba an'Andriamanitra izay azo vakiana amin'y site isan-karazany mandalina tanteraka ny momba an'Andriamanitra sy ny voary rehetra nanodidina sy nampiasaiNY hatrizay nanorenana izao tontolo izao.
Fanambaràna ny marina tsy azo hozongozonina intsony ankehitriny no ataon'ny mpanompon'Andriamanitra rehetra sy ny Anjely ary ny Arkanjely izay voalaza ao anaty Baiboly ao avokoa ary azo hamarinina fa marina ny fanambarana avoakan'izy ireo.

5. jojo3t
(
26/07/2012 05:01)
Voalohany aloha dia inty : na testamenta taloha na vaovao dia marina avokoa : 2 Timoty 3 : 16,17 : "Ny soratra masina iray manontolo dia avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana,...
Nisy antony manokana ny namelan'Andriamanitra ny olona hanambady maro tam'zany fotoana, raha mandinika ny tantaran'i Abrahama isika dia mahita an'izay, sy ny lalàna ny amin'ny aina solon'ny aina, ny didy momba ny vady tokana sy ny tsy hanaovana vali-faty nefa dia mihatra amintsika rehetra ary tsy azo dikaina, ny testamenta taloha sy ny vaovao koa dia mifameno tsara ary mirindra, ary misy ny faminaniana ao amin'ny testamenta taloha, tanteraka ao amin'ny testamenta vaovao.
Ny zava-dehibe dia ny hankatoavanao ny baiboly amin'ny fomba feno, ary mandinika tsara ny tantara taloha hoe, inona no antony namelan'Andriamanitra azy hitranga.

6. didi10
(
26/07/2012 07:19)
pulm:
Aiza no tena misy ny fampianarana? ao @Testameta taloha ve? sa ao @Testameta vaovao? satria manko nandinika ny saiko nanomboka namaky ny Baiboly hatrami'ny voalohany ny tena, jereko ny ao @ TTaloha azoatao ny manambady betsaka( i Abrahama, i ,Jakoba, ohatra samy nanambady maro) nefa indray aty @ Tvaovao milaza hoe manaja ny vadinao! betsaka ny zavatra mifanohitra hitako ao nefa ny fitambaran'ireo no manome ny Baiboly! dia iza ary no tokony arahana ny Ttaloha ve? dia afaka manambady maro, afaka mijangajanga, afaka mamono olona( maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, sns...) ny Tvaovao ve? nefa indray milaza hoe:manaja ny vadinao, tiava ny namanao, sns...dia iza ary no tena tokony arahina?
Amiko, sarotra be ny hamaly an'izany ka mba mila valiny mahafa-po avy aty @tsika rehetra
Tsara ny Tompo
Tokony haintsika ny manavaka ny sitrapon'Andriamanitra (Amont) sy ny sy ny famindram-pon'Andriamanitra (Avale).
Eo antenantenan'ireo dia misy ilay "libre arbitre" eo amintsika olombelona nolovaina tamin'ny fihinanana voankazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Raha nanambady maro i Abrahama na ireo Mpamimany sy mpanjaka malaza ao amin'ny Baiboly dia tsy midika akory fa izay no sitrapon'Andriamanitra, navelan'Andriamanitra hitranga ireny mba ho lesona ho an'ny taranaka aty aoriana satria ny famaizana rehetra ankoatry ny fahafatesana dia famindram-po avokoa.
Raha nanota ireny olona ireny dia maro no nahay niverina tamin'Andriamanitra ara-potoana ka nahazo famindram-po, tsy izay izy nahazo famindram-po izay anefa no tokony haharoboka antsika handeha amin'ny fahotana nalehany fa tokony ho lesona ho antsika ireny rehetra ireny. Tsy misy sitrapon'Andriamanitra mifanipaka mihitsy ao anaty Baiboly saingy misy kosa nofoanana, misy nohavaozina ary misy nampiorenina.
7. jajajaly
(
26/07/2012 09:30)
Pulm
Aiza no tena misy ny fampianarana? ao @Testameta taloha ve? sa ao @Testameta vaovao?
"Â Fa izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, " Rom 15:4
8. RBNIR
(
01/08/2012 08:43)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Atolotra ampitiavana ho an-tsika rehetra mikasika ny fanompoana takian''Andriamanitra amin'ny olona rehetra.
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2
Samia ho Tompo ry namana isany

9. RBNIR
(
09/08/2012 06:47)
Faly miarahababa ny namana rehetra indray,
Tohiny...
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2
Ny tena marina ilay fanompoana (na sitrapon'Andriamanitra) takiana an-tsika tsy niova io fa izay nomena tany amboalohany, dia iny ihany no nosoratana ho lalàna tamin'ny andron'i Mosesy ary iny ihany koa ilay hotanterahina indray ankehitriny araka ny nolazain'i Jesosy Tompo « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

10. RBNIR
(
22/01/2013 09:44)
Ireto rohy ireto lohahevitra mifandray azafady,
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2
http://forum.serasera.org/forum/message/m500fe8722d7fb
Samia ho tahin'ny Tompo hatrany