Ho any An-danitra Tokoa ve Isika?
1. jajajaly
(
09/07/2012 11:08)
TE HO any an-danitra ny ankamaroan’ny olona. Betsaka rahateo ny manantena fa mbola hiaina any ho any rehefa maty. Mino izany na Miozolimanina, na Hindoa, na Bodista, na ireo milaza azy ho Kristianina, ary na ny tsy mpivavaka aza. Mazàna ny olona no mihevitra fa toerana kanto sy mahafinaritra ny lanitra, ka tsy hijaly intsony izay tonga any, ary hahita indray ny havany efa maty. Mahagaga anefa fa tsy misy te ho faty ny olona, na dia te ho any an-danitra aza.
Raha natao ho faty isika ary ho any an-danitra avy eo, nahoana no tsy maika ny ho any, tsy misy hafa amin’ny ankizy maika ny ho lehibe, na ny tanora maika hanambady?
Milaza anefa ny mpitondra fivavahana hoe any an-danitra no fonenantsika, fa fandalovana ny tany. Izao, ohatra, no tenin’i arseveka iray tsy tononina anarana: «Tsy izao no tena fiainana. Natao ho any an-danitra isika.» Hoy koa ny filoha taloha tao amin’ny fikambanana ara-pilazantsara amerikanina: ‘Natao hidera an’Andriamanitra isika ary avy eo ho any an-danitra, satria any no fonenantsika.’
Mazàna ny olona no mino fahatany hoe ho any an-danitra, fa tsy manana porofo ampy akory. Hoy ny pasitera iray nikabary am-pahafatesana vao tsy ela rehefa tena nanontaniako: «Ny hany fantatsika momba ny lanitra dia hoe any no misy an’Andriamanitra.»
Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly anefa ny lanitra. Inona no voalaza ao momba azy io? Natao hiaina any ve ny olona? Raha eny, inona no hataony any?
répondu par jojo3t le 31/07/2012 03:51
2. Miharena
(
09/07/2012 15:02)
Efa siansa mazava ny momba ny fanahy ary io no tokony hofantarin'ny olombelona ao anaty nofo. Ny lanitra dia tsy toerana haleha fa endrika iainana raha ny fandalinana no atao matotra tsara tsy miherikerika amin'ny ara-materialy.
3. zazamaroroka
(
10/07/2012 04:11)
Raha amiko manokana ra-jajaly dia eto an-tany iany no tena izy a,tsy de manana porofo amzany ny tenanay fa mino anzany kosa a,aleo za ijanona eto iany hozy ra-princio fa so bedin'i Jakoba, sa ahoana,
4. majesty
(
10/07/2012 04:52)
tena misy ny lanitra ka ho an'ny mpino Kristiana aloha e, fa izay hafa no tsy haiko!
5. didi10
(
10/07/2012 07:57)
Tsy natao ho an'ny tsy mino namana izany lanitra izany a!
Matetika dia ny olona araka ny nofo no mandà ny fisian'io fiainana aorian'ny fahafatesan'ny nofo io, efa mazava anie ny Teny e! izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo fa izay araka ny Fanahy dia mivehitra izay zavatry ny fanahy (Rom 8,5), ny olona araka ny nofo dia tsy mba handray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra fa fahadalana aminy izany sady tsy azony (I Kor 2,14).
Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'ny lanitra (I Kor 15,50)
Fa hoy izaho mandehana araka ny fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo, fa ny nofo manohitra ny fanahy ary ny fanahy manohitra ny nofo ary mifanohitra izy roroa. (Gal 5,16)

6. Miharena
(
10/07/2012 08:42)
Ilay resaka ao anaty Baiboly momba ny fiovan'endrika indray mipi-maso eo amin'ny olona no manamarina fa fiovana no mampita amin'ny lanitra.
Misy moa izao ny filazana fa izao iainantsika izao dia illusion ihany fa ny tena izy dia ny fiainan'ny fanahintsika izay tsy hita maso nefa miasa manginaary tsapa ho an'ireo izay efa mitombo ara-panahy.

7. leva2
(
10/07/2012 21:09)
Velona Jesosy!
Mahafinaritra ny fanehoan-kevitr'i Didi10 fa mifototra mandrakariva amin'ny Tenin'Andriamanitra.
Mba tiako hampiana sy hamaliako indrindra ny fanontaniana hoe :
- Tokana ihany ny lalam-pamonjena sy fanantenana ho antsika olombelona :
Efe 4/4-5
Mifandray amin'ny hevitry ny batisa izy ity :
Rom 06/08-11 Jereo koa Gal 02/20
- Fitsanganana voalohany hoany an-danitra, natokana ho an'ireo izay maty ao amin'i Kristy ihany :
I Tes 04/13-18
- Fitsanganana voalohany ahitana ireo olom-boafidin'i Kristy (144.000) sy ireo vahoaka maro izay nijaly sy maty noho ny filazan-tsara, ary ireo izay tsy iankohoka na nitondra ny mariky ny bibidia :
Apo 20/04-06 Jereo koa : Apo 07/03-12 Apo 14/01-05 Apo 15/02-04
- Tokony ho fantatra fa misy filazana koa ao amin'ny baiboly hoe :
Mat 05/05
Mazava tsara ao amin'ny Apo 21/10 fa rehefa tafatoetra ny tany vaovao sy lanitra vaovao dia hidina ety an-tany mihitsy ny tabernakelin'Andriamanitra ary hiara-monina amin'ny olony ary ireo ho olony ary izy kosa ho Andriamaniny.
Ny amin'ny hoe ahoana no mety ho toetry ny "olony" amin'izay fotoana izay, hoy Jesosy tamin'ireo sadoseo nanontany azy :
Lioka 20/36
Mazotoa mikatsaka ny marina araka ny filazantsara havako isany.
Mahafinaritra ny fanehoan-kevitr'i Didi10 fa mifototra mandrakariva amin'ny Tenin'Andriamanitra.
Mba tiako hampiana sy hamaliako indrindra ny fanontaniana hoe :
Ho any an-danitra tokoa ve isika?
- Tokana ihany ny lalam-pamonjena sy fanantenana ho antsika olombelona :
4 Il y a un seul corps et un seul Esprit, comme aussi vous avez été appelés pour une seule espérance de votre appel. 5 Il y a un seul Seigneur, une seule foi, un seul baptéme.
Efe 4/4-5
Mifandray amin'ny hevitry ny batisa izy ity :
8 Or, si nous sommes morts avec Christ, nous croyons que nous vivrons aussi avec lui, 9 sachant que Christ ressuscité des morts ne meurt plus; la mort n’a plus de pouvoir sur lui. 10 Car il est mort, et c’est pour le péché qu’il est mort une fois pour toutes; il est revenu à la vie, et c’est pour Dieu qu’il vit. 11 Ainsi vous-mémes, regardez-vous comme morts au péché, et comme vivants pour Dieu en Jésus-Christ.
Rom 06/08-11 Jereo koa Gal 02/20
- Fitsanganana voalohany hoany an-danitra, natokana ho an'ireo izay maty ao amin'i Kristy ihany :
13 Or nous ne voulons pas, frères, que vous soyez dans l'ignorance à l'égard de ceux qui dorment, afin que vous ne soyez pas affligés comme les autres qui n'ont pas d'espérance. 14 Car si nous croyons que Jésus mourut et qu'il est ressuscité, de méme aussi, avec lui, Dieu amènera ceux qui se sont endormis par Jésus. 15 (Car nous vous disons ceci par la parole du Seigneur: que nous, les vivants, qui demeurons jusqu'à la venue du Seigneur, nous ne devancerons aucunement ceux qui se sont endormis. 16 Car le Seigneur lui-méme, avec un cri de commandement, avec une voix d'archange et avec la trompette de Dieu, descendra du ciel; et les morts en Christ ressusciteront premièrement; 17 puis nous, les vivants qui demeurons, nous seront ravis ensemble avec eux dans les nuées à la rencontre du Seigneur, en l'air: et ainsi nous serons toujours avec le Seigneur. 18 Consolez-vous donc l'un l'autre par ces paroles.)
I Tes 04/13-18
- Fitsanganana voalohany ahitana ireo olom-boafidin'i Kristy (144.000) sy ireo vahoaka maro izay nijaly sy maty noho ny filazan-tsara, ary ireo izay tsy iankohoka na nitondra ny mariky ny bibidia :
Et je vis des trônes, et ils étaient assis dessus, et le jugement leur fut donné; et les âmes de ceux qui avaient été décapités pour le témoignage de Jésus, et pour la parole de Dieu; et ceux qui n'avaient pas rendu hommage à la béte ni à son image, et qui n'avaient pas reçu la marque sur leur front et sur leur main; et ils vécurent et régnèrent avec le Christ mille ans
5 le reste des morts ne vécut pas jusqu'à ce que les mille ans fussent accomplis. C'est ici la première résurrection. 6 Bienheureux et saint celui qui a part à la première résurrection: sur eux la seconde mort n'a point de pouvoir; mais ils seront sacrificateurs de Dieu et du Christ, et ils régneront avec lui mille ans.
Apo 20/04-06 Jereo koa : Apo 07/03-12 Apo 14/01-05 Apo 15/02-04
- Tokony ho fantatra fa misy filazana koa ao amin'ny baiboly hoe :
Sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.
Mat 05/05
Mazava tsara ao amin'ny Apo 21/10 fa rehefa tafatoetra ny tany vaovao sy lanitra vaovao dia hidina ety an-tany mihitsy ny tabernakelin'Andriamanitra ary hiara-monina amin'ny olony ary ireo ho olony ary izy kosa ho Andriamaniny.
Ny amin'ny hoe ahoana no mety ho toetry ny "olony" amin'izay fotoana izay, hoy Jesosy tamin'ireo sadoseo nanontany azy :
36 Car ils ne pourront plus mourir, parce qu’ils seront semblables aux anges, et qu’ils seront fils de Dieu, étant fils de la résurrection.
Lioka 20/36
Mazotoa mikatsaka ny marina araka ny filazantsara havako isany.
8. jajajaly
(
11/07/2012 10:29)
Hoy ny tenin'andriamanitra ao amin'ny Asa. 2:34: «Tsy niakatra tany an-danitra i Davida.» Resahin’ny Baiboly anefa fa ‘lehilahy sitraky ny fon’i Jehovah’ i Davida.
Fa aiza izy?
Fa aiza izy?
9. Maranatha
(
11/07/2012 11:10)
Amin'ny ankapobeany dia lasa tsy mahatazona lohahevitra isika rehefa mifampiserasera eto rehefa dinihina izao ny fanontaniana dia hoe ho any an-danitra tokoa ve isika???. dia izay no tokony ho valiana sy tohanana amin'ny toko sy andininy fa lasa mivaona any amin'ny tsy izy lohahevitra.
Ho any an-danitra tokoa ve isika???
-Isika iza??? lanitra aiza??? rahoviana???
Ireo no tokony hamaliana azy mba tsy hampivaona ny lohahevitra. ary isaky ny lohahevitra tokony ho tohanana amin'ny toko sy andininy ary hiisy famintinana ho raisina ho lesona.
Rehafa tsy mahita toko sy andininy hanohanana hevitra dia tokony handray izay hita fa marina sy voatohana tsara amin'ny izany .Matetika mantsy ny Ts1.1 efa samy manana zavatra efa voavolavola ao andohany ao ka raha vao tsy mifanaraka amin'ny azy dia toherina na dia botolo fotsiny aza no hanohanany ny heviny. Ary rehefa misy tsy azo dia anontaniana na sendra misy toko sy andininy hitanao fa mifanohitra izay mampifandray ilay lohahevitra.
Mahatsapa mantsy ny tena rehefa mamaky ny lohahevitra tsirairay fa misy manakorontana fotsiny taritiny hivaona ny lohahevitra. Rehefa manaiky tsara ireo fepetra ireo isika vao mahafinaritra sy mampite-hitondra lohahevitra vaovao foana izay mbola tsy takatry ny sain-tsika eto amin'ity Forum ity. Mahereza !

10. Miharena
(
11/07/2012 12:16)
Mahatsapa mantsy ny tena rehefa mamaky ny lohahevitra tsirairay fa misy manakorontana fotsiny taritiny hivaona ny lohahevitra. Rehefa manaiky tsara ireo fepetra ireo isika vao mahafinaritra sy mampite-hitondra lohahevitra vaovao foana izay mbola tsy takatry ny sain-tsika eto amin'ity Forum ity. Mahereza
Marina ny fanamarihanao ary raha ny fandinihako azy dia mifangaro ilay lohahevira rehefa mamaky azy rehetra ianao. Ny sasany dia lasa manao valinteny mifandringotra any amin'y loha-hevitra hafa. Asa hoe sao mitovy ihany aza ny lohahevitra rehetra fa tsy tsapantsika. Satria moa izy ity resaka Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy izao tontolo izao ka izay angamba no mampitozo azy any amin'ny valinteny mety hitovy ihany.
11. didi10
(
11/07/2012 13:58)
jajajaly:
Hoy ny tenin'andriamanitra ao amin'ny Asa. 2:34: «Tsy niakatra tany an-danitra i Davida.» Resahin’ny Baiboly anefa fa ‘lehilahy sitraky ny fon’i Jehovah’ i Davida.
Fa aiza izy?
Tena mampahonena ny tsy fahazoantsika ny tenin'Andriamanitra fa ampiasaintsika amin'ny ze mahametimety antsika fotsiny
Acte 2.34
Car David n'est point monté au ciel, mais il dit lui-méme: Le Seigneur a dit à mon Seigneur: Assieds-toi à ma droite,
Jusqu'à ce que je fasse de tes ennemis ton marchepied.
Asa 2,34
34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy
"Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe:
Mipetraha eo an-tànako ankavanana
Ny dikany dia hoe, tsy niakatra tany an-danitra na tsy mbola nahita izay any an-danitra i Davida kanefa manambara fa : Jehovah nilaza tamin'i Jesosy hoe mipetraha eo an-tanako ankavanana.
12. jajajaly
(
13/07/2012 07:57)
Didi10
Ny dikany dia hoe, tsy niakatra tany an-danitra na tsy mbola nahita izay any an-danitra i Davida kanefa manambara fa : Jehovah nilaza tamin'i Jesosy hoe mipetraha eo an-tanako ankavanana.
Tsara! Anisan'ny olo-marina handova ny tany Davida ary tsy any ankoatra akory. Ary manao ahoana ireo olona marobe mahatoky (Noa, Abrahama, Mosesy, ....), Efa lasa any an-danitra ve?
Hoy i Jesosy :"Â Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona."Jaona 3:13
Mbola miandry ny hananganan'i Jesosy azy amin'ny maty koa ireo olona rehetra mahatoky ireo. Ny Fasana amoaka ny maty ao aminy, hanao toy izany koa ny Ranomasina hoy ny faminaniana. Aiza no misy an'ireo? Any An-danitra ve? Tsy ny olomarina REHETRA ary no ho any an-danitra.
13. Miharena
(
13/07/2012 18:07)
Raha nisy ny olona izay nentina namantatra ny fiainana any ankoatra dia nisy mihitsy no nanehoana an'i Abrahama sy ny sisa efa nodimandry izay miseho mazava ho toy ny tenan'olombelona.
Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa toy ny hologramme na sary mazava mivaingana ny olona maty.
Ahoana no fihevitrao ny momba io?
Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa toy ny hologramme na sary mazava mivaingana ny olona maty.
Ahoana no fihevitrao ny momba io?
14. universal
(
16/07/2012 12:23)
be loatra ny resaka mahakasika io loha-hevitra io. Ny loha-hevitra dia hoe: " Ho any an-danitra tokoa ve isika?" Raha ny fahafantarako azy aloha dia aza miandry loatra izany lanitra izany satria tsy fantatra marina izay tena misy azy. RAHA NY FAHAZAHOAKO IO RESAKA IO DIA REHEFA MATY HONO NO MANKANY AN-DANITRA
Raha ny tenin'i Ksisty no zohina dia hoy izy hoe:"...katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanaraka ho azy izao rehetra izao..." sy ny hoe ..."aza miahy ny ampitso ianareo".....Raha io teny io no jerena sy dinihana dia ETO AMBONIN'NY TANY IHANY DIA METY HO AZO IAINANA ILAY FANJAKA'ANDRIAMANITRA FA TSY MIANDRY FAHAFATESANA
PS: eritreritra sendra mandalo ny ahy, TSY VOATERY HO VALIANA AMIN'NY TOKO SY ANDININY AO AMIN'NY BAIBOLY

15. jajajaly
(
16/07/2012 13:36)
Miharena
Raha nisy ny olona izay nentina namantatra ny fiainana any ankoatra dia nisy mihitsy no nanehoana an'i Abrahama sy ny sisa efa nodimandry izay miseho mazava ho toy ny tenan'olombelona.
Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa toy ny hologramme na sary mazava mivaingana ny olona maty.
Ahoana no fihevitrao ny momba io?
Hoy i Jesosy :" Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona."Jaona 3:13
Azonao aloha ve ny tenin'i Jesosy eto sa ahoana!
16. Miharena
(
16/07/2012 13:49)
Hoy i Jesosy :" Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona."Jaona 3:13
Alohan'ny hitohizan'ny fanadihadiana dia valio aloha ity:
Maninona no nolazaina hoe Zanak'olona fa tsy hoe Zanak'Andriamanitra?
17. jajajaly
(
16/07/2012 14:01)
Eo amin'io andininy io ihany ve no anontanian'i Miharena sa ny "zanak'olona" izay miseho in80 mahery ao amin'ny soratra masina izay manondro an'i JEsosy
18. Miharena
(
16/07/2012 14:51)
Ilay hevi-dalina na hevitra tsotra asehon'io teny miverimberina io no tiana ambara Jajajjaly.
Ahoana no fahazoanao ny Zanak'olona ara-bakiteny sy ara-kevitra ary ara-pikasan'Andriamanitra?
Ahoana no fahazoanao ny Zanak'olona ara-bakiteny sy ara-kevitra ary ara-pikasan'Andriamanitra?
19. Miharena

20. didi10
(
18/07/2012 09:11)
I Tes 4, 15-17
16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; 17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
Tsy niteny ny Teny hoe hiaraka hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka dia avy eo hiara-hidina handova ny tany fa hoy izy: DIA HO ANY AMINY MANDRAKARIVA ISIKA.