Lazaiko aminareo marina tokoa:
1. LazaDaddy
(
18/06/2012 05:30)
aleon'ny mpamosavy mifanena amin'ny mpandainga (+mpihatsaravelatsihy), mpanompo sampy (+ody gasy), mpitsiriritra sy mpankahala olona ary tia voninahitra; toy izay mifanena amin'ny Kristianina zanak'Andriamanitra.
répondu par majesty le 09/07/2012 06:10
2. didi10
(
18/06/2012 08:11)
ahoana aloha ny définition n'ilay hoe mpamosavy fa sao efa mba nifanena taminay izany nefa tsy fantatray.
3. niryna
(
29/06/2012 16:07)
LazaDaddy:Fa nisy inona indray ry Laza?
aleon'ny mpamosavy mifanena amin'ny mpandainga (+mpihatsaravelatsihy), mpanompo sampy (+ody gasy), mpitsiriritra sy mpankahala olona ary tia voninahitra; toy izay mifanena amin'ny Kristianina zanak'Andriamanitra.
sa sadasada manantsoratra ny kristiana sasany? ooops
ny azy ihany no marina,ny fiangonany ihany no tena filamatra ka izay rehetra tsy manaraka ny antoko mpinoany sy tsongotsongoina etsy sy eroa izay teny mahafalifaly sy ny fombafomba rehetra ilazainy fa io no marina sy ilazaina fa maha kristiana azy dia tafaroboka ny olona,mifindrafindra etsy sy eroa satria ,izao indray hono no marina e,aty aminay no misy ny famonjena e,izay mihinana kisoa dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra e,izay miangona ny alahady dia tsy manaja ny sabata e,izahay tsy mankalaza krismasy izany ,tsy miditra am-piangonan'ny hafa fa tsy mitovy aminay ireny ,tsy maintsy miroboka ao anaty rano vao atao vita batisa e,tsy mahazo atao batisa ny zaza e,tsy maintsy ato batisa ny zaza ,ahoana ny ampahafolo karenanareo e,ny sasany aza moa dia manasitrana tsy miantso ny anaran'i kristy ,mazava ho azy fa misy hery hafa ao ambadika ao ,izay manao fahagagana(kristy mihitsy no niteny fa mila mitandrina isika fa tsy izay rehetra miantso hoe tompoko ,tompoko,,,,,,) ary hisy hanao fahagagana ka ho resy lahatra ny olona ary anaraka azy any, afaka mivavaka ny maty isika e,manomeza fanampiana etsy dia doroy ny labozia ka mangataha amin'Atra ny famonjena ny fanahin'ny havanao maty (pergutory io na ny afo fandiovana) maro e,be fomba fomba ny finoantsika e ary indrindra indrindra milaza fa kristiana isika kanefa dia tena mora amin'ny olona no mitsikera antsika satria natao ho modely hanaraka an'i kristy isika kanefa be fombafomba ....sa ahoana koa re no mahatonga ny olona aleony mifanena amin'ny mpamosavy e........????
avia aty daholo hianareo mitondra sampy le ho hamasininy iny zavatra iny mba hanankery dia hiambozono ary hivavao...dia lasa niverina tamin'ilay nahatonga ny fiangonana nisaraka ity satria nisy namoromporona indray tamin'ity taona ity ...Raha tena manana an'i kristy isika dia tokony tsy hinohino na hivavabavaka amin'ny zavatra hafana na sampy io na vato io na hiambozona zavatra ho fiarovana satria tsy msy manankery ireny raha tena mitady ny hery avy any Aminy ...maro e,samy manana ny filazany sy ny fomba nampianarina avokoa isika ka ny tena zava-doza dia tsy mifanaraka ny fampianaran'i kristy ilay izay satria samy maka sopapa kely ao anaty baiboly avokoa ireo milaza azy ho avaram-pianarana amin'ny teolojia ireo ka iny no imasoany sy ampianariny ny olona
izay no zavatra itako mety mahatonga ny olona aleony mifanena amin'ny mpamosavy ry laza ka mbola samy mianatra avokoa isika io ankehitriny ary samy miezaka ny mianatra ny mandalina ny baiboly mba ho tena izay voasoratra ao tokoa no ampiarintsika amin'ny fiainana
