Fahafatesana voalohany sy fahafatesana faharoa, fitsanganana voalohany inona no dikany?

1. didi10 ( 11/06/2012 12:18)


Ny efa maty ve dia mbola ho faty fanindroany indray?

Ny efa maty ve mety hitsangana indray ?

Ny efa maty ka nitsangana ve mety ho faty fanindroany indray?

Mitovy ve ny endriky ny fahafatesan'ny nofo sy ny fahafatesan'ny fanahy?






2. didi10 ( 12/06/2012 10:38)
Ny efa maty ve dia mbola ho faty fanindroany indray?

ENY

Apok 21,8
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

Inona ary ilay fahafatesana voalohany?
Jak 1,13
13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; 14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy. 15 Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.
Mazava eto fa tsy fahafatesan'ny nofo no tiana ambara fa ny fahafatesan'ny fanahy izay tonga fanahin'ota. Ny fahafatesana voalohany noho izany dia ny fahatafidiran'ny ota ao anaty, ny fahafatesana no tambin'ny ota.

Inona ilay fahafatesana faharoa?
Rehefa tonga ny fahafatesan'ny nofo kanefa efa maty ara-panahy (mpanota tsy nibebaka) ny olona iray dia tanteraka io Tenin'Andriamanitra voalaza amin'ny Apok 21,8 io: hanana ny anjarany amin'ny farihy mirehitra afo izy.

Ny efa maty ve mety hitsangana indray ?

ENY

Rom 6 3-7
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.


Ny efa maty ka nitsangana ve mety ho faty fanindroany indray?

ENY

Apok 2,11b

Izay maharesy no tsy hosimbain'ny fahafatesana faharoa

Maharesy inona?

Jao I 5,4
4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Heb 10 38-39
38 Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;"
fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2. 3,4).
39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.


Mitovy ve ny endriky ny fahafatesan'ny nofo sy ny fahafatesan'ny fanahy?
TSIA

Ny fahafatesan'ny nofo: Vovoka hody vovoka (Gen 3,19), mety lo ary tsy mandova ny fanjakan'ny lanitra. (I Kor 15,50)

Ny fahafatesan'ny fanahy: fanjakan'ny ota, sy fanompoana izao tontolo izao.

3. mirananirina ( 12/06/2012 17:15)
finoana ihany izany fa ny ho avitsika tsy misy mahalala na 1 aza!!!maty isika dia iza no mahalala fa hitsangana indray dia ho faty indray????
4. didi10 ( 13/06/2012 07:58)

mirananirina:

finoana ihany izany fa ny ho avitsika tsy misy mahalala na 1 aza!!!maty isika dia iza no mahalala fa hitsangana indray dia ho faty indray????


Tadidio namana fa raha tonga zanak'Andriamanitra tamin'ny Batisa amin'ny anaran'i Jesosy ianao ka efa nandray ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia tsy misy Mistery izany ny fiainana aorian'ny fahafatesan'ny nofo, fiainana mandrakizay miaraka amin'ny Tompo no miandry ny fanahinao ary "étape" fotsiny ihany ny fahafatesan'ny nofo tahaka ny fanday tsy maintsy mandalo fahafatesana mba hivadika lolo kely.
5. rekinbelo ( 13/06/2012 14:19)
Salama namana!
Tena mizara 2 tokoa ny fahafatesana, dia ny iray voalohany izay mahazo ny olombelona rehetra tarak'i Adama ary tsy afa-miala @ izany isika rehetra famety ho faty avokoa, io ilay voalohany.Ary ny olona rehetra maty ao @ fahafatesana voalohany dia mbola manana fanatenana hitsangana @ maty.
Ny fahafatesana faharoa kosa dia tsy mitranga raha tsy efa tafatsangana amin'ny maty ny olona iray ary ho tsaraina indray @ acte ataony izy mandritra ny fotoana elaela ary @ izay fotoan izay raha tsy manao ny sitra-pon'2ndriamanitra izy dia mihatra aminy ny fahafatesana faharoa izay tsy misy fitsanganana intsony fa adino mandrakizay.
6. Miharena ( 13/06/2012 15:22)
Mba tiako havoitra eto izay zavatra nasehon'i Jesosy amin'ireo fijoroana vavolombelona momba io resaka fahafatesana roa sosona resahana io.

Inona izany ireo olona vao maty niala tamin'ny nofony dia tonga dia nolazain'i Yves sy ny olona marobe nanao témoignage nanao voyage niaraka tamin'i Jesosy fa lasa any amin'ny helo avy hatrany?

Raha ireo firesakareo ireo manko dia azo lazaina ara-bakiteny fa tanisa izay voalaza ao anaty baiboly fotsiny ihany fa tsy ny zavatra tena misy. Sa ireo izay voalazan'ny mpijoro vavolombelona tsy tena izy fa zava-poronina na koa hoe fahitana Jesosy mpisandoka sanatria?

Ary ny lafiny iray, azo hazavaina tsara ve hoe inona tokoa no mahatonga ireo fahitana ireo? Ny inona amin'ny olombelona no lasa ao anaty afo nefa izy aza efa nandao ny nofony?

Mila mazava tsara ireo vao milaza fanamarinana iray milaza ny momba ny fitsanganana amin'ny maty sy ny filazana fa rehefa maty dia tsy mahalala na inona na inona.
7. rekinbelo ( 14/06/2012 06:51)
Atao inona kay ry Miharena ny Baiboly? izay resahana ao dia zavatra marina mikasika ny fiainan'ny olombelona sy ny ho aviny ary ny fahafatesana. Noho izany tsy tokony hino ny zvt lazainy olona izato sy izary isika satria tsy hainao hoe iza marina ny ao ambadika ao, Andriamanitra ve sa Satana.
8. didi10 ( 14/06/2012 06:56)
Miarahaba ny namana rehetra

Mifameno tsara ity lohahevitra ity sy ny fampianarana momba ny fanahy eo ambany namana Miharena.

Voalohany aloha dia mila mahafantatra isika fa samihafa ny vatana sy ny fanahy, ny vatana (nofo) rehefa maty dia miraraka lasa vovoka fa ny fanahy kosa tsy mba mitovy amin'ny fahafatesan'ny nofo ny fahafatesany, ireo fanahy tsy manana an'Andriamanitra ao aminy no atao hoe maty ka rehefa maty ny nofon'ireo dia misaraka ny vatana sy ny fanahy ka ariana any amin'ny afo toy ny fako. Fa izay nandray ny Fanahy Masina kosa dia mandova ny fiainana mandrakizay.

Tsy misy fifanoherana noho izany ireo karazana témoignage efa renao momba ny lanitra sy ny helo ary efa tena namaky maro dia maro aho fa misy "détails" izay itovizan'izy rehetra, toy ny kankana, ny fofona maimbo, ny fampijalian'ny devoly ireo fanahy sy ny fitalahoan'ireo olona mba hivoaka na dia iray segondra fotsiny aza...

9. rekinbelo ( 14/06/2012 07:02)
Dia mino ve enao namana fa tenamisy tokoa ny helo na afobe? De marina avokoa ve ny temoignage lazain'ireo olona ireo hoy enao?
10. didi10 ( 14/06/2012 07:47)
Raha tsorina aloha dia ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny tsy te hankanesana any amin'ny helo no anisan'ny antony nanoloran-tena ho an'i Jesosy, raha manana tanjona toy izany ianao dia hikatsaka ny fahamarinana toa ahy, satria ny fanjakan'ny lanitra sy ny fahamarinana dia tsy afaka misaraka.
11. didi10 ( 14/06/2012 07:55)

rekinbelo:

Salama namana!
Tena mizara 2 tokoa ny fahafatesana, dia ny iray voalohany izay mahazo ny olombelona rehetra tarak'i Adama ary tsy afa-miala @ izany isika rehetra famety ho faty avokoa, io ilay voalohany.Ary ny olona rehetra maty ao @ fahafatesana voalohany dia mbola manana fanatenana hitsangana @ maty.
Ny fahafatesana faharoa kosa dia tsy mitranga raha tsy efa tafatsangana amin'ny maty ny olona iray ary ho tsaraina indray @ acte ataony izy mandritra ny fotoana elaela ary @ izay fotoan izay raha tsy manao ny sitra-pon'2ndriamanitra izy dia mihatra aminy ny fahafatesana faharoa izay tsy misy fitsanganana intsony fa adino mandrakizay.



Aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly ry namana no misy hoe: aorian'ny fitsanganan'ny nofo amin'ny maty dia mbola hanota indray ny olona ka ho faty fanindroany indray?

12. Miharena ( 14/06/2012 17:02)
Rekinbelo:

Atao inona kay ry Miharena ny Baiboly? izay resahana ao dia zavatra marina mikasika ny fiainan'ny olombelona sy ny ho aviny ary ny fahafatesana. Noho izany tsy tokony hino ny zvt lazainy olona izato sy izary isika satria tsy hainao hoe iza marina ny ao ambadika ao, Andriamanitra ve sa Satana




Didi10:

Tsy misy fifanoherana noho izany ireo karazana témoignage efa renao momba ny lanitra sy ny helo ary efa tena namaky maro dia maro aho fa misy "détails" izay itovizan'izy rehetra, toy ny kankana, ny fofona maimbo, ny fampijalian'ny devoly ireo fanahy sy ny fitalahoan'ireo olona mba hivoaka na dia iray segondra fotsiny aza



Rekinbelo:

Dia mino ve enao namana fa tenamisy tokoa ny helo na afobe? De marina avokoa ve ny temoignage lazain'ireo olona ireo hoy enao?


Misy mampisalasala ao amin'ireo valinteny ireo raha dinihina.

Azo hazavaina tsara ve ireo endrika nanehoana ny helo? Raha dinihina dia mikasika ny ara-nofo avokoa ireo fijaliana voambara. Ka ny fanontaniana tena mila valiny mazava dia hoe ny vatantsika sy ny fahatsapantsika ve mbola mitoetra rehefa mandao ny nofo.

Valio araka ny tena marina raha azo atao fa aza mialokaloka ao anaty tanisa Baiboly fotsiny isika. Raha misy tanisa dia hazavaina tsara.
13. mirananirina ( 15/06/2012 07:52)

didi10:


mirananirina:

finoana ihany izany fa ny ho avitsika tsy misy mahalala na 1 aza!!!maty isika dia iza no mahalala fa hitsangana indray dia ho faty indray????


Tadidio namana fa raha tonga zanak'Andriamanitra tamin'ny Batisa amin'ny anaran'i Jesosy ianao ka efa nandray ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia tsy misy Mistery izany ny fiainana aorian'ny fahafatesan'ny nofo, fiainana mandrakizay miaraka amin'ny Tompo no miandry ny fanahinao ary "étape" fotsiny ihany ny fahafatesan'ny nofo tahaka ny fanday tsy maintsy mandalo fahafatesana mba hivadika lolo kely.

Hay ianareo mahalala ny fiainana any aoriana any??amiko aloha dia mbola mistery izany fa ny finoako dia rehefa maty aho dia eo anilan'Atra (@ fanaovana soa sy fitiavana ny olona rht)
Ny sakramenta ny fanamasinana ho relijiozy ihany angamba izao no tsy natao ahy,akoatra izay efa azoko daholo!Manana finoana mafy sy matanjaka tokoa aho na tsy miditra ny fiangonana aza,satria amiko dia na aiza na aiza dia eo Atra.Ary mivavaka aminy isan'andro
14. didi10 ( 18/06/2012 07:19)
Ny finoanao anie hahavonjy anao, namana Mirananirina.
15. rekinbelo ( 19/06/2012 13:13)
Vakio tsara ny Baiboly Namana dia itanao ao fa na ny fanorotoroana anao any ankibo, ny fahaterahanao, ary hatramin'ny ahafatesanao ary ny zvt mitranga ao anaty fahafatesana dia lazaina ao anaty Baiboly daholo.
16. Miharena ( 20/06/2012 06:12)
Raha misy tokoa moa izany ny anjely na Andriamanitra mihitsy izay nahalala ny fiandohan'izao rehetra izao ivelan'ny voasoratra ao anaty Baiboly ka miresaka amintsika mivantana ny momba izany dia tsipahina ve?
17. rekinbelo ( 28/06/2012 04:54)
Eny namana, isika anie tadidio fa olombelona e! tsy mahafantatra ny tena marina hoe Andriamanitra ve io miteny io sa anjely sa satana!
Ny any azoko ambara aminao dia tsotra ihany hoe matoa ny baiboly tsy navelan'Andriamanitra ho simba fa namakivaky taona marobe ary tonga aty amitsika dia io no fantany fa afaka milaza ny hafatra tiany hampitaina amintsika sy ny zvt tokony hataontsika ary ny fomba fivavahana aminy, noho izany tsy mila mino zvt ivelany Baiboly isika, na hoe fijoroana vavolombelona ataon'olona hafa @ izao fotoana izao.
18. Miharena ( 30/06/2012 05:44)
Manamarina mihitsy ny filazanao aho amin'ny fahamarinan'ny Baiboly fa ny fitrandrahana izay voalaza ao no ahafantarana ihany koa hoe misy marina sa diso izay lazain'ny mpaminany sy ny mpijoro vavolombelona aty aoriana. Ataoko fa teny miaina ny Baboly ary tokony hanome fiainana tsapa sy tanteraka fa mijanona ho soratra fotsiny ihany.

Azo lazaina ohatra ny Anjely dia voasoratra ao fa raha tsy manana fifandraisana amin'ny anjely ny olona dia mazava fa tantara no inoany fa tsy izay fahatsapana marina ny fisian'ny anjely. oy izany koa i Kristy izay miteny amin'ny olona ankehitriny izay tsapa tsara sy miresaka ara-dalàna aminn'y olombelona izay tiany hampitana ny hafaNY.

Ny fahavoazana lehibe ankehitriny dia ny tsy fanekena fa Velona miasa IZY ka raha misy milaza fa niresaka tamiNY dia tsipahina fa lasa ampidirina ao anaty Baiboly, sanatria tsy Andriamanitra fa teny voasoratra fotsiny ihany IZY.
19. majesty ( 09/07/2012 06:21)
mila vahavahana tsara aloha fa mifangaro voraka be io loha-hevitra io raha tsy adihadihana tsara hoe inona ilay maty resahana eto ,satria ny saika itovian'ny foto-pinoana maro dia rehefa maty ny vatana dia miakatra any @ Atra ny fanahy, dia ahoana izany sa aiza ho aiza ny fizotry ny fandehan-javatra @ ilay fitsanganana amin'ny maty voalohany sy faharoa sa mihazakazaka midina manenjika ny vatany indray ireo fanahy efa any an-danitra !!!!
20. universal ( 16/07/2012 13:02)
Miala tsiny ry namana fa rehefa zavatra tsy hitan'ny masonao sy tsy niainanao mivantana dia aza mitopo-teny fatratra sy mijoro ho milaza ny tena marina isika, izay voavakinao ao anaty baiboly dia tano ho anao irery ihany, NY MAHAMAIKA ETO AMBONIN'NY TANY DIA NY HAMPANJAKANA NY FITIAVANA, araky ny nandidian'i Kristy azy fa tsy izay fahafatesana 1 na faha 2
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0708