Fahafatesana voalohany sy fahafatesana faharoa, fitsanganana voalohany inona no dikany?

21. didi10 ( 18/07/2012 14:37)

universal:

Miala tsiny ry namana fa rehefa zavatra tsy hitan'ny masonao sy tsy niainanao mivantana dia aza mitopo-teny fatratra sy mijoro ho milaza ny tena marina isika, izay voavakinao ao anaty baiboly dia tano ho anao irery ihany, NY MAHAMAIKA ETO AMBONIN'NY TANY DIA NY HAMPANJAKANA NY FITIAVANA, araky ny nandidian'i Kristy azy fa tsy izay fahafatesana 1 na faha 2


Misaotra namana

Ny tsara ho ampitaina amin'ny namana anie dia ny tokony hahafantaranao sao ianao efa tafiditra ao amin'ilay fahafatesana voalohany e! ka na hampanjaka ny fitiavana aza ianao kanefa maty ny fanahinao noho ny ota dia tsy ho voavonjy ianao.
22. universal ( 20/07/2012 08:00)
Monsieur didi10
tsy manao tsinotsinona ny fahalalanao sy ny fahaizanao aho sanatria. Fa raha ny fahitako ny valiteninao dia tsy azoko mihitsy ny zavatra tianao hambara.

Tsotrabe ny ahy ny fijeriko, tsy mivadika ati-doha amin'izay fahafatesana 1 na faha 2 nao izany aho, ny zavatra kely mba takatry ny saiko dia ny didy vaovaon'i Kristy manao hoe: "...mifanfatiava ianareo...". izay ihany ny ahy dia pont final.

23. didi10 ( 20/07/2012 12:41)
Matio 7:22
21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialĂ  amiko, hianareo mpanao meloka.

Andraso aloha ka mbola tsy point final kosa e!
Raha milaza ianao fa tsy azonao ny zavatra tiako ambara dia manana adidy manazava kosa aho namana.

Aminao izany olona mahay mamoaka demonia izany ve tsy ho manana fitiavana be, izany mahay maminany amin'ny anaran'i Jesosy izany, izany manao asa maro izany? tena manam-pitiavana an'Andriamanitra izany sady manana fitiavana ny rahalahiny, fa maninona anefa, nolavina satria mpanao meloka,
Ny fahafatesana no tambin'ny ota, olona maty fanahy ireo ka mbola tsy nibebaka, ka na dia manao fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy aza dia fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra ihany izany fa tsy nahavonjy ny fanahiny.
24. universal ( 20/07/2012 14:10)
monsieur didi10
Dia miala tsiny aminao ihany aho fa TSY MAHAY MAMOAKA DEMONY AHO, TSY MAHAY MAMINANY IZANY AHO KA IZANY NO TSY AHAFANTARAKO IZANY FAHAFATESANA 1 SY 2 IZANY.

Raha misy ny mahadiso ny didy vaovaon'i Kristy dia esory ao anaty baiboly fa izaho manokana dia mandala sy mankatoa io didy vaovao io. Izany no ijoroaka ka raha eken'Andriamanitra aho tsara, tsy ekeny aho tsara. Andriamanitra no nahary ahy ary Izy irery ihany no mahalala izay mahasoa ahy FA TSY MOPERA ZAROA NA PASITERA ZATSY, NA FIANGONANA ZATSY NA FIANGONANA ZAROA.

POINT FINAL satria tsy tsara ny miady hevitra amin'ny resaka Andriamanitra satria izany no antony maha marobe ny antoko-pinoana, samy te hampanjaka ny heviny sy ny fomba famakiny ny baiboly KA MIAFARA AMIN'NY TSY FANDEFERANA.

mbola averiko ny fialan-tsiny, forum ity misy antsika ity ary hevitro manokana izany ary tsy voatery ho arahina.
25. didi10 ( 20/07/2012 14:30)
Misaotra ny namana Universal

Ny zava-dehibe dia azonao ny tiako ambara.
Tahian'ny Tompo!
26. nomenjanaharypatrick3 ( 25/11/2017 06:36)
salama e! naika mba hanyan keli ze oe aona mo ireo olona miteny oe efa nahita an'i Jesosy sy efa nentiny Jesosy nitsidika ny paradisa sy ny helo nefan Jesosy milaza fa tsy misy olona maita an'Andriamanitra ka velona azo inona ve ireny ten'olona ireny Misaotra tompoko!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.222