Miasa hoan'i Jehovah ve ny satana?

1. ded.kitty ( 16/05/2012 21:44)
Nojereko voa tsy ela ny dikan'ny hoe Satana. Ny hitako dia amin'ny teny Hebreo, "ha-satan" midika hoe "ilay mpanohitra", na "ilay mpanenjika", tsy voatery hoe devoly akory.

Vao vetivety koa aho namaky ny bokin'i Joba. Ary somary nampieritreritra ahy ihany izy io momban'ny fifandraisan'i Jehovah sy ny satana, ary ny devoly, satria, Joba naman'i Jehovah, kanefa nampijaliany nataony nijafajafa sy nihoso-potaka izay vao nomeny fahafahana sy fifaliana.
Ao amin'ny bokin'i Joba 1:6, milaza fa tonga teo anatrehan'i Jehovah ny angeliny ary tao koa ny satana.
Tsisy resaka hoe mifankatia amin'i Jehovah izy na mifankahala aminy. Fa toa miresaka tsara ry zareo.
Jehovah manontany an'ilay satana ao @ Joba 1:8 hoe "nitsapa/nandinika an'i Joba ve ianao? Tsy misy olom-belona tahak'azy fa olo-marina sy mahitsy izy"
Ilay satana namaly fotsiny hoe nohon'ny fitahian'i Jehovah no mahatonga an'i Joba tia azy, ary raha esorina daholo ireo fitahiana, mino izy fa hivadika @ Jehovah i Joba.
Dia Jehovah no nanome baiko an'ilay satana hoe ataovy izay tianao aminy fa aza vonoina fotsiny izy.
Ao @ Joba 2:3 Jehovah mandray andraikitra @'ny fijalian'i Joba.
Manamafy izany fa Jehovah no fototry ny tsara sy ny ratsy, Izy no nipoiran'ny rehetra.
Ny nanjo an'i Joba, ilay famonoana ny zanak' Ejipta, na ny zazakely sy olona rehetra maty tao Sodoma sy Gomorrah, Jehovah no fotony, ary tsy mihafina amin'izany izy. Ilay satana sy ilay anjelin'ny fahafatesana toa mpanampy azy daholo.
Mety lasa eritreritra angamba ny sasany izao hoe ra ded.kitty tena mpanompo satana kle. Tsy izany fa raha ny fahitako azy, matoa tena mitady an'i Jahovah tokoa ianao, tsy tokony hanontany ve? Sa ve manara-body izay lazain'ny pasitera sy mopera fotsiny?
Izaho moa dia zendana @ Jehovah. Izy marina no tena Deba ny Deba (tsy ratsy akory izany an!). Ota raha olom-belona no mamono olon-kafa, fa tsy ota raha i Jehovah no ambadik'ilay famonoana, satria izy no mahavita manome aina ny foana. Raha manapotsitra lalitra @ rindrina hoatra ianao, na vitanao aza no mamerina ny vatany, mbola ny Tompo ihany hatramin'izao no mahay mamerina ny aina, na be aza ny fahaizana @ taranjan' ny zenetika.

Ahoana ny hevitr'areo amin'io? Miasa hoan'i Jehovah ve ny satana sa voatery hoe devoly fotsiny dia vita botolo @ izay?
répondu par majesty le 09/07/2012 06:51
2. didi10 ( 18/05/2012 07:13)
Iza moa ianao namana no hitsara sy hiampanga an'i Jehovah?

Mbola misy anarana adinonao ny amin'i Satana : Apo 12,10 = ILAY MPIAMPANGA

Salamo 145 -17
17 Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19 Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy
Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
20 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah;
Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
21 Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako;
Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny AnaraNY Masina mandrakizay doria.

Tadidio rahalahy fa ny fianantsika olombelona amin'ny andavanandro dia mitovy tsy misy valaka amin'ny fiainan'i Joba, avelan'Andrimanitra i Satana hiampanga sy hanjaka eo amin'ny fiainantsika ara-nofo amin'ny sedra sy ny fakam-panahy isankarazany, fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

3. Maranatha ( 18/05/2012 10:27)

ded.kitty:

.....


Rehefa nijery ireo voalazanao ireo aho dia ta-hilaza aminao fa tsy dia ampy fahalalana loatra ianao ny amin'izay voasoratra. Ny voasoratra rehefa resy teo amin'ny fakam-panahy izay nahazo azy ry Adama sy Eva dia nirehareha i Satana fa manaiky azy daholo ny tany manontolo. Tamin'ny fotoana niainan'ny Joba no nisian'io ataon-tsika hoe defi io teo amin'Avo indrindra sy Satana io. Ny anton-dian'ny satana hiaraka hivory amin'ireo zanakin'ny Avo indrindra tamin'io dia fireharehana fa nanaiky azy ny tany rehetra izay no namerenan'i Tsitoha ny sainy hoe efa nahita an'i Joba mpanompoko va hianao?....
Ny fitahiany tokoa no fiheveran'i satana ny antony hanompoan'i Joba an'i Tsitoha izay no nanesorana ireo fefy izay niaro azy , mba hizahana toetra azy na izay tokoa. valiny tsy naharesy an'i Joba ny tsy fisiana sy ny fahoriana. Nifikitra tamin'i Mpahary azy foana ny fon'i Joba. Resy i satana teo.
Tsy teo ihany fa na tamin'ny nakana fanahy an'i Mpamonjy koa aza dia i Losifera mpitarika ny ratsy mihintsy no naka fanahy Azy resy koa izy teo.

Teo aloha dia ny lanitra no sahan'ny ady izay nifanaovan'ny mazava sy ny maizina fa izao kosa dia ny tany. Misy hery roa mifanandrina eto amin'ity tany ity. Ny mazava sy ny maizina. dia anjaranao no mifidy izay harahinao. Raha miaraka amin'ny mazava ianao dia toa miantso ny tafiky ny haizina rehetra hanafika anao, noho izany tsy maintsy mtafy ny fiadiana rehetra mba handresena, miaraka amin'ny fiarovan'ny anjely. Misy fotoana avelan'Avo indrindra hiady amin'ireo fiadiana nomena anao hianao. Izany akory tsy midika fa manary anao Izy fa mitsapa anao hoe hatraiza ny herinao? (aoka hatoky hatramin'ny fahafatesana hianao dia omeko anao ny satroboninahitry ny fiainana).

Misy fotoana izay efa voatendry tahaka ny an'i Sodoma sy Gomora hamalian'iTsitoha ny olona izay niaraka tamin'ny tafiky ny haizina. Androm-pahatezerana no filaza io. Tsy mamindra fo intsony Izy amin'io. Ny antony tsy hoe famonoana ilay olona fa fandevonana ny fahotana. ka raha mifikitra amin'ilay fahotana ilay olona dia miaralevona aminy ao.

Izay no mahatonga hoe mbola misy fotoana (famindram-po) hialana amin'ny fahotana izao hisarahana amin'ny tafiky ny haizina hanatonana ny mazava. Hararaoty izany andro izany mba tsy hahalevona antsika ao anaty ny afo miaraka amin'ny lehiben'ny tafiky haizina.

Mahereza ise dia ovay ny fo!
4. Miharena ( 20/05/2012 04:27)
Ny hery lehibe sy ny fanantenana dia ny fahafantarana io asan'Andriamanitra io izay manala ny haizina ao ami'ny voariNY. Ny zanako sy ny asan'ny Tanako hoy Izy, aoka ho adidiko ihany. Satana mpiampanga no mahatonga antsika rehetra hino ny devoly ary ao ambany fifehezany tokoa isika rehefa azony ao. Rehefa mitodika tanteraka amin'Andriamanitra anefa isika dia tsy azon'io intsony. Ny fahadisoana no miteraka haizina, tahotra, tsy fahalalàna ny maha-IRAY amin'ny RAY ary mahatonga ny fiampangana. Ny fahamarinana dia izay mifanohitra amin'izay: tsy mitsara, tsy miampanga, miaiky fahadisoana ary mahay manarina izany, mahalala fa AIN'Andriamanitra ny tenantsika ary mahalala tsara fa izay ratsy ao anatintsika ihany no iadivantsika. Izay isika olobmelona vao afaka hiteny hoe : olon'afaka isika.

Raha mitodika ivelany isika ary manome tsiny dia mbola mandia haizina ihany satria mihevitra fa ivelany ilay ratsy.
5. didi10 ( 21/05/2012 11:47)

Miharena:

Satana mpiampanga no mahatonga antsika rehetra hino ny devoly


????
F'angaha moa misy indray Satana aminao namana? raha mihevitra ianao fa misy satana koa inona no tsy hanekenao fa misy ireo devoly izay asa tanany?
6. Miharena ( 21/05/2012 19:00)
Didi10:

????
F'angaha moa misy indray Satana aminao namana? raha mihevitra ianao fa misy satana koa inona no tsy hanekenao fa misy ireo devoly izay asa tanany?


Satana namana tsy manana asa tanana fa Andriamanitra ihany no manana asa tanana dia isika rehetra voariny miasa ao amin'izay zavatra noforonin'ny TenaNY ihany.

Izany no ilazako hoe izay noforoni'ny hevitsika no ateratsika araka ny fanomezana azontsika. Ka raha hoy ianao hoe mino Satana ve aho, dia hoy aho hoe tsy inoana izy. Toy izay koa ny Devoly, tsy hinoana izy fa Andriamanitra ihany no hinoana. Izay mino ny devoly no mampiatrano izany. Fa izay mino an'Andriamanitra dia tsy mahita afa-tsy Andriamanitra.

Tsarovy fa ilay toetra miampanga no maha-Satana na maha-devoly fa tsy finoana. Ary raha hilaza tokoa isika hoe manana fahefana ny Devoly dia tsy kristianina isika. Ny heloka dia navela satria fantatra fa tsy misy izay mpitarika ho ami'ny heloka fa ny tenantsika tsirairay ihany no manao heloka.

Raha raisinao aminao io ohatra Didi10, oviana moa ianao no nisy devoly nikitikitika anao nanao hoe manaova ity faharatsiana ity fa tsy ny feon'n yfieritreretanao ihany no nampanao anao ny heloka nataonao?

Ka asa hoe raisina aiza ho aiza marina ny fahazoana izany atao hoe devoly izany.
7. didi10 ( 22/05/2012 08:43)
I Jaona 3, 7
7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly.
8. jojo3t ( 05/06/2012 06:08)
Mba hilaza mahakasika an'i Jehovah sy satana za e, tsy hampiasa andinin'teny za eto aloha fa raha misy mitady porofo ny amzay de azoko omena iany@manaraka, tsotra fotsiny io raha tena nianatra baiboly tsika sady mazava tsara, i Satana Devoly dia anjely tsara noforonin'i Jehovah tany amboloany, nitsiriritra anefa izy avy eo ka te haka ny toeran'i Jehovah, ka namitaka an'i Eva sy Adama, nanomboka teo izy le nantsoina hoe "mpanohitra" sy "mpandainga", nivadika t@Jehovah izy, nanana toerana ambony izy tany andanitra tany "Kerobima", mariho tsara fa anjery iray ihany no antsoina oe satana devoly, avy eo @zai nisy anjely maro be nivadika nanaraka azy, ireo le nanambady ny zanak'olombelona tety antany t@zan ftona zan, aman'aliny mitsy no isan'ireo anjely nivadika reo ao@baiboly, reo le antsoina oe demonia, i Satana devoly no lehibehan'ireo, ny asan'ireo dia ny hanao zay ratsy indrindra eto antany, mamitaka ny olona, mamono olona sns, mifehy ny teotsain'ny olona, mifehy an'izao tontolo zao mints, ts afaka makany andanitra intsony reo fa ety @faritry ny tany iahny no misy azy,t@ andron'ny Joba reo mbola afaka nankany.

Ny antony namelan'i Jehovah an'i Satana hamely an'i Joba dia izao : nirehareha be satana oe tsis olona ho tia sy hanompo an'i Jehovah eto antany, dia navelan'ny Jehovah izy hitsapa an'i Joba mba hanaporofoina oe lainga ny an'i Satana, fa tsy navelany novonoina fotsin Joba, mazava tsar n lazain'ny soratra masina fa ts mamono olona Jehovah, notahiny be mitsy Joba avy eo ref ts nivadika sy voaporofo fa mpadainga Satana, i Satana devoly daholo no mahatonga ny fahafatesana ety ambonin'ny tany, ny fandovantsika ota noho ny tsy fankatoavan'i Adama de lasa mihantitra sy maty isika, mety gaga nareo oe i Satana no Andriamanitr'izao tontolo zao, mazava ny teny, navelan'i Jehovah hitondra an'izao tontolo izao izy fa kosa ny kristiana ts voafehin'ny toe tsaina alefan'i Satana, zai no ivavahana sy hanarahana ny fitsipiky ny baiboly satria horinganin'i Jehovah ts oela i Satana sy ny demoniany rehetra miaraka @reo olona ts mety miova sy tsy manao ny marina, miaina@andro farany sika zao, ts oela zan le fanafahana satria efa mipoitra daholo le famantarana ny andro farany, tsis mahalala ny datin'io fa mila miambina sy mivavaka hatrany, i Jesosy Kristy no nanafaka antsika t@ota sy fahafatesana, ka afaka ny hiaina mandrakizay ze mankato rehetra, marihina fa i Jehovah no Andriamanitra tokana sady marina nanao ny zavatra rehetra, i Jesosy kosa zanany sy piara-miasa aminy, i Jesosy koa no nomeny fahefana ho mpanjakan'ny fanjakan'Andriamanitra sy hanantateraka ny fandringanana ny ratsy rehetra, hanangana ny maty rehetra.

Mazava zan zao fa i Satana dia fahavalon'i Jehovah sy Jesosy zai horinganiny tsy oela.
Zai fa mazto daholy e, zai no mba azo lazaina aloha hatreto.
9. majesty ( 09/07/2012 06:51)
no comments !!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2024