fitsiriritana ve no mahatonga ny malagasy sasany "misandoka" fa Jiosy?

1. LazaDaddy ( 23/04/2012 02:44)
Mahavariana loatra izy io satria ny Malay sy Indonezianina (silamo) no mitovy fitenenana sy fombafomba akaiky indrindra amin'ny Malagasy.

Ry zareo Malay aza moa tsy manaiky an'i Israely ho firenena, sa henatra noho izay no mahatonga ny Malagasy sasany "misandoka" ho Jiosy?
répondu par Miharena le 20/05/2012 07:19
2. LazaDaddy ( 23/04/2012 04:37)
http://www.france24.com/en/20120321-indonesian-eves-colonised-madagascar-1200-years-ago

AFP - Several dozen Indonesian women founded the colonisation of Madagascar 1,200 years ago, scientists said on Wednesday in a probe into one of the strangest episodes in the human odyssey.

Anthropologists are fascinated by Madagascar, for the island remained aloof from mankind's conquest of the planet for thousands of years.

It then became settled by mainland Africans but also by Indonesians, whose home is 8,000 kilometres (5,000 miles) away.

A team led by molecular biologist Murray Cox of New Zealand's Massey University delved into DNA for clues to explain the migration riddle.

They looked for markers handed down in chromosomes through the maternal line, in DNA samples offered by 266 people from three ethnic Malagasy groups.

3. Hagg ( 26/04/2012 06:51)
Mahagaga alo ilay tantara...angamba kosa tsy ny malagasy rehetra. Ekena kosa nefa fa nisy ampahany amin'ny malagasy taranaka olona avy any Moyen Orient sy Asie ary tena manana hasina tokoa. Ny zava-misy nefa dia firenena notahiana i Madagascar raha ny harenany no jerena. Fa ny hilazana hoe dia teto mihitsy no nisy ny saha Edena, ny volamena nampiasain'ny mpajaka Salomon .... dia zava-mahagaga izany. Mbola tsy nisy rahateo archéologue nanaporofo fa i Babylone na mandan'i Jeriko dia teto Madagascar no misy azy. Asa alo an! mba ento iany raha misy...
4. niryna ( 28/04/2012 17:14)
Izaho koa nahita fandaharana Ny aty aminay nilaza fa ireo jiosy ireo no tonga taty amintsika ka naka ny fombantsika dia nitondra azy tany aminy fa tsy mitombona velovely ny hoe Jiosy no niaviantsika.Mba mahita Jiosy ihany aho fa tena tsy misy itovizana ny gasy mihitsy ka.Ny fantatro fotisny dia toy ny olona rehetra ireny ry zareo saingy tsy mba miaraka ny hafa ary misy aza misy tena manana toetra mihitsy. Tsy tia mifangaroharo amin'olona ary tena mampiana-janka mihitsy tokoa ry zareo ary mahay mirahina tokoa ry zareo samy zareo.Izany misy olona maty izany moa na nisy olona namono ny tao amin-dry zareo ,tonga midodododo daholo izy rehetra rehetra ,toa tsy misy olona intsony any an-tanana fa feno azy ny arabe.(fiaraha-monina tena zava-dehibe eo aminy) manana izany ve isika malagasy? kely ny finoako hoe taranaky ny Jiosy izany isika an.
Ny arabo tonga taty amintsika dia lasa nahay ody isika.ireo karazana sampy isankarazany sy ireo fivavahana avy amindry zareo ireo.
ny norvegiane sy ny faha koa no tonga teto amintsika niodnra fivavahana
hy hafa mampianatra zavatra hafa dia nalaintsika tahaka hatrany araka ny vaninandro nahatongavany avy sy ny firenena tonga teto amintsika.Jereo fotsiny fa raha miresaka ireo filipiana isika dia marobe ny zavatra fanaondry zareo ataontsika na sakafo ity ,na akanjo ity eny fa na ny fitafiana isankarazany aza dia misy itovizana,Satria ve izany tonga taty amintsika ry zareo dia lasa naka tahaka ny nataony isika ? na ny teny aza dia misy avy amindry zareo koa toy ny taona izay taon amindry zareo sns sa isika no tonga tany aminy dia nitondra ny fombany?
5. pakopako ( 03/05/2012 19:45)
Hagg:

Mahagaga alo ilay tantara...angamba kosa tsy ny malagasy rehetra. Ekena kosa nefa fa nisy ampahany amin'ny malagasy taranaka olona avy any Moyen Orient sy Asie ary tena manana hasina tokoa. Ny zava-misy nefa dia firenena notahiana i Madagascar raha ny harenany no jerena. Fa ny hilazana hoe dia teto mihitsy no nisy ny saha Edena, ny volamena nampiasain'ny mpajaka Salomon .... dia zava-mahagaga izany. Mbola tsy nisy rahateo archéologue nanaporofo fa i Babylone na mandan'i Jeriko dia teto Madagascar no misy azy. Asa alo an! mba ento iany raha misy...



Ny Malagasy d be da be ny origine fa tsy firiritana zany, angaha moa ny Malagasy rehetra d mitovy avy koa? misy avy tany @ Arabo zay mbola miondana io finoana io hatra@zao fa saingy noagasiany izy ireo dia ny Antemoro sasatsasany(avy ao Vohipeni) dia avy ao ihany misy ny atao hoe Antemoro ihany Fa (Anakara) io no jiosy io foko io taloha no mahavita fahagagana be teto Madagscar oh: hadihadio ny tantaran'ny dobo ao Diego ny olona tao lasa voay be da be snsn fa na any Radio Madagascar enao maka sopapa.
6. sitlo ( 04/05/2012 13:34)
Io an'i pakopako io no izy.

USA = melting pot

Malagasy = supermelting pot with asian stew soup au kouskous...

Tadidio fa fony mbola tsy nisy ny canal de Suez ary mbola tsy hita i Amerika dia niodidina an'i Afrika ny sambo. Ary i Madagasikara dia toerana fiantsonan'ny karazan'olona maro.
7. Zetsarazony ( 13/05/2012 15:54)
Miarahaba ny rehetra eto.

Tsia tsy "mihambo" ny filazana fa misy ny foko sasany eto taranaka Israal.

Manarak'izany, tsy taranaka Israal velively izay any Israel ankehitrio fa Kazar, ary tsy fotsy fihodirana be toy ny fahita any ankehitrio ny tena "Israal tsisy fitaka", tsy mena na mavo volo, na koa manga maso sns...
Miafina ireo taranak'Israal ireo,...izany hoe: voafin'ny fiparitahany izy ary ny vazan-tany efatra dia saingy ahitana azy daholo, ny voafaritra sy tsy azo lavina anefa satria ny soratra Kadosh no nanambara ny aminy, dia efa nivoaka tao amin'ny zara-tany tena anjarany izy satria "noroahana niala tao"...ary nisy koa ireo tsy niditra tao mihintsy fa nivily lalan-kafa.

Misy ny "marika" ahalalana azy manokana satria dia" tombon-kavatsa voaJanahary" iavahany amin'ny maro io marika io. Fantatry ny menasofina sasany izany ary dia atahorany mafy mihintsy sao fantatr'izao tontolo izao...kanefa indrisy ny azy fa EFA MISY NY MAHALALA.

Mety ho sarotra amin'ny olona no hino satria miandry "archéologue"...sns izy ireo, aza adinoina anefa fa misy koa ny TSIAMBARATELO sy ny ZAVA-MIAFINA tsy navelan'Ilay Mpamorona Lehibe ho fantatr'ireny.

Ireo taranaka Filistina 5 karazana dia miezaka be koa HANOVA zavatra maro amin'ny lainga sy ny tantara valamatiny satria izy ireo no te-hisolo toerana sy te-hoderaina amin'ny zavatra bdb fa izao e,...na tsy dia be mpahalala aza ny fisian'io taranak'Israal io dia EO izy.

Ary FOKO vitsivitsy eto Madagasikara dia misy azy koa.

Izay no azoko ambara hatreto fa dia amin'ny manaraka indray raha sitrak'ilay Mpahary.

Samy tsara aby.

8. Miharena ( 20/05/2012 07:19)
Ny fanodinkodinana tantara no anisan'ny nataon'ny olona te-hifehy ity tany ity sy ny olona eo aminy ho eo ambany vahoany ka lasa diso fiheverna daholo ny ankamaroan'ny olona eran'izao tontolo izao.
Ankehitriny anefa dia efa manomboka miposaka daholo ny marina ary tsy takona hafenina intsony. Izay no mahatonga ny fitotongananan'ny mpandainga rehetra nampianatra ny olona mifandimby teto. Ny fironana rehetra izay napetraka mba hanodinkodinana ny marina no mahatonga ny Gasy toy izao fahitantsika azy izao, izay tsy mahita izay lalan-kombany. Soa fa tsy izy rehetra fa ny vitsivitsy ihany (dia ireo atao hoe rajakom-bazaha). Fa izay voatariny dia any daholo fa ireo mijoro no afaka miala amin'ny vahoany.

Ny tsiambaratelo dia hiposaka eny ihany fa ny efa an-koditra no tokony ho efa raisina tsara fa tsy misy mihitsy izany Gasy tsy iray izany na aiza na aiza no misy azy.

Tsy fitsiriritana ny an'ny Malagasy fa fahatsapana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1143