HITONDRA FITAHIANA HO AN’NY REHETRA IREO MPANJAKA SADY MPISORONA

1. jajajaly ( 02/04/2012 10:27)

NY ALIN’NY 14 Nisana taona 33, no niara-nankalaza farany ny Paska Jiosy i Jesosy sy ny apostoliny 12. Nasain’i Jesosy niala teo i Jodasy Iskariota avy eo, ary nanomboka fankalazana hafa izy. Nantsoina hoe «sakafo harivan’ny Tompo» izy io taty aoriana. (1 Kor. 11:20)
Antsoina koa hoe Fahatsiarovana izy io, satria indroa i Jesosy tamin’iny alina iny no nilaza hoe: «Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.» Natao ho fahatsiarovana an’i Kristy izy io, indrindra fa ny nahafatesany. (1 Kor. 11:24, 25). Manomboka amin’ny alakamisy 5 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny 14 Nisana amin’ity taona ity.
Nofintinin’i Lioka toy izao ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’ilay fankalazana: ‘Nandray mofo izy ary nisaotra an’Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy:«Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.» Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: «Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.» ’ (Lioka 22:19, 20)
Inona no takatry ny apostoly rehefa niresaka momba ny vatany sy ny rany i Jesosy?
Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe «ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako»?
répondu par niryna le 28/04/2012 21:39
2. Miharena ( 02/04/2012 11:14)
Ny fanontaniana aloha dia hoe mpiditra Synagoga sa tsia ireo apostoly? satria raha mpiditra izy dia nahalala fa izay voalaza tao amin'ny boky hatrany amin'ny andron'i Mosesy ka hatrany amiin'ny bokin'ny mpaminany rehetra dia nampahafantatra fa hisy io ra latsaka io ary notanterahan'i Krsity teo amin'io fotoana paska io izany.

Fa raha ny fantatra dia tsy teo amin'ny fotoana nisarahan-dry zareo teo no tonga saina ny Mpianatra fa rehefa feno ny Fanahy Masina dia nilaza ny fahamarinana rehetra momba ny rà latsaka.
3. didi10 ( 02/04/2012 13:57)

jajajaly:

NY ALIN’NY 14 Nisana taona 33, no niara-nankalaza farany ny Paska Jiosy i Jesosy sy ny apostoliny 12. Nasain’i Jesosy niala teo i Jodasy Iskariota avy eo, ary nanomboka fankalazana hafa izy. Nantsoina hoe «sakafo harivan’ny Tompo» izy io taty aoriana. (1 Kor. 11:20)
Antsoina koa hoe Fahatsiarovana izy io, satria indroa i Jesosy tamin’iny alina iny no nilaza hoe: «Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.» Natao ho fahatsiarovana an’i Kristy izy io, indrindra fa ny nahafatesany. (1 Kor. 11:24, 25). Manomboka amin’ny alakamisy 5 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny 14 Nisana amin’ity taona ity.
Nofintinin’i Lioka toy izao ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’ilay fankalazana: ‘Nandray mofo izy ary nisaotra an’Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy:«Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.» Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: «Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.» ’ (Lioka 22:19, 20)
Inona no takatry ny apostoly rehefa niresaka momba ny vatany sy ny rany i Jesosy?
Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe «ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako»?

Miarahaba namana
Mba tena nanisa ny andro ve ny namana sa izay tenenin'ny Tilikambo fotsiny no izy?

Tamin'ny 22 Mars ny tsinam-bolana: ampianariko manisa ianao fa manomboka 22 Mars ianao manomboka manisa 1, 23 Mars manisa 2, 24 Mars manisa 3 ary tokony hahita fa ny Alarobia 4 Aprily ny 14 Nisan: Paska,noho izany ny talata 03 Aprily maty masoandro no tokony hahatsiarovana ny sakafo harivan'ny Tompo. Ary ny Alakamisy 05 Aprily ny fiantombohan'ny andro firavoravoana izay andro voadidy ho fivoriana masina.
4. jajajaly ( 06/04/2012 10:02)
Didy folo
Miarahaba namana
Mba tena nanisa ny andro ve ny namana sa izay tenenin'ny Tilikambo fotsiny no izy?

Aza mapme ry namana, raha tsy manaiky io voalazako io ianao tsy maninona, jerevo ny calandrier any jerosalem. Mba manaova koa fikarohana e! Efa amin'ny technologia avo lenta isika izao ka afaka manaporofo izany.

Miharena
Ny fanontaniana aloha dia hoe mpiditra Synagoga sa tsia ireo apostoly? satria raha mpiditra izy dia nahalala fa izay voalaza tao amin'ny boky hatrany amin'ny andron'i Mosesy ka hatrany amiin'ny bokin'ny mpaminany rehetra dia nampahafantatra fa hisy io ra latsaka io ary notanterahan'i Krsity teo amin'io fotoana paska io izany.

Misaotra fa tena mampandroso ny dinika ny hevitrao. Jiosy ireo apostoly ka nahalala tsara momba an’ireo sorona biby nataon’ny mpisorona, tao amin’ny tempoly. Fantany fa natao hahazoana sitraka amin’i Jehovah ireny sorona ireny, ary natao hahazoana famelan-keloka ny ankamaroany. (Lev. 1:4; 22:17-29) Rehefa nilaza ary i Jesosy hoe ‘hanome ny vatany sy handatsaka ny rany ho azy ireo’, dia takatr’izy ireo fa hanao sorona ny ainy lavorary i Jesosy. Sarobidy lavitra noho ny sorona biby io sorona io.
Ahoana indray ilay tenin’i Jesosy hoe «ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako»? Azon’ireo apostoly ilay hoe fifanekena vaovao, satria efa nisy resaka momba azy io ao amin’ny Jeremia 31:31-33 manao hoe :"31 «Ho avy ny andro», hoy i Jehovah, «izay hanaovako fifanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. 32 Tsy toy ilay fifanekena nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta anefa izany. ‘Nivadika tamin’iny fifanekena nataoko iny mantsy izy ireo, na dia izaho aza no vadiny sy tompony’, hoy i Jehovah.»
33 «Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany», hoy i Jehovah: «Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.»

Hitan’izy ireo tamin’ilay tenin’i Jesosy ary fa nanao an’ilay fifanekena vaovao i Jesosy rehefa niteny an’ireo teny ireo. Izy io no solon’ny fifaneken’ny Lalana, izay nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy.
Inona marina no tanjon’ny fifaneken’ny Lalàna?
Inona no vokatry ny sorona nataon’i Jesosy?
Inona no fanantenan’ireo anisan’ny fifanekena vaovao?
5. didi10 ( 06/04/2012 12:43)

jajajaly:

Inona marina no tanjon’ny fifaneken’ny Lalàna?
Inona no vokatry ny sorona nataon’i Jesosy?
Inona no fanantenan’ireo anisan’ny fifanekena vaovao?

Ataovy lohahevitra vaovao dia alefaso tsirairay.
Na eto amin'ny serasera aza namana misy lalàna a!misy fahatezerana be eto raha vao lasa HS toy io ataonao io ny lohahevitra maika fa ny sitrapon'Andriamanitra? ohatry ny inona ny fahatezerana miandry anao? (aza valiana)

6. niryna ( 12/04/2012 16:34)

didi10:

jajajaly:

NY ALIN’NY 14 Nisana taona 33, no niara-nankalaza farany ny Paska Jiosy i Jesosy sy ny apostoliny 12. Nasain’i Jesosy niala teo i Jodasy Iskariota avy eo, ary nanomboka fankalazana hafa izy. Nantsoina hoe «sakafo harivan’ny Tompo» izy io taty aoriana. (1 Kor. 11:20)
Antsoina koa hoe Fahatsiarovana izy io, satria indroa i Jesosy tamin’iny alina iny no nilaza hoe: «Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.» Natao ho fahatsiarovana an’i Kristy izy io, indrindra fa ny nahafatesany. (1 Kor. 11:24, 25). Manomboka amin’ny alakamisy 5 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny 14 Nisana amin’ity taona ity.
Nofintinin’i Lioka toy izao ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’ilay fankalazana: ‘Nandray mofo izy ary nisaotra an’Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy:«Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.» Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: «Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.» ’ (Lioka 22:19, 20)
Inona no takatry ny apostoly rehefa niresaka momba ny vatany sy ny rany i Jesosy?
Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe «ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako»?

kay ,inona indray re no tiany ahatongavana e? SABATA ooops
Miarahaba namana
Mba tena nanisa ny andro ve ny namana sa izay tenenin'ny Tilikambo fotsiny no izy?

Tamin'ny 22 Mars ny tsinam-bolana: ampianariko manisa ianao fa manomboka 22 Mars ianao manomboka manisa 1, 23 Mars manisa 2, 24 Mars manisa 3 ary tokony hahita fa ny Alarobia 4 Aprily ny 14 Nisan: Paska,noho izany ny talata 03 Aprily maty masoandro no tokony hahatsiarovana ny sakafo harivan'ny Tompo. Ary ny Alakamisy 05 Aprily ny fiantombohan'ny andro firavoravoana izay andro voadidy ho fivoriana masina.
7. niryna ( 28/04/2012 21:35)
[/quote]

Misaotra fa tena mampandroso ny dinika ny hevitrao. Jiosy ireo apostoly ka nahalala tsara momba an’ireo sorona biby nataon’ny mpisorona, tao amin’ny tempoly. Fantany fa natao hahazoana sitraka amin’i Jehovah ireny sorona ireny, ary natao hahazoana famelan-keloka ny ankamaroany. (Lev. 1:4; 22:17-29) Rehefa nilaza ary i Jesosy hoe ‘hanome ny vatany sy handatsaka ny rany ho azy ireo’, dia takatr’izy ireo fa hanao sorona ny ainy lavorary i Jesosy. Sarobidy lavitra noho ny sorona biby io sorona io.[/quote]
Taloha izany dia mitondra vorona na biby araka ny harena misy eo aminy ny olona hanao sorona sy fangatahana famindrampo na fifonana,tsy isan'andro anefa izany fa misy fotoanany.
Misy aza ireo mpisoronabe izay fatorana ny tongony raha alefa ao amin'ilay toerana noheveriny fa misy an'ilay Atra .Rehefa tonga anefa kristy,rehefa nanome ny tenany ho sorona velona ,nitriana ny rideau hatrany ambony ka hatraty ambany.Teo vao nivandravandra fa tsy misy intsony ny elanelan'ny olona amin'Atra ,ny vato nisakana ny olona tsy hitodika mivantana amin'Atra,Via koa anefa ny sorona satria ny rany no nalatsany ho antsika rehetra ka moa ve isika hanaiky azy ho Mpisoronabe,ho Mpamonjy,Mnanavotra antsika ary Tompontsika Azy?

Ahoana indray ilay tenin’i Jesosy hoe «ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako»? Azon’ireo apostoly ilay hoe fifanekena vaovao, satria efa nisy resaka momba azy io ao amin’ny Jeremia 31:31-33 manao hoe :"31 «Ho avy ny andro», hoy i Jehovah, «izay hanaovako fifanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. 32 Tsy toy ilay fifanekena nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta anefa izany. ‘Nivadika tamin’iny fifanekena nataoko iny mantsy izy ireo, na dia izaho aza no vadiny sy tompony’, hoy i Jehovah.»
33 «Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany», hoy i Jehovah: «Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.»

Hitan’izy ireo tamin’ilay tenin’i Jesosy ary fa nanao an’ilay fifanekena vaovao i Jesosy rehefa niteny an’ireo teny ireo. Izy io no solon’ny fifaneken’ny Lalana, izay nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy.
Ary dia hoy koa izy hoe Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy
Noho izany ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo izany dia tsy ataotao fotsiny fa mety hiteraka fahafatesana ara-nofo amam=panahy koa izany raha fo maloto no andraisanao azy.
Mibebaka,mivavaka,mangataka famindrampo ary famelankeloka,mamela ny hafa ary mangataka famelankeloka ny hafa ihany koa fa tsy tonga dia hoe fahazarana ity ka dia ho raisiko.
Toy ny ilay hoe raha anao fanatitra hianao dia avelao aloha ny fanatitrao fa mandehana mihavana any amin'ny rahalahinao dia vao izay hianao vao manao fanatitra satria fo madio,fo mibebaka,fo vaovao no tadiavin'ny Tompo amintsika
Mahatsiarao azy isan'andro isan'andro ary mbola tsy reraka aho ny mizara fa mametraka ny fiainantsika ho eo am-pelantanny irery ihany,tsy misy mpanelanelana na tsy maintsy manao izao na tsy mahazo mianao izao na tsy mahazo mihinana izao sy izao satria efa nohazavainy taminsika fa tsy misy sakafo maoloto intsony raha toa ka efa nangatahina tso-drano avy aminy.Ny hoe tsy tianao na tsy manavanana anao ny mihinana azy dia zavatra hafa indray fa raha toa kosa ka fampianarana omena ny hafa fa hoe tsy voavonjy raha mihinana izao sy izao na tsy miangona afatsy amin'izao andro izao dai fampianana nomen'ny olombelona izany ka tsy misy fanafodiny afatsy ny miverina any amin'ny baibolin'ny krisitana irery ihany ary mangataha amin'Atra mba omeny ny fanahy masina hampianatra antsika ny teny maro sy saro sy saro-patarina ao fa Izy no hanome antsika izany
8. niryna ( 28/04/2012 21:39)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1045