INONA TOKOA RE NY VAHAOLANA E

1. niryna ( 21/03/2012 16:43)
Inona tokoa re ny vahaolana e.

Samy milaza ny tenany ho kristiana avokoa anefa izy rehetra ireo an !

Lany andro eo amin'ny ady hevitra sabotsy sy alahady lava eo foana isika hi,hi

Ho avy indray ny Jehovah witness na ry zareo tsy mankalaza ny andro fahatsiarovana ny nahaterahan'i kristy,tsy mankalaza krismasy ,tsy manome ra ,tsy manao birthday na mankalaza ny andro nahaterahan'ny hafa dia ho avy amin'ny angady sy harona koa izy

Dia ho avy indray ny ireo mivavaka sy miankohoka amin'ny sarivongana sy manana mpanelanelana hafa noho i kristy .

Ho avy indray ny hafa hoe raha tsy asitrika ao anaty rano dia tsy batisa izay.
Izany ve no nahatonga ny fiangonana nisaraka e-Samy mitazona ny fomba nampianarina azy avokoa.
Mbola adinoko fa misy ny mivavaka amin'ny maty sy ny mametraka ilay maty ho lasa olo-masina

Misy fampianarana vaovao izay hoentin'ny namana iray indray fa misy Baiboly 3e testament izany indray hono e

Dia ahoana ihany re ity fivavahana ity e ?

Moa ve tsy ny fifandraisantsika an'i Kristy no tena zava-dehibe e (relationship with Christ)
Tsy ny fiangonana no zava-dehibe fa isika mahalala an'i kristy ka mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fanahitsika .
Sa inona tokoa re ny vahaolana e
Ampio aho ry zareo e !
répondu par Miharena le 27/03/2012 05:52
2. Miharena ( 21/03/2012 17:14)

Moa ve tsy ny fifandraisantsika an'i Kristy no tena zava-dehibe e (relationship with Christ)
Tsy ny fiangonana no zava-dehibe fa isika mahalala an'i kristy ka mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fanahitsika .
Sa inona tokoa re ny vahaolana e
Ampio aho ry zareo e !

Efa fantatrao efa ela be fa ireo minia mikimpy no mbola manao adihevitra adaladala.

Ny vahaolana dia tsy miditra ao anaty olana fa mamaha azy hiala ao amin'y adihevitra na manakilasy tsara hoe ara-panahy izany resahana izany ary ara-nofo kosa izatsy iray izatsy izay mahatonga adihevitra.
3. miarana ( 21/03/2012 18:30)
« Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. » (1 Korintiana 15:58)
4. miarana ( 21/03/2012 18:30)
« Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. » (1 Korintiana 15:58)
5. didi10 ( 22/03/2012 07:09)
II Tim 4 1-5

[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

Ny fampianarana tsy misy kilema ry namana dia tsy maintsy omena antsika na mifanarana amin'ny finoantsiaka na tsia.

Ny fahamarinana mantsy dia singa iray tsy misaraka amin'ny fanjakan'ny lanitra kanefa dia ataontsika tsinontsinona sy hamavainintsika.

Matio 5,20
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.

Jaona 4,23

23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Matio 6,33
33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany 34 Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

Matio 5,6
Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana fa izy no hovokisana

Manainga anao aho; tadiavo ny marina momba ny:
Didin'Andriamanitra : - Ny tsy fiankohofana amin'ny sary vongana
- Ny Sabata andro fahafito
Ny Batisa
: - Amin'ny ranobe amin'ny Anaran'i Jesosy aorinan'ny fibebahana
Ny Paska: 14 Abiba: Jesosy zanak'ondrin'Andriamanitra Paska ho antsika
Ny fanomezan'ny Fanahy Masina: Izay tsy manana ny FanahiNY dia tsy Azy.

... sy izay rehetra fampianaran'i Jesosy sy ny Apostoly ao anaty Baiboly Masina

6. Miharena ( 22/03/2012 14:42)
Didi10:

Manainga anao aho; tadiavo ny marina momba ny:
Didin'Andriamanitra : - Ny tsy fiankohofana amin'ny sary vongana
- Ny Sabata andro fahafito
Ny Batisa : - Amin'ny ranobe amin'ny Anaran'i Jesosy aorinan'ny fibebahana
Ny Paska: 14 Abiba: Jesosy zanak'ondrin'Andriamanitra Paska ho antsika
Ny fanomezan'ny Fanahy Masina: Izay tsy manana ny FanahiNY dia tsy Azy.

... sy izay rehetra fampianaran'i Jesosy sy ny Apostoly ao anaty Baiboly Masina

Itovizako daholo ny teo aloha fa ireo fanaingana ataonao ireo no tsy itovizako aminao. Mangidihidy sofina ianao mihaino ny fampianaran'i Kristy mahitsy ao am-po toriana satria mandrava ireo fombafomba ireo IZY. Ilay fampianarana tsy misy kilema anie ka tsy tsongotsongoina ao anaty Baiboly intsony fa efa fiainana ao amin'i Kristy. Firy no resaka ao anaty Baiboly efa milaza izany fialàna amin'ny fombafomba izany?

Hoy aho hoe tadiavo ny marina momba an'Andriamanitra fa tsy ny marina momba ny didin'Andriamanitra. Ny Batisa dia ny Batisan'i Kristy izay Batisan'ny Fanahy Masina (tsy ao anaty fombafomba). Ny Paska dia firaisana amin'i Kristy, zanak'Andriamanitra isika noho ny Paska fa tsy andro hobiana. Ny momba ny hoe Azy na tsy Azy dia tsy manam-pahataperana ny maha-AZY ny voary rehetra.
Mila manana ireo fajatsorana ireo fa raha tsy izany dia manome olana be dia be fotsiny na fampiasan-tsaina mifamahofaho fotsiny ihany.

7. didi10 ( 22/03/2012 16:53)
Ny anao zany sady tsy mivavaka Sabotsy, tsy Alahady
Tsy manao Batisa
Tsy mankalaza ny Paska
Tsy mandray ny Fanahy Masina
Tsy manaja ny didin'Andriamanitra
Tsy misy Paradisa, tsy misy afobe, tsy misy demonia

Dia miziriziry ianao fa fampianarana Kristianina avy amin'i Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra izany?
8. Miharena ( 23/03/2012 04:18)
Avaho ny vontoatiny sy ny fombafomba fa aza dia ampianarina izay zava-poakaty ny olona Didi10.

Fantatrao moa alohan'ny hanekena ireo zavatra notanisainao ireo, tsy ampianarina ilay olona ary ny fampianaran'i Kristy latsaka anaty no izy fa tsy ilay fombafomba. Mitovy tsy misy valaka ianao sy ny mpiondrika amin'ny sary vongana raha ireo dingana noforonin'ny olombelona ireo no ataonao fa mahavonjy ny fanahinao.
Hoy i Kristy izay hoe ; ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany. Sy ny hoe hanao izay tsy malalako hoe malalako Aho, ary koa ny hoe tsy nahafantatra Anao akory izahay nefa nampandrosoin'i Kristy.

Ny Kristianina no farany rehefa tsy mahalala ny vontoatin"ny fombafombany fa manao pli-vava fotsiny na mandeha tsy sazoka sao tsy voavonjy hono. Olona miova fo no ilaina fa tsy fatra-panaja sy mpitady vonnahitra sy valisoa.
9. didi10 ( 23/03/2012 07:10)

Miharena:

Donc mi-confirme enao fa tsy ilaina ireo lazainao fa dingana noforonin'ny olombelona ireo?
Tena tanteraka aminao tokoa ity tenin'Andriamanitra iray ity namana satria fampianaran'i Jesosy Kristy Tompo namoy ny ainy hamonjena antsika daholo ireo lazainao fa dingana noforonin'olombelona ireo.

Kor 1,18
18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
-
10. Miharena ( 23/03/2012 10:07)

Tsy misy hifandraisany ilay valinteninao sy ny tanisa ataonao.

Araho tsara indray izay vontoatin"ny nanaovaNY ireo fombafomba efa nataon'ny taranaka teo aloha ireo ary araho tsara hoe inona no tiaNY ahatongavana.

Fa eo ihany izany rehetra izany fa manjary tsy misy vahalana ity lohahevitra ity raha vao isika no mifamaly eto fa aoka angamba asiana vahaolana ihany mba hamaliana ilay lohahevitra.

Ny vahaolana amin'y fifamaliana mety misy eo amin'ny finoana dia ny hoe : mila fahatsorana ny fitoriana fa tsy mitady zava-mifamahofaho sy mampametra-panontaniana mandrakariva.
11. didi10 ( 23/03/2012 10:22)
Ny vahaolana?

-Mibebaha
-Araho antsakany sy andavany ny didin'Andriamanitra
-Mikatsaha zava-panahy
-Mialà amin'ny fampianaran'olombelona sy an'ny demonia ka katsaho ny fampianarana tsy misy kilema
12. Miharena ( 23/03/2012 16:22)
Dia aza maika hiteny hoe fampianaran'ny devoly ny fampianarana iray sendra hitanao na zarain'ny olona anao dia mazava fa mahavaha olana maro izany.

Ny antony dia raha sanatria ilay olona mitory aminao no tena irak'i Kristy dia lasa ianao tampoka no antikristy miteny ratsy ny Fanahy Masina.

Fa izany moa dia resaka ihany fa aoka anie tsy ho tonga amin'izany isika mianakavy zanak'Andriamanitra.
13. didi10 ( 25/03/2012 12:51)
Fa iza no possible ho antikristy?
Izao mitory ny ao anaty Baiboly sa izay mitory ny tsy voalazan'ny Baiboly sady tena mifanohitra amin'ny Baiboly?
14. Miharena ( 25/03/2012 16:11)
Tsy resaka hoe possible ho antikristy no tena tiako hahatongavana fa filazana hoe ny tsirairay avy dia irak'Andriamanitra eto amin'ity tany fandalovana ity.Ianao ihany moa ny mitanisa momba ny hoe izay hamafiKO fo dia hamafiKO fo ary izay hamindraKO fo no hamindraKO fo. Izany hoe efa manana ny anjara asany avy izay olombelona rehetra voary. Ka mety ho ao izay atao hoe antikristy mba hampahazava an'i Kristy. Tsy milaza aho hoe ianao ilay izy na izaho fa milaza fotsiny hoe aza maika hitsara satria mety mifamadibadika eo ihany na izaho na ianao fa tsy miara-mizotra raha toa ka izay fitsarana ny hafa izay no foto-pisainana entina mizara ny fahalalàna an'Andriamanitra.

Ilay Andriamanitra ivalany moa no lazaiko hoe mandripaka fa ny ahy Andriamanitra anaty no fandraisako izay fitoriana azoko. Ka tsy izaho indray no hanamafy hoe handripaka rehefa mitoetra ato anatiko IZY.
Aza raisina ara-nofo ilay izy fa ara-panahy dia ho fantatrao izay tiako lazaina.
15. didi10 ( 26/03/2012 07:42)
Mora mivadi-dela loatra ianao namana.
16. Miharena ( 26/03/2012 13:04)

Mora mivadi-dela loatra ianao namana.

Tsy mivadika izany namana fa anaty ny finoana tanako fa tsy ivelany ary mijoro hatrami'ny farany amin'izany aho.

Izay fampiarnarana ny ao anaty izay no vahaolana raha te-hanala ny olona amin'ny tsy fahalalàna an'Andriamanitra isika rehetra fa tsy hiady hevitra hiampanga ny hafa ho izatsy na izaroa, na koa momba ny atsy na momba ny aroa. Io no fantatsika fa mampiteraka fiadian-kevitra satria izay tsy mirona atsy dia mirona aroa ary tsy misy marina na dia iray aza avy eo araka ny Tenin'i Kristy.
17. niryna ( 26/03/2012 16:28)

Miharena:

Moa ve tsy ny fifandraisantsika an'i Kristy no tena zava-dehibe e (relationship with Christ)
Tsy ny fiangonana no zava-dehibe fa isika mahalala an'i kristy ka mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fanahitsika .
Sa inona tokoa re ny vahaolana e
Ampio aho ry zareo e !

Efa fantatrao efa ela be fa ireo minia mikimpy no mbola manao adihevitra adaladala.

Ny vahaolana dia tsy miditra ao anaty olana fa mamaha azy hiala ao amin'y adihevitra na manakilasy tsara hoe ara-panahy izany resahana izany ary ara-nofo kosa izatsy iray izatsy izay mahatonga adihevitra.
dia mila zahana tsara izany hoe fanahy avy aiza ireo mizara ireo,satria raha fanahy iray mitovy no mizara dia tsy tokony hisy olana e
18. Miharena ( 27/03/2012 05:52)

dia mila zahana tsara izany hoe fanahy avy aiza ireo mizara ireo,satria raha fanahy iray mitovy no mizara dia tsy tokony hisy olana e

Mazava fa raha hay ny manavaka ny hoe ara-panahy sy ny hoe ara-nofo dia hahafantatra mazava isika hoe tsy fanahy no miteny fa nofo ary raha fanahy nom iteny dia fantatra tsara IZY.

Asiana ohatra tsotra momba ny fakam-panahy nahazo an'i Kristy io: Ilay maha-nofo no manao hoe avadiho no mofo ireo vato ireo (satria noana tsy nihinana 40 andro 40 alina) fa ilay iray ara-panahy no manao hoe ; Tsy ny mofo ihany fa ny Teny.

Ka raha mbola hitantsika fa tsy manndrahindra ny maha-nofo ny filazantsara na aiza na aiza ipoirany dia avy amin'Andriamanitra izy izay. Ny ankoatr"izay, avy amin'ny olombelona nofo mampitodika amin'ny nofo ka mahatonga ilay hoe avelao ny maty handevina ny maty ao aminy satria vovoka ny nofo ary hody vovoka fa ny fanahy no olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.107