Maria masina, masin-dahy, masim-bavy : hahavonjy ny fanahinao ve ny fiantsoanao azy.
1. didi10
(
19/03/2012 10:00)
Jao 14 : 1 - 11
[-14-] Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. 2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay halehako.
5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
répondu par pissoa le 26/03/2012 23:07
3. didi10
(
19/03/2012 15:15)
ari.malala:
tsy azo ts araka tsy hay ny tian'ny mpanoratra hiaviana!
OK
Gaga aho namana amin'ireto olona minomino foana ireto hoe manaova arahaba ry Maria 5 de alefaso amin'ny olona 10 ity hafatra ity dia hahita fahasoavana sy blabla ianao, dia misy mazoto sy mandany fotoana mihitsy manao izany, tsy aleo ve namana mandalina ny Soratra Masina dia ao no mitady loharanom-pahasoavana.
Manaja an'i Maria renin'i Jesosy aho saingy tsy hivavaka aminy na oviana na oviana satria aho manaja ny Didin'Andriamanitra.
Mba vakio anie ny alahelon'i Maria any an-danitra amin'ny fiankohofan'ny olona aminy amin'ity temoignage ity e!
http://www.google.mg/url?sa=t&rct=j&q=apprete%20toi%20%20rencontrer&source=web&cd=1&ved=0CCMQFjAA&url=http%3A%2F%2Fspiritlessons.com%2Fdocuments%2FPrepare_to_meet_your_God%2FFrench_Prepare_to_Meet_Your_God_Angelica_Zambrano.pdf&ei=vkpnT-DuB8X_8QOT_NWdAg&usg=AFQjCNE_wXDQmjaDpzRGP9S4PY6Go7IxpA&cad=rja
Extrait de "Appréte toi à rencontrer ton Dieu par Angelica Zambrano
Jésus dit: «ma fille, cette femme que tu vois la c’est ma servante Marie Madeleine, ma servante Sara.»
Puis il dit: « ma fille, voici Marie; celle qui a donne naissance à Jésus qui te parle. Ma fille, je t’informe qu’elle n’est pas au courant des choses qui se passent sur la terre. Vas dire au
monde, aux idolâtres que l’enfer est réel et que les idolâtres n’hériteront pas mon Royaume. Vas-leur dire que s’ils se repentent, ils vont entrer dans mon paradis. Vas leur dire que je les aime et que Marie n’est au courant de rien (de ce qui se passe sur la terre). La seule personne qu’ils doivent glorifier c’est moi car ni Marie, ni Saint Grégoire, ni aucun autre Saint ne peut offrir le salut. Je suis le seul qui sauve et en dehors de moi personne, personne, personne d’autre ne sauve! Il a répété trois fois que personne d‟autre ne peut sauver. Il n‟y a que Lui qui sauve.
Le monde est victime de la déception croyant qu‟il y a un certain saint, qui est en réalité un démon, qui opère au travers une idole fait par les étre humains. Laisse-moi te dire que le Seigneur veut te donner le meilleur, il veut que tu hérites du royaume des Cieux, que tu puisses te repentir et quitter l‟idolâtrie. Parce que l‟idolâtrie ne peut pas te sauver. Jésus Christ de Nazareth est le seul qui sauve, qui a donne sa vie pour vous et moi et pour toute l‟humanité. Comme il pleurait, il me dit « s’il te plait ma fille, ne garde pas silence; vas dire la vérité. Vas leur dire ce que je t’ai montre.»...
4. niryna
(
19/03/2012 15:42)
ari.malala:ity hafatra ity dia olona iray ihany no mandefa azy saingy anarana maro no ataony anarana eto ary feno azy avokoa na fivavahana ity na tsy izy ka izay no nahasarika ny sain'ny mpamaky
tsy azo ts araka tsy hay ny tian'ny mpanoratra hiaviana!
[/quote ] ohatran'izao ny tiany hambara raha ny fahalalako azy an
hoy ny lohateny mantsy hoe:
Maria masina, masin-dahy, masim-bavy : hahavonjy ny fanahinao ve ny fiantsoanao
azypomderenette:Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity .
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94
Ry zanako Malalako,
Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
[ Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA.
indrindra fa io nataoko manga io .
Iza izany no hivavahana,Maria sa Andriamanitra any an-danitra?
dia avy eo indray hoe hafatra avy any Bresil dia tokony hanenika erak'izao tontolo izao ,fa maninona,fizarana vavolombelona sa hoe ataovy koa izany dia aiza Atra eto?
adika in-21 lasa manao odim-sampy indray izany k'ty ,hoy dadarabe hoe manaova an'izao,alaivo ny akoholahy mena sa mainty dia vonoy ny rany sns ireny fanaon'ny gasy ireny e
fa maninona no tsy maintsy adika 21 ?
Izay no fahazoako azy fa raha tsy izay dia avereno aty amiko fa tsy ho tapitra mihitsy indray ity sujet ity raha resaka toy izao ,jereo anie hi.hi
Dia araka io voalaza io izany dia lasa misy olona maka ny toeran'Atra ka tsy izy no maka fa ny olona izay mivavaka aminy no mametraka azy ho tompon'ny toeraNy .
Tsy misy Tompo sy Mpamonjy antsika afatsy Iray ihany dia Jesosy Kristy izany
5. Miharena
(
20/03/2012 05:13)
Ny resaka tohivakana amin'ny fivavahana dia efa hatramin'ny ela no nisy satria hatramintsika Malagasy aza no efa nivavaka tamin'ny razana.
Zavatra maro no fonosin'izany : Ny iray dia ny fahalalàna fa tsy misy ny fahafatesan'ny fanahy, ny faharoa dia ny fahalalàna fa miasa mitohy ny fanahy ary omena toeram-boninanhitra ho mpiahy, ny fahatelo dia antenaina fa io asan'ny fanahy io dia miampita faingana amin'Andriamanitra nipoirany noho ny sehatra maha-fanahy azy fa tsy amin'ny sehatra maha-nofo azy ka itokisana izany satria ny olombelona dia nofo ihany sady malemy (fanetrentena io).
Izay aloha ilay rafitra ary mahomby rehefa fantatra tsara fa manao ny asany ilay fanahy ampitondrana hafatra.
Fa izany eo ihany fa ny Apostoly dia niteny mihitsy hoe izahao toetra ny fanahy dia ho fantatrao na avy amin'Andriamanitra na tsia.
Ny ahafantarana izany dia izay tsy avy amin'Andriamanitra dia tsy maharitra ary tsy manome teny fiainana ka na isika itorian'ny hafa teny aza dia tokony hahatsapa hoe sehatra tsy mteny ve no zaraina sa sehatra miteny mampiorina finoana mandrakizay.

6. hery
(
20/03/2012 09:14)
1. Raha ilay hafatra niparitaka be teto dia tsy idirako satria amiko dia tsy ao anatin'ny Fiangonako (katolika) ny manaparitaka ireny, ka manana izay tanjona tiany hatao izy... ary anisan'izany ny fandotoana ny fiangonana.
2. Raha ny hoe mahavonjy na tsy mahavonjy fanahy ny fiantsoana azy, dia samy manana ny fijeriny. Betsaka ny zavatra mety mahavonjy fanahy. "Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala ny Ray", Ny fiainana ny didin'Andriamanitra dia mahavonjy fanahy, ny didy tokana nefa dia ilay hoe "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao". Ka ny zavatra rehetra manampy amin'ny fanatanterahana io didy tokan'Andriamanitra io dia mahavonjy fanahy.
3. Ny hoe "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako". Marina mihitsy io. Fa ianao ve tonga dia nahalala io Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana io? Iza no nitondra anao hahita an'i Jesoa? Ka ny olona na zavatra manampy anao rehetra hanatona an'i Jesoa dia zavatra tsara. Anisan'izany ny Ray amandreny, ny fampianarana sekoly alahady, ny fitaovana isankarazany hatramin'ny boky baiboly.

7. didi10
(
20/03/2012 10:01)
hery:

Tsapa namana Hery fa tianao ny Fiangonanao (Katolika) fa mbola tsy nanontany tena ve ianao hoe tena mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fiantsoana firesahana amin'ny ny maty (masin-dahy sy masim-bavy), sy ny fanankinana ny fiainanao amin'i Maria Virjiny?
Deo 8-17
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, 11 na manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty. 12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. 13 Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao. 14 Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa hianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
Inona moa no dikan'ny fangatahanao zavatra amin'ny masin-dahy sy masim-bavy tsy mitovy amin'ny mangatam-pitahiana amin'ny razana izay lazaintsika fa sampy ihany?
Ny amin'i Maria indray dia tsotra sady mazava ny didin'Andriamanitra ao amin'ny didy faharoa izay efa novain'ny katesizy na dia mbola voasoratra mazava ao anaty Baiboly Katolika ihany aza.
Eks 20 4-6
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
8. mirananirina
(
20/03/2012 13:23)
Tsapa namana Hery fa tianao ny Fiangonanao (Katolika) fa mbola tsy nanontany tena ve ianao hoe tena mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fiantsoana firesahana amin'ny ny maty (masin-dahy sy masim-bavy), sy ny fanankinana ny fiainanao amin'i Maria Virjiny
Mahagaga ahy ilay fomba filazanao hoe fiantsoana na firesahana @ maty???Mivavaka enao dia mangataka fitahiana @ izy ireo satria izy ireo no nialoha lalana any (zany hoe mpanelanelana an Atra sy ny olombelona)sahala @ mopera,pastera sy ny mpitory fivavahana rht.
Mivavaka @ Marie Virjiny indray satria izy dia renin 'i Jesoa,zany hoe ol lehibe no masina izy matoa nomena izany toerana izany ka tokony hajaina sy hivavahana ihany koa sahala @ i Jesoa!Nivoaka taiza moa i Jesoa???????Nahoana no tsy avy de nalatsak'Atra avy any Andanitra izy????Koa raha mino enao fa i Jesoa zanak'Atra,dia omeo hajany koa ny reniny
9. didi10
(
20/03/2012 14:34)
mirananirina:
Mahagaga ahy ilay fomba filazanao hoe fiantsoana na firesahana @ maty???Mivavaka enao dia mangataka fitahiana @ izy ireo satria izy ireo no nialoha lalana any (zany hoe mpanelanelana an Atra sy ny olombelona)sahala @ mopera,pastera sy ny mpitory fivavahana rht.
Aiza ao amin'ny Soratra Masina ry Mirana no misy filazana fa azo atao ny mangatam-pitahiana amin'ny razana sy ny maty?
Aiza ny Soratra Masina manambara fa mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny Olombelona ny Pasitera sy ny mompera?
10. hery
(
20/03/2012 14:42)
didi10> Raha vao miteny ho'aho ianao hoe "Aiza ao amin'ny Soratra Masina" dia tsy mitovy sahady ilay domaine de definition-ntsika.
Sa hiteny koa ianao hoe aiza ao amin'ny Soratra masina no misy hoe domaine de definition?
Dia tsy arako intsony.
Raha hanazava izay inoanao ianao dia lazao fa tsy ny olona rehetra no terenao hifototra amin'ny Soratra Masina IRERY. Satria ho an'ny hafa dia mety miteny amin'ny fomba rehetra Andriamanitra, miteny amin'ny pasitera sy mompera, miteny amin'ny alalan'ny zava-boahary, miteny amin'ny alalan'ny namana sns. Ho an'ny katolika manokana moa dia mbola hafa mihitsy fa hors sujet aho raha eto amin'ity dinika ity no hanitatra azy.

11. didi10
(
20/03/2012 15:00)
Tsy andriko mihitsy ny hanokafanao izany lohahevitra vaovao izany namana saingy fantatro fa tsy ho ataonao mihitsy izany!
Tim I 4,2
Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
Efa hita izao fa tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny voalazan'ny Soratra Masina dia mbola mitady hevitra hafa ihany.
Andriamanitra tokoa rahalahy no miantso vao ho afaka hanatona an'i Jesosy ny olona iray ka ho tonga aminao tsy ho ela anie izany fiantsoana izany.

12. hery
(
20/03/2012 15:07)
Jereo fa efa nisy resaka fizaràna ny finoana katolika nosoratako tany aloha tany.
Ny soratako eto dia fizaràna ny finoako fa tsy mba izaho mihitsy no hiteny hoe demonia izay tsy manaraka izany. Maimbomaimbo sekta izany amiko. Samy miandry an'io hoe voapetaky ny vy mahamay io isika.
Izaho tsy hiteny hoe tandremo lahy sao dia mbola any ivelany ianao, satria fantatro fa be famindram-po Andriamanitra nampiditra ilay jiolahy niara-nofantsihana taminy. Koa mety ho tafiditra any ianao na dia mbola any ivelany aza. Na izany aza, aza dia manao mafy fo.
Ny soratako eto dia fizaràna ny finoako fa tsy mba izaho mihitsy no hiteny hoe demonia izay tsy manaraka izany. Maimbomaimbo sekta izany amiko. Samy miandry an'io hoe voapetaky ny vy mahamay io isika.
Andriamanitra tokoa rahalahy no miantso vao ho afaka hanatona an'i Jesosy ny olona iray ka ho tonga aminao tsy ho ela anie izany fiantsoana izany.
Izaho tsy hiteny hoe tandremo lahy sao dia mbola any ivelany ianao, satria fantatro fa be famindram-po Andriamanitra nampiditra ilay jiolahy niara-nofantsihana taminy. Koa mety ho tafiditra any ianao na dia mbola any ivelany aza. Na izany aza, aza dia manao mafy fo.
13. didi10
(
21/03/2012 07:38)
[quote=hery]
Izaho tsy hiteny hoe tandremo lahy sao dia mbola any ivelany ianao, satria fantatro fa be famindram-po Andriamanitra nampiditra ilay jiolahy niara-nofantsihana taminy. Koa mety ho tafiditra any ianao na dia mbola any ivelany aza. Na izany aza, aza dia manao mafy fo.
[quote]
Tsoriko aminao namana fa tena katolika iringiriny mitovy aminao aho taloha, natao ny sakramenta rehetra fa rehefa nantsoin'Andriamanitra hivoaka tao aho ka hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema dia efa afaka amin'ny fanandevozan'ilay vehivavy janga voalazan'ny apokalipsy. Izao aho izao mivavaka amin'ny fo madio, amin'ny fieritreretana madio, tsy misy tebiteby na fanontaniana tsy voavaly manenjika ny eritreritra amin'ny fombam-pivavahana na zavatra terena ho marina kanefa mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
Ianao ary rahalahy sintomina hivoaka ao koa izaho indray no tadiavinao hiditra na hiverina ao?
SANATRIA
14. hery
(
21/03/2012 08:15)
Tsoriko aminao namana fa tena katolika iringiriny mitovy aminao aho taloha,
Tsy katolika iringiriny izany ianao, mety tsy mbola katolika matimaty akory. Satria ny tena katolika tsy mivoaka ao izany :-). Izaho ara tsy iringiriny akory efa manomboka mahazo ny tena fiainana ao. Na ny fomba entinao amin'izao aza dia tsy eritreretiko mihitsy hoe nandalo katolika ianao, na farafaharatsiny tsy tena niaina ny fiainana katolika. Ny katolika mantsy dia nobeazina halalaka kokoa. Jereo fa misy ireo katolika izay niala tao amin'ny fiangonana katolika fa tsy tahaka ny fomba fijerinao ny fijeriny.
Mety hoe katolika tsy tena niaina ilay finoana ianao fa zavatra hafa no notadiavinao, dia nony tsy nahazo dia lasa mpanohitra mafana fo? Tsy izany ve no nataon'i Losifera?
Izao aho izao mivavaka amin'ny fo madio, amin'ny fieritreretana madio, tsy misy tebiteby na fanontaniana tsy voavaly manenjika ny eritreritra
Nefa hitako hoe fanontaniana tsy voavaly sy manenjika ny eritreritrao mihitsy ny hoe maninona no mbola be dia be ny katolika? Maninona ry zareo no tsy miala daholo? sy ny hoe Maninona no tsy ato amin'ny fiangonako daholo ny olona?
Satria raha tsy manenjika ny eritreritrao ireo dia tsy nivaky loha hankahala ny hafa akory ianao.
Izany no fiadanam-po ananako amin'ny maha katolika ahy. Izaho dia tsy dia mivaky loha hoe maninona no tsy katolika daholo izao tontolo izao. Tsy dia mivaky loha hoe ho voavonjy ve i anona sa tsia. Ny ataoko dia manoro azy ny finoaKO, fa tsy mitsikera ny finoaNY. Mihinana izy, tsara, tsy mihinana izy, tsy ozoniko fa azy ny azy... ary milamina mihitsy ny saiko amin'izany satria fantatro fa olon-dehibe manana ny fahalalahany izy. Izany no tena filaminan-tsaina.
Tsy izaho mihitsy no hisahiran-tsaina hijery hoe fa maninona sy maninona ary ry zareo ao... satria tsy mampilamina eritreritra izany.
Ka raha tena te hilamina tokoa ny eritreritrao dia izany no ataovy. Aza miraharaha izay olona hafa ho voavonjy sy tsy ho voavonjy izany satria na ny fanahinao aza tsy fantatrao akory na ho voavonjy.
15. RBNIR
(
21/03/2012 11:30)
hery:
aza tsy fantatrao akory na ho voavonjy.
Faly miarahaba ny namana rehetra indray, izaho indray kosa tsy d'accord amin'ity lazain'ny namana hery farany ity.
Ny olona rehetra tokony samy mahatsapa raha efa "nahavita ny hazakazany marina tokoa na tsia". Misy ny point de départ ary misy ny point d'arrivée fa tsy hoe mandeha anjambany akory isika. Ary eo anelanelan'ireo ilay làlana dradradraiko eto foana. Ety, misy hazo fijaliana lanjaina, ary zohimpahoriana tokoa. Nefa dia maivana sady mora ihany koa.
Ary hanenina izay tsy mety mandeha.
Mila mianatra hoy aho isika.
Samia tahin'i JEsosy Tompo ry namana isany.
16. didi10
(
21/03/2012 12:03)
Avereno zaraina eto izany finoana katolika lazainao izany namana Hery a! farafaharatsiny alefaso ny lien ny!
17. Miharena
(
21/03/2012 12:20)
Ny ahy moa namana isany dia voavonjy daholo ny olon-drehetra araka ny planina hitako rehetra ao anaty Baioly sy amin'y hafatra isan-karazany izay hitako aty aoriana. Ilay resaka helo fotsiny no misy tsy mety eo amin'ny fandraisana azy amin'ny mpanitrikitrika fa ny famonjena dia efa azo na dia ankehitriny aza rehefa mahalala tsara ary tsy miroaroa amin'izany sy mitady izay tsy fantatra.
Hoy ilay mpitandrina izay raha nanoratra hoe ankehitriny ny famonjena. Tsy andrasana rahampitso izany ary tsy tokony hiadiana hevitra akory satria tsy mitombina ny adihevitra raha miompana amin'ny fombafomba fa mivily amin'ny fahamarinana dia ny fiainana mandrakizay izany.

18. mirananirina
(
21/03/2012 15:50)
Aiza ao amin'ny Soratra Masina ry Mirana no misy filazana fa azo atao ny mangatam-pitahiana amin'ny razana sy ny maty?
Aiza ny Soratra Masina manambara fa mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny Olombelona ny Pasitera sy ny mompera?
Tsy misy izany ao anaty baiboly!fa angaha voatery izay tsy voalaza ao dia tsy hinoana sy arahina??Ny ahy aloha ny razako taloha na Masim-bavy na lahy rht tany dia angatahiko famonjena rehefa mivavaka aho dia hoy aho hoe:Tompokovavy na lahy Ra......hangatao fitahiana any @ Atra izahay ety an-tany fa ianareo izao no any akaikiny any!De manina izao izany?ahy io?izay no tiako sy arahiko!Izany akory tsy midika fa tsy mivavaka @ Atra direct aho,au contraire,Izy no hivavahako voalohany indrindra dia manaraka ny rehetra!
Sahala @ izay koa Marie renin'i Jesoa,amiko ohatra raha mi-voyage aho dia hoy aho hoe:Masina Marie tantano ny dianay!
Resaka baiboly indray aho:izay ao anaty baiboly ihany no tokony arahina,hoy enao:
hoy ny didi 10:aza mamono olona
Hoy ny ao anaty baiboly:izay tsy mifanaraka @ sitrapony dia novonoiny avokoa:Noé,Samson,David sns......Iza ary no arahina,hamono olona sa tsy hamono??????Samy ao anaty baiboly ireo?Tadidio anefa fa olombelona toa antsika no nanoratra ireny fa tsy Atra direct
19. Miharena
(
21/03/2012 17:11)
Anisan'ny tsy mino izay lazain'ny Baiboly izay milaza fa tsy velona ireo olona nodimandry ary fatra-panenjika ny olona mangataka amin'ny razana na miresaka aminy. I Kristy efa lasa inoany fa ny razany efa lasa tsy inoany fa velona toa an'i Kristy.
20. didi10
(
22/03/2012 10:46)
mirananirina:
Aiza ao amin'ny Soratra Masina ry Mirana no misy filazana fa azo atao ny mangatam-pitahiana amin'ny razana sy ny maty?
Aiza ny Soratra Masina manambara fa mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny Olombelona ny Pasitera sy ny mompera?
Tsy misy izany ao anaty baiboly!fa angaha voatery izay tsy voalaza ao dia tsy hinoana sy arahina??Ny ahy aloha ny razako taloha na Masim-bavy na lahy rht tany dia angatahiko famonjena rehefa mivavaka aho dia hoy aho hoe:Tompokovavy na lahy Ra......hangatao fitahiana any @ Atra izahay ety an-tany fa ianareo izao no any akaikiny any!De manina izao izany?ahy io?izay no tiako sy arahiko!Izany akory tsy midika fa tsy mivavaka @ Atra direct aho,au contraire,Izy no hivavahako voalohany indrindra dia manaraka ny rehetra!
Sahala @ izay koa Marie renin'i Jesoa,amiko ohatra raha mi-voyage aho dia hoy aho hoe:Masina Marie tantano ny dianay!
Resaka baiboly indray aho:izay ao anaty baiboly ihany no tokony arahina,hoy enao:
hoy ny didi 10:aza mamono olona
Hoy ny ao anaty baiboly:izay tsy mifanaraka @ sitrapony dia novonoiny avokoa:Noé,Samson,David sns......Iza ary no arahina,hamono olona sa tsy hamono??????Samy ao anaty baiboly ireo?Tadidio anefa fa olombelona toa antsika no nanoratra ireny fa tsy Atra direct
Izay tsy voasoratra ao anaty Baiboly ry namana dia anganongano na iza na iza nanoratra sy mampianatra izany.
Tim II 4 : 1 - 5
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.