Maria masina, masin-dahy, masim-bavy : hahavonjy ny fanahinao ve ny fiantsoanao azy.

21. hery ( 22/03/2012 10:54)

Izay tsy voasoratra ao anaty Baiboly ry namana dia anganongano na iza na iza nanoratra sy mampianatra izany.

Baiboly ihany ve no anamarinanao hoe tsy misy afatsy Baiboly? :-)

Nefa iza no nanoratra ny baiboly? Sa natao dictée tahaka ny Coran ny baiboly?
Taiza no nanoratana ny baiboly? Sa nilatsaka avy any an-danitra ny baiboly?
Ahoana no nampitana ny baiboly? Sa tonga dia vita boky photocopié ny baiboly?

Izay no ilazako hoe tsy mbola nandalo katolika "hiringiriny" izany ianao.
22. didi10 ( 22/03/2012 12:29)

hery:

Ay moa ny papa no nanoratra ny Baiboly, de tao Vatican no natambatambatra de ny missionera katolika no nanaparitaka azy. Ay kay tena produit fini Katolika ny Baiboly?
Anareo zany iny satria nareo no nanoratra azy ka rehefa misy teny tsy mifanaraka amin'ny sitra-ponareo dia afaka ovaovainareo iny satria anareo?

23. Miharena ( 22/03/2012 15:01)

Izay hitsara ny velona sy ny maty

Tsy misy maty izany no dikan'io fa samymanana ny anjara asany izay efa nodimandry.
24. hery ( 22/03/2012 15:04)
didy10:

Ay moa ny papa no nanoratra ny Baiboly, de tao Vatican no natambatambatra de ny missionera katolika no nanaparitaka azy. Ay kay tena produit fini Katolika ny Baiboly?
Anareo zany iny satria nareo no nanoratra azy ka rehefa misy teny tsy mifanaraka amin'ny sitra-ponareo dia afaka ovaovainareo iny satria anareo?

Toa tsy niteny an'ireo aho ka.

Mbola vao teny tsotra be soratako ara dia efa sarotra aminao ny mahazo azy, vao maika fa baiboly izay
- Nosoratan'olona maro tao anaty contexte niainany avy
- Nosoratana nandritra ny fotoana maro
- Nadika nandritra ny fotoana maro

Ka hoy aho hoe aza maika hitsara raha avy ao amin'ny baiboly fotsiny ny loharanonao satria sarotra dia sarotra ny mahazo ny baiboly.
25. didi10 ( 22/03/2012 17:24)

hery:

Ka hoy aho hoe aza maika hitsara raha avy ao amin'ny baiboly fotsiny ny loharanonao satria sarotra dia sarotra ny mahazo ny baiboly.

Sarotra aminao satria tsy manaraka ny voasoratra ianao, ka rehefa tratran'ny fanontaniana momba ny sitrapon'Andriamanitra voasoratra tsy arahinao ianao dia ny VALEUR SPIRITUEL 'ny Baiboly no hamavaininao, lazainao fa tsy tenin'Andriamanitra io fa soratr'olombelona, nangonin'olombelona ...
Tsy ampy fandalinana ny Baiboly ianao fa variana any amin'ny Katesizy izay tena fampianaran'olombelona araka ny filazanao.
MIFOHAZA RAHALAHY
26. Miharena ( 23/03/2012 16:31)
Didi10:

VALEUR SPIRITUEL

Mba mila fanazavana avy aminao momba io aho raha azo atao namana.
27. hery ( 23/03/2012 16:39)
Didi10:

lazainao fa tsy tenin'Andriamanitra io fa soratr'olombelona

Mbola manao interpretation diso ny zavatra teneniko ihany ianao. Fomba ahoana no hahazoanao araka ny tokony ho izy ny Baiboly izay tenin'Andriamanitra raha toa ka ny teniko izay tenin'olombelona aza diso ny fandikanao azy?

Tsy niteny mihitsy aho hoe tsy tenin'Andriamanitra ny baiboly. Fa noho ny maha tenin'Andriamanitra azy indrindra no tsy anekeko anao IRERY hanao ny interpretation-nao sy ny hi-imposer izany ho anay. Fa ianao no iza?

Izaho raha mandinika ny baiboly dia tsy mihambo ho mahalala ny tanteraka ny tena tian'Andriamanitra lazaina. Izay no amakiako azy miaraka amin'ny Fiangonana sy ilàko ny fanazavana omen'ny Fiangonana sy ny traikefa efa niainan'ny kristianina mifandimby.
28. didi10 ( 25/03/2012 13:08)
Aza avela ny fiangonana no hanazava aminao fa makà toerana mangina dia vakio ny Baiboly dia ho hitanao ny marina.
Mila maka loha-hevitra fotsiny ianao amin'ny fianarana ataonao dia vakianao ny Tenin'Andriamanitra,

Raha hitanao fa mifanohitra ny fampianaran'ny Baiboly sy ny fiangonana?
Ny an'iza no tokony horaisinao?
29. Miharena ( 25/03/2012 16:18)
Didi10, mba mangaraka aminao hamay ilay valeutr spirituelle ny namana e!

Misaotra indrindra
30. didi10 ( 26/03/2012 06:39)

Miharena:

Didi10, mba mangaraka aminao hamay ilay valeutr spirituelle ny namana e!

Misaotra indrindra

Tsara ny Tompo
Miarahaba anao namana Miharena

Tsy hanazava aminao ny dikan'ny hoe "VALEUR SPIRITUEL" en tant que mot fotsiny aho fa ny Valeur Spirituel 'ny Baiboly no resaka atao ambony.

Jao 1,1
[-1-] Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Matio 15,6
6 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:
8 " Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony;
Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko,
Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy" (Isa.29.13).

Dia mbola mila asiana sary koa ve ry Miharena vao ho azontsika ny "lanjan'ny Tenin'Andriamanitra'?
31. pissoa ( 26/03/2012 10:31)
Mety variana ihany Andriamanitra mahita ny ataontsika mitory Azy amin'avona sy arrogance mitafotafo an hi hi hi
32. didi10 ( 26/03/2012 12:16)

pissoa:

Mety variana ihany Andriamanitra mahita ny ataontsika mitory Azy amin'avona sy arrogance mitafotafo an hi hi hi

Kor I 2 : 14
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
33. Miharena ( 26/03/2012 12:17)
Didi10:

Jao 1,1
[-1-] Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Matio 15,6
6 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:
8 " Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony;
Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko,
Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy" (Isa.29.13).

Marina ilay voalohany raha mamaly ny atao hoe valeur spirituelle fa ilay faharoa dia teny matetika fampiasan'ny olona mpiampanga sy mpitsaratsara foana rehefa mitory teny raha toa izy ka tsy mampianatra tsara ilay atao hoe "akaikin'Andriamanitra ny fo".

Dia hazavao tsara àry aloha ilay hoe akaikin'Andriamanitra sy ny hoe lavitra Azy.

Misaotra indrindra.
34. didi10 ( 26/03/2012 16:12)
Rehefa metimety aminao ny Tenin'Andriamanitra dia maika ery ianao milàza fa marina ilay voalohany, fa rehefa tsy metimety aminao kosa dia lazainao fa fiampangana?
Baiboly iray ihany no nangalana ireo teny roa ireo ary marina avokoa.

Aleo hamafisiko fa tsy misy dikany ny hivavahanao Aminy raha ny didin'olombelona sy fampianaran'olombelona no arahinao fa tsy ny Soratra Masina dia ny Baiboly Masina izany.
35. pissoa ( 26/03/2012 23:07)
didi10, io lazainao io indrindra no mahatonga ny mpitory ho arrogant anie e. Mihevi-tena fa izy ihany no mahalala hi hi hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0463