Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra ho antsika

1. niryna ( 09/03/2012 07:15)
Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny ,izay tsy mino an''Andriamanitra dia efa nampandainga Azy ,satria tsy mino ny fanambarana izay efa nambaran'Andriamanitra ny Zanany izy. Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra ho antsika ,ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana,izay tsy manana ny Zanaka kosa dia tsy manana fiainana. I Jaona 5:10-13
Io ambony io izany no tenin'ny Tompo ka isaorantsika Andriamanitra manankarem-pasoavana mizara antsika izany fiainana mandrakizay izany .

Dia ahoana ny tohiny?
[b] Ny amin'ny fivavahana ary ny tsi-fitovian'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy

14 Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika ,dia mihaino antsika Izy,ary raha fantantsiika fa mihaino antsika Izy ,na inona na inona no angatahintsika ,dia fantantsika fa azontsika izay angatahantsika aminy.

Mazava ho azy izany fa izay manana ny Zanaka no hanana ny fiainana mandrakizay.
Inona no fomba hanazavanareo izany fiainana mandrakizay izany?

Eto anefa dia mahavariana fa raha misy izany ny fiainana mandrakizay ka miaraka an'i kristy isika,dia misy koa izany ny fiainana izay tsy miaraka amin'i kristy sa ahoana ? dia andeha ho aiza na aiza no alehan'izay tsy miaraka amin'i kristy?

Hoy mantsy ny namana iray hoe :
Miharena:

Ny afobe sy ny ota dia ny olona ihany no mitondra azy ary ny haizina dia noho ny asan'ny olona tsy mitombo ho amin'ny hazavana
. Raha tsy voavakinao ilay boky dia tsy ho azonao mihitsy izany fahatsoran'Andriamanitra sy ny famindrampoNY mandrakizay izany.

Izany hoe raha ny fahalalako azy izany dia misy olona hafa,izay mamorona baiboly vaovao indray amin'izao fotoana izao ka 3eTestament no hilazany azy ,ary ao anatin'io ny fanazavana nampianariny io ny tsy fisian'ny afobe sy ny ota ary nolazain'i Miharena fa hita amin'izany ny fahatsoran'Atra sy ny famindrampony mandrakizay hono io an?
ahoana ny hevitrareo ?

répondu par Miharena le 27/03/2012 05:19
2. Miharena ( 09/03/2012 15:09)
Niryna:

Eto anefa dia mahavariana fa raha misy izany ny fiainana mandrakizay ka miaraka an'i kristy isika,dia misy koa izany ny fiainana izay tsy miaraka amin'i kristy sa ahoana ? dia andeha ho aiza na aiza no alehan'izay tsy miaraka amin'i kristy?


Rehefa zarainao ny Fiainana mandrakizay dia zarao ary ampahafantaro tsara koa ny fialàna amin'ny fahoriana sy ny faharatsia-panahy amin'ny fomba tsotra sy mifototra amin'ny fahalalàna an'i Kristy sy izay niteraka AZY dia ny Ray be Famindram-po fa aza mihevitra izay heverin'ny sainao fa tsy manaraka AZY satria tsy misy izany tsy manaraka AZY izany fa ny eritreritrao no mivoana ka manamainty ny olombelona hafa nefa ianao manana amin'ny voalohany fa Andriamanitra no namorona izao rehetra izao ary mitoetra amin'izany toerana izany IZY mandrakizay fa tsy rehefa diso ny olona na tsy mahalala AZY dia hiteny IZY hoe tsy Izaho no namorona anareo (miala bala). Rehefa fantatrao fa Andriamanitra dia Fitiavana dia tano hatramin'ny farany izany fa aza mamafy ozona, indrindra fa ozona tsy ao anatin'ny famoronan'Andriamanitra fa efa lazaiNY fa avy amin'ny fahadisoam-pijerin'ny olombelona (AFOBE).

Rehefa maloto ny fon'ny olona izay fofon'Ainy dia dioviNY amin'ny alalan'ny fanalàna ny nofo ota (Sodoma sy Gomora, Safodrano) mba hafafy amin'ny nofo vaovao mandram-pahadiony tanteraka.

Io ilay hoe Ny zanaKO sy ny asan'n yTanaKO dia aoka ho adidiKO ihany!

Aza dia manenjika izay fahendren'ny hafa satria tsy misy fahendrena tsy avy amin'ny Mpamorona na i Boudha, na ny Silamo na izy milaza azy ho athée dia Andriamanitra Ray no ao anatiny vao mahavoaka fahendrena indraim-bava izy. Ary aza mihevitra ny olona tsy mahalala ani' Kristy ka tsy ho voavonjy. IZY no milaza izany ao anaty Baiboly fa karohy tsara ilay Baiboly fa sao dia toy ny boloky mitory fanavakavahana ianao fa tsy mitory amin'ny fo feno fitiavana mizara izay zava-tsoa azonao.

Vakio ny boky dia fantaro hoe avy amin'olona sa avy amin'Andriamanirtra fa aza tonga dia milaza ianao fa olona no miteny ao ary Miharena no mamorona ireo teny nambara ireo.
3. niryna ( 09/03/2012 18:10)
[
Niryna:

Eto anefa dia mahavariana fa raha misy izany ny fiainana mandrakizay ka miaraka an'i kristy isika,dia misy koa izany ny fiainana izay tsy miaraka amin'i kristy sa ahoana ? dia andeha ho aiza na aiza no alehan'izay tsy miaraka amin'i kristy?

Miharena:

Rehefa zarainao ny Fiainana mandrakizay dia zarao ary ampahafantaro tsara koa ny fialàna amin'ny fahoriana sy ny faharatsia-panahy amin'ny fomba tsotra sy mifototra amin'ny
fahalalàna an'i Kristy sy izay niteraka AZY dia ny Ray be Famindram-po

Io mibaribary ao anatin'ny baiboly kristiana io ilay izy ka .Averiko indray ary sao tsy hitanao ao amin'ny I Jaona 5 10 .. Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny ,izay tsy mino an''Andriamanitra dia efa nampandainga Azy ,satria tsy mino ny fanambarana izay efa nambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
Miharena:

fa aza mihevitra izay heverin'ny sainao fa tsy manaraka AZY satria tsy misy izany tsy manaraka AZY izany fa ny eritreritrao no mivoana ka manamainty ny olombelona hafa[ nefa ianao manana amin'ny voalohany
Izay ve no eritreritrao sa mitsaratsara olona e,ny ahy dia mi-base amin'ny baiboly foana fa tsy mamorona boky tsy nomen'Atra izany ,io aza mbola maro ny teny miafina saro-patarina ka anenjika bitro lavitra ary indray hi,hi
Hoy ny fiteny izay hoe Tandremo ny Teny avoaka ny vava fa lasa mitarika ny tiana tenenina ao am-po. Izay zavatra ao anatin'ny saintsika dia avy any anatin'ny fo avokoa ka izany no mahatonga anao miteny ny olona ho manamainty na manamanga na manamavo,mila mitandrina kely Miharena ooops
[quote=Miharena]
fa Andriamanitra no namorona izao rehetra izao ary mitoetra amin'izany toerana izany IZY mandrakizay fa tsy rehefa diso ny olona na tsy mahalala AZY dia hiteny IZY hoe tsy Izaho no namorona anareo (miala bala).
dia mbola manodikodina ny baiboly kristiana ihany hianao satria nahazo fampianarana tany amin'ny 3e testament tany?
Jaona 3:16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao :nomeny ny Zanany Lahitokana ,mba tsy ho very izay rehetra mino Azy ,fa hanana fiainana mandrakizay
Noho izany hisy izany ny hino Azy,hisy ny teo no niala (fornicator) hisy ny hania sy hanompa ny anarany na hanome soketa ireo mpitory ka lazaina fa tsy izy ireny ary hisy koa ny hanompa ny fanahy masina(blasphemy) ,ireo carnal ,ireo stambling blocks na ireo efa nino azy dia nivily lalana hafa mihitsy izay mamotraka azy ,sns .Hisy tsy hino Azy izany araka ny baiboly kristiana .kanefa tsy manameloka azy ireo Andriamanitra fa mbola mitady antsika rehetra hiverina sy hibebaka ary andeha amin'ny lala-mahitsy rehetra
ka hoy ihany Izy manohy hoe[b] Jaona 3:17-18 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjena izao tontolo izao Izay mino azy dia tsy helohina fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo satria , satria tsy nino ny anaran'ny Zanany Lahitokan'Andriamanitra izay
Miharena:

Rehefa fantatrao fa Andriamanitra dia Fitiavana dia tano hatramin'ny farany izany fa aza mamafy ozona, indrindra fa ozona tsy ao anatin'ny famoronan'Andriamanitra fa efa lazaiNY fa avy amin'ny fahadisoam-pijerin'ny olombelona (AFOBE).
dia tonga ilay tenin'ny ankizy ary ambadika ary indray izany Miharena hoe tambatambazan'i satana ny olona ka ambarany fa tsy misy izy fa rehefa tonga any anie ka tsy afaka hiverina intsony vao hiantso hoe may aho dada,maty aho neny. Fanambarana lehibe sy mazava ny fanoharana
Miahrena:

Rehefa maloto ny fon'ny olona izay fofon'Ainy dia dioviNY amin'ny alalan'ny fanalàna ny nofo ota (Sodoma sy Gomora, Safodrano) mba hafafy amin'ny nofo vaovao mandram-pahadiony tanteraka
Io ilay hoe Ny zanaKO sy ny asan'n yTanaKO dia aoka ho adidiKO ihany!

hay va re e hi,

Miharena:
Aza dia manenjika izay fahendren'ny hafa satria tsy misy fahendrena tsy avy amin'ny Mpamorona na i Boudha, na ny Silamo na izy milaza azy ho athée dia Andriamanitra Ray no ao anatiny vao mahavoaka fahendrena indraim-bava izy.

efa hoe izay avoakan'ny vava sy ny soratra no efa mitsara avy hatrany,fahendrena avy amin'Atra tompoko dia tsy azo raha tsy avy amiNy irery ihany .Zavatra iray monja no nangatahin'i Solomona mpanjaka dia ny fahendrena
4. Miharena ( 10/03/2012 20:12)
Niryna:

Izay ve no eritreritrao sa mitsaratsara olona e,ny ahy dia mi-base amin'ny baiboly foana fa tsy mamorona boky tsy nomen'Atra izany ,io aza mbola maro ny teny miafina saro-patarina ka anenjika bitro lavitra ary indray hi,hi
Hoy ny fiteny izay hoe Tandremo ny Teny avoaka ny vava fa lasa mitarika ny tiana tenenina ao am-po. Izay zavatra ao anatin'ny saintsika dia avy any anatin'ny fo avokoa ka izany no mahatonga anao miteny ny olona ho manamainty na manamanga na manamavo,mila mitandrina kely Miharena ooops



efa hoe izay avoakan'ny vava sy ny soratra no efa mitsara avy hatrany,fahendrena avy amin'Atra tompoko dia tsy azo raha tsy avy amiNy irery ihany .Zavatra iray monja no nangatahin'i Solomona mpanjaka dia ny fahendrena



Misaotra anao mampittandrina ary miala tsiny raha somary mahery sy manafintohina anao ilay fomba famosahan-kevitra nahatonga anao hanoratra ity fehezanteny ity. Izy ity moa dia avy hatranyn dia lasa any am-bovonana ny fifamaliantsika ka miala tsny indrindra. Ny Tompo Ve fiadanana ho ao anatinao hatrany ary hiorina ao amponao ny Teniny hoe '"manaova soa amin'izay manisy ratsy anareo".

Ary izy ity moa dia lasa tsikera ny olona miteny ka lasa fitsaratsatam-poana no hiafarany ka miala tsiny indrindra anao fa tafaroboka amin'y fahadisoana lehibe na izaho na ianao.

Aoka avalona eo iny aloha dia aoka samy hanokatra ny fontsika avy isika mba tsy hahasimba ny lohahevitra nosokafanao, izay ataoko fa tsy fanenjehana ahy fa fanenjehana izay voasoratra ao anatin'ny boky izay anarana telo no mandrakitra ny fanambarana ao anatiny dia Jehovah, Jesoa ary Fanahy Masina. Ary fantatro fa marina ny fanambarana fa tsy manova mainty na fotsy na mena aho.

Tandremo sao dia izaho indray no henjehinao rehefa miteny izany an! Izay nanambara henjehhina hatramin'ny farany satria efa mahalala izany ianao.



Jaona 3:16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao :nomeny ny Zanany Lahitokana ,mba tsy ho very izay rehetra mino Azy ,fa hanana fiainana mandrakizay

Noho izany hisy izany ny hino Azy,hisy ny teo no niala (fornicator) hisy ny hania sy hanompa ny anarany na hanome soketa ireo mpitory ka lazaina fa tsy izy ireny ary hisy koa ny hanompa ny fanahy masina(blasphemy) ,ireo carnal ,ireo stambling blocks na ireo efa nino azy dia nivily lalana hafa mihitsy izay mamotraka azy ,sns .Hisy tsy hino Azy izany araka ny baiboly kristiana .kanefa tsy manameloka azy ireo Andriamanitra fa mbola mitady antsika rehetra hiverina sy hibebaka ary andeha amin'ny lala-mahitsy rehetra

Eto ohatra, dia manaiky 1000 isanjato na antapitrisany isanjato aho ny teninao ary teniko koa izany satria tsy manameloka azy ireo Andriamanitra fa mbola mitady antsika rehetra hiverina sy hibebaka ary handeha amin'ny lala-mahitsy rehetra ary mandrakizay ny famindrampony. Rehefa rehetra dia rehetra fa tsy avahana indray hoe voaheloka rahateo


Dia rehefa tonga amin'io resaka io isika dia mandinika tsara hoe voasoratra tokoa izy izany fa inona no tian'ny Tompo lazaina??? tsy manameloka nefa voaheloka rahateo???

Dia vakio ny Baiboly iray manontolo fa ho hitanao ao ny valiny ary tsotra ny valiny dia ny teny hoe ny fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka ka mila mitandrina isika fa sao potrak'ilay iray tandroka (voaheloka) ilay iray siny (Tsy manameloka).

Izay no mampihodinkodina sy hilazanao fa mbola betsaka ny misitery tsy takatrao ao anaty Baiboly ka hanakatra Testamenta fahatelo ahoana??

izaho indray manao hoe, mamaha ireo mampiolakolan-tsaina avy amin'y hevitra mifahonitra ao anaty Baiboly ireo ny 3e Testament sady tsotra no feno no tsara fanazavana no tsy mifono misitery.

Fantatrao ny Tomponao rehefa mamaky izany ianao.

Dia misaotra indray ary hazava hatrany anie ny Fonao fa tsy hisy masirasira satria ny Fiadanan'ny tompo efa nozaraiNY ho an'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.
5. Miharena ( 10/03/2012 20:18)
Miala tsiny, Ny Tompo Be Fiadanana fa tsy Ve (Nifanakaiky ny touche), ary Fiadanan'ny Tompo fa tsy tompo.

Izay Niryna an! Aza miroaroa saina intsony fa tiavo ny fahavalonao (raha izy aho).
6. niryna ( 10/03/2012 20:54)

Miharena:

Miala tsiny, Ny Tompo Be Fiadanana fa tsy Ve (Nifanakaiky ny touche), ary Fiadanan'ny Tompo fa tsy tompo.

Izay Niryna an! Aza miroaroa saina intsony fa tiavo ny fahavalonao (raha izy aho).
hi,hi
Tsy izahay no miady fa hianao no miady noho ny anaraNao.
Tsy miroaroa saina aho fa mizara ary raha mahafantatra avy hatrany fa fahavalo hianao dia mivavaka ho anao aho satria ny tenin'ny Tompo dia mivavaha ho an'izay mankahala anao.
Amena
7. Miharena ( 10/03/2012 21:13)

Tsy izahay no miady fa hianao no miady noho ny anaraNao.


???
8. niryna ( 10/03/2012 21:20)
[QUOTE=Miharena ]Miala tsiny, Ny Tompo Be Fiadanana fa tsy Ve (Nifanakaiky ny touche), ary Fiadanan'ny Tompo fa tsy tompo.[/quote inona koa izany? hi.hi

Izay Niryna an! Aza miroaroa saina intsony fa tiavo ny fahavalonao (raha izy aho).

niryna:

hi,hi
Tsy izahay no miady fa hianao no miaDy noho ny anaraNao.
Tsy miroaroa saina aho fa mizara ary raha mahafantatra avy hatrany fa fahavalo hianao dia mivavaka ho anao aho satria ny tenin'ny Tompo dia mivavaha ho an'izay mankahala anao.
Amena

kristy no mahafantatra ny ondriny.
9. Miharena ( 10/03/2012 21:32)
OndiNY daholo na iza na iza ary rehefa misy iray very dia iny aloha no tadiaviNY fa ny 100000000000000000 ..... avelaNY satria efa AZY.

mandrakizay io an! RAha mbola misy na tapany toa ny sila-koho aza, tadiaviNY satria tsy misy tsy AZY.
10. niryna ( 10/03/2012 21:50)

Miharena:

OndiNY daholo na iza na iza ary rehefa misy iray very dia iny aloha no tadiaviNY fa ny 100000000000000000 ..... avelaNY satria efa AZY.

mandrakizay io an! RAha mbola misy na tapany toa ny sila-koho aza, tadiaviNY satria tsy misy tsy AZY.
ONDRINY daholo,izay efa Azy . Ary mbola mitady ireo ondry mania izy hatramin'izao ka,sa efa azony daholo hi,hi
11. Miharena ( 11/03/2012 05:20)
Efa fantaNY fa AZY ka! Tsy misy iray tsy AZY fa ianao fotsiny no vaky loha mihevitra fa misy tsy AZY ireo.

Izaho mahita fa AZY tsy misy ankanavaka raha vao nataoNY araka ny EndriNY ka hotsipahanao ve izany Teny Malaza izany ?
Nisy tantara fotsiny teo nanamaizina ny tsy fahalalàna AZY dia izay.

Rehefa mino dia aza mierikerika fa banjino ny MARINA dia tokana ihany : NY RAY dia aza afangaro amin'ny hoe sa efa azony daholo???

Toa an'i davida sy Goliath isika Kristianina sy ny olombelona rehetra. Goliath no sarin'ny finoanoam-poana mihevitra fa maharo azy ny arofanin'izao tontolo izao fa i Davida na dia nametrahana ireo arofanina ireo aza dia nilaza hoe mavesatra be ireo fa aleo ny Anaran'i Jehovah no hamelezako azy amin'ny foko manontolo sy ny talenta keliko (antsamotady).

Dia zahavo ny ohatra rehetra toa an'io ao amin'ny Filazan-tsara sy ny fanambarana rehetra ataon'ny mpiara-mivavaka sy ny Mpitarika ary ny vavolombelona natokana hampita dia ho hitanao fa mazava ianao ary mitondra izany amin'ny mpiara-belona aminao ary mampianatra azy hijoro tsara fa tsy hampianatra zy misitery tsy takatry ny sainy.
12. niryna ( 11/03/2012 23:16)
Miharena:

Efa fantaNY fa AZY ka! Tsy misy iray tsy AZY fa ianao fotsiny no vaky loha mihevitra fa misy tsy AZY ireo.
Fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahalala ny feoKO

Izaho mahita fa AZY tsy misy ankanavaka raha vao nataoNY araka ny EndriNY ka hotsipahanao ve izany Teny Malaza izany ?
koa maninona no tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao fa efa Azy ihany :tsy mila mibebaka na manao ny tsara intsony fa na mpangalatra omby io ,na mpangala-bolam-bahoaka,na mpanodikodim-bolam-panjakana na manao tsinotsinona ny vahoaka na mpisikidy na mpamosavy, na mpihinana ny volam-bahoaka sy ny sns sy izay rehetra mahafaly ny fo rehetra . Te ho voavonjy hianao,aza manao na inona na inona,tsy te ho voavonjy? aza manao na inona na inona satria mitovy avokoa ihany ny tsara sy ratsy araka ny hevitrao

Nisy tantara fotsiny teo nanamaizina ny tsy fahalalàna AZY dia izay.
koa maninona no saziaNy indray? manao ny mety tsy voaheloka,manao ny tsy mety vao maika tsy maninona tsy maninona ,ha,ha!

Rehefa mino dia aza mierikerika fa banjino ny MARINA dia tokana ihany : NY RAY dia aza afangaro amin'ny hoe sa efa azony daholo???
ka inona no ilaina ny fahalalana ny teniNy sy ny fanomezana ny hafan'ny Tompo? na amboa na amboan'olona rehefa vandana dia kary avokoa ary tsy mila manao na inona na inona intsony izany ny 3e testament-nao ooops

Toa an'i davida sy Goliath isika Kristianina sy ny olombelona rehetra. Goliath no sarin'ny finoanoam-poana mihevitra fa maharo azy ny arofanin'izao tontolo izao fa i Davida na dia nametrahana ireo arofanina ireo aza dia nilaza hoe mavesatra be ireo fa aleo ny Anaran'i Jehovah no hamelezako azy amin'ny foko manontolo sy ny talenta keliko (antsamotady).
aiza indray re izany e,vao teo hianao no niteny fa tsy mila manao na inona na inona fa efa azy avokoa,izao indray maka ohatra ao amin'ny baibolin'ny kristiana tsss!

Dia zahavo ny ohatra rehetra toa an'io ao amin'ny Filazan-tsara sy ny fanambarana rehetra ataon'ny mpiara-mivavaka sy ny Mpitarika ary ny vavolombelona natokana hampita dia ho hitanao fa mazava ianao ary mitondra izany amin'ny mpiara-belona aminao ary mampianatra azy hijoro tsara fa tsy hampianatra zy misitery tsy takatry ny sainy.
ha,ha. Aza ovaina hoy aho ny tenin'ATra fa hianao ihany no hofoteran'ny rambony toy ny namono biby tsy nahafaty
13. Miharena ( 12/03/2012 02:17)
Niryna:

koa maninona no tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao fa efa Azy ihany :tsy mila mibebaka na manao ny tsara intsony fa na mpangalatra omby io ,na mpangala-bolam-bahoaka,na mpanodikodim-bolam-panjakana na manao tsinotsinona ny vahoaka na mpisikidy na mpamosavy, na mpihinana ny volam-bahoaka sy ny sns sy izay rehetra mahafaly ny fo rehetra . Te ho voavonjy hianao,aza manao na inona na inona,tsy te ho voavonjy? aza manao na inona na inona satria mitovy avokoa ihany ny tsara sy ratsy araka ny hevitrao


Ity no mahafintina ny tianao lazaina rehetra ary hitsaranao izay famosahan-kevitra napetrako teo.

Diso aloha ianao raha toa ka milaza ireo satria lazainao fa tsy an'i Krsity ireo olona ireo izany? Vakio tsara ny Baiboly milaza fa Tsy tonga hiantso ny marina i Kristy fa ireo mpanota mba hibebaka. Iza no mpanota? Ny olombelona rehetra noho ny tsy fitazonany fa avy amin'Andriamanitra izy.

Ny asa ialàna amin"izany dia mamantatra an'Andriamanitra araka ny maha-IZY AZY marina ary mitana izany sy mizara raha mahita fa misy mbola tsy mahalala. Izay mahalala dia efa mahalala rahateo ary mamokatra ny amin'izany.

Dia aza dia mitsipaka be fahatany izay voambara moa Niryna fa tsy misy mifanandrify mihitsy ny valin-teninao rehetra fa tonga dia manao diamanga ianao izany an! Tsy fantatro hoe iza marina no tsipahinao amin'ireo hevitra naroso ireo fa lasa anjambany fotsiny ny fomba famalinao azy. Miala tsiny fa mananatra ihany ilay Miharena izay heverinao fa mampanota ny olona raha mizara izay mahasoa.
14. niryna ( 13/03/2012 16:45)
Niryna:

koa maninona no tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao fa efa Azy ihany :tsy mila mibebaka na manao ny tsara intsony fa na mpangalatra omby io ,na mpangala-bolam-bahoaka,na mpanodikodim-bolam-panjakana na manao tsinotsinona ny vahoaka na mpisikidy na mpamosavy, na mpihinana ny volam-bahoaka sy ny sns sy izay rehetra mahafaly ny fo rehetra . Te ho voavonjy hianao,aza manao na inona na inona,tsy te ho voavonjy? aza manao na inona na inona satria mitovy avokoa ihany ny tsara sy ratsy araka ny hevitrao

Miharena:


Ity no mahafintina ny tianao lazaina rehetra ary hitsaranao izay famosahan-kevitra napetrako teo.

Diso aloha ianao raha toa ka milaza ireo satria lazainao fa tsy an'i Krsity ireo olona ireo izany? Vakio tsara ny Baiboly milaza fa Tsy tonga hiantso ny marina i Kristy fa ireo mpanota mba hibebaka . Iza no mpanota? Ny olombelona rehetra noho ny tsy fitazonany fa avy amin'Andriamanitra izy.
hay hianao miaiky ihany fa tsy tonga hiantso ny marina izy fa ny mpanota mba hibebaka? ka raha tsy mibebaka izy dia an'iza ? mbola ho Azy ihany? inona intsony no hianarana ny Teniny sy hibebahana fa andao samy anao ny adalana ,hivily lalana fa samy ho vonjeny ihany na tsara na ratsy . Dia aza tohizana indray hoe tsy misy marina na iray aza . Aza twist-iavana ny marina e, aza ahodikodina amin'izay tianao ny baiboly fa hianao ihany no hifoteran'ny rambony sy ho tsaraina amin'izany ok
15. jesuisla ( 14/03/2012 01:04)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94
Ry zanako Malalako,
Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
16. Miharena ( 14/03/2012 04:30)
Jesuislà an! Mba omeo anay ny porofo fa nahazo ilay millions dollars ianao rehefa mizara be dia be toa io. Aza diso mijoro an!

17. niryna ( 26/03/2012 16:20)

Miharena:

Jesuislà an! Mba omeo anay ny porofo fa nahazo ilay millions dollars ianao rehefa mizara be dia be toa io. Aza diso mijoro an!


tsy any ny ahy ny olana fa ilay olona velona tety mitovy amin'ny rehetra dia lasa hivavahana sy asiana miambina .Masina Marie Therese miambena ny tenanay.Dia mbola hivavahana avokoa ireo maty rehetra teo aloha.Aleo ny maty andevina ny maty hoy ny Tompo ary ny maty tsy afaka hitahy na hiambina izany (manjary maka ny toeran'i kristy ilay olona )
18. Miharena ( 27/03/2012 05:19)
Niryna:

hay hianao miaiky ihany fa tsy tonga hiantso ny marina izy fa ny mpanota mba hibebaka? ka raha tsy mibebaka izy dia an'iza ? mbola ho Azy ihany? inona intsony no hianarana ny Teniny sy hibebahana fa andao samy anao ny adalana ,hivily lalana fa samy ho vonjeny ihany na tsara na ratsy . Dia aza tohizana indray hoe tsy misy marina na iray aza . Aza twist-iavana ny marina e, aza ahodikodina amin'izay tianao ny baiboly fa hianao ihany no hifoteran'ny rambony sy ho tsaraina amin'izany ok


Ilay resaka hoe mpanota tsy manaraka lasan'i Satana no tsy mitombina raha toa ka nilaza i Kristy hoe tsy misy ny helo sy ny devoly fa ao anatin"ny olona ihany.

Tsy manodonkidina ny Baiboly aho Niryna fa misy ny atao hoe fandringanana fa tsy fanahy no ho ringana fa izay fiheveran-diso raha azoko tsara ilay teny voavakiko taty aoriana nolazain'i Kristy.
Ilay hoe aleo ny maty handevina ny maty ao aminy dia io fiheveran-diso mandevina ny tenany io fa tsy resaka hoe misy mangataka amin'ny maty satria ny fahazoako tsara io Baiboly io dia hoe : tsy misy izany fanahy maty izany. Ny fahafatesana faharoa dia fialan'io vesatra rehetra nitambesatra tamin'ny fanahin'ny olona tsy nibebaka io ary maharitra ihany izy io satria mandrakizay moa no nitenenana azy amin'ny hoe nalefa any amin'ny farihy afo sy solifara. Midika fanadiovana maharitra no fandraisako izany fa tsy fampijaliana mandrakizay satria fantatra fa mandrakizay ny fanahy izay ao anatin"ny olona satria sombin"Andriamanitra RAY.

Ilay izy koa moa dia misy fahalalàna tsotsotra momba ny fanahy tokony ho fantatra ihany fa tsy tonga dia manao bambaray momba ny olombelona isika satria ny tena nofo sy ny saina ary ny fahatsapana dia tsy fanahy velively.

Izay te-hamonjy ny ainy hoy Kristy no hahavery azy fa izay mahavery ny ainy no ho ny Amiko no hahazo azy. Raha atao tsy am-pahendrena dia very avokoa ka tsy misy na iray aza azo raisina afa-tsy ny fanahy Fototra. Fa raha atao am-pahendrena ny fomba fitondran-tena (izany hoe arak'i Krsity) dia mahazo fiainana vaovao miaraka amin'izay nangoninao teny am-pandehanana ianao. Hafa kokoa io fomba fijery io noho ny hoe mandringana fanahy sombin'aina satria raha izay tokoa no mitranga tsy mamono tena ihany ve Andriamanitra? Tsy Izy angamba no handevina Azy satria IZY no Fiainana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0577