MANDROSO NY FOTOANA AZA MANGATAKA ANDRO INTSONY MANAPAHA HEVITRA AMIN'IZAY

1. RBNIR ( 08/03/2012 09:45)
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f1690d149c6e
Samy ho tahin'ny Tompo daholo anie isika rehetra
répondu par pomderenette le 16/03/2012 15:46
2. Miharena ( 08/03/2012 14:01)

« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
Tena misy fetrany ny fiantsoan'Andriamanitra. Rehefa tena tapitra ny fotoana fiantsoany dia tsy mihaino intsony Izy na inona na inona ataon-tsika.
MIBEBAHA DAHOLO DIA MATAHORA AN'ANDRIAMANITRA ARY HOMEO VONINAHITRA IZY.


Miarahaba RBNIR ary misaotra anao mampahatsiahy fa tiana raisina ity fomba fandraisanao ny Tenin'Andriamanitra ity izay milaza ny fahataperan'ny fotoana fiantsoaNY. IZAY TSY MANAM-PAHATAPERANA tsy hitsahatra mandrakizay hiantso sy hanadio ny ASAN'NY TANANY. Raha tsy izay dia tsy nilaina akory i Kristy hitondra ny hazo fijaliana hisolo heloka ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.

Miditra ANDRO VAOVAO isika izao ary izay mahafantatra ny TARAMASOANDRO dia aoka hizara satria izay indrindra no tian'ny TOMPO hataontsika avy. Vakio ihany ny BOKY TROISIEME TESTAMENT sao mahasoa hampiala ireo fiheverandiso mbola mihahohaho ao anatintsika ao.

Tsy milaza mihitsy hoe diso ny Vitao ny Asan'ny Fahamarinana fa aoka ho feno fampanantenana hampiaina ny olona amin'ny tena marina momba azy avy isika.
Mla mifanohana mba samy hanome voninahitra ny namany avy hitomboany ao amin'y fahalalàna an'Andriamanitra ao anatiny avy.
Mila tadiavina izay nototofan'ny fiangonana tsirairay avy fa tsy misy fiangonana na dia iray aza tsy misy foto-pahamarinana ao aminy. Io ilay vavahady ety ary tsy ahafahan'tsika mitsara ny namantsika fa ny manitsy azy no atao raha toa ka mihaino antsika izy.

Ambara aminy hatrany fa silaky ny Tompo izy, zanak'Andriamanitra izy na dia faran'izay mpanota sy milaza an'Andriamanitra tsy misy aza.

Rehefa mihazakazaka ho amin'izany isika dia mampanakaiky ny Andron'Andriamanitra TSITOHA fa raha manome fepetra dia manjary maka ny toeraNY ka tsy tsara satria mihatra hatrany ny teny hoe ho tonga aminao noho ny finoanao.
3. pomderenette ( 16/03/2012 15:46)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94

Ry zanako Malalako,

Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.056