Efa manadio ny rehetra i Kristy _ vakio ny 3e Testament

1. Miharena ( 07/03/2012 14:21)
Tsy misy hafatra fa vakio ary raiso amim-pitiavana ny boky Troisième Testament izay efa miparitaka ho an'ny rehetra satria azo telechargena tsara na amin'ny Google aza ianao no maka azy.

Zava-mahasoa fa mba zarao amin'y namana rehetra ahafahan'ny olona mijoro amin'izao vanim-potoana lalovana ankehitriny izao izay ahitana ny fiantsoan'ny olona an'Andriamanitra hamaha ny olana rehetra eo amin'y fiainantsika.

Hotahian'i Kristy daholo.
répondu par pomderenette le 16/03/2012 15:43
2. didi10 ( 07/03/2012 16:48)
Gal 1 6-10
6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin'Izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, 7 izay tsy filazantsara akory [anankiray koa], fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.
8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy. 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.

Ny Baiboly Masina ihany ny anaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaay!
3. Miharena ( 07/03/2012 19:37)
Misaotra anao mitana ny Baiboly ary mankahery anao amin'izany fa efa voasoratra ao anaty 3e Testament fa hisy ny tsy hankasitraka izay lazain'i Kristy izay miteny amin'ny olona amin'ny andro fahatelon'Andriamanitra io fa hitana ny Baiboly amin'ny endriny ankehitriny ihany ary hanompo araka ny fomba izay tiany avy ihany ny olombelona mandra-pahatongan'ny fotoana hanapahan'Andriamanitra ny zava-drehetra.

Hoy IZY ao amin'y pejy 579: 21.Ils voudront Me mettre à l'épreuve en voulant démontrer que vous étes dans l'erreur, si Je ne leur livre pas mon nom, ils diront que ce n'est pas Moi, et si Je réponds à leur questions malattentionnées, ils me renieront avec plus d'acharnement. 22 C'est alors que Je leur dirai: Celui qui souhaite entrer au Royaume de la Lumière devra chercher avec le coeur. Mais celui qui souhaite vivre en Me reniant, celui-là aura nié le savoir divin à son propre esprit, en convertissant tout ce qui constitue une révélation claire et lumineuse en un secret et en un mystère.
Ao amin'ny pejy 582 indray IZY milaza hoe: 47. Voyez comme Ma parole n'est pas et ne pourra pas constituer une nouvelle religion, cet Oeuvre est le chemin lumineux où toutes les idées, les credos et les religions devront s'unir spirituellement pour arriver aux portes de la Terre Promise.

Misy fampanantenana mazava ao amin'ny Boky ary avy amin'Andriamanitra marina tokoa ary mampijoro sy manentana ho vavolombelon'i Kristy miseho amin'ny maha-Fanay Masina AZY amin'izao taona arivo fahatelo izao.
4. kiriah ( 07/03/2012 21:33)

NY resaka fivavahana sy ny resaka antoko politika dia matetika mitondra tsy fitovian-kevitra sarotra alambana , fa zany hoe kosa ny fivavahana mifanaja kokoa ny ady hevitra.

...Ny tena OLANA anie dia izao e! : ROA ihany ny testamenta dia ny 1 sy ny 2 , na io ray faharoa io aza dia matetika vingavingain ny olona sasany fa ilay voalohany ihany no anakatoaviny , tsy manambany fivavahan ' iza na iza aho fa efa voasoratra hoe : "" Tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao "" , ary voasoratra koa hoe : "" ...mijanona eo amin ny sampanan-dalana dia anotanio hoe mitondra mankaiza ity lalana ity...."". zany testameta fahatelo zany avy aiza ? , Milaza momba an iza ? , Fa naninona izy no nisy ? , moa tsy ampy ve zay efa voalaza tao amin ny voalohany sy faharoa ? , raha izany : moa tsy miangatra zany ny RAY( sanatria) raha itsika nahazo fahatelony nefa ireo havatsika sasany efa nody mandry tsy mba nahazo anjara tamin izany ? , ary nahoana koa no tsy mba voalaza ao amin ireo FANAMBARàNA sy TENIFIKASàNA maro ny fihaviany.
Inoako fa angamba milaza momba an i kristy sy andriamanitra Ray zany boky zany , fa ny manelingelina ny sain' ny olona anie dia hoe maninona raha manoratra BOKY tsotra fotsiny dia avoaka ho entina mampahalala an ' Atra be be kokoa sy mananatra ny olona misimisy kokoa dia vita, fa tsy atao an' izany testameta faha-3 zany ; satria lasa tonga dia any amin ilay resakin i Kristy no alehan ny sain ' ny olona hoe : ..."" tandremo fa maro ny ho avy amin ' ny anarako ...... hanao resaka mahataona izy ....hilaza hoe hitanay tary Kristy.""...sns. Noho izany dia AOKA ihany aho aloha hitazaona IZAY ANANAKO MBA TSY HAKàN ' NY HAFA NY SATRO-BONINAHITRO ,tsy sanatria mankahala zany boky zany aho fa ndray andro any angamba raha ohatra ka mahita aho dia hanotany eo antsampanan-dalana hoe : "" MITONDRA MANKAIZA ITY LALANA ITY ????? ""
5. LazaDaddy ( 07/03/2012 22:20)
Fa dia loza inona loatra no mahazo antsika Malagasy?

Fotoana itodihana amin'i Jesosy Kristy izao. Tsy mila "theory" be izany fa fahatsoram-po sy fahalemem-panahy.

Izy anontaniana sy angatahina dia ambarany anao ny marina raha tena mangetaheta izany tokoa ianao fa aza miantehitra amin'i Google. Raha tsy izany fehezo (ianaro) tanteraka aloha ny Baiboly vao "mitsapatsapa rano hafa" sao lanin'ny voay.
6. niryna ( 08/03/2012 05:12)

LazaDaddy:

Fa dia loza inona loatra no mahazo antsika Malagasy?

Fotoana itodihana amin'i Jesosy Kristy izao. Tsy mila "theory" be izany fa fahatsoram-po sy fahalemem-panahy.

Izy anontaniana sy angatahina dia ambarany anao ny marina raha tena mangetaheta izany tokoa ianao fa aza miantehitra amin'i Google. Raha tsy izany fehezo (ianaro) tanteraka aloha ny Baiboly vao "mitsapatsapa rano hafa" sao lanin'ny voay.
zaho mba gaga!
Fa dia nasesi-doza inona indray re ity mpizara vaovao mahafaly no nahita volana alohan' ' ....... e .sa kosa efa mivoaka tsikelikely tokoa ny teny rehetra izay efa nomena antsika ao amin'ny TT sy ny TV ?

.araka ny nolazain'ny namana eo ambony hoe :ny TT aza tsy mety hialan'ny sasany ary baiboly manontonlo mihitsy no misy mandika izay tiany sy maha diavolana ny fiangonana dia eo koa ny TV mbola tsy lavorary ny fahalalana sy ny famakafakana aza ary mbola tena tsy latsa paka akory aza .... dia misy sahy manampy ny tenin'Atra hafa indray T faha 3 ?

. Any andro ny hono dia hisy ny olona hitsangana hilaza fa izy no kristy ,hiteny fa namoaka demonia tamin'ny anarany izy,hilaza fa any aminy ihany no tena fivavaha na fa ny an'n y rehetra tsy izy,eo koa ny maka ny toeran'Atra ka milaza fa tsy vitan'ny finoana fotsiny ihany ..Inona re ity nahazo ny olona e..
Dia ho avy kristy ka hiteny indray hoe miala hianao ry ...... fa tsy fantatro akory hianao.
--------------------------------------------------------------------
Aza manaiky ho rebireban'ny olona isika,tano mafy izay finoana efa nomena antsika ary ny baiboly izay nomen'Atra irery ihany no sabatra hoentina miady amin'ireo manoro vohana sy manao atsanga tsy aman'orana .
7. Miharena ( 08/03/2012 06:06)

. Any andro ny hono dia hisy ny olona hitsangana hilaza fa izy no kristy ,hiteny fa namoaka demonia tamin'ny anarany izy,hilaza fa any aminy ihany no tena fivavaha na fa ny an'n y rehetra tsy izy,eo koa ny maka ny toeran'Atra ka milaza fa tsy vitan'ny finoana fotsiny ihany ..Inona re ity nahazo ny olona e..


Ity resak'i Niryna ity ihany angamba dia efa mahasarona ny tianareo lazaina ary mitovy hevitra aminareo tokoa aho amin'ireo fa rehefa mamaky Baiboly aho dia mazava fa mahita ny Asan'i Jesoa Krsity ao na tao amin'ny Testamenta 1 izany na 2 fa didy tokana no tsoa-kevitra amin'izy ireo dia ny FITIAVANA.

Izay boky rehetra na hafatra rehetra aty aorianan'ny Baiooly , satria isika dia tsy teraka tamin'ny fotoana nanoratana azy dia mazava fa ireo ray aman-dreny no mampita amin'ny fanazavana isankarazany mahatonga ny fomba isan-karazany ary miteraka fialonana rehefa samy mifampi-kritika fomba fanao fa tsy mahita ny Vontoatiny izay tazonina mafy tsy hampihozongozona toy ny Tenin'i Jehovah hoe any amparany dia ao am-pon'ny olona no anoratako ny lalàko ka notanterahan'i Kristy taty aoriana amin'ny teny hoe I Jerosalema dia tsy hisy vato mifanongoa ary ao anatin'ny telo andro dia hatsangako indray izay fahaterahana ao anaty no dikan'io fananganana io dia ny ho Tempolin'Andriamanitra ny fontsika olombelona tsirairay avy. Io ilay Tempoly tsy natao tanana. Ilay Jerosalema vaovao feno fiadanana.

Tsy manao aminareo aho hoe matokisa ny Google fa isaory izay namorona izany aza satria voarin'Andriamanitra ary navelaNY hahavita zavatra tsara hifandraisantsika mianakavy toy izao.

Ny momba ilay Testamenta indray dia asan'ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra RAY ZANAKA FANAHY MASINA marina manoro amin'ny fomba tsotra ny momba ny ASANY manontolo. IZY no manazava ary marina ny fanambaraNY fa tsy avy amin'olona akory izany boky izany. Raha avy amin'olona izany dia fantatra tsara satria misy sivana sy fofompofon-kevitr'olona, fa avy AMIN'NY TOMPO izany ary fantatra tsara ny fomba fireasNY amin'ny manam-panahy rehetra.

Tsy tsara ihany koa ny mandray fotsiny ny 3e Testament raha tsy mahavaky tanteraka ny Baiboly ary manampy amin'y fahafantarana izay ao anaty Baiboly ny 3e Testament.

Misy resaka momba ny réincarnation ao anatin"io boky io izay lalan hivoahan'izay mafy fo.

Hoy indrindra IZY miteny izany ao amin'ny pejy 602-603
245. Craignez-vous de parler avec vos frères de la réincarnation de l'esprit? Ou n'étes-vous paut-étre pas persuadés de la justice d'amour qu'elle renferme? 246. Comparez cette forme de restitution avec celle du châtiment éternel dans les flammes perpétuelles de l'enfer, forme utilsée par les hommes pour effrayer l'esprit de l'humanité. Dites-Moi laquelle de ces deux formes vous donne l'idée d'une justice divine, parfaite et misericordieuse. 247. L'une révèle de la cruauté, de la rancoeur illimitée, de la vengeance; l'autre ne contient que pardon, charité, et espoir d'atteindre la vie éternelle. Que mes enseignements ont souffert de déformations à cause de mauvaises interprétations!

Raha hitanareo fa tsy IZY no miteny dia aza vakiana akory io boky io, raha fantatrareo kosa fa IZY dia mifalia ary mazotoa satria mahazo hery lehibe hizara ho an'ny namana isika rehetra amin'ny fomba tsotra sy be Fitiavana satria mahasarona ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, na tsy Kristianina aza ny voasoratra.

Samy itoeran'ny Tompo avokoa anie isika rehetra. HOY IZY hoe ny ondriko mihaino ny FEOKO ary mahafintina ny tiany ambara ny boky ary madio.
Ny ahy moa dia mizara ihany, hoy ny Gasy hoe teny atsipy ho an'ny manam-panahy, fa ny olona samy manana ny safidiny ary samy amin'ny toerana misy azy avy araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Ho an'i Kiriah mialza sampanan-dalana dia roa ihany io sampanana io dia ny ara-panahy Fahamarinana sy ny ara-nofo (miteraka fiheveran-diso). Fa ho tonga ny andro hanjakan'ny ara-panahy handresen'ny mazava ny fiheveran-diso rehetra. Izay no fanambarana mamintina ny boky fa tsy misy zavatra hafa ao.

Fehiny: MANOLO-TANANA MANDRAKIZAY NY TOMPO.
8. kiriah ( 08/03/2012 16:31)
raha arakin ny fanazavànao zany dia tsy misy ny ELO ( afobe, fianan-tsy hita...) satria mpamindra fo Andriamanitra ? ,Mpamindra fo tokoa IZY saingy nomena fotoana sy libre arbitre tsika ahafahatsika manomana ny fihaviany , RESURECTION DU CORPS koa no nampanantenainy fa tsy Reincarnation de l esprit .
Mananatra anao amin ny anaran ny TOMPO aho MIHARENA fa ndrao verezin ny devoly ianao fa ny devoly ange ka fetsy e! , fantany ny fitiavanao an' Andriamanitra , fantany tsara fa tsy ho voataonany hiala amin ny finoana ianao noho izany dia ny finoanao ihany no entiny mamery anao.
mody lazainy fa tsisy ho very fa ho diovina daholo amin ny alalan ny Reincarnation ,sady Atra mahari-po dia ho variana an izany ny olona ( satria Andriamanitra dia mahari-po marina ) ka tsy hitandrina , mahalala baiboly ianao ka mitandrema dia mangataha mafy fa tsy hoe akory hoe mifono hevitra lalina ilay ILAY IRAY FAHA-3 novakianao dia tsy maintsy hoe avy amin NY FANAHY. misy ny ELO fa raha tsy zany maninona ny baiboly no milaza : ..."" fa any no misy ny fikotrihan-nify...."", manaiky baiboly ianao nefa Zapé-nao ny sasany.
9. Miharena ( 08/03/2012 17:19)
Marina ny anao Kiriah fa any no misy ny fikitrohanify fa ny toerana dia ao anatin'ny olombelona ihany ary ny fitondran-tenany no hitsarana azy ary ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny no Mpitsara. Io no Helo mahatonga ny fikitrohanify fa tsy hoe afo ivelan'ny maha-izy ny olombelona. Afo fandiovana no fahazoan'ny Katolika azy io ary ny fanahy no hiharany rehefa ilaozana ny nofo.

Raha ny momba ny tena indray dia efa voasoratra fa vovoka ny nofo ary tsy maintsy hody vovoka fa ny fanahy no mandrakizay. Mbola fahazoan-kevitra Katolika koa io.

Tsy milaza mihitsy ny Baiboly fa ho faty ny fanahy na aiza na aiza no misy azy ary na oviana na oviana. Izay no voasoratra ao anaty Baiboly. Manamarina ny maha-endrik'Andriamanitra azy izany ary tsy hiova amin'izany Andriamanitra na oviana na oviana. Jereo ny tantaran'ny zanak'adala.

Ny famehezana an'i Satana arivo taona dia izao vanim-potoana misy antsika izao ary ny asan'ny olona ihany no mahapotraka azy ary mila fanadiovana izany dia ny fahatsiarovan-tena sy famohazana ny maha-zanak'Andriamanitra ny tena tsirairay avy.

Ny dragona voambara hoe manana tandroka fito ao amin'ny Fanambarana dia ny ratsy izay ho rava nampiantranoin'ny olombelona tsirairay ary izy tenany ihany no afaka mandrava izany amin'ny alalan'ny fifohazany.

Maro tokoa ny zavatra miha-mazava rehefa mamaky ny boky isika fa raha mihodina tsy manao izany isika dia mbola rendrika amin'ny fomba fijery voafetra ihany na hilaza fotsiny hoe misitery izay ao aoriana na koa ho roboky ny fieritreretana mandringa izay nifampitan'ny olombelona araka ny fahazoany azy avy momba ny voambara ao anaty Baiboly.

Ny hany mba voamarika dia voahidy mihitsy ny sain'ny Kristiana sasany ary matahotra ny hamaky ny fanambarana ankoatry ny fanamafisana ny helo fa tsy jereny hoe rahoviana izany ary manao ahoana ny endriny ary rahoviana no afaka noho ny maha-fanahin'Andriamanitra ny tsirairay avy.

Misy fahatsorana ny finoana raha ny tokony ho izy satria raha vao raisina ny voalohany ary tsy mivoana amin'izany mihitsy isika dia tsy ho voahoznngozona. Ny voalohany dia Andriamanitra Mandrakizay ary tsy miala amin'io mihitsy dia mijoro tanteraka isika. Ny fomba fanalavirana io dia ny fireharehana fa mahavita tena ary tsy mahatsiaro fa mitondra AZY Fanahy mandrakizay ao anaty.

Ny fahazoan-kevitra tatsinanana dia ny reincarnation ary io no manome ny fomba siantifika mazava momba ny Fanahy mitafy nofo na oviana na oviana ilàna izany toa an'i kristy nitafy nofo tao an-kibon'i Maria. Andriamanitra dia Fanahy ary Krsity dia Fanahy ary IZY no ohatra omeNY momba antsika olombelona.

Ho an'ny Malagasy dia mazava be io hoe ny Fanahy no maha-olona fa tsy ny nofo.

Aoka hovakiana ny boky vao milaza hoe izao no diso na izatsy fa sao dia mitsipaka izay tena sitrapon'ny Mpahary isika.
10. niryna ( 08/03/2012 17:31)
kiriah:

raha arakin ny fanazavànao zany dia tsy misy ny ELO ( afobe, fianan-tsy hita...) satria mpamindra fo Andriamanitra ? ,Mpamindra fo tokoa IZY saingy nomena fotoana sy libre arbitre tsika ahafahatsika manomana ny fihaviany , RESURECTION DU CORPS koa no nampanantenainy fa tsy Reincarnation de l esprit .
Mananatra anao amin ny anaran ny TOMPO aho MIHARENA fa ndrao verezin ny devoly ianao fa ny devoly ange ka fetsy e! , fantany ny fitiavanao an' Andriamanitra , fantany tsara fa tsy ho voataonany hiala amin ny finoana ianao noho izany dia ny finoanao ihany no entiny mamery anao.
mody lazainy fa tsisy ho very fa ho diovina daholo amin ny alalan ny Reincarnation ,sady Atra mahari-po dia ho variana an izany ny olona ( satria Andriamanitra dia mahari-po marina ) ka tsy hitandrina , mahalala baiboly ianao ka mitandrema dia mangataha mafy fa tsy hoe akory hoe mifono hevitra lalina ilay ILAY IRAY FAHA-3 novakianao dia tsy maintsy hoe avy amin NY FANAHY. misy ny ELO fa raha tsy zany maninona ny baiboly no milaza : ..."" fa any no misy ny fikotrihan-nify...."", manaiky baiboly ianao nefa Zapé-nao ny sasany.
hay moa izy tokoa no niteny izany hoe tsy misy ny afobe? sy ny devoly ?
dia fampianarana avy aiza tokoa re izany raha ny baiboly izay nolazaintsika eto foana no manambara izany e?
dia mazava ho azy izany fa mila mitandrina isika satria raha misy teny iray ka tsy hinoan'ny olona iray izay mitory dia ny tsy manaraka ny heviny no atao sa ahoana?
Ny baiboly izay misy ny tsindrimandrin'Atra aza tsy hinoany ka iza indray no hijery izany testamenta faha telo foronon'ny olona izany? sa ?
hoy ny baiboly hoe ny teniko dia tsy azo anesorana na ampiana ary any amin'ny testamenta vaovao koa dia misy fanazavana fa raha ny tantara rehetra no lazaina eto dia tsy hisy fahataperana izany Jaona 21 25 Ary misy zavatra hafa koa izay nataon'i Jesosy ,ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany,ataoko fa izao tontolo izao dia tsy omby ny boky voasoratra
11. Miharena ( 08/03/2012 19:05)
Ilay voasoratrao manga no manazava hoe mbola misy zavatra hafa tsy voasoratra ao anaty Baiboly saingy miandry fotoanany ny zava-drehetra.
Averiko indray, tsy avy amin'olona ny boky voambara amin'ny lohahevitra fa avy amin'i Kristy.

Miaiky ianao, tsara, tsy te-handre ianao, dia voalaza ao fa betsaka ny hanao hoe tsy Teniny io voalaza ao amin'io boky io nefa rehefa tonga ny fotoana dia hahalala izy fa marina ny voalazan'ny mpitory izay ao anatin'io boky io satria hahita ILAY Kristy tokoa izy amin'izay.

Izany hoe ambara ihany izay lazain'ny boky sao rehefa tonga amin'ny fotoana hitaizana ny zandry sy ny zanaka isika ka tsy mahita avaly momba ny fiainana mandrakizay sy ny momba AZY sy isika olombelona zanak'Andriamanitra.

Tsoriko fa toy ny akoho nandihy ambony sahafa aho noho ny fitoriana tsy mitovy isankarazany izay tsy nahafapo mihitsy ary tsy mahalaza ny marina matoa nikaroka izay efa voasoratra rehetra hatramin'izao momba ny ara-panahy. Ary io Testamenta io no hitako mamehy ny asan'i Kristy amin'izao vanimpotoana misy antsika izao ary mirakitra ny SitrapoNY marina.

Ka mba jereo ihany sao mahasoa handrosoan'ny finoana lalim-paka kokoa.
12. kiriah ( 08/03/2012 19:28)
Miharena : fantatro IZAY INOAKO , ary tsy mitsipaka ny NAHARY na oviana na oviana aho , azoko tsara ny atao hoe reincarnation sy resurection , haiko ny ny manavaka ny NY NOFO sy ny FANAHY . MANKAIZA ARY HOY IANAO IREO OLONA NOLAZAIN I KRISTY ANY AMIN NY FITSARàNA HOE : """ MIESORA AMIKO FA TSY FANTATRO AKORY ..... """" Ary raha izany zavatra resahanao zany no voalaza ao anatin ilay TESTAMETA 3 dia aleoko mintsy TSY MIANAKENDRY MAMAKY an 'izany ndrao hitondra ahy ho any amin ' ilay antsoana hoe FAHAVEREZANA (: ilay tsy inoanao nefa misy), tsisy ilàna mivavaka ange ry Miharena raha izany e ! ,satria samy ho any andanitra daholo zany NA MANOMPO NA TSY MANOMPO , kou raha izany tsy aleo ve tsika samy hanao zay maha-diavolana ny saina daholo . Nefa moa asanao ihany e! tsy afaka hanery IZAHAY , mba miteny fotsiny ny tena fa raha mahasoa anao kokoa zany dia aleo tazony ihany . MIANGAVY anao fotsiny aho hoe ivereno vakiana indray mandeha ny baiboly( hatrany amboalohany mihitsy) dia fakafakao tsara fa mba olona misaina ihany no fandinihako anao fa tsy adala akory.
13. Miharena ( 08/03/2012 20:19)
Ny vavaka dia ilaina ary ampianarina ao anatin'io boky io ary tsotra dia tsotra izany fivavahana izany ary tsy miova mihitsy sy tsy mivoana amin'ny Baiboly ny fivavahana hitanao ao amin'ny boky.
Aza heverinao fa tsy mpandinika ny Baiboly aho fa mandinika tsara mihitsy ary marina ny voambara ao fa ny FANAHY MASINA kosa dia manome izay TENY FARANY ao anaty Testamenta fahatelo ahafahana mitondra ny jiogantsika avy sy mitondra ny HAZAVAN'i Kristy, fitaovana enti-mandresy sy mamoha ny varavaran'ny fo mihidy rehetra.

Jereo ny lohahevitra nosokafan'i Niryna eo ambony fa ao misy santionan'ny fehezanteny voambara momba ny famonjena ny fanahy.

14. kiriah ( 08/03/2012 20:37)
zah kamo be tsy mahavita manao discussion tsony fa ny fanotaniako tsisy voavaly fa ohatrin ny contourné-nao daholo , zah manotany hoe : avy aiza le boky ? DE IZA NO NANORATRA AZY ? , .....sns.
question 2: mandeha aiza le olona lavin i Kristy hoe : ..."" MIALà AMIKO IANAREO FA TSY FANTATRO AKORY..."" ( any amin ny fitsaràna io an ! sao lazainao ndray in sy in io ndray ). valio alou reo de raha mahafa-po ahy ny valiny dia miresaka tsika.
15. Miharena ( 09/03/2012 04:06)
Raha ny fanontanianao dia valiana tsotra : avy any Meksika ilay boky ary ilay olona mpiavavaka tao atao hoe Rojas no nampanoratana azy. I Kristy no nampanoratra mba tsy hisy diso izay voambara. Fantsona fotsiny ihany Rojas.

Ilay resaka hoe mialà Amiko fa tsy fantatro akory dia mikasika ny Kristianina mivoy fampianarana tsy marina, mitondra ny Anaran'i Kristy nefa tsy mampihatra ny FITIAVANY TSY MISY FETRA.

Ny fitsarana dia tsy Andriamanitra no manao izany fa ny Conscience napetraNY ho an'ny olombelona tsirairay, izany hoe io no Fanahiny ao anatintsika, ILAY Telo izay Iray.

Ny réiancarnation dia izay efa nampiasaina tamin'i Jaona Mpanao Batisa, i Maria, Jesoa zaza, n olombelona rehetra satria n FANAHY aloha vao ny nofo ary tsotra io fa tsy misy misitery hitadiavana résurrection, izay tsy misy satria tsy haharitra ary tsy hiverina velively izao vatana entintsika izao na oviana na oviana, ary tsy ilaina izany.
16. niryna ( 10/03/2012 21:31)
didi10:

Gal 1 6-10
6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin'Izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, 7 izay tsy filazantsara akory [anankiray koa], fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.
8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy. 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.

Ny Baiboly Masina ihany ny anaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaay!
mazava tsara toa ny masoandrobe lohataona
Gaga Aho- Mifindra faingana hianareo- Hiala amin'ny fahasoavan'i kristy ka mandray filazantsara vaovao( 3e tetament ohatra io an hi,hi ) = tsy filazantsara akory
Na ny anjely aza,ny anjely aza izany an ary avy any an-danitra fa tsy ety an-tany an .
Ka maika fa olona namboarin'Andriamanitra.
Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy. 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
17. kiriah ( 10/03/2012 21:57)
ehhhhh! zao ange le mianakendry mitsapatsapa e! , fantatrao ve ny atao hoe SECTE ? , olona manan-tsaina no miresaka ao ka raha marivo salosana dia iray minitra monja dia adobony tsy mitsangana tsony, volavolainy sy azavainy arak izay fahazahoan ny sainy azy eo ireo teny ao amin ny baiboly , tsy araky ny FANAHY intsony fa araky ny FAHALALANA .
ary tadidio tsara fa ny DEVOLY koa MAHALALA SORATRA MASINA , ary ny soratra masina ihany no entiny mamono ny mpivavaka , ohatra : "" Jesosy anie ka nanova ny rano ho divay , sns ....
18. kiriah ( 10/03/2012 22:09)
ehhhhh! zao ange le mianakendry mitsapatsapa e! , fantatrao ve ny atao hoe SECTE ? , olona manan-tsaina no miresaka ao ka raha marivo salosana dia iray minitra monja dia adobony tsy mitsangana tsony, volavolainy sy azavainy arak izay fahazahoan ny sainy azy eo ireo teny ao amin ny baiboly , tsy araky ny FANAHY intsony fa araky ny FAHALALANA .ary lazaiko marina anao fa fantany zay teneniny saingy zay mahadiavolana ny sainy ihany no raisiny ,ary tadidio tsara fa ny DEVOLY koa MAHALALA SORATRA MASINA , ary ny soratra masina ihany no entiny mamono ny mpivavaka , ohatra : "" Jesosy anie ka nanova ny rano ho divay , sns .... , ary na dia jesosy kristy zanaka aza dia nalainy fanahy tamin ny teny.

TENY TSOTRA NO AMARANAKO AN ITY RESAKA TY DIA IZAO ::::

hoy ny tompo : tsy hanampy izay efa voasoratra ho anareo AHO ary TSY DIDY VAOVAO NO OMEKO ANAREO ......
ny nanafaran i tompo antsika dia ny hifankatiavatsika tahaka ny nitiavany antsika , tsy nanampy zvt hafa IZY kou nahoana no izao ndray izy fa haniraka an izany MEXICAIN zany , i JOSEPH SMITH ny fiangonana mormon aza efa tsy hita zay anaovana azy ity ndray ny 3e testament manao ny ataony

19. Miharena ( 11/03/2012 05:09)
Niryna sy Didi10 ary Kiriah:

Gaga Aho- Mifindra faingana hianareo- Hiala amin'ny fahasoavan'i kristy ka mandray filazantsara vaovao( 3e tetament ohatra io an hi,hi ) = tsy filazantsara akory
Na ny anjely aza,ny anjely aza izany an ary avy any an-danitra fa tsy ety an-tany an .
Ka maika fa olona namboarin'Andriamanitra.


Rehefa i Calvin na i Lotera na ny Concil na ireo bedebe mitory sy mampianatra anareo ankehitriny no milaza dia lazainareo fa marina ny fanambarany fa raha olona milaza fa i Kristy no miteny aminy dia lazainareo fa manakorontana ny finoanareo?

Tys hitanareo tsara sy mibarbary angaha ny fifindrafindran'ny olona fiangonana sy ny fiforonan'ny sekta be dia be? (Lazaina ao anaty 3e Testament izany)
IZY MPAMORONA no mahalala tsara ny asan'ny nafafiNY na mamoa tsara na midi-kizo miha-maizina.
Aza dia minia manidy fo re fa tsy Meksikana no miteny ao amin'ny boky fa Kristy. Efa tampina angamba ny sofinareo sy ny masonareo ka tsy mahita tantaraina afa-tsy ny hoe inona indray re ity afitsoky ny 3e Testament ity?
I Kristy hoy aho anontaniana tsara fa aza tonga dia milaza hoe avy amin'olona ny voarakitry ny boky iray zaraina noho ny fahasoavana fantatra fa an'i Kristy ao anatiny.

Mitovy amin'ny Fariseo ihany ny Kristianina ankehitriny fa tsy mitombo ara-panahy rehefa mahita soratra hialana bala alaina ao anaty Baiboly ao fa tsy mihaino Izay Tsy miova Omaly sy Anio ary Mandrakizay izay miteny amin'ny olona ankehitriny mandrakariva sy mandrakizay.
20. pomderenette ( 16/03/2012 15:43)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94

Ry zanako Malalako,

Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. N ofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1852