Na inona na inona
1. maresaka.com
(
01/03/2012 23:18)

Ny teny hoe na "inona na inona" dia tsy midika hoe "ny sasantsasany" ihany akory fa ... "na inona na inona". Tsy iadian-kevitra izany.
Hoy i Jesosy: "Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka". Jaona 14:14
Marina dia marina tokoa fa na inona na inona angatahintsika amin'ny anaran'i Jesosy dia azontsika izany. Maro ny olona no mangataka kanefa tsy mahazo satria tsy mangataka amin'ny anaran'i Jesosy izy na koa misandoka ny anaran'i Jesosy. Betsaka tokoa ny misandoka ny anaran'i Jesosy, na dia tsy tsaroan'izy ireny mivantana aza izany amin'ny fitenenana fa "amin'ny anaran'i Jesosy" no ivavahany kanefa ny fony sy ny fitondran-tenany mifanohitra amin'izay.
Mahereza ary ry malala isany, mitoera ao amin'i Jesosy, raiso ny Fanahiny ary maneke Azy fa aza terena hanaiky anao Izy, lehibe sy masina ny Anarany, ary vaovao isa-maraina ny fahasoavany!
Amena!
répondu par Miharena le 02/03/2012 15:23
2. maresaka.com
(
01/03/2012 23:27)
Ahoana ny ahafantarana ny olona tsy misandoka ny anaran'i Jesosy?
Hoy ny soratra masina: "Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika." 1 Jaona 3:22
Hoy ny soratra masina: "Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika." 1 Jaona 3:22
3. LazaDaddy
(
02/03/2012 01:31)
Ray o, ampianaro izahay hitoetra ao aminao sy hanao ny sitraponao, ahafahanay mampiasa ny anaran'i Jesosy Tompo araka ny teniny. Deraina ny Anarany Masina fa lehibe ny fahasoavany!
4. didi10
(
02/03/2012 07:31)
Tsara ny Tompo
Misaotra Anao aho Jesosy malala fa mbola maro ireo namana izay tsy niala tamin'ny fitiavana voalohany ka mbola mahay manantateraka sy mitory ny didinao sy ny sitraponao
Amena!
Misaotra Anao aho Jesosy malala fa mbola maro ireo namana izay tsy niala tamin'ny fitiavana voalohany ka mbola mahay manantateraka sy mitory ny didinao sy ny sitraponao
Amena!
5. Miharena
(
02/03/2012 15:23)
Rehefa tsapantsika tsara fa ao ampontsika ny fahazavan'i Krsity dia tanteraka io teny hoe "na inona na inona" io.
