Vahaolana ho an'ny firenena: Théocratie (Fahefana avy amin'Andriamanitra) mety ho tontosa ve?

1. didi10 ( 20/12/2011 06:30)
Tsara ny Tompo

Ampanetre-tena no somary ampianarako "droit constitutionnel" kely ny mpisera namana rehetra.

Ny lalana fototra na "constitution' ntsika amin'izao fotoana izao dia manambara fa ny "Democratie" no mihatra eto izay midika fa ny fahefana dia avy amin'ny vahoaka.
Ny vahoaka no manangana andrim-panjakana rehetra, mametraka azy mivantana (filohan'ny Repoblika, Maire, Chef de Région, Député) na ankolaka (mpikambana HCC, Sénateur, mpikambana ao amin'ny governemanta: Apetrak'ireo voafidy mivantana), ny vahoaka no mamaritra ny fahefana omena azy ireo izay voasoratra mazava tsara ao anaty "constitution" na lalàna fototra.
Ny vahoaka noho izany no tompon'ny fahefana, omena fahafahana la libérté izy ireo fa mba tsy hihoa-pefy izany fahafahana izany dia nosoratana mazava ao anaty lalam-panorenana ihany koa ny zony sy ny fetran'izany zony izany.

inona anefa no fototry ny olana eto Madagasikara?

- Ny mpitondra izay nomena fahefana dia manadino ny vahoaka nanome fahefana azy ka mampiasa izany fahefana izany hiarovana ny tombon-tsoa manokana ary mihevitra ny tenany ho ambonin'ny lalàna fototra izay napetraky ny vahoaka.

- Ny vahoaka izay nomena fahalalahana dia mandiso ny hevitry ny hoe "democratie" ka rehefa tafaangona maromaro ka misy mitarika hihoa-pefy dia mivoaka amin'ny fahafahana nomena azy araka ny lalam-panorenana.

Fehiny tsy "EFFICACE" ny Démocratie raha hitondrana firenena

Ny théocratie dia "Andriamanitra no tompon'ny fahefana"
Rom 13 : 1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra.
Andriamanitra rain'i Jesosy Kristy izay naniraka ny Fanahy Masina no resahana eto an!

Ny baiboly no "constitution" na lalàna fototra.
Mazava ho azy noho izany fa izay sitrapon'Andriamanitra voasoratra ao anaty Baiboly no hotanterahan'ireo olona izay voafidin'Andriamanitra hitondra ny firenena.

Ho foana avokoa ireo lalàna mifanipaka amin'ny "tenin'Andriamanitra" ary izay lalàna avoakan'ireo mpitondra dia tsy hisy mifanipaka amin'ny voalazan'ny Baiboly (contrôle de constutitionnallité),

Mangataka ny hevitry ny mpisera aho amin'ny hoe "mety ho tontosa va sa tsia ny Théocratie?"




répondu par danielio le 18/01/2012 04:58
2. bor2lais ( 20/12/2011 12:08)
Dia ho tahaka ny any Iran izany ve ny tanjona ohatra ? ;-)
didi10:

Ny baiboly no "constitution" na lalàna fototra.
Mazava ho azy noho izany fa izay sitrapon'Andriamanitra voasoratra ao anaty Baiboly no hotanterahan'ireo olona izay voafidin'Andriamanitra hitondra ny firenena.

H.S
Ahatsiarovako ny nambaran'ilay ra-namana izay io nosoratanao io ra-didi hoe : raisin'ny Jiosy (sasany mba tsy ilazana hoe maro) ho kadasitra nomen'Andriamanitra azy anie ny torah ka mahatonga azy mandraka ankehitrio mifanolana amin'ny palestiniana !
H.S tapitra :-)
Fehiny : amiko, tsy dia ny demokrasia loatra no olana (satria na ao am-piangonana aza anie toa mampiasa ny hevitra tapaky ny maro io e !) fa ny fanahy entin'ny olona mampiasa izany.
Atomboka ao an-tokantrano dia tohizana ao am-piangonana ny fitaizana amin'ny lafim-piainana rehetra mba ho olom-pirenena araka an'Andriamanitra ny zanaky ny Fiangonana ! :-)
Tandremo koa fa toa manaja hatrany ny falalahana sy safidy ange Izy e ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa izay ! :-)
3. didi10 ( 20/12/2011 15:46)

bor2lais:

Dia ho tahaka ny any Iran izany ve ny tanjona ohatra ? ;-)

Fehiny : amiko, tsy dia ny demokrasia loatra no olana (satria na ao am-piangonana aza anie toa mampiasa ny hevitra tapaky ny maro io e !)


Miala tsiny aho Namana Bor2lais fa tsy miombon-kevitra amin'izany demokrasia any ampiangonana izany kosa aho aloha, tsy izay tian'ny maro an'isa mihitsy no tokony atao fa izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ihany.

Izay décision raisina rehetra dia tokony hampitahana amin'ny tenin'Andriamanitra hoe mifanaraka sa tsia.

Inona tokoa moa no maharatsy izany République Chrétien de Madagascar izany raha i Iran no ohatra noraisin'ise?
4. rijadolly ( 20/12/2011 17:21)
Izay Mpitarika milaza fa avy amin'Andriamanitra anie izao ry Didifolo ka voahenjika avokoa hoe Mpaminany sandoka e! Ny anay ihany no marina, dia miverina any amin'ilay izay lanin'rehetra ihany ny fitondrana.
5. didi10 ( 21/12/2011 06:10)
Tsara ny Tompo

Misaotra namana Rija

Marina tokoa fa voahenjika ireny olona ireny satria mitompo teny fatratra fa ny azy no marina, fa raha mitory kosa izy fa tsy ny azy no marina fa ny fahamarinana dia ao anaty Baiboly ihany dia tsy ho sahy hanenjika azy ny olona satria tsy izy no henjehina fa ny tenin'Andriamanitra.

izaho miteny aminao fa raha atao lalàna ohatra ny fanaovana Batisa ara-baiboly, ny antony sy ny vokany dia mino aho fa tsy hisy intsony ny mpangalatra, ny mpangala-badin'olona, ny tsolotra sns, hifankatia sy hifampitsinjo ny olona fa tsy hifanambaka sy mitady tombony ho azy. Maninona ny Silamo mahavita izany fa ny Kristianina tsy hahavita?
6. rijadolly ( 21/12/2011 06:47)
Ilay izy anie Didifolo ka isika Kristianina ihany no tena manimba azy e! Mifanenjika an-teorana. hany ka tsy tafampita tsara ilay hafatra. Efa nisy anie izany Fanjakan'Andriamanitra izany tamin'Andron'ny Mosesy; ary izay hevitr'Andriamanitra izay no tanterahana, ary dia mila mpitondra izay voafidin'Andriamanitra. Eo no mitranga ny olana ankehitriny ka nahatonga ny sasany hanamarina fa foen'Andriamanitra ny feon'ny vahoaka mba hisian'ny lamina mba tsy hananan'ny atoko iray hoe ny anay ihany no marina. Ka raha mbola io no ao an-tsaina ka ny fanindraindrana ny fiangonanan'tena dia e,e,e!

Izaho tsy mandaha ny fahatsaran' Lalàn'Andriamanitra izay hitarika fitovian'ny Fanjakan'Andriamanitra ho tandindon'ny ho avy a!(ety an-tany tahaka ny any an-Danitra) Fa kosa matoa isika tsy mbola nalana teto amin'izao tontolo izao dia misy antony izay mety mbola tsy takantsika ao, satria mantsy mety mbola tsy haintsika ohatra ny manompo an'Andriamanitra dia navelany aloha isika hankato ny fitondran'tany mba ahaizantsika sy mampitaha tsara ny fomba fanompoana an'Andriamanitra.
7. bor2lais ( 21/12/2011 13:58)
didi10:

Miala tsiny aho Namana Bor2lais fa tsy miombon-kevitra amin'izany demokrasia any ampiangonana izany kosa aho aloha, tsy izay tian'ny maro an'isa mihitsy no tokony atao fa izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ihany.

Resaka Fiangonana kosa ve Radidi dia tsy hiaraka amin'Andriamanitra ! :-)

Tsy any no tiako resahina fa eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra :
didi10:

Izay décision raisina rehetra dia tokony hampitahana amin'ny tenin'Andriamanitra hoe mifanaraka sa tsia.

Eo amin'ilay hoe "décision raisina", ny fomba fiasa (matetika) no tiako marihina :
- iza no manapa-kevitra ao aminareo ?
- raha misy tolo-kevitra 2 izay samy heverina fa mifanaraka amin'ny sitrapoNY, ahoana kay ny fomba fanao (ao aminareo ihany) raha toa ka ny iray ihany no tsy maintsy tazomina ?
- fidina ve sa ahoana ny tompon'andraikitra hiasa ao am-piangonana ? ;-)
8. didi10 ( 21/12/2011 17:16)
Inona moa ny olana amin'ny Fiangonana Protestanta FJKM na hafa maro eto Madagasikara?

Miasa ny democratie ka afaka mifidy solon-tena ny mpandray hanao Diakona, ireo Diakona sy ny Biraom-piangonana izay voafidy ihany koa dia manana hery (pouvoir) lehibe eo amin'ny Fiangonana ka afaka manao "veto" amin'ny "décision" raisin'ny mpitondra fivavahana.

Raha vao misy zavatra tsy metimety amin'ny sain'ireo solon-tenan'ny mpiangona ireo dia manao révolte toy ireny amin'ny politika gasy ireny ka tonga hatrany amin'ny fanonganana Pasitera mihitsy aza indraindray.
Ny sasany aza moa raha vao tsy mifanaraka amin'ny volo-kodiny eritreretiny ny Pasitera na tsy tiany ny fiaviany dia tsy ekena mihitsy ary na tafiditra ihany aza dia tsy raisin-tanana na efa niasa mandritra ny 10 taona aza.

Ny Mpitarika fivavahana no tokony manendry izay olona hitany fa mendrika hiara-hiasa aminy (Diakona, Biraom-piangonana, filohan'ny Tanora, Filohan'ny fikambanana rehetra...) raha misy ny te hanao Diakona ohatra dia tokony mametraka CV ohatry ireny hilatsaka PM ireny :-) dia izy no misafidy hoe ity mendrika na tsia.

Ny "hierarchie"'ny fiangonana dia tokony descendant toy ny an'ny Miaramila fa tsy ascendant hoatry ny democratie amin'ny politika.

Kor I 12 :28
28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.

9. rekinbelo ( 22/12/2011 14:33)
miarahaba anareo namana isany!
raha nanaraka tantaran'olombelona ianareo dia nisy karazany maro ny fitondrana nifandimby teto. teo ny imperialisma, ny hierachique royale, ny socialisme sy ny capitalisme ary ny democratie fa tsy nisy nanjary ireny na ny iray aza.fehiny tsy mahay mifampitondra isika olombelona.(Mpitoriteny 8:9)
Ny teocratie ihany no vahaolana fa saingy maro ireo milaza azy ho kristianina no tsy manaiky izy io.ary matetika aza tsy fantatry ny krisianina akory ilay hoe teocratie. Ny teocratie dia fanekena ny fahefana ananan'Andriamanitra ary ny fanarahana ny didy ny ny taridalàna omeny antsika MIFOTOTRA @ BAIBOLY fa tsy izay noforonin'ny olombelona akory. Tsy misy rafitra koa ao anaty fiangonana hoe ambony sy ambany fa mitovy daholo ny mpino rehetra.Mpanompo aza no iantsoana ireo mikarakara antsika ara-panahy ireny.
10. bor2lais ( 22/12/2011 15:16)
didi10:

Ny Mpitarika fivavahana no tokony manendry izay olona hitany fa mendrika hiara-hiasa aminy (Diakona, Biraom-piangonana, filohan'ny Tanora, Filohan'ny fikambanana rehetra...) raha misy ny te hanao Diakona ohatra dia tokony mametraka CV ohatry ireny hilatsaka PM ireny dia izy no misafidy hoe ity mendrika na tsia.

Tsy misy rafitra tena mahafa-po fa tsy maintsy misy tsininy hatrany, indrindra rehefa hanao ny ataony (dérives no tiako lazaina eto) ny Mpitarika lazainao io ! :-)
Indrindra moa rehefa heverinao toy ny fitondrana "société" na "entreprise" ny fitondrana Fiangonana ! ;-)
didi10:

Ny "hierarchie"'ny fiangonana dia tokony descendant toy ny an'ny Miaramila fa tsy ascendant hoatry ny democratie amin'ny politika.

Maro ny rafi-pitondrana azo apetraka eo amin'ny Fiangonana : ny "descendant" aloha dia misy tokoa (episkopaly no fiantso azy raha tsy diso aho). Ny "ascendant" indray tsy fantatro raha misy na tsia (sa ny congrégationalisme no tianao lazaina !) fa ny efa hitako matetika dia sady "ascendant" no "descendant" (présbytéro-synodaly no fiantso azy raha tsy diso aho) : teny miakatra ifampierana sy teny midina ifampifehezana hoy ny fitenenana !
Araka ny lazaiko anefa dia samy tsy misy tonga lafatra ireo ! :-)
didi10:

Kor I 12 :28
28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.

Tsy azoko ny ifandraisan'ity teny ity amin'ny zavatra lazainao !
Rehefa mijery tsara ny soratanao etsy ambony ka ampifandraisina amin'io andininy nomenao io dia ny "Mpitarika fivavahana" izany no maka ny toeran'Andriamanitra ve ? ;-)
11. Miharena ( 22/12/2011 16:33)
Miarahaba ny rehetra indray,

Ny olana ny tsy hahatanterahan'ny théocratie mifototra amin'ny Baiboly dia ny tsy fahafantaran'ny olombelona marina akory hoe inona no tena tian'ny Baiboly hahatongavana fa samy manana izay lafiny hijereny azy ny tsirairay ka misavoritaka be ihany.

Raha fitondran'Andriamanitra no tena fantatry ny olona dia tsy hisy tokoa ny savoritaka fa fitondram-pisainan'ny olombelona avokoa no mahatonga ny savoritaka ary anisan'izany ny interprétation ny Baiboly izay lasa maro ary indrindra moa ka mitodika any ivelany avokoa ny fomba fijerin'ny olona fa tsy misy mandini-tena rehefa mamaky io Baiboly io.
12. LazaDaddy ( 23/12/2011 01:44)
2011/2012 isika izao. Na ho ela na ho aingana dia tsimaintsy ho avy ny Tompo ary ho tonga ihany koa ilay "Jerosalema vaovao".

Hitady Ahy ny olona Hoy i Jesoa, hiandrandra ny masony dia ahita sy hitomany Ahy, eny fa na dia ireo namantsika Ahy aza.

Amiko ny Theocratie dia tsy fanjakan'ny olona notendren'Andriamanitra fa kosa fanjakan'Izy Andriamanitra mihitsy. Koa raha maniry ny ahatongavan' izany isika dia aoka samy hanao ny adidiny: mandehana mitory ny fampianaran'i Kristy sy ny famonjeny manerana izao tontolo izao ary ataovy mpianany ny firenen-drehetra. Torio amin'ny teny, fihetsika, fibebahana, toe-panahy fomba fiainana sy ny fahamasinana ary ny fahamarinana.
13. LazaDaddy ( 23/12/2011 01:58)

LazaDaddy:

2011/2012 isika izao. Na ho ela na ho aingana dia tsimaintsy ho avy ny Tompo ary ho tonga ihany koa ilay "Jerosalema vaovao".

Hitady Ahy ny olona Hoy i Jesoa, hiandrandra ny masony dia ahita sy hitomany Ahy, eny fa na dia ireo namantsika Ahy aza.

Amiko ny Theocratie dia tsy fanjakan'ny olona notendren'Andriamanitra fa kosa fanjakan'Izy Andriamanitra mihitsy. Koa raha maniry ny ahatongavan' izany isika dia aoka samy hanao ny adidiny: mandehana mitory ny fampianaran'i Kristy sy ny famonjeny manerana izao tontolo izao ary ataovy mpianany ny firenen-drehetra. Torio amin'ny teny, fihetsika, fibebahana, toe-panahy fomba fiainana sy ny fahamasinana ary ny fahamarinana.


Tsipihiko tsara sao misy diso fandray ny nambarako.
Olona voatendry sa Andriamanitra no manjaka ao anatintsika tsirairay? Iza no mibaiko ny fihetsika sy asa ataontsika? Iza no mibahan-toerana sy manan-danja ao am-po sy ao an-tsaintsika? Sitrapon'iza no tanterahina eo amin'ny fiainantsika?

Izay no nitenenako hoe ny theocratie dia tsy fanjakan'olona notendrena fa fanjakan'Izy Andriamanitra mihitsy.
14. Prime ( 23/12/2011 10:36)
Laza:
Izay no nitenenako hoe ny theocratie dia tsy fanjakan'olona notendrena fa fanjakan'Izy Andriamanitra mihitsy.
... Itoviako hevitra tanteraka.

Ny tena anisany nahapotika ny fiangonan'Andriamanitra dia io fanamarinan-tenan'ny mpitondra fivavahana io mihevitra fa izy no tena solontenan'Andriamanitra ary izay lazainy no tokony arahan'ny mpino... mila fitandremana izany ary Jesosy tsy indray mandeha no efa nampitandrina nahakasika izany ka nanaovany fanoharana maro nahakasika ny mpangalatra sy ny mpiandry tsara, ny amboadia sy ny fitafiana hodi-janak'ondry, ny mpaminany sandoka sns...

Ny fanjakan'Andriamanitra dia miorina amin'i Kristy Jesosy, ny Tenin'Andriamanitra, ny Fanahin'Andriamanitra ary ny firaisana amin'Andriamanitra... fa tsy miorina amin'ny lalàna sy ny mpitondra fivavahana sy ny fampianarana isankarazany.

Ny momba ny demokrasia dia tena tsy ara-tsoratra masina ary itoviako hevitra amin'i Didi10 mba tsy ilazako mihitsy aza hoe, ny demokrasia dia avy amin'ny devoly... (mbola hitohy)
15. didi10 ( 23/12/2011 16:23)
Tsara ny Tompo!

Eny e! ka mandrapiandry ny fiavian'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra izany dia samy hionona amin'izao democratie hita fa tsy mahomby izao ny firenentsika?
16. rijadolly ( 23/12/2011 17:39)
Samy manaiky daholo izany isika rehetra fa rehefa tonga ny TOMPO dia foana ny fanjakan' tany. Na ho aiza na ho aiza isika dia tsy afaka miala amin'izao tontolo izao, hatreto aloha. Mino aho fa tsy nisy na iray aza mpifankatia nohamasinina tao am-piangonany ny fanambadiany no tsy nandalo fisoratana amin'ny fanjakana, na nanoratra ny zaza fotsiny ihany aza. Inona anefa no tena antony izay? Tsy inona fa fitsinjovana ny fiainana eto an-tany ihany, izay ho an' ny zanaka no tena tombony. Ambaratsika ombeniombeny fa tsy araka soratra masina ny demokrasia, afaka manaiky izany aho fa kosa tsy azoko atao ny manda ny manampahefana raha araka ny soratra masina no lazainy ka hitako fa mampandroso ny fanjakan'Andriamantra.
17. LazaDaddy ( 23/12/2011 21:42)

LazaDaddy:

Koa raha maniry ny ahatongavan' izany isika dia aoka samy hanao ny adidiny: mandehana mitory ny fampianaran'i Kristy sy ny famonjeny manerana izao tontolo izao ary ataovy mpianany ny firenen-drehetra. Torio amin'ny teny, fihetsika, fibebahana, toe-panahy fomba fiainana sy ny fahamasinana ary ny fahamarinana.
18. bor2lais ( 26/12/2011 11:08)
Raha aravona izany dia tahaka izao ny fandraisako ny hevitsika :
didi10:

Eny e! ka mandrapiandry ny fiavian'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra izany dia samy hionona amin'izao democratie hita fa tsy mahomby izao ny firenentsika?

Prime:

Ny momba ny demokrasia dia tena tsy ara-tsoratra masina ary itoviako hevitra amin'i Didi10 mba tsy ilazako mihitsy aza hoe, ny demokrasia dia avy amin'ny devoly...

Rijadolly:

Ambaratsika ombeniombeny fa tsy araka soratra masina ny demokrasia, afaka manaiky izany aho fa kosa tsy azoko atao ny manda ny manampahefana raha araka ny soratra masina no lazainy ka hitako fa mampandroso ny fanjakan'Andriamantra.

bor2lais:

...amiko, tsy dia ny demokrasia loatra no olana (satria na ao am-piangonana aza anie toa mampiasa ny hevitra tapaky ny maro io e !) fa ny fanahy entin'ny olona mampiasa izany.
Atomboka ao an-tokantrano dia tohizana ao am-piangonana ny fitaizana amin'ny lafim-piainana rehetra mba ho olom-pirenena araka an'Andriamanitra ny zanaky ny Fiangonana !

Lazadaddy:

Izay no nitenenako hoe ny theocratie dia tsy fanjakan'olona notendrena fa fanjakan'Izy Andriamanitra mihitsy.
Koa raha maniry ny ahatongavan' izany isika dia aoka samy hanao ny adidiny: mandehana mitory ny fampianaran'i Kristy sy ny famonjeny manerana izao tontolo izao ary ataovy mpianany ny firenen-drehetra. Torio amin'ny teny, fihetsika, fibebahana, toe-panahy fomba fiainana sy ny fahamasinana ary ny fahamarinana.

Fomba fijeriko ihany ireo a !
:-)
19. zokieva ( 27/12/2011 11:17)
Raha miova fo ny malagasy rehetra dia tanteraka ho azy io!fiovam-po no tena zava-dehibe fa izaho matahotra fa sao manao rebikomby toy ny fahiny ny olona!
20. bor2lais ( 27/12/2011 14:52)
Mba tsetsatsetsa kely !

Raha ny testamenta taloha ao amin'ny Baiboly no jerena dia efa hatramin'ny nangatahan'ny zanak'Isiraely mpanjaka ho azy no foana ny théocratie ! Izany hoe hatramin'ny nanjakan'i Saoly ! Efa nampitandremaNY ny fijaliana hiseho aminy izy ireo tamin'izany safidiny izany nefa nisisika ihany ... satria ny "vahoaka" no nitady izany : amiko dia nifidy ny demokrasia izy ireo nanomboka teo raha ny fiheverako azy ! Marihina fa najaiNY ny safidin'ireto "vahoaka" ! (Zahao ao amin'ny bokin'i I Samoela 8 ohatra)

Mba fanamarihana kely fotsiny iny mety mahakasika ilay resaka "théocratie" sy "démocratie" ao amin'ny Soratra Masina ka nozaraiko ! Fomba fijeriko ihany anefa ka avereno aty raha toa ka ... ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.051