Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy! (Lk 9;60 - Mat 8:22)
1. didi10
(
13/12/2011 06:30)
Tsara ny Tompo
Ataoko fa maro ny mitovy amiko ka mametram-panontaniana amin'ny tian'i Jesosy ho lazaina eto.
Raha misy manana hevitra dia misokatra ny famakafakana raha sitrakareo.

répondu par Miharena le 24/12/2011 03:32
2. nahomy
(
13/12/2011 15:05)
zany we ny fahazoko azy de we:ra mis zavatr hita fa tsy mety fanao eo @ firenena ,fianakaviana , ankohonana ts mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra ka tsapanao , de lazao amin'ireo voalaza farany reo.ka ra mafy loha izy de afaka adidy enao aleo izy hifampitaritarika hifandevina any (hifampisariadala) fa isika tsy hanao ny fanaony .Fa nampian'i Jesoa io teny io we :"fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra." lay fahotana zany no lazaina fa fahafatesana eto
3. didi10
(
14/12/2011 06:18)
nahomy:
Fa nampian'i Jesoa io teny io we :"fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra." lay fahotana zany no lazaina fa fahafatesana eto
Tsara ny Tompo
Marina tokoa ny voalazanao satria hoy i Paoly hoe :
Rom 5 : 12 - 21
12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Rom 6 : 23
23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Jao 5 24-26
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. 25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ny ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra: ary izay mandre dia ho velona. 26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy! (Lk 9;60 - Mat 8:22)
Fantatr'i Jesosy fa ny rain'ilay mpianatra nondaosin'ny fahafatesana dia jentilisa tsy nahalala an'Andriamanitra, mpanota ary maty (afaka aina) tao amin'ny ota,azo lazaina ho indroa maty io raim-pianakaviana io satria efa niharan'ilay fahafatesana izay tamin'ny ota izy fony fahavelony (velon'aina), avy eo dia maty (afaka aina) indray.
Ireo olona resahan'i Jesosy hoe maty handevina ny maty dia ireo olona velon'aina fa maty ao amin'ny fahotana satria tsy mbola nanaiky an'i Jesosy ho tompony.
Misy amintsika noho izany dia velon'aina fa maty ao amin'i Kristy Jesosy satria andevon'ny fahotana.
Inona no fanafodin'io fahafatesana ao amin'ny ota io?
Rom 6 : 1 - 4
inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
Mila atao Batisa isika, ilay Batisa atao aorinan'ny fibebahana sy fifonana tamin'ny fahotana, ilay Batisa asitrika mba handevenana antsika ilay maty tao amin'ny fahotana, ary avy eo avoaka avy ao anaty rano na ateraky ny rano ka lasa velona ao amin'i Kirsty, manana fiainam-baovao tsy mahalala ota.
4. bor2lais
(
14/12/2011 16:55)
didi10:

Dia voatery ho tonga amin'ity resaka ity foana kosa ve Radidi a ! :-)
Dia aiza amin'io Rom 6: 1-4 io ary no milaza fa manankery amin'ny Batisa asitrika ihany io teny io ?
H.S kely
Ary raha mba heverina hoe naka ny lotoko (ota) kosa moa no nijoboaNY tao Jordana (nanaovan'i Jaona Batisa Azy) ary nentiNY nofantsihana niaraka tamiNY teny amin'ny hazofijaliana izany !
Ny famerenana ny Batisa ve amin'izay tsy famantsihana Azy fanindroany !
H.S Tapitra
;-)
5. didi10
(
14/12/2011 17:09)
bor2lais:
Ny famerenana ny Batisa ve amin'izay tsy famantsihana Azy fanindroany !
H.S Tapitra
;-)
Misaotra namana
Somary mametra-panontaniana ianao kanefa rehefa tena dinihiko ilay hoe tapitra dia somary teny tsy valiana ihany kay ilay izy.
Efe 4 : 5
5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
Afaka tsy misalasala intsony ianao milaza fa mbola tsy vita batisa raha ilay nasiana rano kely teo ambony loha no natao taminao tamin'ny fahakely.
Mirosoa namana amin'ny batisa asitrika amin'ny anaran'i Jesosy mba tsy ho faty mandehandeha intsony ianao fa ho velona mandrakizay ao amin'i Kirsty.
Tsara ny Tompo!
6. nahomy
(
15/12/2011 04:54)
tsy pour @ zany batisa fand2 zany kosa za e. miteny ratsy ny FANAHY MASINA no fahalalako an zany .t@ anar RAY ;ZANAKA ,FANAHY MASINA anie nanaovana azy t@ voalohan e .ef vita batisa enao zany fa anjaranao sisa mitandrina .fa tsy we asitra atsy asitrik ary . ra tsy we anga esorina @ Anaran RY SY ZANKA ARY NY FANAHY MASINA indray ny tombokase ao aminao
7. vonynive
(
15/12/2011 07:45)
miarahaba antsika
raha fintinina dia hoe AOKA NY MATY ARA-PANAHY HANDEVINA NY MATY ARA NOFO AO AMINY izany hoe ny maty arapanahy dia manao ho zavadehibe ny momba ny nofo

8. RBNIR
(
15/12/2011 08:23)
Faly Miarahaba an-tsika rehetra indray.
Ireo "maty fanahy " tokoa no tian'ny Tompo resahina teto,
Ny tiako mba hosain-tsika lalina dia hoy Izy hoe : "maty" fa tsy hoe "matory".
Ny maty mantsy dia "velomina na koa hoe hatsangana amin'ny maty" indray fa tsy hoe "fohazina" akory. Ary dia izay mihitsy no fijerin'Andriamanitra an-tsika.
Ny famonjena dia ny fananganana indray io fanahy efa maty io satria io no ilain'Andriamanitra hivavaka aminy fa tsy ilay olona maty fanahy teo aloha : « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)
Misy ny lalana tsy maintsy aleha mba hananganana indray io fanahy efa maty io, jereo ny fandaharana "vitao ny asan'ny fahamarinana" ao amin'ny télé jery isa-maraina aminy 5ora ka hatramin'ny 6ora.
Samy ho tahin'ny Tompo indray ry namana isany

9. bor2lais
(
15/12/2011 14:36)
H.S
Ary tsy gisitra koa ny namana amin'ilay publicité a ! ;-)
H.S tapitra (tsy atao adihevitra no dikan'io satria H.S)
RBNIR:
Misy ny lalana tsy maintsy aleha mba hananganana indray io fanahy efa maty io, jereo ny fandaharana "vitao ny asan'ny fahamarinana" ao amin'ny télé jery isa-maraina aminy 5ora ka hatramin'ny 6ora.
Ary tsy gisitra koa ny namana amin'ilay publicité a ! ;-)
H.S tapitra (tsy atao adihevitra no dikan'io satria H.S)
10. didi10
(
16/12/2011 07:00)
Tsara ny Tompo!
Namana RBNIR
Fampianarana momba ny Batisa mihitsy izao no mandeha ao amin'ny Télé Jery ka mino aho fa tsy misy mifanipaka amin'ny zavatra noteneniko rehetra momba ny Batisa no ho ambarany ao satria iray ihany ny fahamarinana.
Misy Fampianarana tsy misy kilema ihany koa amin'ny Télé Jery rehefa Alahady amin'ny 7 ora sy sasany (Fiangonana FJKHFP), mety hahasoa anao fa mba araho ihany koa.

11. RBNIR
(
16/12/2011 07:29)

Faly miarahaba namana,
Mahafinaritra ny mandre fa misy manaraka ny fandaharana,
Tena mampirisika an-tsika tokoa ny tenanay satria dia fahasoavana lehibe no azonay tao e: fahazoana antoka fa dia tena tafafindra tany amin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana tokoa ary azo antoka tanteraka fa dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana tokoa ny anarana.
Koa dia manainga ny rehetra re e, ianaro ary ATAOVY ny Sitrapon'Andriamanitra.
Tadidio mandrakariva ny hafatry ny Tompo : Mat.7:21
Samy ho tahin'ny Tompo daholo ry namana isany
12. RBNIR
(
16/12/2011 08:26)
bor2lais:
Ary tsy gisitra koa ny namana amin'ilay publicité a ! ;-)
Faly miarahaba namana,
Dia ho diso aho v ry namana raha mba nahita ilay harena miafina ka miantsoantso mafy ny hafa mba hifandrombaka ao??;-) Ny tiako soritana fotsiny : amiko manokana tsy manana tombotsoa aho satria ny asako efa nolazaiko teto ary tsy mihevitra ny hiova asa mihitsy aho.
Anjaran-tsika no mandinika araka izany, fa amiko dia ity teny ity no mitaona ahy hitory eto satria Afo B anie hoy aho e! mandrak'izay, izay any dia any tsy misy fanafana intsony : « Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16).
Raha mbola tia namana koa dia tsy maintsy manao izany.
Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
13. Miharena
(
23/12/2011 06:53)
Asa aloha raha mivoaka amin'ny lohahevitra ilay resaka Batisa asitrika fa ny hany mba azoko marihina fotsiny ny amin'io resaka rehetra momba ny finoana voizin'ny Kristiana maro dia ny mitodika any amin'ny lasa hatrany ary mitady referansa hoe aiza no marina tamin'ny lasa mba hotohizana. Ny fomba fanaovana batisa ohatra dia anisan'izany. Ao koa ny momba ny fanajana ny andro fahafito. Amiko anefa dia tsy misy azo antoka fa marina sy manaraka tokoa izay fomba teo aloha ny olombelona satria na ny fanisana andro na ny fomba fanaovana batisa dia tsy misy azo antoka hoe tena manaraka ny fomba taloha na ny tena fototra. Izany moa dia tafiditra ao amin'ny fombafomba avokoa ary mitovy amin'ny fanaovan'ny olona sorona ihany izay kilasiana ho fanompoan-tsampy ankehitriny nefa fiandohan'ny fanompoana voalaza ao anaty Testamenta taloha.
Raha hiverina amin'ny lohahevitra aho dia milaza fa ireo fombafomba rehetra ireo mihitsy amiko ilay faty alevina tian'i Kristy ambara. Satria fanjakana mandrakizay no notoriaNY. Io fanjakana mandrakizay io dia tsy dia voizintsika Kristiana loatra rehefa tototry ny fombafomba ny fiangonana ka zary very anjambany mihitsy ny tena Vontatin'ny Fiainana mandrakizay.
Tsotra dia tsotra anefa izany fiaianna izany ary izay no nilazan'iKristy hoe raha tsy miverina toy ny zaza isika dia tsy hahazo ny fanjakan'ny Lanitra. Ny olon-ehibe mahita ny fombafomba sy mitsikera izany no tian'i Kristy anarina eto. satria tsy manana fahatsoram-po toy ny zaza intsony rehefa manomboka mandinika ary mametraka hoe ity no atao hoe marina ary iry atao hoe diso ka zary miteraka fifanoherana rehefa misy tsy mahazo izay tiana ambara ny amin'izany rehetra izany. Toy ny omby indray mandry tsy indray mifoha ny olona ary savoritaka no iafarany.
Raha ny marina dia korontana efa misy no vantanintsika eto an-tany. Ary ny fitadiavana avy ao amin'io korontana io dia miteraka korontana hafa indray arakaraky ny mpandinika izaytia mizara mba hisarihana ny hafa. Ny mapiteraka izany anefa dia ny fijerena ivelan y avokoa.
Amiko, raha tsy manomboka mitory ny momba ny FO ny olona dia tsy h tafavoaka mihitsy fa faty mandehandeha satria tsy misy tanjona ifaharany akory fa ireo vesatry ny fombafomba aza no entiny mitondra ny fiainany.

14. Prime
(
23/12/2011 10:48)
Tsy resaka batisa ry namana no ao ambadik'io tenin'Andriamanitra notsongainao io ka aza avily ilay teny mba tsy hitondra fitsaràna ho anao...
Raha hiresaka ny tenin'Andriamanitra isika dia idiro lalina ilay "contexte" sy ny antony nahatonga an'i Jesosy niteny io tamin'ilay lehilahy ary dia mangataha ny Fanahin'Andriamanitra hampianatra antsika ny teny sy hanambara amintsika ny hevitr'Andriamanitra fa manjary manao "éxégèse" isika ka ampiasaintsika ny tenin'Andriamanitra anamarinana fomba sy fampianarana sy fitaizana izay tsy nambaran'ny tenin'Andriamanitra.
Izay ambaran'Andriamanitra no aoka ekena sy raisina fa tsy ampiasaintsika ny nambaran'Andriamanitra, aolantsika hanamarina ny tsy fahamarinana izay ao anatintsika...

15. Miharena
(
24/12/2011 03:32)
Miombon-kevitra amin'i Prime amin'ire fanamarihana ireo ary tsy hoe fitiavana hitsara fa misy zavatra voamarika koa amin'ny fanehoana hevitra izay mamily any amin'ny fampianarana azo vao haingana ohatra dia ezahana ampifandraisina amin'ny teny voambara ao anaty Baiboly. Tsy Didi10 ihany no tratran'izany fa maro eto amin'ny forum.
Fa ny amin'ny tsy fahamarinana ao anaty voalazan'i Prime dia raha tsy mandinika tsara sy mandoatra izany anatintsika tsirairay avy izany ve isika afaka hanamarina fa diso ny ao anatintika ary inona no fetra ahafahana manamarina fa mandiso ny ao anatintsika izay voambaran'ny tenin"Andriamanitra ?
Somary mivoaka kely amin'ny loha-hevitra ilay izy saingy mety mifandray ihany satria izay nokolokolointsika ao anatintsika miompana amin'ny fanarahana fombafomba (= adidy namboarin'ny olombelona noraisina ho tsy maintsy hatao) no mamono antsika ary io no maty alevina raha ny fandraisako ny tenin'i Kristy.