O IZANY DIAKO

1. RBNIR ( 07/12/2011 09:41)


1. O ! Izany diako mahitsy hatrany re
Ho any Aminao (Aminao ry Tompo)
Fa ny hany tiako
Ka hotompoiko anie dia Ianao.

2. Na hisompatra ahy izay tsy tia
Mankahala, manadala
Dia tsy mampanahy Tompo ô !
Izay voakasako tsy mety miala.

3. Raha mandalo aho, toa iriny
Toa tondroiny, toa esoiny
Raha mba mitalaho, Tompo ô !
Ny fivavahako no hamavoiny.

4. Izany lohataona voninkazo
Fampitaha eny an-tsaha
Fa tsy mahataona Tompo ô !
Ny tavanao anie maha-te-hizaha.

5. Na manangasanga toa miantso
‘Lay tanàna midolàna
Tsy mihambahamba Tompo ô !
Ny faniriako tokam-pilàna.

Izay no fiainana sitraky ny Tompo ho an-tsika.
Aza kivy,
Mahereza daholo.
Izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. Mandrosoa hatrany.
Isaorana anie ilay Avo Indrindra.

Samy ho tahin'ny Tompo daholo indray namana.
répondu par RBNIR le 09/12/2011 12:31
2. didi10 ( 07/12/2011 10:53)
AMENA
3. rijadolly ( 08/12/2011 15:21)
Tsy misy afatsy ny TOMPO na inona tsara jerena, na inona andry ny fiainana eto an-tany.

Tsara ny TOMPO e!
4. Prime ( 09/12/2011 09:01)
Misaotra mizara izany hira mahafinaritra izany ho fampaherezana!

Diso ve aho raha mangataka amintsika namana rehetra hoe, tonony amin'ny anarany Ilay Tompo resahantsika ho voninahitry ny anarany isaky ny miresaka Azy isika na miresaka momba Azy?

Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy velona sy masina manan-kery avy any Nazareta!

Velona Jesosy! amena!
Miasa Jesosy! amena!
Mitahy Jesosy! amena!
Manasitrana Jesosy! amena!
Mamonjy Jesosy! amena!
Manafaka Jesosy! amena!
Mamelona Jesosy! amena!

Ho Azy irery ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! amena!
5. didi10 ( 09/12/2011 09:22)
Misaotra namana Prime

Mba tsy ho tafiditra amin'ilay fampianarana miendrika charme dia aoka tsy ho adino fa:

Ho avy Jesosy hitsara ny velona sy ny maty! Amena!
Hanavaka ny ondry amin'ny osy Jesosy! Amena!
Mampanantena fiainana mandrakizay Jesosy! Amena!
6. Prime ( 09/12/2011 10:57)
Didi10:
Misaotra namana Prime

Mba tsy ho tafiditra amin'ilay fampianarana miendrika charme dia aoka tsy ho adino fa:

Ho avy Jesosy hitsara ny velona sy ny maty! Amena!


Mankasitraka hatrany!

Aoka tsy hadino, fa ny fitsarana efa vita... hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy : « 18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] 19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] » Jaona 3:18-19

Ny tsy mbola mahafantatra na ho voavonjy izy na tsia no miandry ny fitsarana ny velona sy ny maty...

Tsy misy fotoana hafa andrasana intsony fa hianao hiala ety ambonin'ny tany dia efa vita ny fitsarana, na hianao mino sy mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao na tsia...

Didi10:
Hanavaka ny ondry amin'ny osy Jesosy! Amena!


Izany tokoa... fa aoka tsy hadino fa tsy fiangonana no resahany na anaram-piangonana na antokom-pinoana no ataony hoe ondry fa izay mihaino ny feony sy manaraka Azy... ny fandavana azy dia tsy resaka hoe tsy mino aho na tsy manaiky fotsiny aho fa na miteny aza hianao hoe mino nefa tsy mihaino sy tsy manaraka an'i Jesosy dia efa naman'ny mandà Azy ihany.

Didi10:
Mampanantena fiainana mandrakizay Jesosy! Amena!


Izany tokoa... fa aoka tsy hadino fa Kristy izany fiainana mandrakizay izany ka ny fandrasaina Azy dia efa fandraisana ilay tena fiainana fa tsy miandry fotoana manokana hidirana amin'ny fiainana mandrakizay ary ilay Jerosalema Vaovao dia ao amin'Andriamanitra ary toerana efa voaomana fa tsy ampanantenaina intsony fa efa iainana sahady ary idirana amin'ny fotoana ikipian'ny masonao, ilay nofo. Tsy nofinofy hoe hisy fa efa ao amin'i Jesosy...
7. RBNIR ( 09/12/2011 12:31)
Faly miarahaba ny namana rehetra,
Araka ilay hira izany ilay dian-tsika dia "ety" tokoa ary "feno fahoriana" (noho ny henjika ny hafa..)
Ka ho fampaherezana noho izany no anton'ity lohahevitra ity e!
Samy ho tahin'ny Tompo daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4632