Manàna faharetana

1. sitlo ( 01/12/2011 16:04)


Don-davitra mahamanina
Adona akaiky ny tahotrao
Ka mahatahotra

Midona any alavitra any ho aho mandrahona mainty
Manombana takariva ho aho ilay oran-ko avy o
Kibobo manjoizoy izany fiainana an-tany
Tsiriry manifika any ho any ho aho ny aina mitempo
Tovo any anaty rano hoy aho miandry maazo
Mpanjono eny amoron-drano, miandry vintana sy anjara

Fa ny tovo dia manam-paharetana
Fa ny trondro voarain'ny fintana
Maandrasà ny anjara sy ny vintana
Fa ny lanitra voaravaka kintana

Andeha ho aiza ianao re rosy
Kopak'elatra mandeha miantsinanana
Mamakivaky ny alan-kininina
Miverena fandrao diso lalana

Na dia alavitra Soavinandriana
Taratasy re ataovy ampandriana
Miverena fandrao diso lalana
Miverena fandrao very "ligne"

Manidina re lolomboasary
Manidina ery an-tanimbary
Mitadiava tanety malalaka
Ilalaovanareo sy ny zanako a

Andeha ho aiza ianao re rosy
Kopak'elatra mandeha miantsinanana
Mamakivaky ny alan-kininina
Miverena fandrao diso lalana
répondu par hery le 22/02/2012 10:31
2. soari25 ( 13/12/2011 11:46)
asio hafa koa
3. 7777777 ( 22/02/2012 06:07)
Mba andefaso tonon-kira: Railovy iny ra mis manana
Misy anzao lay izy:
Be ny milaza fa hoe ny fitian tsy lala....
.............................................
Ref: Ndana ilazao Dada sy neny amin'izao dinik'izao
nef atao ahoana no fiteny
'zao faniriantsika izao
................................................
4. hery ( 22/02/2012 10:31)
http://tononkira.serasera.org/hira/railovy/dia-hilazako-i-dada-sy-i-neny

Tadiavo ao amin'ny tononkira ihany rehefa misy ilaina.

http://tononkira.serasera.org ny site misy ny tononkira rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5915