inona no aretina afakan'ny "MANDRAVASAROTRA"? Misa...
1. made21
(
24/11/2011 14:55)
inona no aretina afakan'ny "MANDRAVASAROTRA"? Misaotra mialoheee!
répondu par bichette le 09/02/2012 08:07
2. kooool4
(
04/12/2011 05:32)
Tsy tena hamaly ny fanontanianao aho satria tsy dia manana valiny mazava: ny antony dia satria ny zavamaniry fanao fanafody ka mbola tsy nosarahina ny singa tsirairay mandrafitra azy dia "mety" manasitrana aretina maro tahaka ny mety itarihany aretina hafa koa.
Ny tiako homarihina fotsiny amin'ny tambavy na ny zavamaniry fanao fanafody dia ny fitandremana amin'ny fampiasana azy ireny, singa aman'arivony mantsy no mitambatra amin'ny ravin-kazo iray nefa mety ho iray ihany no manasitrana, ny ambiny mety mitarika zavatra hafa ka izany ny antony tokony hanasarahana ny singa tsirairay. Mila fitandremana toy izany koa ny fatra ampiasaina satria tsy dia mazava loatra izy io amin'ny fampiasantsika tambavy, ny iray tanana tsy voatery mitovy ho an'ny tsirairay, ny iray kopy tsy fantatra hoe kopy toy inona ny habeny, sns... ka mitandrema fa sao dia fahasitranana no tadiavina nefa aretina hafa indray no miseho...
Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fikarohana hataon'i Madagasikara momba ny zavamaniry fanao fanafody ianao dia manantona ny IMRA eny Avarabohitra Itaosy, na ny CNARP eny Androhibe Ivandry, département Pharmacologie na Ethnobotanique na Chimie sy Phytochimie fa ho hazavainy aminao ny tombontsoa sy ny voka-dratsin'ny fampiasana tambavy, na tambavy efa nanaovany fikarohana, sns... Tsy mahafaty antoka ny mandalo any raha tena te hahafantatra ny hevitry ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana ary ny nianatra momba an'izany ianao toy izay hahatoky fotsiny an'izay filazan'ny olona etsy sy eroa dia avy eo manandrankandram-poana na manaonao foana...
((Miala tsiny ho an'izay mpankafy na mpanjifa ny vokatry ny Homeopharma satria ny Homeopharma dia tsy manao fikarohana na inona na inona fa manena ny fatra fotsiny dia mivarotra avy hatrany ary mampiasa tanteraka ny dokambarotra hataon'ny dokotera miasa ao aminy, miseho amin'ny fahitalavitra sns milaza fa manasitrana an'izao sy izao itsy, dia mahatoky ny mpanjifa satria hoe dokotera, na dia tsy azo atokisana mihitsy ary ny fanafody vokarin-drizareo eo amin'ny lafiny fototra siantifika momba ny famokarana fanafody na nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny fanjakana na AMM (autorisation de mise sur le marché) aza rizareo amin'ny vokatra sasany satria ny fahazoana AMM any Madagasikara dia mifangaro resa-bola sy resaka politika fa tsy mifototra amin'ny fikarohana natao, mampalahelo satria famahanana lainga ny mpanjifa izany ary fanafody no resaka eto fa tsy zavatra hafa, izany hoe ain'olombelona no lalaovina. Any Eoropa sy Etazonia dia mafy dia mafy mihitsy vao mahazo io AMM io....))
Mino aho fa mba nitondra fanazavana ho anao ihany na dia tsy namaly tanteraka ny fanontanianao aza.

3. sitlo
(
04/12/2011 10:22)
koool4> tsy fantatrao marina ilay "mandravasarotra". Fa misaotra amin'ilay fanazavana momba ny Homeopharma.
Ny "mandravasarotra" dia fanafody voarin'ny IMRA.
Ny fahalalako azy dia tsy fanafody amin'ny maha-fanafana azy izy io. Izany hoe tsy misy aretina hoe ity sitranin'ny mandravasarotra. Fa karazana fanampintsakafo manome hery. Ny saina no toa ampakariny. Rehefa ilay vizabizaka modamodaka iny no mankany amin'ny IMRA dia maazo prescription mandravasarotra.
Fa aza atao be loatra na izany aza. 1 na 2 sotrokely ihany ny 1 andro.

5. bichette
(
09/02/2012 08:07)
ny homeopharma dia homeopathie no ataony, anefa ny homeopathie toa resaka placebo no tena betsaka, satria ny molecule ao anatin'lay izy toa tena kely dia kely fa ny "energie" no tena atsokoka ao amin'ny fanahotsakotsanana ilay mixture mandritry ny fotoana ela. raha jerena koa ny mombamomba an'i fondateur n'i homeopharma otran'ny mampiasa hery hafa ankoatry ny zavamaniry tsotra http://www.madagascar-homeopharma.com/0_presentation.php
mila manao fikarohana.
mi jouer role koa ny resaka groupe sanguin. ny molecule iray mety manasitrana ny groupe sanguin A nefa nefaste ho an'ny groupe sanguin O ohatra