INONA NY LESONA AZO AVY AO AMIN' ITY SORATRA MASINA ITY????????
1. rijadolly
(
18/11/2011 14:37)
MATIO 8 : 5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.13 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.
répondu par niryna le 29/11/2011 16:15
2. rijadolly
(
18/11/2011 14:45)
LIOKA 7 : 9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
3. rijadolly
(
18/11/2011 21:34)
Ny zava-dehibe faheno matetika ao amin'ny toriteny mikasika io tantara io matetika dia ny FINOANA. Tsy inona izany fa ny Finoana an'i Jesoa Kristy fa mahay manasitrana Izy na dia misy elanela lavitra aza eo amin'ilay marary sy IZY, izay mitarika fanehoana ny Herin'ny Teny fotsiny ihany.
Ny zavatra tiako ho marihana sy ho avohitro anio dia ny rafitra antanatohatra sy ny Toerana misy an'i Jesoa Kristy.

4. rijadolly
(
18/11/2011 22:45)
Akaotrany Finoana io sy ny fanetren-tena izay nataon'ilay Kapiteny,
Ny tsara ho marihina aloha dia tsy nisy na iray aza nalatsaky Jesoa Kristy ny tenin'ilay Kapiteny, izany hoe no disoaNY. Porofon'izay ny namerenan'i MATIO sy LIOKA izany tenin'ilay Kapiteny izany.
Voatonina tao ohatra ny Fahefany, sy ny andraikiny eo anoloan'ny Lehibeny. Misy karazany ireo eo ambany fahefan'ity kapiteny ity, ohatra amin'izany ny miaramila, sy ny andevolahiny, izay tena mankatoa azy tanteraka sy manatanteraka ny baikony. Ny zavatra mahagaga sy nahatalanjona an'I Jesoa Kristy dia ny fametrahan'ity Kapiteny ity ny toeran'i Jesoa tahaka azy ihany. Nanam-pinoana tanteraka ity Kapiteny ity fa tsy miasa irery ny Mpamonjy fa manana ireo mpiara-miasa Aminy izay afaka mahavita izay kasaiNy atao. Ekena fa mety tsy fantany ireo mpiara miasa amin'Jesoa ireo, nefa kosa, tao aminy ny Finoana fa mahavita ireo izay eo ambany fahefan'Jesoa Kristy.

5. rijadolly
(
19/11/2011 00:46)
Nilaza moa aho hoe mety tsy ho fantany ireo Mpiara-miasa amin'Jesoa Kristy ireo, ekena izay, Fa kosa raha ny Jiosy dia tokony tsy misy na iray aza tsy ahalala izay Mpiara-miasa Aminy izay. Ary izay indrindra no naha vaky vava Azy hilaza hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza." Ny tsy azo lavina ihany koa izay nahatonga io teny io dia ny tsy Finoan' Jiosy AZY ary indrindra fa ny Mpanora-dalana sy ny Farseo izay tokony ho Mpiara-miasa aminy raha ny rariny sy ny hitsiny.
Raha hiverenako ireo Mpiara-miasa Aminy dia ny Fanahy Masina no voalohany indrinda sy mavesa-danja indrinda. Eo koa ny Anjely Maro, ary tsy azo tsinotsinoavana isika olom-belona.13 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy. Mazava izany fa ilay inoan'ilay Kapiteny akaotra ilay Fitenena Fotsiny ihany dia mahasitrana, dia azo raisina tsara ny fisian' Iraka izay nalefan'Jesoa Kristy hanasitrana ilay ankizilahin'ilay kapiteny. Dia mety voakitikitika ny saintsika hoe nahoana ary no teo no eo dia sitrana ilay narary. Raha ny finoako dia tsy ho latsa-danja noho ny vitessen'i rayon ny masoandro(300.000km/s) izay zavatra ny hafainganam-pandehan'ny Fanahy Masina na ny Anjely izay tokony ho avo firy heny amin'io vitesse io.

6. rijadolly
(
19/11/2011 04:36)
Tsy tokony hanamaivan-tena arak'io tantara io isika izay mandray anjara ny fampandrosoana ny Fanajak'Andriamanitra. Manana anjara toerana lehibe araka izany isika mpanaradian'Kristy. Tokony hitoetra ao anatitsika ny Finoana fa tokony ahavita mihoatra noho ny vitaNY aza isIka. mahavelom-panantenana tokoa ny fomba filazany ho antsika hoe: 11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;
Aza menatra ny Anarany, raiso ny andraikitra apetraka antsika dia ny FilazantsaraNy.
Ho an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy irery ny voninahitra mandrakizay Amen!

7. bor2lais
(
19/11/2011 10:29)
Misaotra an'i Rijadolly amin'ny fizarana !
Fanampiny kely mba tsikaritro azo tsoahina avy amin'ilay tantara (araka ny fijeriko azy) dia ny fanamafisana fa :
- avy amin'ny tsi-finoan'ny jiosy no nahazoan'ny jentilisa anjara famonjena
AsehoNY amin'ny jiosy eto ny alehiben'ny finoan'ilay kapiteny (jentilisa) ka nahazoany fahasitranana (famonjena) ho an'ny ankizilahiny.
- samy manana ny fiainany ny finoany ny tsi11 !
Izay no mba fijeriko azy ! :-)

8. Miharena
(
20/11/2011 05:21)
Misaotra an'i Rijadolly amin'ny fizaràna. Raha izaho no manatsoaka lesona amin'io teny io dia hoy aho hoe manerana ny rehetra ny fahefan'i Kristy amin'ny maha-Andriamanitra AZY ary ninoan'ilay kapiteny izany.
Ny tena finoana eto dia ny fahalalàna fa tsy misy elanelany eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ka fantatra fa na dia tsy misy fifampikasohana aza eo amin'ny olona samihafa dia EO IZY manerana sy miasa. Tsy misy fe-potoana fa mandrakizay araka ny voalaza ao amin'ny Salamo hoe : mandrakizay ny famindram-pony.
Ka ataoko fa manana io foto-pisainana io ilay Kapiteny ary tsinjon'i Kristy izany.

9. rijadolly
(
20/11/2011 05:34)
bor2lais:
Misaotra an'i Rijadolly amin'ny fizarana !
Fanampiny kely mba tsikaritro azo tsoahina avy amin'ilay tantara (araka ny fijeriko azy) dia ny fanamafisana fa :
- avy amin'ny tsi-finoan'ny jiosy no nahazoan'ny jentilisa anjara famonjena
AsehoNY amin'ny jiosy eto ny alehiben'ny finoan'ilay kapiteny (jentilisa) ka nahazoany fahasitranana (famonjena) ho an'ny ankizilahiny.
- samy manana ny fiainany ny finoany ny tsi11 !
Izay no mba fijeriko azy ! :-)
Misaotra an'se amin'ny fandraisana anjara.
10. rijadolly
(
20/11/2011 07:37)
Miharena:
Misaotra an'i Rijadolly amin'ny fizaràna. Raha izaho no manatsoaka lesona amin'io teny io dia hoy aho hoe manerana ny rehetra ny fahefan'i Kristy amin'ny maha-Andriamanitra AZY ary ninoan'ilay kapiteny izany.
Ny tena finoana eto dia ny fahalalàna fa tsy misy elanelany eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ka fantatra fa na dia tsy misy fifampikasohana aza eo amin'ny olona samihafa dia EO IZY manerana sy miasa. Tsy misy fe-potoana fa mandrakizay araka ny voalaza ao amin'ny Salamo hoe : mandrakizay ny famindram-pony.
Ka ataoko fa manana io foto-pisainana io ilay Kapiteny ary tsinjon'i Kristy izany.
Dia misaotra an'Miharena koa amin'ny fandraisana anjara.
11. niryna
(
29/11/2011 16:15)
rijadolly:io efa nolazainao io ny valiny