Vavaka androany alahady !

1. AndriambyII ( 22/10/2011 19:40)
Rainay izay any andanitra ,
ho hamasinina anie ny anaranao ,
ho tonga anie ny fanjakanao ,
hatao anie ny sitraponao ,
ety an-tany tahaka ny any andanitra ,
omeo anio izay hanina sahaza ho anay ,
mamela ny helokay ,
tahaka ny namelanay izay meloka taminay ,
aza mitondra anay amin' ny fakampanahy ,
manafaha anay amin' ny ratsy ,
fa anao ny haja , ny hery , ny voninahitra ,
mandrakizay ,
amen !




répondu par niryna le 25/10/2011 16:32
2. AndriambyII ( 22/10/2011 19:44)
Tamberin' ny fahazazàna mba averina @ tranokala , tsy hohadinoina !
3. AndriambyII ( 24/10/2011 10:09)
Ary toa tsy nisy namaly amen lé vavaka ?
4. RBNIR ( 24/10/2011 15:22)
AndriambyII:

Rainay izay any andanitra ,
ho hamasinina anie ny anaranao ,
ho tonga anie ny fanjakanao ,
hatao anie ny sitraponao ,

AMEN A!
Fanazavana kely fotsiny izay inoako fa mety tsy ho takatry ny sasany na dia efa naveriny isan'andro aza io vavaka io : satria nozaraina tamiko MAIMAIPOANA dia indro fa hozaraiko anao am-pitiavana MAIMAIPOANA KOA namana.
ho tonga anie ny fanjakanao : mivavaka isika mba ho tonga ilay fanjakan'Andriamanitra.
Mivavaka isika mba ho avy ao anatin-tsika Andriamanitra hanjaka amin-tsika.
Toy izany koa ny hoe hatao anie ny sitraponao : mivavaka isika mba hataon-tsika tokoa anie ny sitrapony.
Manaiky isika araka izany ny hanjakan'Andriamanitra koa dia foana hatreo ny sitrapon-tsika fa dia ny sitrapon'Andriamanitra no hatao. IZAY NO ATAO HOE FANOLORAN-TENA NAMANA ISANY,

Samy ho tahin'ny Tompo namana

5. bor2lais ( 25/10/2011 15:19)
AndriambyII:

Ary toa tsy nisy namaly amen lé vavaka ?

Mety tsy noheverina ho valiana kosa ange ilay izy e ! (Sady izay "vavaka anio alahady" no nataonao lohateny nefa ny daty toa 22/10 !) :-)

Ilay hoe "Amen" koa angamba mety misy tsy mahazo na tsy mitovy ny dikany ! :-)

Vazivazy ny ahy iny fa mahalasa saina ihany ilay teninao hoe : "Tamberin' ny fahazazàna" ! Rehefa dinihina akaiky mantsy dia toa milaza fa lasa maivan-danja sy matsatso ankehitriny io vavaka io !

Fa dia nahoana re ?

Mety ny fomba nampianarana azy angamba no tsy dia ampy loatra raha ny fijeriko azy !
Lasa natao tsianjerim-bavaka hatry ny fahakely, dia lasa tsianjery an-tendromolotra fa tsy tena avy ao am-po nony taty aoriana.

Hany ka mety ilaina tokoa ny fanazavana tahaka ny nataon'i RBNIR izay isaorana azy ! :-)

Mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny a ! :-)
6. niryna ( 25/10/2011 16:32)
misaotra anao nizara ,saika andefa hafatra aho fa ny anao no tonga aloha
Ny tiako ho tenenina dia hoe
AndriambyII:

Rainay izay any andanitra ,

Tsy afaka hiteny isika hoe rainay izay any an-danitra isika raha tsy mino azy ho raintsika tokoa Izy.
amin'ny manaraka ho tohizako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0864