Ny famaritana ny fahotana sy ny famoronana helo
1. Miharena
(
05/10/2011 15:32)
Misy fanontaniana tsy novalian'i Lais atsy ambadika ireto ary mba tiako hohalalinintsika mba hampahazava kokoa ny fomba enti-mihevitra ny resaka ara-panahy sy ny fifandraisan'izany amin'ny helo izay heverina ary lazaina fa naseho izay notsindrian'ny fanahin'i Kristy araka ny fijoraona vavolombelona samihafa:
1) ny faharatsiana ve ateraky ny saina sa ateraky ny fanahy?
2) ny saina ve manana fahefana sy hery hanorina zavatra iray?
3) ny fanahy ve manana fahefana hanorina sa miankina amin'ny saina?
4) Inona no ifandraisan'ny fanahy sy ny saina?
5) ny helo ve vokatry ny famoronan'ny saina sa vokatry ny famoronan'ny fanahy?
répondu par Miharena le 07/10/2011 16:04
2. rijadolly
(
05/10/2011 18:31)
Alohany hamaliako ny fanotanian'se aloha dia tiako hofantatra raha manaiky ny maha samy hafa ny fanahy maha olona sy ny Fanahin'Andriamanitra (Fanahy Masina) ise, Fa raha tsy izany dia tsy ahazo valiny mahafa-po i se...Izany hoe tiako ho fantatra hoe fanahin'iza ireo tononinao ireo?
3. Miharena
(
06/10/2011 04:18)
Tsara fipetraka ny fanontanianao Rijadolly ary mety azo hanazavana ny fandraisan'ny rehetra ny atao hoe fanahy sy ny niandohany.
Ny hamaliako azy dia tsara ihany ny mijery tetiharana raha miresaka fanahy isika. Raha toa ka mijery ny Baiboly isika dia mazava ny resak'Andriamanitra ao nilaza hoe andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika. Izay fiandohana izay dia midika fa tsy misy fisarahana ny fanahy satria nozaraina samy hanana ny tsirairay ary avy amin'ny IRAY avokoa no nisandrahan'izany.
Io IRAY io anefa dia tsy nionona ho iray fotsiny ihany fa nizara ka ny endrika nahafahany nizara dia ny fitomboana isa tamin'ny alalan'ny fiterahana ara-panahy na fivakisana isian'ireo anjely maro (nahafahaNY niteny hoe andeha isika) ary ny fiterahana eo amin'ny nofo namoronana ny olombelona mitovy endrika. Ilay endrika itovizana dia mazava fa tsy maintsy ny fanahy fa tsy ny nofo velively raha hiresaka ny fitoviana amin'Andriamanitra sy ny anjely isika.
Dia eo indray àry aloha ny avy aty amiko. Aoka hisy fitombenany ny valinteny avy aminareo izay mandinika tsara fa mba tsy hanao tanisa fotsiny ny Baiboly.

4. didi10
(
06/10/2011 08:16)
Ry mpiserasera hajaina,
Resaka efa mifampitohy ity loha-hevitra resahana ety ity, fa ho antsika tsy mahalala dia tsaihiviko kely fa i Miharena dia tsy mino fa misy ny afobe sy ny fahaverezana noho ny ota ka mahatonga azy hametraka ireo fanontaniana ireo.
Kristiana ve aloha io Miharena io e!
Ary mila fa i Jesosy Krsity dia Andriamanitra fa tsy mpaminany na irak'Andriamanitra iray fotsiny.
Ny fototra ijoroan'ny maha-Kristianina mihitsy no tsy mitoetra ao amin'ny Miharena satria:
I Jesosy Krsity no maty teo amin'ny hazo fijaliana dia mba ho FAMONJENA antsika: izay mino Azy sy ny teniny dia hovoavonjy satria "tsy misy afaka mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalany".
Fa maninona isika no MILA VONJENA? fa misy INONA? INONA NO HITRANGA raha TSY MIBEBAKA? matimaty foana Izy raha tsy mino isika fa hisy ny fitsarana ny heloka ka hanavahany ny vary sy ny tsiparifary.

5. Miharena
(
07/10/2011 16:04)
Misaotra an'i Didi10 aloha namaly hafatra ary mametraka fanontaniana maro toy izao.
Kristiana aho raha izay no anontanianao saingy tsy mitovy angamba ny fomba fandraisantsika izany hoe famonjena sy ny fomba fandraisana an'Andriamanitra ary koa ny fomba fanazavana ny hafatr'i Kristy.
Izaho dia tsy mionona fotsiny amin'ny Baiboly saingy mandinika tsara izay tena vontoatin'ny fanambarana rehetra ao ary mijery ihany koa ny zava-drehetra ambara mifandraika amin'ny finoana sy ny foto-piheveran'ny olombelona rehetra erantany.
Ianao ohatra dia mandefa ny boky Urantia atsy ambadika atsy mba hodinidinihan'ny mpandray anjara. Anisan'ny manokatra fahalalàna vaovao ny boky ary isika dia isan'ny tokony handinika tsara ny zava-drehetra alohan'ny izaràna fa tsy mionona fotsiny amin'ny zava-boalaza ao anaty Baiboly dia hilaza avy hatrany hoe tsy misy afa-tsy io no marina momba ny atao hoe fiainana mandrakizay.
Raha hiverina kely amin'ny lohahevitra dia mifototra amin'ny fandinihana ny olombelona, izay mandrafitra azy ary ny fahefany ny fanontaniana aroso ary mety ahafahana manatsoaka fahamarinana tys azo hozongozonina ny valinteny aroso amin'ireo fanontaniana ireo. Ilay resaka tsy dia mizotra any amin'ny fahalalàna ny fahamarinana fa mamerin-teny fotsiny ao anaty Baiboly no hitako mampihodinkodina ny Kristiana.
Ohatra azo raisina hatrany io resaka helo io izay toa zary ampitambazana ny olona rehefa mitory ny mpitarika iray ka raha tsy manaiky an'i Jesoa ohatra dia ho very any. Ny an'ny sasany aza dia sahy milaza mihitsy fa izay tsy mitovy firehana aminy dia kilasiany ho isan'ny very avokoa!!!
Ireo no ezahana hazavaina ny olona mba hihoatra izany foto-pisainana izany ka hanjary ho fanazavan'izao tontolo izao.
Ilay resaka helo mihitsy no mila asiana kilasiny mba tsy hiheverana fa hery mifanohitra mandrakizay izy io ka izay lasa ao dia hijaly mandrakizay. Miresaka mandrakizay roa ny olona eto ary mila heverina tsara izay tena omena fahefana, na izay miresaka zavatra mifanipaka mandraikizay na ny miresaka fiombonana mandrakizay.
Ilay maha-IRAY nolazain'i Krsity mihitsy no very anjavony raha mbola hivohy io fahaverezana mandrakizay io ny mpitory. Aoka angamba ilay izy lazaina fotsiny hoe i Kristy dia fiainana dia ampy fa tsy mbola asiana resaka hoe raha tsy mino Azy anie ianareo ka ho very !!