Atahorana mafy Ravalo

1. hery ( 16/09/2011 07:44)
Heno indray izao fa nisy NOTAM indray nivoaka omaly misakana an-dRavalo tsy hiditra ao Madagasikara. Jereo eto

Mahagaga ihany ireto HAT ireto:

1. Ravalo efa tsy tian'ny vahoaka intsony hoy ny HAT koa maninona no tsy avela hody?
2. Ravalo tokony hotsaraina tamin'ireny famonoana olona nataony ireny hoy ny HAT koa maninona no tsy avela hody?
3. Ravalo tokony hamerina ny volam-bahoaka nolaniany hoy ny HAT koa maninona no tsy avela hody?

Ny valiny?

1. Mety mbola be mpitia Ravalo ka sao dia mitoatra ny vahoaka sy ny miaramila izay mbola tia azy.
2. Mety tsy meloka tamin'ny 7 fevrier RAvalo ka raha vao raikitra ny fitsarana dia hifototra amin'ny HAT
3. Mety hoe fanosoram-potaka sy fialonana azy no betsaka ka ho afa-baraka ny HAT raha mipoitra ny marina.

Izaho koa anisan'ny mitady mafy mihitsy hoe aleo hiditra Ravalo raha sahy. Fa rehefa sakanana izy dia ohatra ny hoe izy no tena mafy be :-)
répondu par hery le 19/09/2011 08:18
2. xhavier ( 16/09/2011 09:10)
za aloha de tena gaga ra-Hery hoe inona marina no tena zava-misy sy nitranga teto @ tanana fa tena tsy tsy normal intsony ny an'olona raha marina daholo lazain'ny mpitondra FAT aleo marina hody lery ho tsaraina fa zany foana no atao probleme eto fa za mino fa betsaka no latsaka zay tsy ho latsaka raha tonga eo tokoa iny
3. laimiday ( 16/09/2011 09:24)
Aleo izy hody e.
Na i deba ihany koa aza aleo hody.

Rehefa tafody dia tsarao raha misy ny tokony hitsarana azy.
Rehefa tsy meloka dia avotsory.

4. reeves ( 16/09/2011 10:11)
Amiko kosa nefa lojika raha matahotra Ravalo ireto FAT ireto satria ny fanaratsiana samihafa (détournement de fds toa tsy nahitana porofo akory h@ izao nefa Atoa RAZAFIMAHALEO Benja efa nilokaloka hanao ampamoaka t@ izany , ny raharaha 7 fevrier toa tsy nasian'ny CPI sira mandrak'ity ny androany , ny video mantsy toa mampiseho olona tsy tàn-dalàna saika handroba toy ny t@ 26 janvier ary aiza ny porofo fa nanome baiko hitifitra moa Ravalo ? Miaramila manao ny asany ara-dalàna ireo niambina ny lapa , ary tsy hoe olona manao manif tsotra sy milamina ...sns) ka vao maika mampiakatra ny cote-ndRavalo izay efa ambony rahateo. Matahotra ny hifoteran'ny rambony ny FAT , indrindra ireo miaramila mpanongam-panjakana , satria azo antoka ny hahalany azy raha misy election . Ny zavatra azo ambara dia sahirana foana izy ireo na avela hiditra na tsia Ravalo . Raha tsy avela hiditra mantsy izy dia tsy hisy reconaissance mihitsy eto ary dia ho avy 100 heny noho izao ny fahasahiranam-bahoaka ary hiafara @ ady an-trano ny resaka ; ary ireo olona nifidy Ravalo sy mahatsapa fa nisy zava-bitany dia tsy hanaiky mora foana fa ho mafimafy ny fanoherana anatiny ka hiatrika vava ady roa ny FAT : national sy international ka azo antoka fa tsy hisy zavatra vanona eto. Ny solution ho an'ny FAT dia tsy misy afatsy ny miverina manao négociation izay mikendry fampihavanam-pirenena tena izy , mifamela tanteraka , pacte de non agression , dia ny vahoaka no misafidy izay tiany hitondra azy avy eo @ alalan'ny éléction crédible handraisan'ny REHETRA anjara.
5. Noue ( 16/09/2011 11:57)
lozika anie io eee !!! olona sans qualité ve no miseho mitondra ka ny tahotra no hihainana !!!

kelifingotra mivelona @ tahotra ka raha hiverina Ravalo dia fantany tsara fa vita eee !! rava tanteraka zany faty zany !! sady efa faty rahateo koooo

raha ny tena marina, ry zareo miseho fa tsy nanao na inona na inona , tsy namono, tsy nandromba, tsy nandoro , tsy nangalatra sns tsy voatanisa , inona no tena hatahorany an'Ravalo anafa eee ??? satria hivoaka daholo ny marina rehetra ka mody io notam io foana no hasesika
6. ziva6 ( 16/09/2011 12:28)
io tsy resaka politika tsony fa fankahalana olona iray! ka ny mpankahala no misakana an-dra8 tsy hody!
7. ravatorano ( 17/09/2011 14:21)
Mahagaga marina tokoa fa vao miteny fotsiny hoe hody Ravalomanana dia efa mivalo arika avokoa ny mpanao politika malagasy§Tena tsy azoko nefa za mino fa tsy hody mihitsy izy satria fantany fa efa miandry azy ny FAT amin ireo fitoriana apetrak izy ireo ka hahafahany miambotra azy/
Za aloha tsy hino hoe hisy neutralité ny fitsarana hitsnagana hitsara azy rehefa ho avy tokoa izany eto tsy hisy fiovana izany fa ny teo ihany no mbola ho eo fanovana poakaty no entina eto mpitaribato vilam bava avokoa ny eto.Ny filoha tsy mahateny ny akamany d miliba ireo aiza v ka vao mivoaka ny fonja dia efa tendrena ct cst pds sns nefa tsiss amnistie akory !

FA ty azoko ny tena mampihoro koditra ny FAT amin ny fiverenan dravalomanana
8. andrywui ( 17/09/2011 22:26)
ravatorano a noue a ziva a aza ampiresahan'i hery eo nareo fa i dada ane refa tena atao oe midira ary dada de tsy sahy ndray izy tao ho ao zay e ,,,fika fotsiny io izy mody mba oe avelao ah hiditra ee lava io fa refa tena avotsotra tokoa ny lalana ka sokafana de tsary miditra eo zany iny ,, jereo ane le tenenini Gal Fidy amle invité de zoma n'i onitiana iny e !!! o ry leretsy a zavatra fantatri dada tsara anie ny fahotana mahafaty vitany e tonga de miambozona tady otran'i saddam izy rah vo bevabevaka eo de aleony mikamoufla milalao sipa lavanono any iany alou sady zay olona firy no matiny hita maso be zao teo reny ary kou ,, rah mba oe maty ambadika de tsy de naninn lotra fa de tifitra oul hita maso be zao no nataon'i dada ,, hitapoko ,hitampirenena oe ooyyyiiiii .. de mamono oul le rangah ty :!!!! ko aiza no heritsainy hanafoana anzany ao andohany fa vao tafaeritreritra anzay zavadoza vitany zay izy de aleony iany alou, miainoaino any izy sao tapadoha tampoka eo ,, ny tantara tsy fanadino ary ny aina tsy voavidimbola !!! donc any iany alou ianao ry dada malala fa mbola tsy madio ny rano aa
9. andrywui ( 17/09/2011 22:28)
noue kou,de otran'ny efa vahiny amin'i hery de manaiky aodikodiny amin resaka fampandriana adrisa eo ,, eritreriny tsy matory ao no alefany eo de zay nareo de mikorapaka eo daholo ,,, fa refa hitan'i hery ny hanaovan'ny olona an'i dada rah vo miditra ao M/car ao eo vao hipapapapap amzay oe aoka dadanay ee aza alefa tsiafahy izy zao ee zao ee zao ee
10. nanjakely ( 18/09/2011 14:58)
ny blem ravatorano dia izao an,firy no isany mpitsena an'i ra8 eny ivato rehefa ho tonga izy,io no tena mampifezaka an'ireo mpitondra sy mpanohana an'io fitondrana io fa tsy inona akory
11. mirananirina ( 19/09/2011 07:14)
Ahatahorana mafy mihitsy Ravalo satria:
Efa misy ny film azo t@ nangalarana ny fitondrana(izay preuve)mivaingana sy hita maso!!!!izay mandiso tanteraka ny HAT...
@ zao fotoana izao koa d'efa misy ny film nalaina mampiseho ireo zvt ratsy nataon'ny fitondrana ankehitriny izay atahoran'i Rajoelina mafy ny fihelezany...nefa efa miely tokoa!!!sur aho fa efa misy any ampelatanan-dravalo.
Marihiko aloha fa @ zao fitondran'ny HAT izao dia azy ny fitsarana ka na olona miteny ratsy aminy aza dia midoboka 10 taona.(misy preuve)!!
Na ho ela na ho haingana dia HIALA eo @ fitondrana ianareo,ka mahatatesa ny vali-kitsaka
12. hery ( 19/09/2011 08:18)
Mitapina koa ny mason'i andrywui...

Inona izany no antony nametrahana ilay NOTAM raha toa ka mifezaka hody Ravalo?

Tsy tokony hamporisihana hody ve izy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2955