Ny eritreritra manenjika ka mila miady amin'izany isika
1. niryna
(
05/09/2011 04:14)
Rehefa mandinika amin'ny fiainana isika dia mety miteny anakampo hoe fa maninona ary ireny olona manao ny tsy mety ireny na tsy matahotra an'Atra na tsy mino an'Atra no ambinina?
Ny baiboly aza dia manambara izany:" nahita ny ratsy fanahy nambinina aho dia saika solafaka ny diako"
Dia mieritreritra tokoa ve isika fa tsy anenjika azy ny eritreriny e?
Andao haka ohatra: ireo rehetra izay mitondra ka mihinana ny volambahoaka ohatra.oops tsy manao politika aho sanatria fa io no mba ohatra azoko raisika-eny e,andao ary ampiana hoe ireny lehilahy manolanjaza ireny na vavy io na lahy.
Mety tsy tratra ny mpanao ratsy rehetra(tafiditra amin'izany koa isika na inona ratsy ataontsika na inona).
Misy tahotra ao fa mbola ho tratra ihany izy indray andro any.(tsy misy takona izay tsy ho hita)
Mahafantatra fa tsy mety ny natao kanefa tsy sahy mibaboka indrindra amin'Atra
Na inona atao dia tsy mandry ny eritreritra ka mety tsy mahita tory mihitsy aza
Ny baiboly ary no hanohizako izany dia ny tantaran'i Davida mpanjaka(vakio ny II Samoela 11)
Ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria na Batseba izany
Io Davida mpanjaka io ilay niady tamin'ilay Goliata ary izy no anisany mpanjaka nanana fahatokisana tamin'Atra satria tsy niady tamin'ny heriny irery izy fa nahatoky fa miaraka aminy Atra ary Izy no hiady ho azy. Izy io koa anefa no anisany iray mpanota lehibe indrindra koa satria tsy vitan'ny nitsiriritra ny vadin'olona izy fa niaraka ary niafara tamin'ny famonoana olona izany kanefa izy dia tsy nibebaka akory
Davida mpanjaka izany;
- izay nitsiriritra ny vadin'olona.(nisy fitsiriritana anatiny izany tao hiaraka hatory tamin'ilay vadin'olona)
- Dia nanota izy avy eo(niara-natory tamin'ilay ramatoa ary niteraka lahy taminy)
- Nanana teti-dratsy koa izy: naniraka an'i Oria niady rehefa tsy nety niara natory tamin'ny vadiny( i Oria) mba hiampanga an'i Oria fa zanany no ao ankibon'i Batseba
- nanenjika azy ny eritreriny satria namono ilay miaramila izy na tsy nivantana aza fa nampaniraka azy hiatrika ady ary nanome baiko fa asaina miady eny aloha Oria.
Inona no zavatra nitranga?
* nisy fahanginana kanefa nandratra tao anaty tao satria nanenjika azy ny eritreriny
Salamo 32:3 no manambara izany Raha nangina aho dia nihalany ny taolako rehetra
* nisy fijaliana tao tsy nahita tory izy fa toa hisy ahafantatra ihany ny zavatra nataony. Hoy ny Salamo 32:4 Fa efa nevesatra tamiko andro aman'alina ny tananao
* nisy tsiambarantelo tao na dia Batseba aza dia tsy nahafantatra ny tetidratsiny t@ namonoany ny vadiny ary dia niteraka fangirifiriana tamin'i Davida mpanjaka ihany koa izany
ny saloma 32:4 no manambara izanyNiova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona
Rehefa nirahin'Atra kosa Natana dia nabaribariny tamin'ny ny marina rehetra ka fanoharana ara-tantara no nitondrany azy.( tsy misy sahy manatrika ny mpanjaka fa mety ho tapa-doha avokoa )Toy izany koa isika rehefa ny Tompo koa no maniraka dia tsy matahotra isika ny hilaza ny fahamarinana kanefa atao amin'ny fo feno fanetrehantena sy fitiavana izany.
Ny fanontaniako izany dia hoe:
Inona no mety hitranga raha isika no teo amin'ny toeran'ny mpanjaka ?- raha nampibaribarin''i Natana ny zavatra nataony?
II Samoela 12 1-15 Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida
- Niaiky ny fahotany ve izy sa nandaha?
- nifona ve izy sa nihenahena ?
- ny fahafatesana no tambin'ny ota ka moa ve izy novonoin'Atra sa nibebaka dia voavela ny fahotany?
Inona no lesona azontsika tsoahina amin'io tantaran'i Davida mpanjaka io
Misaotra mialoha e

répondu par niryna le 14/09/2011 15:10
2. rijadolly
(
05/09/2011 15:38)
Ilay loha hevitra:
Ny eritreritra manenjika ka mila miady amin'izany isika
Miady ahoana moa? resena, mody faninana ve?
Ny fibebahana eo anatrehan' Ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra na inona na inona ratsy vitatsika aman'olona.
3. Miharena
(
06/09/2011 04:47)
Ny eritreritra dia narafitry ny fombafomban'olombelona nifandimby ka mahazo izay rehetra tonga eto ambonin'ny tany. Ny fijangajangana dia iray amin'ireo ka na mpanjaka miaraka amin'Andriamanitra aza dia mety tafahitsoka amin'izany koa. Io ilay hoe tsy misy marina na dia iray aza ary lazaiko atsy ambadika atsy hoe zanak'i Satana daholo ara-tantara ny olombelona raha vao nihinana ilay voankazo fotsiny i Eva sy Adama. Tsy ny Ray fotsiny intsony no manapaka fa manaraka baiko avy amin'ilay faharoa daholo nanomboka teo.
Dia teraka ny fanamboarana an'i Babela sy ny korontana tsy hifankahitana. Ka tsara ny hevitra hoe tokony hiady amin'ny eritreritra manenjika satria io no fiadin'ny maizina narafitra hatrizay ela izay. Ny fomba fiady aminy no tsy amin'ny basy aman-tafondro sy herin-tsaina fa amin'ny FAHATSORANA sy FITIAVANA dia afaka daholo izy rehetra tsy afaka ny hitoetra kely ao amin'ny tena akory.

4. niryna
(
06/09/2011 15:32)
rijadolly:
Ilay loha hevitra:
Ny eritreritra manenjika ka mila miady amin'izany isika
Miady ahoana moa? resena, mody faninana ve?
ka io ambony io ny tantara manazava an'izany ka
misaotra anao.
Ny fibebahana eo anatrehan' Ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra na inona na inona ratsy vitatsika aman'olona.
5. rijadolly
(
07/09/2011 03:19)
Ny eritreritra manenjika ka mila miady amin'izany isika
Miady ahoana moa? resena, mody faninana ve?
Niryna:
ka io ambony io ny tantara manazava an'izany ka
Heveriko hoe resena amin' sandry anie ilay izy e! :-) ay tsotra kely ny fomba hiadiana azy koa.
Ny fibebahana eo anatrehan' Ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra na inona na inona ratsy vitatsika aman'olona.
Niryna:
misaotra anao.
Tsy misy fisaorana e!
6. niryna
(
07/09/2011 14:30)
rijadolly:
Heveriko hoe resena amin' sandry anie ilay izy e! :-) ay tsotra kely ny fomba hiadiana azy koa.
hi,hi
ka izay ilay teny hoe isika miady amin'ny fanahy mivezivezy eny ka izay rehetra manaiky hidirany no idirany fa rehefa tsy mety isika dia tsy tokony hiditra ilay fanahy maloto.Resena amin'ny vavaka sy ny tenin'Atra ary ny fifonana sy ny fibebahana ary ny famelankeloka no ataontsika ,sa tsy izany?
Ireny olona manao ny tsy mety amintsika ireny anie tsy mahafantatra hoe tsy mety ny ataony e,na mahafantatra aza izy dia minia adala ka manaonao foana ary tsy mety raha tsy mandratra ny fon'ny hafa.
Dia tsy mijery ilay tavany na iza izy na iza fa dia ny mamela heloka azy no atao.Tsy mora io fa mila ny fanahy masina isan'andro isika ampianatra antsika
7. niryna
(
07/09/2011 14:36)
Dia ho tohizako ary ny tantara
Rehefa nirahin'Atra Natana ka nanao tantara kely fohifohy nilaza tamin'i Davida mpanjaka fa nisy olona nanankarena ary afaka mihinana ireo biby sy fiompiny izy saingy nahita ity iray mahantra izay nanana ondry iray ihany ary io irery no mba fananany dia nalain'ity iray manankarena ....mitovitovy izay ilay tantara an! Tezitra nisafoaka re ity Davida Mpanjaka ary niteny fa ho tapahandoha izany olona izany sns...
Tsy iza izany hoy Natana fa hianao.Izay nangalatra ny vadin'ilay mpanomponao ary tsy vitan'izay ihany fa tsy mba nifona akory hianao na nibaboka fa namono ny vadiny ,tsy nanatona an'ATra koa hianao izay mahita ny zavatra rehetra ka noho izany dia ho vonoina hianao hoy ny Tompo.
Ahoana tokoa re no ataontsika raha isika no eo amin'ny toerany e?
Dia mba samia ary mizara ny heviny fa ho tohizako indray ny tantara avy eo ok !

8. rijadolly
(
09/09/2011 15:50)
Ahoana tokoa re no ataontsika raha isika no eo amin'ny toerany e?
Zara aza misy lesona teto izay nataon' Davida dia izay nataony no ataoko. Valin-teny efa namaky izany an!
9. niryna
(
14/09/2011 14:36)
rijadolly:ka ny tantara rehetra ao anatin'ny baiboly anie dia fianarana lesona ho antsika avokoa e.sa ahoana?
Ahoana tokoa re no ataontsika raha isika no eo amin'ny toerany e?
Zara aza misy lesona teto izay nataon' Davida dia izay nataony no ataoko. Valin-teny efa namaky izany an!
10. niryna
(
14/09/2011 15:10)
niryna:
Rehefa nirahin'Atra kosa Natana dia nabaribariny tamin'i Davida ny marina rehetra satria fanoharana ara-tantara no nitondrany azy.( tsy misy sahy manatrika ny mpanjaka tokoa mantsy fa mety ho tapa-doha avokoa izay manao izany saingy Atra no naniraka azy ka tsy natahotra izy ).
Toy izany koa isika rehefa ny Tompo koa no maniraka dia tsy matahotra isika ny hilaza ny fahamarinana kanefa atao amin'ny fo feno fanetrehantena sy fitiavana izany.
ahoana koa izany?
Andao alaina amin'ny fiainana andavan'andro satria maro no zavatra mitranga toa izao:
Indraindray isika dia mahita fihetsika na zavatra ataon'ny olona amintsika
ary tsy miteny isika satria mitandro ny fihavanana.Mandefitra ihany koa na mahita ny marina na manana ny marina aza,mety misy tahotra koa aho noho ny fahazokina na hoe olona ambony na mpampiasa na asa.. ka toa tsy miaiky ny fahadisoana fa milaza fa manana ny marina foana.
Misy fetrany kosa anefa izany ary tsy te hamita-tena intsony isika satria mahita kanefa tsy sahy milaza ny marina,na matahotra ny hanitsy fa sao mahazo vava ratsy eo na matahotra ny tsy ho tian'ilay olona intsony sns.
Dia eo no mipetraka ny hafatra; mivavaha aloha ary mangataha ny Tompo anome antsika ny teny tokony atao ary afaka miteny ny marina sy ny zavatra ary ny fihetsika hitantsika amin'izay isika:mety handratra ilay olona ilay izy satria voakasika ny haferony ary ny marina mandratra saingy madio ny saintsika satria fitiavana azy no nahatonga antsika anao izany.
Isika no nahita ilay fihetsika,izy anefa tsy nihevitra na nanana saina ho nahita izany isika satria efa matetika foana io fihetsika io kanjo tonga kosa ny fotoana hilazana izany dia mety tsy ho zakany ary mety hiteny mihitsy koa aza izy hoe tsy nisy an'izany.Isika irery ihany no mahalala izany fihetsika izany fa tsy ny hafa mihitsy ka dia anjarantsika ny mizara izany aminy.
Raha miaiky moa izy dia isaorana Atra avo indrindra.Raha manana ny ambom-po moa izy ka tsy miaiky izay toetra ratsy fanaony izay dia azy ho azy ny azy fa vita ny adidintsika.
Maivana tokoa isika avy eo satria voalaza ilay zavatra mavesatra nibahana tato am-po.
Ity izao misy ohatra iray ihany koa;
Misy fivoriana foana ity olona ao am-piasana iray ary isaky ny avy mivory ry zareo dia manao sonia ho marika fa nihaino ilay zavatra nampivoriana azy ireo.
Tsy ho an'ny mpiasa anefa izany fa ho an'ny mpampiasa ka raha misy zavatra mitranga any aoriana any dia hoe efa nampivoriana hianareo mikasika an'io
Indray andro anefa dia nampanaovina sonia ny olona fa misy video asiana ho jerena.
Ny sonia no vita aloha kanefa mandrak'androany ilay video mbola tsy nisy nahita.hi,hi.Tsy tokony ary tsy mahazo manao sonia ny olona raha ny tena izy kanefa dia nampanaovina sonia.
Dia ahoana no tohiny? hijanona fotsiny amin'izao ve ? sa hilaza any mpampiasa?
Dia niteny ilay rangahy fa mbola tsy nahita ilay video izy kanefa efa nanao sonia.Eo no nivaha ny olana satria marina ny noteneniny ary diso ilay mpampiasa satria tsy tokony nanao izany kanefa dia manao izany foana izy.