Vehivavy mitory fitiavana
1. zokieva
(
01/09/2011 12:34)
Eo @ fiarahamonina Malagasy,indrindra fa ny kristiana dia mbola ny lehilahy hatrany no "MITORY FITIAVANA"voalohany,manao ilay (1ere pas) avy eo kosa ny tovovavy izay hiantefan' izany no mamaly hoe "ENY na TSIA";fa raha tovovavy kosa no mitory fitiavana voalohany dia voalaza sy voaheso fa hoe "akoho vavy maneno"nefa anie izy ireny dia nanambara marina izay tena mba ao am-pony e!
Koa apetrako ny fanontaniana ho an'izay manan-kevitra rehetra:
1-Ahoana ny hevitrao raha tovovavy kristiana no manao izany?
2-Diso ve izy ka omen-tsiny?
3-Tsy maintsy ho ny lehilahy ihany ve no afaka mitory fitiavana?
4-Ahoana no ambaran'ny soratra masina ny @ izany?
Misaotra tompoko!

répondu par zokieva le 03/09/2011 07:35
3. miarana
(
02/09/2011 22:50)
Raha ny hevitr'olombelona (tsy voalaza na kristiana na tsia) dia, matoa ny olona 2 miaraka (matetika), dia ilay lehilahy no voatory fitiavana voaloha tamin'ny fihetsika na tsy miteny aza.
Izany hoe ny fihetsiky ny vehivavy tia dia maneho sahady ny fitoriany ny fitiavany ka mamporisika ilay lehilahy ho tia azy ihany koa sy hanambara voalohany amin'ny teny ny fitiavany.
Indraindray io tsy mitombona...
Raha ny hevitro mikasika ny soratra masina indray dia :
« Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo » (Kolosiana 3:19)
Ekeko hoe Vady eto no resahiny, fa ny tiako hambara dia izao :
ny lehilahy dia "de nature" tsy mahay mitia, noho izany tokony ilay lehilahy tsy mahay mitia no hitory fitiavana voalohany mba hahatonga ilay fitiavana hanan-danja kokoa, izany hoe hahatonga ilay lehilahy ho "responsable".
Raha ilay vehivavy "de nature" mahay mitia no hitory voalohany, tsy hoe diso izy akory, fa hisy fiantraikany ratsiratsy kokoa amin'ny fiarahany izany any aoriana any.
Mavesatra kokoa ny "responsabilité" ny lehilahy nitory fitiavana voalohany hono ny lehilahy nanaiky ny fitiavana natolotra azy ; na eo anatrehan'Andriamanitra na eo anatrehan'ny Ray aman-dReny.
Raha ny toa ahy lehilahy saro-kenatra itony aloha dia tena mbola sarotra io e. Tsy hoe mbola tsy nitory fitiavana voalohany, fa mbola tsy nahazo tamin'izay nitoriana fitiavana, ka lasa nanaiky ilay vehivavy nitory fitiavana voalohany. Rehafa niaraka 3.5 taona teny anefa dia resy lahatra fa tsy natao hiaraka izahay, ka dia nisaraka tsy nisy naratra.
Eo am-piandrasana ilay olona faharoa hiarahana ankehitriny hoe iza ary raoviana no fotoana hanambarana izany.
« Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah » (Joba 1:21)

4. zokieva
(
03/09/2011 06:34)
Misaotra manokana an' ise fa azoko tsara ny zava-boalaza; ilaiko mantsy io loha-hevitra @ fitaizana sy fibeazana ny tanora namako manerana ny nosy.
Fa raha mbola misy aminareo afaka manampy na manana hevitra manokana mihitsy dia raisina antanan-droa!
Fa ho an' ise manokana dia misy hafatra kely ity avy ao @ soratra masina:( I kor.7-8)

5. miarana
(
03/09/2011 07:30)
Misaotra an'ise amin'ny hafatra.
Tena marina io hafatra io satria nahafahako nivelatra ara-panahy kokoa ny tsy niarahako tamin'ny olona ndritra izay taona maromaro izay.
Ity koa misy hevitra iray :
« Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:21-23)
Andriamanitra no mitondra ny vehivavy eo amin'ny lehilahy, ary rehefa resy lahatra ny 2 fa avy amin'Andriamanitra ny hiarahany, izay vao afaka ny hitory fitiavana ny lehilahy.
« Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)
io ilay fitoriana fitiavana voalohany nataon'i Adama satria resy lahatra izy fa Andriamanitra no nanome azy.
Ny Fanahy Masina anie hanolo-tsaina an'ise amin'ny fanazavana ny Sotatra Masina.
Mirary soa

6. zokieva
(
03/09/2011 07:35)
Misaotra an'ise ry Miarana,ho aminao anie ny fiadanana,ka hahazo izay vady hiadanana!