Fanahy ratsy sy fanahy tsara , tantara anaty boky masina

1. saho ( 31/08/2011 15:11)
Miarahaba anao liana ara pitaizana finoana kristiana, izany hoe boky masina baiboly no iaingako eto
Misy ohatra maromaro tokoa ara tantara raha resaka itony Fanahy itony na ao anaty testamenta taloha na testamenta vaovao. Ny mba tiako lazaina raha misy te hizara amiko eto dia iza no ohatra azo alaina ao anaty testamenta ireo momba ireny olona b fahefana tsy matahotra an Andriamanitra ireny, maneho fahefana habibiana, mamono ny vahoakany sy mampahory ireo ambany fahefany, sy miaraka miasa amin ny devoly. Raha mba misy manana ohatra manambara izany ao anaty baiboly dia mba zarao

Ny resaka fangetahetahana ny tantara misy anaty boky masina mantsy dia misy ary somary tsy tadidy daholo ny momba izany satria efa ela ny fotoana nianarana sekoly alahady tany Gasikara.

Ny fantatro ara tantara Film mandeha fotsiny dia tantara Goliath sy David
Ny Film hitako koa dia Le Grand Alexandre

Misaotra izay namaky sy izay afaka mamaly
répondu par Miharena le 09/09/2011 15:35
2. rijadolly ( 01/09/2011 15:29)
Tamin' andron'ny Farao: Manaomboka ao amin'ny EKSODOSY 5
Izay ahitanao ny di-dohan' Farao hatramin'farany sy nandavany ny tenin' Jehovah ary ny tsy finoany an' Andriamanitry Israely sy niafarany.
3. saho ( 01/09/2011 20:33)
Efa hitako koa io, misaotra namaly
rijadolly:

Tamin' andron'ny Farao: Manaomboka ao amin'ny EKSODOSY 5
Izay ahitanao ny di-dohan' Farao hatramin'farany sy nandavany ny tenin' Jehovah ary ny tsy finoany an' Andriamanitry Israely sy niafarany.
4. niryna ( 02/09/2011 16:11)

saho:

Miarahaba anao liana ara pitaizana finoana kristiana, izany hoe boky masina baiboly no iaingako eto
Misy ohatra maromaro tokoa ara tantara raha resaka itony Fanahy itony na ao anaty testamenta taloha na testamenta vaovao. Ny mba tiako lazaina raha misy te hizara amiko eto dia iza no ohatra azo alaina ao anaty testamenta ireo momba ireny olona b fahefana tsy matahotra an Andriamanitra ireny, maneho fahefana habibiana, mamono ny vahoakany sy mampahory ireo ambany fahefany, sy miaraka miasa amin ny devoly. Raha mba misy manana ohatra manambara izany ao anaty baiboly dia mba zarao
aleo aloha ho hazavaina tsara fa tsy mahita endriky ny devoly isika ka sarotra ny hiteny hoe miara-miasa amin'ny devoly,ny devoly dia mampangoly,tsy mampijaly izy fa mandangolango amin'ny resaka tsara lahatra.izay no mampa-tamana ny olona anao ny zavatra tsy tokony atao.Ny feon'ny fieritreretanao no mitondra anao anao an'io na mety na tsia.
Mikasika ny hoe fahabibiana sy famonoana olona dia miteny mazava ny baiboly: omeo olombanona aho hananganako firenena ho vanona-izany hoe raha mangataka amin'Atra ny olona izay hitondra ny firenena isika dia mila mibebaka koa isika ao amin'izany firenena izany;mangataka aminy mba ho olona matahotra an'Atra no hitondra ary raha hifona aminy koa isika dia ho sitraniny ny tanintsika satria teny feno fitiavantena,fahoriana,fangalarana,fisolokiana,manao ny tsy mety rehetra ary tezitra amintsika Atra.Saingy Izy dia Atra mahari-po,tia fitiavana,tia antsika ka mila miverina amiNy isika.izy irery tsy misy hafa(ny sarisary,ny olona hivavahana kanefa tsy Atra,ny sarin-javatra,sy izay rehetra atao mitovy amin'ny Mpahary ) dia mila fohanana sy arodana avokoa.tsy mora kanefa mangataka ny fanahy masina mba hiasa ao anatintsika tsirairay avy .
Raha ity olona mahantra ity no miantso ka mifona amiko ary mibebaka amiko dia ho sitraniko ny taniny- fireneny ary ho oloko izy ka hihaino azy aho.

Ny resaka fangetahetahana ny tantara misy anaty boky masina mantsy dia misy ary somary tsy tadidy daholo ny momba izany satria efa ela ny fotoana nianarana sekoly alahady tany Gasikara.
dia afaka mijery amin'ny fiteny izay misy anao any hianao.Ny anglisy izao dia misy http://bible.com ohatra.Vao hitako androany io fa misy karazana fitenim-pirenena maro,misy ny king James,ny NIV ,ny Living,ny Standard sns .Afaka mikaroka ao amin'ny baiboly.org koa hianao sy ilay site vao nomeny rija ao ambadika ao io.

Ny fantatro ara tantara Film mandeha fotsiny dia tantara Goliath sy David
Ny Film hitako koa dia Le Grand Alexandre

Misaotra izay namaky sy izay afaka mamaly
afaka mividy ireny baibolin-jaza ireny koa hianao fa tsy ho an'ny zaza ihany ilay izy fa ho antsika manampy betsaka tokoa ahalalana ny tantara ao anatin'ny baiboly
izay fa mahereza e
5. niryna ( 02/09/2011 16:15)
Mikasika ny fanahy ratsy sy ny tsara indray dia tsara ho fantatra kely fotsiny fa ATra tsy manome antsika fahoriana tsy ho zakantsika ary ny baiboly koa dia manambara fa mila mizaha ny fanahy isika satria Atra dia fanahy ka isika izany mivavaka amin'Atra dia fanahy tsy hita maso kanefa manampy antsika amin'ny fiainana tokoa satria io fanahy io no mitari-dalana antsika andeha amin'ny fahamarinana,mampianatra antsika hibebaka,hiala amin'ny ratsy rehetra,mampahatsiahy antsika izy ary mibitsika mangina ato anatintsika ihany koa ,manoro antika mba hifona ary miady amin'ny fanahy ratsy izay mitarika antsika tsy hanao ny sitrapon'Atra.Mivavaha ary mangataha amin'Atra mba homeny ny fanahiny satria io irery ihany no afaka mampianatra sy manazava antsika ny TeniNy
6. Miharena ( 03/09/2011 06:47)
Raha ny Baiboly no jerena momba io fanahy ratsy sy fanahy tsara io dia misy fahazoan-kevitra sasany mampifanaritaka ihany.
- Ny hevitra voalohany dia ny amin'ny hoe avy aiza marina àry ny fanahy ratsy ?
Raha mandinika isika hatrany amin'ny Genesisy dia mahita fa ny fanangolena hanaraka ny hevitr'i Satana no niandohan'ny fiovan'ny fiainan'ny olombelona tsy hanaraka ny lamina napetrak'Andriamanitra (Voankazo voarara nohasohasoin'i Satana fa mahasoa).
- Ny fanontaniana faharoa mipetraka dia hoe mampiasa hevi-droa ve Andriamanitra taorian'io fahalavoan'ny olombelona io?
Raha mamaky isika ny ao amin'ny tantaran'i Joba dia mahita fa niresaka Andriamanitra sy Satana. Tsy manakana izay asan'i Satana IZY fa mamela malalaka satria ny olombelona dia manana ny safidiny.
Ao koa anefa ny resaka sasany ao anatin'ny Baiboly ihany izay lazaina fa Andriamanitra mihitsy no mampiditra faharatsiana ao anatin"ny olombelona (Saoly teo anatrehan'i Davida, Farao tamin'ny andron'i Mosesy). Eto isika dia somary vaka ihany hoe inona no antony?
Nefa rehefa mandinika isika dia noho ny fahalavoana dia nanjary namolavola toy ny tanimanga antsika olombelona indray Andriamanitra mandram-pahatongan'ny fahazavaNY hitoetra ao anatintsika tsirairay avy dia ILAY FAHAZAVANY tsy misy pentina.

Lalana lalovana izany ny faharatsiana na fahadisoan-kevitra hampahafantarana ny fahamarinana eto.

Raha tena zohina dia zanaky ny fahadisoana izay nentin'i Satana isika rehetra ary miaina ao anatin'izany fahadisoana izany avokoa. Lasa fanahy roa no manapaka ao anatintsika eto, dia ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fitaizan'i Satana. Niniana natao roa samihafa ny hoe fitantanana sy ny hoe fitaizana satria izay rehetra ambany masoandro dia teo ambany fitaizan'i Satana avokoa ka nentiny nanamboarana izao tontolo hitantsika izao izay nambarany tamin'i Kristy hoe izao no fanjakako tamin'ny fotoana nakana fanahy AZY rehefa nifady 40 andro 40 alina IZY.

Ny fifohazana dia ny fahatsapana izay ary ny fahaizana mitondra tena mahitsy ao anatin'ny fanjakan'i Satana hitantsika izao.

Rehefa mandinika ny bokin'i Daniela sy ny Apokalypsy isika dia mahita ny firodanana hitranga. Firodanan'ny fanjakan'i Satana avokoa izay rehetra voambara ao ary fampanantenana ny Fanjakana Vaovao.
Efa mihatra amin'izao fotoana iainantsika izao ireo ka izay vonona ny handray ny Fanjakana Vaovao dia tsy ho voatohintohina mihitsy fa mijoro tanteraka fa izay tsy vonona fa mbola manao tan-droa no hangirifiry.
Saingy ny fanantenana farany kosa dia ny famonjena ny rehetra hitoetra ao anatin'ny Fanjakana Vaovao. Izany dia tanteraka rehefa miparitaka henon'ny rehetra ny Filazantsara Vaovao mandrakizay mifototra tsy mifototra amin'ny tantara sy ny fampahatsiahivana ny lasa intsony fa fiainana ny ankehitry mandrakizay hanjakan'ny MAZAVA. Fiainana miaraka Amin'Ilay IRAY nipoirana sy ao AMINY.
7. saho ( 03/09/2011 10:33)
Miharena> misaotra anao nanazava
Miharena:

8. niryna ( 05/09/2011 03:16)
Miharena:

Raha tena zohina dia zanaky ny fahadisoana izay nentin'i Satana isika rehetra ary miaina ao anatin'izany fahadisoana izany avokoa.

Tsy azoko ny tianao tenenina hoe zanaky ny fahadisoana isika?

Ny fifohazana dia ny fahatsapana izay ary ny fahaizana mitondra tena mahitsy ao anatin'ny fanjakan'i Satana hitantsika izao.
Toa tsy vitantsika samy irery izany raha tsy miaraka amin'i kristy isika ka

Rehefa mandinika ny bokin'i Daniela sy ny Apokalypsy isika dia mahita ny firodanana hitranga. Firodanan'ny fanjakan'i Satana avokoa izay rehetra voambara ao ary fampanantenana ny Fanjakana Vaovao.
Efa mihatra amin'izao fotoana iainantsika izao ireo ka izay vonona ny handray ny Fanjakana Vaovao dia tsy ho voatohintohina mihitsy fa mijoro tanteraka fa izay tsy vonona fa mbola manao tan-droa no hangirifiry.
mila miambina isika angamba no azoko hilazana azy.Ny tenin'Atra dia efa manambara izany hatrizay.
Jakoba 4:7-9 Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo,;ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy.Manatona an'Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. diovy ny tananareo ry mpanota ,ary ataovy madio ny fonareo ry mpiroaroasaina
Averiko foana fa tsy vitantsika irery izany fa mivavaka isika ka mangataka amin'Atra mba omeny antsika ny Mpananatra sy ny Mpampianatra dia ny Fanahy Masina izany
9. Miharena ( 06/09/2011 04:33)
Niryna:

Tsy azoko ny tianao tenenina hoe zanaky ny fahadisoana isika?

Raha ara-tantara dia izany tokoa isika Niryna satria tsy misy iray ambany masoandro izay tsy zanaky ny fahadisoana, izany hoe tapaka tamin'ny FOTOTRA nipoirana ary nanaraka izay lalàna napetrak'i Satana hiainan'ny olombelona = lalànan'ny mahery noho ny tena, ady sy fifaninanana handrombaka zava-poana tsy manome fiainana miteraka korontan-tsaina tsy ahitana ny lalan-kombana, fiadian-kevitra tsy marim-pototra isan-karazany ao amin'ny fiaraha-monina sy ny fiangonana mihitsy aza. Ity farany ity moa no tena mirantiranty tazanin"ny be sy ny maro tsy mandady harona. Izay no mahatonga an'i Kristy hifidy olona tsinontsinona ao anaty fiaraha-monina hampamiratra ny VoninahiNY.
10. niryna ( 06/09/2011 16:09)
Niryna:

Tsy azoko ny tianao tenenina hoe zanaky ny fahadisoana isika?
Miharena:

Raha ara-tantara dia izany tokoa isika Niryna satria tsy misy iray ambany masoandro izay tsy zanaky ny fahadisoana, izany hoe tapaka tamin'ny FOTOTRA nipoirana ary nanaraka izay lalàna napetrak'i Satana hiainan'ny olombelona = lalànan'ny mahery noho ny tena, ady sy fifaninanana handrombaka zava-poana tsy manome fiainana miteraka korontan-tsaina tsy ahitana ny lalan-kombana, fiadian-kevitra tsy marim-pototra isan-karazany ao amin'ny fiaraha-monina sy ny fiangonana mihitsy aza.
Toa teny tsy mbola fahenoko izany hilazana antsika hoe zanaky ny fahadisoana isika.Ny fantatro fotsiny dia hoe nomen'Atra fahefana ny zava-boary rehetra Adama sy Eva ary norarany mba tsy ihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.Tsy nihaino ny anatra anefa izy ireo ka rehefa nolambolamboan'i satana dia nihaino azy ary dia nanomboka nihiratra ny masony ka nahafantatra izy ireo fa nitanjaka ary niafina tamin'Atra noho izany.Niafina izy satria menatra an'Atra tsy nihaino ny teniNy,niafina izy satria nahafantatra fa nanao ny tsy mety teo anatrehaNy.
Tsy tian'Atra hitovy aminy anefa izy ireo fa sao tsy ho faty intsony ka dia nahidina tsy ipetraka teo amin'ny sahin'i Edena.Voahozina izy ireo ary Adama moa dia ny atsembohan'ny tavany no ihinanany ary Eva moa dia nijaly rehefa hiteraka ary dia toa izany koa isika.Noho ny fahotan'i Adama sy Eva izany dia lasa voasazy avokoa ny olombelona rehetra taty aoriana.Satana kosa moa izay naka endrika ho bibilava dia vovoka ho hohaniny.

Ka eo no mipetraka ny fanontaniako: nandova an'i satana ahoana isika? raha Adama dia eny satria ny hatsembohan'ny tavantsika no hinanantsika na lahy io na vavy.
Eva dia eny satria ny vehivavy rehetra rehefa miteraka dia mijaly tokoa.
Fa raha satana indray dia tsia no valiny amiko satria tsy mihinana vovoka aho ooops ary tsy mbola naheno aho hoe vovoka no hohanin'ny olona iray hatramin'izao aloha na tsy misy aza ny sakafo
Izay no mahatonga an'i Kristy hifidy olona tsinontsinona ao anaty fiaraha-monina hampamiratra ny VoninahiNY

Olona ahoana izany olona tsinontsinona izany?

marina tsy lavina fa ny adalan'izao tontolo izao no nofidian'Atra hampahendry ny hendrin'izao tontolo izao= ny adala sy hendry eto tsy midika hoe olona tsinontsinona amiko manokana satria na manana na tsy manana ny olona iray raha araka ny maha olombelona azy no jerena a dia mety ho hino an'Atra ary mety tsy hino ihany koa ,tsy ny harena izany no mety ahatonga azy tsy hino na ny fahantrana no mahatonga azy hifikitra aminy fa noho ny safidiny

Andao aza anie ho tanisaintsika ireo olon'Atra nofidiana e? moa nisy olona nahantra izy ireo na iray aza?
Abrahama sy Joba ohatra no omeko: olona nanana ny harena sy ny voninahiny izy ireo kanefa nofidian'Atra. Lioka raha tsy diso aho dia dokotera ,eny nisy ny mpanjono fa nisy koa ny olona mba nanana ny hareny.Jereo koa ilay olona nandray sy nanome fasana an'i kristy fony maty izy: fasana foana ary olona nanana ny maha -izy azy koa izy io.
Asa mety tsy azoko angamba ny tianao ho tenenina fa raha resaka finoana dia arakaraky ny olona tsirairay io na mahantra izy na manankarena>jereo anie ireny olona mba nisy natao ireny manampy ny fiangonana mahantra e,eny misy aza olona tsy manana finoana an'Atra ary vola amana millions de dollars no nomeny ny fiangonana ho fanampiana ny ankizy izay mbola te hianatra.

Manjary lasa mivoana ny fampianarana omentsika raha izay hoe jereo fa ireo tsinontsinoa no nofidiany.
11. Miharena ( 09/09/2011 15:35)
Niryna:

Fa raha satana indray dia tsia no valiny amiko satria tsy mihinana vovoka aho ooops ary tsy mbola naheno aho hoe vovoka no hohanin'ny olona iray hatramin'izao aloha na tsy misy aza ny sakafo

Ny amin'ny resaka fihinanambovoka dia diso fihevitra ihany ianao satria resaka fitaizana no lazaiko fa tsy hoe mandova ny menarana hihinam-bovoka akory.

Mandà hatrany moa i Niryna fa tsy zanaky ny fahadisoana, nefa raha zohina dia manaiky fa mpanota. Tsy Kristiana izay tsy milaza izany. Ka taiza no nipoiran'ny fahadisoana? tsy tamin'ny fotoana nitarihan'i Satana ve?

Rehefa tong Kristy vao manomboka ny tena fitarihan'Andriamanitra fa saingy mbola maro ihany aloha no lavo rehefa tena zohina aoa anatin'ny fiainana andavanandro feno fakam-panahy e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4805