zaza 3 taona nahavita fahagagana
1. zokieva
(
27/08/2011 08:16)
Nisy vehivavy nanan-janaka roa (3 taona sy 10 volana).Rehefa nampandro ilay zaza 10 volana tao @ douce izy dia tampoka teo dia nisolifatra teny an-tanany ilay zaza fa nalama be noho ny savony izay efa voahotra taminy;vaky ny tataomason'ilay zazakely ka nandeha ra be nijininika.Noho ny hatairana dia nentin'ilay reny teny @ hopitaly avy hatrany ilay zaza ka ny MAZAORO no nandray azy.
Ilay zaza 3 taona kosa nilaza t@ reniny fa maninona raha "Kasihina tahaka ny nataon' i Jesoa ny masony dia sitrana" fa tsy nahoan'ilay reny anefa izany fa hevi-jaza angamba.
Ilay MAZAORO kosa nilaza fa tsy maintsy didiana io zaza io raha tsy tiana ny hahajamba azy.Teo vao nitomany ilay reny ka tsy nahita atao fa adinony h@ ilay zaza 3 taona fa navelany irery tao an-trano ka izay vao nahtsiaro izy ka niantso ny vadiny tany ampiasana hoe mba vonjeo ilay zaza 3 taona fa izy irery no an-trano fa izaho hoy izy aty @ hopitaly.
Nony ampitso dia tonga namangy azy ilay zaza 3 taona rehefa nentin'ilay rainy ary dia nigogogogo nahita ny zandriny maratra be mihitsy ary t@ izay indrindra dia nokasihiny ny mason'ilay zaza ka hoy izy:"SITRANA @ ANARAN' I JESOA"
Nony avy eo tonga mba hijery ity zaza ho didiana ireto mpianatra ho mpitsabo ka nilaza fa zaza salama be io ve dia ho didiana?
Tezitra aok'izany ny tompon'andraikitra satria ny MAZAORO mihitsy no nandray azy tao ka nilaza fa tsy maintsy didiana io zaza io,izay mihitsy no mahavoa anareo mpianatra ho mpitsabo itony hoy izy fa manaonao foana!
Nony niarahan'ny rehetra nahita anefa dia hita tokoa fa tena "SITRANA " ilay zaza ary tsy nahitana na dia ratra kely aza t@ tenany!
LESONA:
Ry havako malala aiza ho aiza ny finoanao mihoatra ny finoan'ilay zaza vao 3 taona nahasitrana ny mason-jandriny t@ anaran' i Jesoa?
Ampiasainao ve ny finoanao sa finoana poakaty?
diniho ny tenanao.(Lioka 18:16)

répondu par zokieva le 05/09/2011 07:29
2. Miharena
(
27/08/2011 08:57)
Fihevitra tsotra no entina mamaly ny fanontaniana eo ambany.
Ilay zaza 3 taona dia mbola manana ny fahadiovana mangatsakatsaka afaka mampiasa ny fahefan'ny finoana fa raha isika olon-dehibe dia efa mpanota matevin-koditra nampidirana ny fampianarana fa mpanota avokoa ny olombelona rehetra. Izany hoe efa manana sosona matevina tsy hivoahan'ny finoana mangarahara ny ankamaroan'ny olon-dehibe. Izay ilay hoe raha tsy miverina toy ny zaza dia tsy hahazo ny fanjakan'Andriamanitra.
Anisan'ny lesona lehibe tokoa io farany io satria raha mahatsapa isika fa niolaka etsy sy eroa alohan'ny ahafantarantsika fa zanak'Andriamanitra isika dia mila mitady ilay varavarana ety dia ety noho ny famoronantsika rindrina matevina noho ny fahadisoan-kevitra. Tsotraanefa ny lalana dia ny miverina hotezain'Ilay Ray Tsitoha izay namorona sy tsy manala ilay maha-IZY AZY ao anatintsika.

3. niryna
(
05/09/2011 03:00)
zokieva:
Nony ampitso dia tonga namangy azy ilay zaza 3 taona rehefa nentin'ilay rainy ary dia nigogogogo nahita ny zandriny maratra be mihitsy ary t@ izay indrindra dia nokasihiny ny mason'ilay zaza ka hoy izy:"SITRANA @ ANARAN' I JESOA"
ahitsiko kely fa nahita ny zokiny maratra be fa tsy ny zandriny
LESONA:mbola ahitsy kely ihany nanasitrana ny mason-jokiny fa tsy ny an'ny zandriny.
Ry havako malala aiza ho aiza ny finoanao mihoatra ny finoan'ilay zaza vao 3 taona nahasitrana ny mason-jandriny t@ anaran' i Jesoa?
Ampiasainao ve ny finoanao sa finoana poakaty?
diniho ny tenanao.(Lioka 18:16)
Raha ny sarinteny ao amin'ny tantara tokoa no jerena dia tsy miantso an'Atra isika rehefa misy dona mahazo fa Izy no antsointsika farany.Ny fanoharana ao amin'ny baiboly anefa dia manambara amintsika fa na dia kely toy ny voatsinampy aza ny finoantsika ka tena mino Azy(Jesosy kristy) isika dia ho tonga lehibe izany finoana izany ary aneho ny voninahiny amintsika Atra
.Ary ireo karazana tendrombohitra mitomandavana amin'ny fiainantsika izay tsy ahitantsika fifaliana na fihononana na fandriampahalemana dia afaka afindra tokoa rehefa tena mino Azy isika.Izany hoe na inona na inona olana miantra amin'ny fiainantsika ka mino sy manantena fa mihaino sy manampy antsika i Kristy dia vitany tokoa izany.Ataovy anie ny fanandramana e!
4. zokieva
(
05/09/2011 07:29)
vakio tsara fa diso ny fahazoanao ny zava-misy:
Zandriny 10 volana naratra no izy; ary zokiny kosa ilay 3 taona nahasitrana azy§