« Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao, » (Salamo 17:8)
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona. » (Salamo 36:7)
« [Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza. » (Salamo 57:1)
« Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho, » (Salamo 61:4)
« Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako. » (Salamo 63:7)
TENA TIAN'ANDRIAMANITRA TOKOA RAHA I DAVIDA MPANJAKA IZAY NANORATRA NY BOKIN'NY SALAMO,
INONA NO ANTONY NITIAVAN'ANDRIAMANITRA AZY?
« satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany. » (1 Mpanjaka 15:5)
« Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy. » (1 Mpanjaka 15:11)
SATRIA NANAO IZAY MAHITSY TEO IMASON'I JEHOVAH KA TSY NIVILY NIALA TAMIN'IZAY NANDIDIANY AZY TAMIN'NY ANDRO REHETRA NIAINANY,
INONA NO MAHASAKANA AHY SY IANAO IANAO HANAO TOY IZANY KOA RAHA TIAN-TSIKA TOKOA NY FIAINANA MANDRAK'IZAY???