NY SAKAFO

1. Maranatha ( 09/08/2011 05:30)
Raha nahatsikaritra isika dia teo @ sakafo no nakan'i satana fanahy an'iAdama sy Eva ka nahalavony azy , ary manaraka dia isany nakana fanahy an'i Tompo Jesosy ihany koa ny HANINA.
Amin'izao vanim-potoana avy any Egypte andalana ho any Kanana izao (aram-panahy) inona kosa ny sakafo tokony ho fihinana?
Raha nahatsikaritra isika nadritra ny fivoahan'ireo zanak'israely tany Egipta ho any @ tany Kanana dia tsy nanome hena azy ireo A/tra raha tsy efa nidongy ry zareo vao nomena papelika. Rehefa izany anefa dia marobe no maty vokatry ny fahalianana.
Amin'izao vanim-potoana izao ve mbola tokony hihinana nofomp-biby?
répondu par Maranatha le 08/09/2011 10:24
2. bor2lais ( 09/08/2011 07:46)
maranatha:

Raha nahatsikaritra isika dia teo @ sakafo no nakan'i satana fanahy an'iAdama sy Eva ka nahalavony azy , ary manaraka dia isany nakana fanahy an'i Tompo Jesosy ihany koa ny HANINA.
...
Amin'izao vanim-potoana izao ve mbola tokony hihinana nofomp-biby?

Sao dia mba maka fanahy amin'ny resaka sakafo kosa aza ianao izany ry maranatha ! ;-)
3. pollux ( 09/08/2011 12:04)
Marina mihintsy izany fa ny hanina no filan'ny nofo voalohany, ka mila hitandremana tsara
4. Maranatha ( 10/08/2011 05:15)

bor2lais:

Sao dia mba maka fanahy amin'ny resaka sakafo kosa aza ianao izany ry maranatha ! ;-)

Tsia, tsy maka fanahy sady tsy mpaka fanahy fa te hisarikany saina hoe: Amin'izao lalan-tsika ho any @ kananan'ny lanitra izao inona no sakafo nomen'A/tra tokony ho hanina mba hahafahana mihomana @ fidirana ho amin'izany lanitra vaovao sy tany vaovao izany, ary indrindra ho amin'ny fanavaozana aram-pahasalamana.
Satria manko maro no mihevitra fa isany sakafo ireo zavatra manaitaitra toy ny sigara, kafe, Dité vazaha, toaka, paraky, fa indrindra ihany koa ny Hena (manaitaitra ny filana ihany koa mantsy izy io) sns....
Raha mahatsikaritra isika dia betsaka no latsaka amin'ireo zavatra manaitaitra ireo na dia fiangonana milaza azy fa mifoha aza. Lasa fahazaran-dratsy ny filana ireo. Raha afaka amin'iray dia mbola misy iray mamatotra ihany.
Izany no mahatonga ity lohahevitra ity hisarika ny saina mba hialana @ ireny zavatra tsy dia mahasoan'ny vatana na ny saina fa indrindra ny fanahy ireny.

Mahereza namana!
5. bor2lais ( 10/08/2011 09:53)
maranatha:

Amin'izao lalan-tsika ho any @ kananan'ny lanitra izao inona no sakafo nomen'A/tra tokony ho hanina mba hahafahana mihomana @ fidirana ho amin'izany lanitra vaovao sy tany vaovao izany, ary indrindra ho amin'ny fanavaozana aram-pahasalamana.

Ataoko somary vazivazy ny fanamarihako ka miala tsiny mialoha ! :-)
1. "kananan'ny lanitra" sy ny sakafo
Hay tokoa moa tery ny làlana mankany ka mila manao régime e ! ;-)
2. fiomanana fidirana any "kananan'ny lanitra"
- hay tokoa moa tsy maintsy mbola hiady amin'ny "tompon-tany" ao izany !
- hono oa ry maranatha : iza kay ilay "mosesy" mitarika anareo @ izao fotoana izao ? Ny mampalahelo mantsy raha araka ny tantara dia tsy mba hiditra any "kananan'ny lanitra" akory izy ô ! Dia mbola hisy "josoa vaovao" izany ho anareo ! :-)

Dia mazotoa manao régime izany ry maranatha fa toa mbola ho mafy izany ady izany raha ny fahazoako azy a ! :-)
6. daran ( 12/08/2011 10:34)

1. "kananan'ny lanitra" sy ny sakafo
Hay tokoa moa tery ny làlana mankany ka mila manao régime e !

hahahah, manampaka ny tsinaiko dray ity famalin'ny bor2lais ty, mdr
7. rijadolly ( 12/08/2011 19:26)
Maranatha :

Amin'izao vanim-potoana izao ve mbola tokony hihinana nofomp-biby?

Hitako miverina eto izy ity dia aleo hanontaniako ny zavatra manitikitika ahy. Amin' se eny raha ny Mpiara-mivavaka amin'ise koa toy izay angamba izay, Aiza ho aiza ao anaty Baiboly raha avy ao, na avy aiza ny fampianarana tokony tsy hinana nofom-biby intsony?
8. Maranatha ( 17/08/2011 11:48)

rijadolly:

Hitako miverina eto izy ity dia aleo hanontaniako ny zavatra manitikitika ahy. Amin' se eny raha ny Mpiara-mivavaka amin'ise koa toy izay angamba izay, Aiza ho aiza ao anaty Baiboly raha avy ao, na avy aiza ny fampianarana tokony tsy hinana nofom-biby intsony?

Misaotra @ fanontaniana.
Rehefa fotoana fanavotana(Toy izao hanavotan'i Kristy an-tsika izao) dia tsy maintsy mampahory tena ny vahoakan'Atra Lev 16:29-31;lev 23:27-29 (Rom 15:4: fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianaran-tsika hanana-tsika ny fanantenana sy faharetana avy @ soratra masina.)
Koa satria lava ny fotoana fa tsy toy ny t@ zanak'israely indray andro monja dia manaraka ny fomba fampahorian-tena nampianarin'ny Daniela nandritra ny andro maromaro isika Dan 10:2-3,12
Dia amin'izao vanim-potoana izao no naminanian'Isaia ity faminaniana ity Isaia 22:12-14
Vakio tsara ireo toko sy andininy ireo dia hangataho ny fanahy masina hanazava azy amin'ise fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ise.
Dia mahereza!
9. rijadolly ( 17/08/2011 16:39)
ISAIA 22 : 12 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro,
Hiantso fitomaniana sy fioriana
sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana!
Sy famonoana omby sy ondry aman'osy
ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay!
Aoka isika hihinana sy hisotro,
fa rahampitso dia ho faty.14 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao:
Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao,
hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Izay zany ny antony tsy hinana nofom-biby intsony?
Raha azoko tsara ilay fanazavan'se dia hoe: andron'ny fisaonana sy fampahorian-tena izao andro izao, ary dia tsy in-1andro na vitsivitsy tahakany nataon'Jiosy taloha intsony, ary izao andro iainantsika izao io faminanian' Isaia io.

Ny zavatra manitikitika ahy ao anatin'izay anefa dia:

1) Sao dia rehefa tokony amin'fotoanan' fahatsapanao ny tsy nety nataonao, na amin'andro fidiovana no tokony atao izay fampahorian-tena sy fifadin-kanina izay, izany hoe mbola maloto na tsapanao maloto ianao. Raha vao voadio ianao dia mila mifaly sy miravoravo... Satria mantsy hoy ihany ny teny nentiny Isaia:
ISAIA 65 : 17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
ny tena tiako ambara izany dia tokony tsy hijanona ao anaty fampahorian-tena(fisaonana, mifady hanina,..) intsony ny olona efa voadio(navela ny helony).

2) Raha nalaim-panahy tamin' Mofo Jesoa Kristy, tsy midika akory izany hoe tsy hihinana mofo intsony koa, na hoe hifady hanina foana mandavan'andro. Ekeko misy heviny ara-panahy ilay mofo dimy sy hazan-drano roa. Nefa nahoana ary no fahanana nofo-trondro ny vahoaka? Rehefa avy manolo-tena ho diovina ianao dia tokony tsy hiakanjo fisaonana intsony.

Raha mbola tsy afaka ny fahotan'Davida dia nisaona sy nampahory ny tenany izy.
SAMOEL FAHA ROA 12: 20 Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.21 Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.22 Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?23 Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina et? amiko intsony.
10. rijadolly ( 17/08/2011 16:47)
Raha mamaky tsara ilay teny nentin' Isaia isika dia mahatsapa fa tao anatin' fahotany tanteraka ireo olona nifaly sy nihinana matavy noho ny fahaverezan-toky taminy fa tsy ho avotra intsony izy , ary dia nanao izay nahafalifaly azy farany. Izay ilay noteneniko fa tsy fanao satria mbola ao anatin'ny lotonao ianao. Ary eo no tokony anaovana fifadian-kanina sy fanaovana lamba fisaonana, na famapahorian-tena. Fa rehefa hita kosa fa voadio ianao, dia tokony tsy hijanona ao anatin' izay fampahorian-tena izay.
11. Maranatha ( 19/08/2011 06:27)

Tsy novakian'ise kosa angamba ilay Levitikosy milaza ny fanao rehefa andro fanavotana.
Ny andro fanavotana, velaberiko amin'ise fohifohy: Ny fotoana fangataham-pamelan-keloka dia efa vita nandritra ny fanaterana ireo biby fanao sorona T@ andron'ny zanak'israely izany hoe efa voafindra t@ ilay ràn'ilay biby ny fahotana, ilay biby no nivesatra ilay ota nataon'ilay olona. Toy izay koa amin-tsika izay mino an'i Kristy efa nentin'ny Kristy ny helon-tsika .
Fa mandritra ny fotoana fanaovana fanavotana vao tena fantatra na voavela na tsia ny heloka. Dia vakio io Levitikosy 23 :27-32 io fa io no tohiny. Lev 16 ny ambangovangony
I kristy amin'izao fotoana izao dia ao anatin'ny efitra masina indrindra manao fanavotana ho antsika. nanomboka ny 1844. Mino aho fa efa fantatr'ise tsara io.
Ka izay tsy miory amin'io fotoana io dia ho fongarina tsy ho amin'ny firenena (ankehitriny: ho fongarina tsy ho vahoakan'Atra)
Mahereza ise
12. rijadolly ( 19/08/2011 17:06)
LEVITIKOSY 23 : 27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo hianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.28 Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.29 Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.31 Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.32 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo hianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.

Ny zavatra tsy azoko eto izao dia hoe "amin'io fotoana io". Amin'izao fotoana ihainatsika izao ve sa, ny harivany andro faha sivy mandrapaha harivan ny andro faha folo ny volana faha-7?
Dia ny tsy azoko ihany koa amin'ilay fanazavan' se dia ilay tsy mihinana nofo-biby intsony.
13. zokieva ( 22/08/2011 05:52)
Raha @ mpitsabo (dokotera) dia tsy mahatsara fahasalamana loatra ny nofom-biby satria be menaka ka mahatonga karazana aretina @ vatana fa ny tena mahasalama dia ny zava-maniry io ilay hoe "sans colesterol";tsy midika akory izany fa tsy hohanina ny nofom-biby fa tena ilaina fa tsy azo atao be loatra;raha izaho aloha dia tsy miady hevitra @ izay sakafo fa hano izay mety aminao,ary raha manimba fahasalamana dia ilay antsona hoe tempoly masina dia ajanony fa "tsy ny miditra @ vava akory no mahaloto ny olona fa ny mivoaka ny vava"
14. Maranatha ( 22/08/2011 06:48)

rijadolly:

LEVITIKOSY 23 : 27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo hianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.28 Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.29 Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.31 Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.32 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo hianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.

Ny zavatra tsy azoko eto izao dia hoe "amin'io fotoana io". Amin'izao fotoana ihainatsika izao ve sa, ny harivany andro faha sivy mandrapaha harivan ny andro faha folo ny volana faha-7?
Dia ny tsy azoko ihany koa amin'ilay fanazavan' se dia ilay tsy mihinana nofo-biby intsony.

Misaotra! ny amin'ny fanontaniana. Eo indrindra no mihiditra ilay novakian'ise tao amin'ny bokin'i Isaia 22:12-14 hoe"Ary amin'izany andro izany... tsy havela mandram-pahafatinareo izao helokareo izao hoy Jehovah Tompon'ny maro". Raha mamaky ny isaia 22:20,22 ise dia hahafantatra hoe vanim-potoana aiza ao amin'ny tantaran'ny fiangonana fito ao amin'ny faminanian'ny Jaona ao amin'ny Apokalipsy no misy io (Apok Toko faha 2 sy faha 3)
Hoy io Isaia 22:20"Ary amin'izany andro izany....22 Ary hapetrako eo antsorony ny fanalahidin'ny tranon'ny Davida; dia hamoha izy ka tsy hiisy handrindrina; ary handrindrina izy ka tsy hiisy hamoha"
Raha mijery ny vanim-potoana ny fiangonana isika dia nanomboka tamin'ny vanim-potoana ny fiangonana Laodikia no nipetrahan'io faminaniana io Apok 3:7 "Ary soraty ho an'ny fiangonana any Filadelfia Izao no lazain'Izay masina, Izay marina ,Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hiisy hanidy, ary manidy ka tsy hiisy hamoha:"
Nanomboka t@ io vanim-potoana io izany no tokony efa niory ny vahoakan'Atra,
Dia izao ihany koa mandritra ny andro fitsarana no hanaovana ny FANAVOTANA an-tsika, eo i Kristy no misolo vava eo anatrehan'ny Ray ireo olona izay navotany, eo no hanomezan'i Kristy ilay akanjo fotsy (fahamarinan'i Kristy)izay haseho eo anatrehan'i Ray
Mino aho fa fantatr'ise tsara ihany koa fa nanomboka ny 1844 ny FITSARANA any an-danitra . Dia izay no mahatonga ny vahoakan'Atra hoe tsy maintsy miory mandritra izay fitsarana izay (sao mantsy mandihy tsy afa-tavony).
Izany rehetra izany no mametraka ny tenin'ny Kristy hoe ety ny lalana ka vitsy no mahita azy.
Mahereza ise
15. bor2lais ( 22/08/2011 15:12)
maranatha->rijadolly:

Mino aho fa fantatr'ise tsara ihany koa fa nanomboka ny 1844 ny FITSARANA any an-danitra . Dia izay no mahatonga ny vahoakan'Atra hoe tsy maintsy miory mandritra izay fitsarana izay (sao mantsy mandihy tsy afa-tavony).

Mba hazavao hoe ry 'se 'zany "zava-miafina" fantatr'ise 'zany ry rijadolly fa tsy naharaka ny tenako ! ;-)
16. rijadolly ( 22/08/2011 15:19)
Bor2lais a! Hitan'se fa tena fanina tanteraka angaha za?
17. bor2lais ( 22/08/2011 15:40)
Rijadolly > ka ise anie no mba nantenaiko hanazava ahy ilay izy e !
:-)
18. rijadolly ( 23/08/2011 03:47)
Ny zavatra tsy azoko izao dia hoe: " tsy mihinana nofom-biby intsony " dia tsy te- hamaly an'ilay Fiantombohan'ny fitsarana 1844 aho hoe azoko na tsy azoko satria manjary miova an'izay ilay izy. Nefa dia io foana ny fanazavan'Maranatha ao anatin'ilay fanazavany azy. Izany hoe tsy maintsy miandry an' Maranatha hanazava bebekokoa an'ioizany izay vao mety ho azoko ilay tsy fihinana nofom-biby intsony. Raha azoko tsara izany dia tsy azoko mihitsy ny tiany ho lazaina. :-)
19. Maranatha ( 23/08/2011 05:32)

Ny antsimpirihan'ny mikasika ny FITSARANA dia tsara raha jerenareo ao amin'ny Pejy faharoa misy lohahevitra ao hoe MISY FITSARANA ANKEHITRINY ANY AN-DANITRA izay efa nifampiseraseran-tsika teto ihany koa dia vakio ny fiantombohan'izany lohahevitra izany.

Fa fanampiny amin'ny lohahevitra-tsika hoe TSY MIHINANA NOFOM-BIBY INTSONY dia ny mpandinika ihany koa dia milaza fa tsy natao hitsakoana hena ny nifin-tsika zanak'olom-belona, zava-maniry no natao ho tsakoiny izay no nanaovan'Atra azy t@ voalohany.
Ary matetika ny aretina mahazo ny olona dia vokatry ny fihinanana nofom-biby.
Teny atsipy ihany ny ahy ho an'izay manam-panahy afaka handray fa ny tsirairay no mandinika sy misafidy izay hasiany ny tongony na hankato na tsia.
Mahereza e!
20. bor2lais ( 23/08/2011 08:52)

"C'est grave docteur ?" :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2903