NY SAKAFO

21. rijadolly ( 23/08/2011 12:06)
Misaotra betsaka Maranatha amin'ny fanazavana, Izay vao azoko fa fanampin'Ilay loha hevitra kay izany ilay tsy fihinana nofom-biby intsony, ary mirona betsaka any amin' fahasalamana ny antony. Dia ialako tsiny izany ilay fanotaniana nataoko ao ambony ao hoe:
Rijadolly:

Amin' se eny raha ny Mpiara-mivavaka amin'ise koa toy izay angamba izay, Aiza ho aiza ao anaty Baiboly raha avy ao, na avy aiza ny fampianarana tokony tsy hinana nofom-biby intsony?

Hiverenako jerena izany ilay HEVITRA mikasika " MISY FITSARANA ANKEHITRINY ANY AN-DANITRA " Misaotra an'se.
22. Maranatha ( 24/08/2011 06:00)

bor2lais:

maranatha:

tsy natao hitsakoana hena ny nifin-tsika zanak'olom-belona,

"C'est grave docteur ?" :-)

Tsia tsy Dokotera aho fa miaraka amin'ilay Dokotera lehibe indrindra, dia Izy (ny fanahiny)no mampianatra ny fahamarinana rehetra hoan'izay mangetaheta izany.

Tahaka ny mpanamboatra Fiara iray dia manome boky kely tokony harahana raha tiana hateza ilay Fiara vao azonao. Milaza izy ohatra fa Super no solika ataonao ao anatiny dia hateza ny moteur-nao, mila manao vidange isaky ny 1000 Km ianao, sns.. raha tiana hateza ilay fiara vao azo dia ny ankamaroan'ny olona nividy io fiara io raha tsy hoe adala ilay olona vao mety hanisy gasoil ho solon'ny super na rano ho solon'ny menaka.
Io nanamboatra ny olona io no milaza ihany koa ny tokony ho harahina raha tiana ho tsara sy hateza io olona namboariny io dia hoy izy Gen 1:29 "Ary Atra nanao hoe: indro efa nomeko anareo ny anana nanitsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay mamoa sy manitsam-boa dia ho fihinana ho anareo izany "(Tsisy resaka mihinana fatim-biby mihintsy teto) toy izany koa ny hoe mitsahatra ianareo amin'ny andro fahafito sns..

Miteny toy izao koa Izy ao @ Mat 6:7 "Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny Kisoa ny vatosoanareo fandrao hanitsaka azy izy, dia hifototra ka hamiravira anareo"

Inoako fa tsy alika ise ry Bo2lais (Mpanao toetran'alika no tian'iKristy ho lazaina amin'io teny io) dia homeko an'ise ihany koa ny mikasika io fa fahamarinana sy zava-masina io ka tsy azo atao vazivazy.

Mahereza ise!
23. bor2lais ( 24/08/2011 09:16)
Misaotra an'i maranatha niezaka nanome fanazavana !

1. Nilaza ianao fa "tsisy resaka mihinana fatim-biby mihintsy teto" ... ny fanontaniako aminao dia izao : misy resaka mandrara izany anefa ve ao ?

2. Raha tsy diso aho misy resaka "biby fiompy" ao ! Voalaza ihany koa fa mpiandry ondry ny asan'i Abela raha tsy diso aho : raha nanao fanatitra ho an'Andriamanitra izy dia toa zanakondry no natolony Azy ! Sûr ve ianao fa tsy mba nihinana izany ondry izany i Abela talohan'ny nanaovany an'io fanatitra io ?

maranatha:

Inoako fa tsy alika ise ry Bo2lais (Mpanao toetran'alika no tian'iKristy ho lazaina amin'io teny io) dia homeko an'ise ihany koa ny mikasika io fa fahamarinana sy zava-masina io ka tsy azo atao vazivazy.

Tsy maninona izay hiheveran'ise ahy : fantaro fotsiny fa ny alika koa ange ka mahazo anjara sakafo avy amin'ny tompony (lasa toy ny ankohonany) e ! ;-)
24. rijadolly ( 24/08/2011 15:57)
LEVITIKOSY NA FISORONANA 11 : 1 ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany

Io izao dia Jehovah mihitsy no niteny fa fihinana ny biby sasany.
Dia afaka miteny koa ve izany aho hoe tsy misy resaka fihinanana fatin-javamaniry mihitsy ao. :-) Nefa dia efa voalaza ihany koa ny fihinanana anana maro karazana, sy no voa izay voalazan' Maranatha ireo. Dia ahoana indray izay?
25. Maranatha ( 08/09/2011 10:16)

rijadolly:

Tsy sitrak'Atra ny hihinanan'ny olona ny biby fa raha sitrany dia efa nomeny azy nohanina diany t@ vao vita ny famoronana, porofon'izany anie tsy misy mihinana biby intsony any @ lanitra vaovao sy amin'ny tany vaovao e! ireo olom-boavonjy izany dia tsy misy mihinana io intsony, manaova entrainement dieny izao.
Nomeny nohanina ihany ny biby rehefa liana te hihinana izany ireo zanak'israely t@ izany. fa mbola nasiany condition ny @ madio sy ny maloto.
Amin'izao andro-tsika izao dia mihiditra ao amin'ny vanim-potoana fihoriana isika. vakio ny tantaran'ny Daniela ao @ Dan toko faha 10.
Mahereza
26. Maranatha ( 08/09/2011 10:24)

bor2lais:

Tsy maninona izay hiheveran'ise ahy : fantaro fotsiny fa ny alika koa ange ka mahazo anjara sakafo avy amin'ny tompony (lasa toy ny ankohonany) e ! ;-)

eny mety ho izay fa ny ratsy indrindra dia ny Apok 22:15 " any ivelany ny alika sy ny ....."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1536