Misy Fitsarana ankehitriny any an-danitra

1. Maranatha ( 15/06/2011 12:45)
Raha mandalina ny bokin'iDaniela isika ka rehefa tonga eo @ Dan8:13-14dia hahita izao teny izao " Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao t@ ilay niteny hoe : Mandram-pahoviana ny fahitana mandrakariva (Dikan-teny hafa: Ny @ fanatitra isan'andro) sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ireo marobe ho fanitsaka, Ary hoy izy tamiko : Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina"

Niantomboka t@ didy farany t@ andron'i Artaksersesy mpanjakan'i babilona ho fanamboarana indray an'I Jerosalema ny fanisana ny fiandohany 2300 andro Ezra 5:13, Ezra 6:8, Ezra 7:23 izay t@ taona 457 Talohan'ny Kristy . tapitra io t@ 1844 t@ izao taonan-tsika izao. Maro ny olona tany Amerika no diso hevitra rehefa nitorian'i William Miller ny @ io fotoana io fa ho avy i Kristy saingy ny Fitoerana masina indrindra any an-danitra no nidira. Hanao ny FITSARANA FAMOTOPOTORANA FARANY.

Fa Iza no hotsaraina? Izay vahoakan'Atra no hotsaraina
- I Pet:17 "Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao @ ankohonan'Atra; ary raha miantomboka amin-tsika izany hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazan-tsaran'Atra"
- Ezekiela 9:4 " Ary hoy Jehovah Mandehana mamaky ny tanana, dia jerosalema ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy"

Iza no mpitsara ? Ny Avo Indrindra (A\tra)
- Dan 7: 9-10 "Mbola nijery ihany aho mandram-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo......... , Nipetraka ny Mpitsara ary novelarina ny boky."

Iza no mpisolo vava? I Jesosy
- I jaona 2:1 "....Fa raha misy manota dia manana solovava ao @ Ray isika dia i Jesosy Kristy ilay marina"
- Zakaria 3:4 " ...:Esory aminy ny fitafiana maloto, ary hoy Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiankanjoiko akanjo fihaingona ianao"

Iza no vavolombelona? ny Anjely
-Heb 1:7 "Ary ny Anjely dia ilazany hoe: Izy manao ny Anjeliny ho rivotra ary ny Mpanompony ho lelafo" Ny dikan'ny hoe Anjely dia iraka (Jereo ny baibolinao ery ambany)

Iza no mpitory (mpiampanga)? i Satana
-Zakaria 3:1 Ary dia nasehony ahy fa ......ary satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy"

Nanomboka @ Abel izany ny fitsarana hatramin'ny nisian'ny tany mandrak'izao ka asa sao dia mba efa Izaho izao no tsaraina na ianao ? Mandritra ny andro fitsarana na fanavotana t@ testamenta taloha dia tsy Maintsy Miory ny olona Lev 16:29-30" Ary izao no lalana mandrakizay ho anareo .....aoka hampahory ny tenanareo ianareo...fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo, ka dia hadio ho afaka @ fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah hianareo" Izay voasoratra fahiny moa dia nosoratana ho fianarantsika hananatsika fanantenana sy fiononana avy @ soratra masina. hoy ny Romana 15:4

Ka dia miomana ary fa tsy hoe miandry ny fiaviany fotsiny fa miomana ihany koa @ fitsarana sao efa Tour-ko no ho tsaraina na ny anao,

Raha mety aleo Toko sy andininy no hanamafisan-kevitra e!

répondu par rijadolly le 28/06/2011 10:59
2. Miharena ( 15/06/2011 12:58)
Hevitr'iza aloha io velabelarinao io Maranatha? Hevitrao namaky Baiboly sa hevitry ny olona mampianatra anao?
Raha ny hevitrao manko dia tsara raha velabelarinao kokoa mba ho azo tsara fa raha izaho no mamaky azy dia ny fantatro dia Tsy mitsara IZY fa manitsy ny zanany ao anaty.
3. Maranatha ( 16/06/2011 05:58)

Miharena:

Hevitr'iza aloha io velabelarinao io Maranatha? Hevitrao namaky Baiboly sa hevitry ny olona mampianatra anao?

Fiadanana ho aminao ry Miharena. Hevitra izay nitarihan'ny Fanahy masina ny zanak'Atra io, ka rehefa hita fa mitombina tsara, sady mazava be fa Tenin'Atra daholo no nampiasaina raha zanak'Atra isika tsy tokony hanohitra izany fa hanaraka, sady raha sendra hanohitra isika dia raiso ny Teniny hanoherana izay voalaza e fa raha mitombina ny Teny na Izaho koa aza mba hanaraka izany.

Miharena:

Raha ny hevitrao manko dia tsara raha velabelarinao kokoa mba ho azo tsara fa raha izaho no mamaky azy dia ny fantatro dia Tsy mitsara IZY fa manitsy ny zanany ao anaty.

Azotsika velarina be io raha te hahazo azy tsara ianao , Tsy mivoana @ Tenin'Atra anefa. Ny hoe tsy mitsara mantsy Atra fa manitsy ny zanany ao anaty hoy ianao mba tohano amin'ny Toko sy andininy ny hoe ny hevitrao . Raha ny hevitro mantsy na ny hevitrao no arahina dia ny Atsimo aza mety ho avaratra, Ny tany mety tsy mihodina @ tenany , mety tsy mihodina @ masoandro. sns.....Fa mila maka fandrefesana ( Teniny )isika hanamarina ny hevitra izay haposan-tsika.
Raha mety aza tsara raha hatao lohahevitra iray hafa mihintsy izay mba tsy hampivoana ny lohahevitra. Mirary soa sady mahereza!
4. Miharena ( 17/06/2011 06:03)
Hiditra eo amin'ny resaka fitsarana ary isika araka ny loha-hevitra lazainao fa saingy eo amin'ny fitsarana anaty no itarihako azy satria raha miteny isika hoe any an-danitra no fitsarana dia lanitra alavirina izany fa ao anaty ny fitsarana ho antsika tsirairay avy ary sedra izany.

Tamin'i Kaina namono an'i Abela dia nandray tokoa ny fitarainan'ny ran'i Abela Andriamanitra

GEN 4: 10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.

11 Ary ankehitriny dia voaozona hianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tànanao.

12 Raha miasa ny tany hianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany hianao.

13 Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.

14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

Ny hevitra hita eo dia misy lalanany tokoa ny zava-drehetra namboarin'Andriamanitra ary ny ozona nahazo an'i Kaina dia lalanan'ny natiora izay nahatonga azy ho maina noho ny tsy fisian'ny fitiavana ao am-pony. Io endrika io dia tsy mifandraika amin'ny fiadanana ka izany no nampivoaka an'i Kaina, izany hoe ivelan'ny lalanan'ny fiadanana sy ny fitiavana izy.

Lalàn'Andriamanitra efa mipetraka mandrakariva io fiadanana sy fitiavana io ary sedra no hanjo an'i Kaina fa tsy fahafatesana ambara-pahatongany eo amin'ny fotoana hiverenan'ny fitiavana ao anatiny indray. Fantatr'i Kaina tsara io fitiavana anaty io fa nodikainy noho ny fitsaratsaram-poana tao anatiny (fiheveran-disony no marimarina kokoa).

Izany no nampaharetan'Andriamanitra famindram-po tsy hamonoan'iza na iza an'i Kaina satria tsy ny famonoana noho ny fitsaràna no misy fa fanitsiana.

Tsoa-kevitra: Manitsy Andriamanitra fa tsy mitsara ary sedra no apetrany ho fantatra tsara hoe hatraiza ny faharetanao amin'ny fijoroanao Manana AZY ao anaty.
5. Maranatha ( 17/06/2011 07:47)

Hitan'i Miharena ianao ihany dia manaporofo amin'io toko sy andininy io fa notsarain'Atra i Kaina dia ny didim-pitsarana io nomena azy io hoe mpanjenjena sy ny hoe tsy hahavokatra ho anao intsony ny tany (Tsarovy fa mpiasa tany no asan'i Kaina tamin'izany) sns... I kaina rahateo tsy nino an'ilay fampanantenana famonjena izay homen'Atra ny olona (i Kristy). izany no nanaterany ny vokatry ny tany (voaloam-bokatra) fa tsy ny tandindon'ny zanak'ondry toy ny nataon'iAbel (Mariky ny fangatahana famelan-keloka). Tsy nankasitrahan'Atra ny fanatiny dia nialona ny zandriny izy dia niafara t@ famonoany an'i Abel izany. Notsarain'Atra izy rehefa maty i Abel, Tsy niaro azy i Kristy (izay avocat-n'ireo mino azy) fa niady irery izy. Toy izay koa ny @ ratsy fanahy rehefa ho tsaraina mandritra ny Arivo taona any an-danitra dia tsy Miaro azy ireo i Kristy.
Miharena:

Ny hevitra hita eo dia misy lalanany tokoa ny zava-drehetra namboarin'Andriamanitra ary ny ozona nahazo an'i Kaina dia lalanan'ny natiora izay nahatonga azy ho maina noho ny tsy fisian'ny fitiavana ao am-pony. Io endrika io dia tsy mifandraika amin'ny fiadanana ka izany no nampivoaka an'i Kaina, izany hoe ivelan'ny lalanan'ny fiadanana sy ny fitiavana izy.

Lalàn'Andriamanitra efa mipetraka mandrakariva io fiadanana sy fitiavana io ary sedra no hanjo an'i Kaina fa tsy fahafatesana ambara-pahatongany eo amin'ny fotoana hiverenan'ny fitiavana ao anatiny indray. Fantatr'i Kaina tsara io fitiavana anaty io fa nodikainy noho ny fitsaratsaram-poana tao anatiny (fiheveran-disony no marimarina kokoa).

Izany no nampaharetan'Andriamanitra famindram-po tsy hamonoan'iza na iza an'i Kaina satria tsy ny famonoana noho ny fitsaràna no misy fa fanitsiana.

Tsoa-kevitra: Manitsy Andriamanitra fa tsy mitsara ary sedra no apetrany ho fantatra tsara hoe hatraiza ny faharetanao amin'ny fijoroanao Manana AZY ao anaty.

Rehefa mandika ny lalan'Atra na iza na iza dia hozonon'Atra aloha toan'i Adama Gen3:17;
i Adama na nino ny fanavotana izay ho hataon'Atra ny olona aza dia tsy maintsy mibaby ny vokatry ny fahotana aloha. Raha mino an'i Kristy ka miaky ny heloka dia miditra mpanelanelana i kRisty mandritra ny fitsarana. Ka raha voaaron'i Kristy ianao dia lasa olom-baovao sy mihatsara hatrany, raha tsy voaaro kosa dia miharatsy hatrany Apok 22:11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy, ary izay marina kosa aoka mbola hanao ny ny marina ihany izy, ary izay masina , aoka mbola hihamasina ihany izy."
Dia toy izay i Kaina niharatsy satria tsy narovan'i Kristy, gen 4:16 "Ary Kaina niala teo anatrehan'Atra..."(heviny ara-panahy izany: Tsy te hanaraka izay lazain'Atra no dikany) ny taranany taty aoriana raha mamaky ny Gen 4:19ianao dia nanomboka nampirafy ihany koa .

Arak'izany dia misy tokoa ny FITSARANA, Mahereza
6. Miharena ( 17/06/2011 14:21)
Maranatha:

Rehefa mandika ny lalan'Atra na iza na iza dia hozonon'Atra aloha toan'i Adama Gen3:17;
i Adama na nino ny fanavotana izay ho hataon'Atra ny olona aza dia tsy maintsy mibaby ny vokatry ny fahotana aloha.

I Adama izany anefa tsy teto ambonin'ny tany intsony tamin'i Kristy tonga. Ka very izany Adama ?

Ankoatr'izay dia manana porofo ve isika fa anisan'ny ozonin'Andriamanitra raha vao teraka aza? sa lovan-tsofina noraisin'ny zoky rehetra nifandimby teo aloha izany?

Diso miaina amin'ny lasa loatra isika ka zary mibaby ny fahadisoam-pijerin'ny zokintsika.

Izy ity koa moa ny fomba fiteny azy no samihafa, ianao manao hoe mitsara, izaho manao hoe manitsy.

Raha voaroaka Adama sy Eva dia toerana ahafahany mitombo no nomena azy. Toy izany koa i Kaina, tsy toerana hahafaty azy fa ahafahany manan-taranaka fara mandimby no nomena azy.

Toy izany koa ny olon-drehetra izay tonga eto amin'ity tany fandalovana ity, natao hianatra sy hitombo.

Koa amin'ny maha-RAY AZY dia manana anjara asa avokoa ny olon-drehetra.
Hoy Jesoa hoe: Ao an-tranon-draiko dia misy fitoerana maro. Ireo dia fitoerana hitaizana ny zanaNY na adala io na hendry teo amin'ny fotoana niainany teto an-tany.

7. AndriambyII ( 18/06/2011 01:08)
Yep !!
Tokony ho faritana eto ny hoe vakoka nolovaina sy vakoka mitomandavana momba ny finoana ireo tantaran' olombelona nisy voalohany indrindra teto ambonin' ny tany .Tsy hay isaina ny tsy fahampiana sy tsy fahalavorarian' ny asa soratr' olombelona . Be dia be ny rantsana tsy hifandraisana ary tsy hiombonan-kevitra ny @ izany , ohatra ihany ny famelomambolo ny tantaran' i Eva sy Adama , izay azo atao tsara ny mamakafaka ny mety ho tena nirindrany marina , na dia aman' alina taona maro aty aoriana aza . L'essentielle c' est la conjonction de la mémoire d' Abraham avec l" histoire de l' homme , à travers l'homme de tous les hommes ,(..) (de tout homme venant des hommes) .
Raolombelona @ ity fisainana tsy ho lafatra ity ve no hanome ny valimbavak' ireo mpino ny avo ?
Mpanitsy ! mpitsara , mpiapanga , mpandàla boky , ....
Mila mamehy fieritreretana lalandava ny olombelona !!
8. Miharena ( 18/06/2011 03:08)
Miarahaba ny namana Andriambyll,

Miray hevitra tanteraka amin'ny hoe "Mila mamehy fieritreretana lalandava ny olombelona".
9. Maranatha ( 20/06/2011 11:43)

Miharena:

I Adama izany anefa tsy teto ambonin'ny tany intsony tamin'i Kristy tonga. Ka very izany Adama ?

Tsy haiko na tena tsy mahazo ianao na mody tsy mahazo fa I Jesosy anie ka efa nisy talohan'ny nanamboarana izao tontolo izao isan'ny mpamboatra Izy. Ary raha mamaky ny lohahevitra ianao dia nanomboka ny 1844 hoy aho ny fitsarana. Izay rehetra maty talohan'izay no tsaraina tsirairay miantomboka t@ Abel satria izey no maty voalohany. Nanaiky nampanaovina ilay akanjo hoditra i Adama izay maneho fa nisy zanak'ondry novonoin'Atra tandindon'i Kristy. Midika fa harovan'i Kristy izy mandritra ny fitsarana.

Miharena:

Ankoatr'izay dia manana porofo ve isika fa anisan'ny ozonin'Andriamanitra raha vao teraka aza? sa lovan-tsofina noraisin'ny zoky rehetra nifandimby teo aloha izany?

Tsy niteny t@ aho hoe voaozon'Atra raha vao teraka fa hoy ny tenin'Atra fa tsy teniko raha vao mandika ny lalan'Atra dia voaozona .Ampian-tsika ny porofo hanamafisana izany Deo 11:26, Deo 27:15-26 sns..

Miharena:

Diso miaina amin'ny lasa loatra isika ka zary mibaby ny fahadisoam-pijerin'ny zokintsika.

Hoy ianao; fa voasoratra hoe fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana @ faharetana sy ny fiononana avy @ soratra masina Rom 15:4

Miharena:

Izy ity koa moa ny fomba fiteny azy no samihafa, ianao manao hoe mitsara, izaho manao hoe manitsy.

Fa ny baiboly manao hoe Mitsara

Miharena:

Raha voaroaka Adama sy Eva dia toerana ahafahany mitombo no nomena azy. Toy izany koa i Kaina, tsy toerana hahafaty azy fa ahafahany manan-taranaka fara mandimby no nomena azy.
Toy izany koa ny olon-drehetra izay tonga eto amin'ity tany fandalovana ity, natao hianatra sy hitombo.
Koa amin'ny maha-RAY AZY dia manana anjara asa avokoa ny olon-drehetra.

Fa inona no nahatonga azy voaroaka, Nandika lalana napetrak'Atra, Toy izany koa I Kaina. Nomen'Atra famindram-po izy hahafahany mibebaka hialany @ ratsy nataony. Izay mino an'i Kristy ihany anefa no afaka mibebaka sy miala @ ratsy fanaony." koa raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy .... " II Kor 5:17

Miharena:

Hoy Jesoa hoe: Ao an-tranon-draiko dia misy fitoerana maro. Ireo dia fitoerana hitaizana ny zanaNY na adala io na hendry teo amin'ny fotoana niainany teto an-tany.

Misy fitoerana maro tokoa ao fa hoan'ireo miakanjo akanjo fotsy vao izay niharitra ny fahoriana noho i Kristy tety ambonin'ny tany Apok 7:14-17 fa tsy ho an'izao olona adala rehetra izao tsy akory.
II TES 1:5" famantarana ny Fitsarana marin'Atra izany...."
Rom 5:16 " Ary tsy tahaka ny iray izay nanota ny fanomezana, fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny Fitsarana ho fanamelohana....."
Rom 2:5"Fa ny ditran'ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao sy fampisehoana ny fitsarana marin'Atra"
Santionany mikasika ny fisian'ny fitsarana ireo. Mahereza.

AndriambyII:

Tokony ho faritana eto ny hoe vakoka nolovaina sy vakoka mitomandavana momba ny finoana ireo tantaran' olombelona nisy voalohany indrindra teto ambonin' ny tany .Tsy hay isaina ny tsy fahampiana sy tsy fahalavorarian' ny asa soratr' olombelona . Be dia be ny rantsana tsy hifandraisana ary tsy hiombonan-kevitra ny @ izany , ohatra ihany ny famelomambolo ny tantaran' i Eva sy Adama , izay azo atao tsara ny mamakafaka ny mety ho tena nirindrany marina , na dia aman' alina taona maro aty aoriana aza . L'essentielle c' est la conjonction de la mémoire d' Abraham avec l" histoire de l' homme , à travers l'homme de tous les hommes ,(..) (de tout homme venant des hommes) .
Raolombelona @ ity fisainana tsy ho lafatra ity ve no hanome ny valimbavak' ireo mpino ny avo ?
Mpanitsy ! mpitsara , mpiapanga , mpandàla boky , ....
Mila mamehy fieritreretana lalandava ny olombelona !!

Fa izao no voasoratra ao @ II Tim 3:16 "Ny soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Atra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana @ fahamarinana" Matoa ireo no voasoratra dia ankasitrahan"Atra mba hitondra finoana ho antsika. Dia hoy koa izy hoe aoka tsy hanampy na hanala.
Mahereza.
10. rijadolly ( 21/06/2011 16:10)

Tsy haiko na tena tsy mahazo ianao na mody tsy mahazo fa I Jesosy anie ka efa nisy talohan'ny nanamboarana izao tontolo izao isan'ny mpamboatra Izy

Nahatsiaro ity fanoharana ity ny tena dia nalefa

MARKA 12 : 1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanimboaloboka.3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanani-lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka.9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'izany! Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.10 Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao:
"Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano,
dia izy no efa natao fehizoro;11 Avy tamin'i Jehovah izao
ka mahagaga eo imasontsika?"(Sal.118.22.23).

Dia tena Marina anie izany teny izany e! Nefa dia nisy ny tafitohina maheno AZY, ary dia mbola notanterahana ihany ilay izy mba ahamarina Azy.
11. Maranatha ( 22/06/2011 10:58)
Rehefa tapitra ny fitsarana any an-danitra dia hiisy feo mahery hivoaka eo @ Tempoly hanao hoe VITA Apok 16:17, feo tahaka ny nataoNY teo ambonin'ny hazo fijaliana rehefa vitaNY ny sorona teTo ambonin'ny tany dia hoy Izy Jaona 19:30 " VITA".
@ izay fotoana izay dia toy izao ny zavatra hitranga: Apok 22:11" Izay manao ny tsy marina , aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, ary izay maloto aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina aoka mbola hihamasina ihany izy." Ny ratsy izany dia mbola hiharatsy ihany , ny tsara kosa dia mbola hihatsara hatrany ; Jaona 15:2 " Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia hesoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny hamoa bebekokoa"
Rehefa vita ny fitsarana rehefa tapaka ny ho anjaran'ny tsirairay na ho fiainana na ho fahafatesana dia tonga eny @ rahon'ny lanitra @'izay i Kristy Apok 22:12" Indro , avy faingana aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany ( Na ny asa tsara na ny asa ratsy Apok 14:13 " Ary nahare feo avy any an-danitra aho nanao hoe Sambatra ny maty dia izay maty ao @ Tompo hatramin'izao. Eny hoy ny fanahy, fa hitsahatra @ izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy.)

Apok 22:17 "Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe Avia; ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana @ ranon'aina"
Apok 22: 20 "Hoy izay manambara ireo zavatra ireo: Eny avy faingana Aho. Amen. Avia, Jesosy Tompo! Maranata.

LOHAHEVITRA-TSIKA @ MANARAKA FIAVIAN'I KRISTY.

MAHEREZA

12. rekinbelo ( 23/06/2011 17:38)
Ny fitsarana ve ry namana tsy aorian'ny fitsnaganana à maty vo misy?ny maty aza mbl tsy nisy natsangana ve dia mieritreritra ny fitsarana sahady ianao namana?tsy mitombina sady tsy logika mihitsy izany.
mahereza daholo e
13. Miharena ( 23/06/2011 17:47)
Maranatha:

Misy fitoerana maro tokoa ao fa hoan'ireo miakanjo akanjo fotsy vao izay niharitra ny fahoriana noho i Kristy tety ambonin'ny tany Apok 7:14-17 fa tsy ho an'izao olona adala rehetra izao tsy akory.
II TES 1:5" famantarana ny Fitsarana marin'Atra izany...."

Dia ahoana indray izany ny filazan'i Kristy hoe : Tsy tonga ho an'ny olomarina Aho fa ho an'ny mpanota?
14. rijadolly ( 23/06/2011 17:58)
Miharena:

Dia ahoana indray izany ny filazan'i Kristy hoe : Tsy tonga ho an'ny olomarina Aho fa ho an'ny mpanota?

n' tapahan'se kosa ilay izy e!
LIOKA 5 : 32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
15. Veloo ( 23/06/2011 18:15)
rekinbelo,
t@ 1844 no nanomboka niditra tao @ "the most holy place" i Jesosy ary nanomboka ny maha pisorona be azy nanomboka t@ io ny fitsarana ka ireo izay nanaraka azy no voalohany izany oe nanomboka t@ Adama etc......Ka itanao amin'izany fa efa tsy ho ela ny antsika izay manaraka azy, ny olona tsy manaika an'i Jesosy ho pamonjy azy dia tsy mbola tsaraina raha tsy rehefa tafakatra any an-danitra ny voavonjy rehetra, ny voavonjy sy Jesosy no miaraka mitsara ny ratsy rehetra...
16. Miharena ( 24/06/2011 03:43)
LIOKA 5 : 32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.

Marina ny an'i Rijadolly.

Dia miandry ny valiny avy amin'i Maranatha izany.

SAdy mitohy ny fanontaniana hoe midika fitsarana ve io antso io fa tsy fanitsiana?

17. rekinbelo ( 24/06/2011 06:03)
fanitsiana kosa ngamba ry miharena no tiani' kristy atao eo .satria anie kristy tonga tety mba anavotra antsika @ fahotana sy ny fahafatesana.ny olona nanarina ka tsy mety ahintsy no mendrika elohina sy ho faty.
18. Maranatha ( 24/06/2011 06:12)

rekinbelo:

Ny fitsarana ve ry namana tsy aorian'ny fitsnaganana à maty vo misy?ny maty aza mbl tsy nisy natsangana ve dia mieritreritra ny fitsarana sahady ianao namana?tsy mitombina sady tsy logika mihitsy izany.
mahereza daholo e

Efa voavalin'i Veloo tao ity rehefa tonga i Kristy dia atsangana avokoa ireo maty rehetra tao @ Tompo hitsena azy eny @ rahon'ny lanitra, avy eo isika izay velona ka mbola mitoetra izany hoe ireo izay mbola manompo tsara an'Atra I tes 4:15-17" Fa izao no lazainay aminareo @ tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory, Fa ny tenan'iTompo no hidinaavy any an-danitra @ fiantsoaan sy ny feon'ny arikanjely ary ny tropetran'Atra, ka izay maty ao @ Tompo no hitsangana aloha ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny @ rahona hitsena ny Tompo any @ habakabaka; dia ho any @ Tompo mandrakariva isika."
Izay maty TSY tao @ Tompo izany dia mbola tsy hatsangana afatsy ireo izay hita ao @ Apok 1:7 rehefa tonga i Kristy, fa miandry ny fitsarana azy ireo mandritra ny 1000 taona ireo olom-boavonjy no voalaza fa mitsara ireo ratsy fanahy rehetra Apok 20:4-6

19. Maranatha ( 24/06/2011 06:22)

Miharena:

Dia ahoana indray izany ny filazan'i Kristy hoe : Tsy tonga ho an'ny olomarina Aho fa ho an'ny mpanota?

Arak'io efa voasoratra io e! Mila mibebaka izany dia ampitafian'ny Kristy ilay ankanjo fotsy (Izay tsy inona fa ny fahamarinan'i Kristy) Ohab 28:13 "Izay manafina ny fahotany tsy hambinina fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po" raha voasana io teny io dia izao: mitsotra aloha ianao fa mpanota lazaina azy @ atsipirihany sy @ fo feno fanenenana ilay ota izay nataonao avy eo afoinao tanteraka iny fahotana iny tsy mamerina iny intsony, dia hamindran'Atra fo ianao tsy noho ianao ny na ny fahamarinanao fa noho ny fahasoavan'Atra. Miharena a! Mahereza.
20. Miharena ( 24/06/2011 06:28)
Tantara efa miverina hatrany moa no entintsika ao anaty Baiboly ao fa indraindray tsy hitantsika izay vontoatin"ny fiainana mandrakizay ka izany no mahatonga antsika hiodinkodina amin'ny resaka fananganana amin'ny maty sy ny sisa.

Raha izao no lazaina isika fa tsy misy ny fahafatesana, noho izany tsy misy ny fananganana ny maty satria tsy misy maty dia ahoana hoy isika?
Tsy rava daholo ve ireo tantara tantarainao ireo Maranatha?

Izaho moa dia mtana fa tsy misy fitsarana fa fanitsiana izay diso no misy. Ary ny diso voalohany dia ny filazana fa misy ny fahafatesana. Efa noporofoin'i Kristy fa Velona toa AZY ny olombelona rehetra izay sombin'Ain'Andriamanitra RAY. Tsy haintsika hatrany ny mitana izany ho FOTOTRA dia manjary be dia be ny resaka manodidina sy mihevitra izay zavatra ivelan'ny tenantsika tsirairay avy ka miteraka ireo tantara maro sy suppositions be dia be ireo.
Ireo anefa dia mampanjombona ny AINA ananantsika ary izany no hanariana ny fahadisoam-piheverana fa hitanana ny maha-Kristy ny olombelona izaraNY fiainana sy fitiavana tsy misy fetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2479