Misy Fitsarana ankehitriny any an-danitra

21. Maranatha ( 24/06/2011 07:56)

Miharena:

Tantara efa miverina hatrany moa no entintsika ao anaty Baiboly ao fa indraindray tsy hitantsika izay vontoatin"ny fiainana mandrakizay ka izany no mahatonga antsika hiodinkodina amin'ny resaka fananganana amin'ny maty sy ny sisa.


Miharena a! Mitady tsy hiino izay voasoratra indray ianao izany an! Rom 15:4" Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianaran-tsika hananatsika ny fanantenana @ faharetana sy ny fiononana avy amin'ny soratra masina"

Miharena:

Raha izao no lazaina isika fa tsy misy ny fahafatesana, noho izany tsy misy ny fananganana ny maty satria tsy misy maty dia ahoana hoy isika?
Tsy rava daholo ve ireo tantara tantarainao ireo Maranatha?


Tena izay mihintsy no programan'Atra fa rehefa nandika lalana ireo Ray aman-drenin-tsika (Adama sy Eva) dia hoy Atra ho faty tokoa ianao.Indrisy Fa fahafatesana no tambin'ny ota.

Miharena:

Izaho moa dia mtana fa tsy misy fitsarana fa fanitsiana izay diso no misy. Ary ny diso voalohany dia ny filazana fa misy ny fahafatesana. Efa noporofoin'i Kristy fa Velona toa AZY ny olombelona rehetra izay sombin'Ain'Andriamanitra RAY. Tsy haintsika hatrany ny mitana izany ho FOTOTRA dia manjary be dia be ny resaka manodidina sy mihevitra izay zavatra ivelan'ny tenantsika tsirairay avy ka miteraka ireo tantara maro sy suppositions be dia be ireo.
Ireo anefa dia mampanjombona ny AINA ananantsika ary izany no hanariana ny fahadisoam-piheverana fa hitanana ny maha-Kristy ny olombelona izaraNY fiainana sy fitiavana tsy misy fetra.

Misy karazany roa aloha ny fahafatesana sao tsy azonao dia ilay fahafatesana voalohany izay noharin'i Kristy tamin'ny torimaso Jao11:11,13 (mikasika an' i lazarosy ). Dia ilay mahazo ny rehetra amin'izao ka alevina ao am-pasana izy sy ny fahafatesna faharoa izay ao @ apok 21:8 " Fa ny osa sy ny tsy mino....dia hanana ny anjarany ao anaty farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa" Io ilay fahafatesana tsy misy fitsanganana intsony fa atsipy ao anaty farihy mirehitra afo mandram-pahalevona .

Ny fitiavan'i kristy dia ilay famindram-po mba hibebahana e! efa homena deuxieme chance isika izay sady efa etape tsotra be Mitandrina ny Didin'Atra sy mino an'i Jesosy koa mbola inona indray ary! Mahereza Miharena a!

22. Miharena ( 24/06/2011 14:35)
Fitiavana tsy misy fetra na tambiny no nanomezan'ANdriamanitra ny fofon'AINY ho an'ny VOARY. ka asa hoe aiza ho aiza no hamonoaNY ny sombin'AINY avy eo. Tsy Andriamanitra IZY raha mahafaka izay AINY izay. Rehefa nomena dia omena mandrakizay. I Kristy tsy hoe mpandatsa fa Fitiavana ary IRAY ao amin'NY RAY. Sao dia kilasiantsika ao anatin'ny mpiampanga IZY ka diso hevitra isika.

Tsy hoe fitiavana te-hanohitra no ilazàna izany ary ny finoana dia tsy mitovy ny fandraisantsika azy angamba. Ny ahy ao anaty ary matoky tanteraka AZY miaina ao anatiko aho ka tsy afaka hanambara velively fa hisy fahafatesana izany AINY ao anatiko izany. Ianareo indray kosa dia mandray hevitra izay voasoratra tao anatin'ny fotoana mety tsy nahazoan'ny mpanoratra izay tokony hosoratany. Na ihany koa nisy nanova teny an-dalana arakaraka ny vanim-potoana ka nahatonga ny Baiboly amin'ny endriny ankehitriny.
Na izany na tsy izany, rehefa mahay mandray tsara ny TENY FOTOTRA niandohana dia tokony hahafantatra fa miainga avy amin'izany avokoa ny fampitana AINA ao amin'Andriamanitra ka ho fantatra hoe aiza no misy diso filaza ny nandika ny Baiboly.

Fandalinana avokoa moa no atao ary izay no tsy hijanonana loatra amin'ny adihevitra tsy misy fivoakany mazava mamerina ny maha-mamiratra ny AINA nomen'ny Tompo antsika. Ny fanomezana toky ny olona no tokony himasoana fa tsy ny fitoriana zava-tsy mitombina intsony.

Koa raha miteny aho hoe ny AINA dia mandrakizay, dia tsy misy ny fananganana amin'ny maty. Io no zaraina tsara amin'ny mpiara-belona amim-pitiavana dia ho foana ny famendrofendroana rehetra mamatotra ny olona sy mampitamby azy fa tsy manana izay nomen'Andriamanitra azy izy.
Mazotoa Maranatha mizara fiainana an!
23. rijadolly ( 24/06/2011 15:35)

Raha izao no lazaina isika fa tsy misy ny fahafatesana, noho izany tsy misy ny fananganana ny maty satria tsy misy maty dia ahoana hoy isika?

Inona ary ty raha, raha ty Miharena, ka raha iteny aza aho hoe " raha izao moa no tsy misy Andriamanitra dia ahoana ?" Mampihome be izany fa aza atao raha raha raha izany....Tsy ahitana ny marina izany raha samy hiteny raha, raha , eto daholo isika.

Ny tsara angamba miharena dia atao loha hevitra iray mihitsy ny hoe Aina, Fanahy, Fanahy Masina dia samy manolo-kevitra eo ny rehetra, fa io mihitsy no mahazo toerana ao an-tsain'se ao.
24. Miharena ( 24/06/2011 15:46)
Mba sokafy indray àry Rijadolly ilay loha-hevitra dia manaraka ny sisa e!

Tsy vizana mihitsy aho hanazava sy hampiaina AZY IREO izay fanomezan'Andriamanitra maimaim-poana.
25. rijadolly ( 24/06/2011 19:36)
OK! ary Za koa tsy vizana hanome fanazavana ho an' se mba tsy hanamaivana izay antony tena nidinan' Jesoa Kristy tety an-tany ka! :-)
26. Maranatha ( 27/06/2011 07:20)
Hatreto aloha izany dia mitombina tanteraka FA MISY FITSARANA ANY AN-DANITRA ANKEHITRINY ka nahafahana nanaporofo ireto tenin'Atra ireto hoe :

Fa Iza no hotsaraina? Izay vahoakan'Atra no hotsaraina
- I Pet:17 "Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao @ ankohonan'Atra; ary raha miantomboka amin-tsika izany hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazan-tsaran'Atra"
- Ezekiela 9:4 " Ary hoy Jehovah Mandehana mamaky ny tanana, dia jerosalema ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy"

Iza no mpitsara ? Ny Avo Indrindra (A\tra)
- Dan 7: 9-10 "Mbola nijery ihany aho mandram-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo......... , Nipetraka ny Mpitsara ary novelarina ny boky."

Iza no mpisolo vava? I Jesosy
- I jaona 2:1 "....Fa raha misy manota dia manana solovava ao @ Ray isika dia i Jesosy Kristy ilay marina"
- Zakaria 3:4 " ...:Esory aminy ny fitafiana maloto, ary hoy Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiankanjoiko akanjo fihaingona ianao"

Iza no vavolombelona? ny Anjely
-Heb 1:7 "Ary ny Anjely dia ilazany hoe: Izy manao ny Anjeliny ho rivotra ary ny Mpanompony ho lelafo" Ny dikan'ny hoe Anjely dia iraka (Jereo ny baibolinao ery ambany)

Iza no mpitory (mpiampanga)? i Satana
-Zakaria 3:1 Ary dia nasehony ahy fa ......ary satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy"

DIA SAMIA ARY MIOMANA TSARA DAHOLO ARY TAFIO ILAY FAHAMARINAN'I KRISTY MBA HAHAMARINA ANAO EO ANATREHAN'ATRA.
27. Miharena ( 27/06/2011 16:29)
Misaotra an'i Maranatha, fa raha fintinina izany ireo dia vahoakan'Andriamanitra daholo ny olombelona miaina rehetra sy ny Anjely ary ireo Anjely nivadika nanangana an'i Satana ho lohany. Ary tsaraina daholo izy rehetra. Fa eo amin'ilay mpiampanga no asiana teny kely: Satana izany izy io saingy raha niampanga izy dia tratran'ny teny hoe hananatra anao anie Jehovah ry Satana.

Ilay mpiampanga no harian'Andriamanitra miaraka amin'ny lamba maloto rehetra vokatry ny asany ary hosoloina ankanjo madio isan'olona vahoakan'Andriamanitra izany.
Ilay fitsarana izany dia fanadiovana raha azoko tsara eto. Ary famerenana ny olona ho zanak'Andriamanitra mitovy amin'i Kristy mpisolo vava azy.

Dia samy hiditra miaraka amin'ny ankanjo fotsy daholo izany. Sa ahoana Maranatha?
28. Maranatha ( 28/06/2011 10:41)

Miharena:

Fa eo amin'ilay mpiampanga no asiana teny kely: Satana izany izy io saingy raha niampanga izy dia tratran'ny teny hoe hananatra anao anie Jehovah ry Satana.


Tenin'ireo efa tanteraka izany isika koa hirin'Atra mba hiteny ho toy izany. Izao manko no tenin'Atra ao @ Rom 12:19 "....Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy i Jehovah"

Miharena:

Ilay mpiampanga no harian'Andriamanitra miaraka amin'ny lamba maloto rehetra vokatry ny asany ary hosoloina ankanjo madio isan'olona vahoakan'Andriamanitra izany.


Hatreto aloha azonao tsara marihiko tsara fa hoy ianao hoe ny vahoakan'Atra. Dia tsisy ho kianina mihintsy fa mipetraka tsara. Ilay mpiampanga miaraka @ ireo anjeliny sy ny mpanompony ety an-tany no harian'Atra.

Miharena:

Ilay fitsarana izany dia fanadiovana raha azoko tsara eto. Ary famerenana ny olona ho zanak'Andriamanitra mitovy amin'i Kristy mpisolo vava azy.


Ilay fitsarana izany dia fanadiovana (ireo zanak'Atra) raha azonao tsara eto. Ary famerenana ny olona (izay nino) ho zanak'Andriamanitra mitovy amin'i Kristy mpisolo vava azy.

Miharena:

Dia samy hiditra miaraka amin'ny ankanjo fotsy daholo izany. Sa ahoana Maranatha?

Ie ireo zanak'Atra no manao akanjo fotsy sy mitsena an'i Kristy eny @ rahon'ny lanitra. Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anaty farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa Apok 21:8 Ireo izay tsy mbola tsaraina @ izao fotoana izao fa miandry ny fitsarana azy mandritry ny Arivo taona . Amin'izay fotoana izay tsy misy mpisolovava intsony fa miady @ fahamarinan'ny tenany ireo ratsy fanahy (ny fahamarinany =ny akanjony: tsy voatafy ilay akanjo fotsy intsony ry zareo izay tsy inona fa ny fahamarinan'i Kristy).
Ireo olom-boavonjy no hitsara azy ireo miaraka amin'iKristy. Aorian'izay izany hoe rehefa tapitra ny Arivo taona any an-danitra dia mandray ny valin'asany ny tsirairay. Ny marina rehetra (Ireo zanak'Atra) handova ilay lanitra vaovao sy ny tany vaovao, ny ratsy fanahy kosa alefa ao anaty farihy mirehitra afo sy solifara mandram-pahalevony (Vakio ny Apok toko faha 20 sy 21)
Inoako fa azonao Tsara daholo amin'izay . Mahereza!
29. rijadolly ( 28/06/2011 10:59)

Misaotra an'i Maranatha, fa raha fintinina izany ireo dia vahoakan'Andriamanitra daholo ny olombelona miaina rehetra sy ny Anjely ary ireo Anjely nivadika nanangana an'i Satana ho lohany. Ary tsaraina daholo izy rehetra. Fa eo amin'ilay mpiampanga no asiana teny kely: Satana izany izy io saingy raha niampanga izy dia tratran'ny teny hoe hananatra anao anie Jehovah ry Satana.

Ilay mpiampanga no harian'Andriamanitra miaraka amin'ny lamba maloto rehetra vokatry ny asany ary hosoloina ankanjo madio isan'olona vahoakan'Andriamanitra izany.
Ilay fitsarana izany dia fanadiovana raha azoko tsara eto. Ary famerenana ny olona ho zanak'Andriamanitra mitovy amin'i Kristy mpisolo vava azy.

Dia samy hiditra miaraka amin'ny ankanjo fotsy daholo izany. Sa ahoana Maranatha?

Izany dia manolana ny tenin'olona mba hanaraka ny heviny fotsiny Miharena. Vakio tsara Miharena a! Dia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.626