MIANATRA
1. YDIFAS
(
05/06/2011 19:37)
Faly tafahaona amintsika amin'ny alalan'izao hafatra izao ny tenako. Ny fiadanan'i Kristy omban'ny fahasoavan'Andriamanitra anie hamonto antsika rehetra.
Miankina betsaka amin'ny fianarana nataony ny fahalalàna ananan'ny olona iray. Raha miresaka an-kapobeny fotsiny isika dia miara-miaiky fa ny zavatra tsy nianarantsika dia tsy ho haintsika mihitsy. Ny olona tsy manam-pahalalàna matetika dia mora ambakain'ny hafa, tsy lasa lavitra ary tena azo lazaina fa tsy tafita amin'ny fiainana mihitsy.
Tsy misy valaka amin'izany ny miara-dia amin'Andriamanitra. Alohan'ny niakaran'i Kristy ho any amin'ny Ray dia hoy Izy: "Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" Matio 28/19.
Tonga mpianatr'i Jesosy, izay izany no tanjona. Mianatra amin'i Jesosy: mety ho avy amin'ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra izany (Baiboly), azo avy amin'ny fihainoana toriteny na hira ara-pilazantsara, avy amin'ny toetran'ny zanak'Andriamanitra miara-miaina amin'ny tena no hanovozana izany fahalalàna an'i Jesosy izany, mety ho i Jesosy mihitsy no miditra an-tsehatra hampianatra na hananatra ilay olona (ohatra: mandefa olana Izy hampitodihany ilay olona ho any Aminy).
Mila fantatsika aloha hoe Iza moa i Jesosy. Aleo ny Teniny no hanambara sy hanazava ny momba Azy: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Jaona 1/1; "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana" Jaona 1/14; "Ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy; ary ny Anarany atao hoe: Ny Tenin'Andriamanitra." Apokalypsy 19/13.
Mino aho fa samy mahafantatra isika fa i Jesosy no ambaran'ireo andinin-teny voatanisa ireo. Noho izany, raha te hianatra amin'i Jesosy isika na koa hoe te ho tonga mpianany dia tsy afa-miala amin'ny Teniny: mihaino, mitadidy, mankatò ary miaina izany.
Raha mandinika ny baiboly isika dia azontsika ambara fa nanana fitondran-tena mendrika sy madio ary masina i Jesosy. Mivavaka tsy tapaka, ny hamonjy ny fanahin'ny olombelona no mahatery Azy, nampita sy nanambara ary naneho ny Ray tamin'ny olona rehetra Izy. Moa ve efa ananantsika izany toetra tao amin'i Jesosy izany raha miteny isika hoe mpianatr'i Jesosy isika?
Efa voambarantsika tetsy ambony fa izay tsy manam-pahalalàna dia tsy ho tafita mihitsy (fijery ankapobeny). "Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalàna. Satria ianao efa nandà ny fahalalàna, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao." Hosea 4/6.
Rehefa tsy mahalala ny fahamarinana isika dia fahapotehana sy fahafatesana no mahatratra antsika: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny Teninao no fahamarinana" Jaona 17/17. Noho izany, aza miala amin'ny Tenin'Andriamanitra, aoka izay rehetra ambarany dia inoantsika sy ankatoavintsika ary ianarantsika. Ny tanjona tratrarintsika dia ny fiainana mandrakizay. Koa raha any amin'ny zavatra hafa ny masontsika sy ny fontsika dia ho very isika: "Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao." Lioka 11/34 -35. Raha any an-kafa no jerevantsika fa tsy ny làlana eo anoloantsika dia ho solafaka isika na hidòna. Izany hoe, raha miala amin'ny Tenin'Andriamanitra isika dia tsy maintsy ho very.
"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny Anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo" Jaona 14/26; "Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany" Galatiana 5/22.
Tsy afaka mandeha amin'ny saintsika fotsiny anefa isika fa mila "Mpampianatra" sy "Mpananatra" hanoro antsika sy hanitsy antsika dia ny Fanahy Masina izany.
Eto am-pamaranana dia mamporisika antsika hangataka ny Fanahy Masina mba ahafahantsika mianatra sy hanahaka an'i Kristy fa hoy Izy: "Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?" Lioka 11/13.
Mahereza ary, ry havana, mianatra manetry tena, mianatra mandefitra amin'ny zavatra rehetra, mitory ny Fahamarinana amin'ny olona rehetra, mianatra mitia ny fahavalo, mianatra mivavaka ho an'ireo izay mbola tsy ao am-balan'i Kristy, mianatra maharitra ny fakam-panahy... Izany rehetra izany no toetran'i Kristy koa anjarantsika ny milofo sy mitrandraka ny haren'ny Tenin'Andriamanitra.
Tandremo anefa fa tsy raiki-pohy (formule) na fahazaràna fotsiny no andehanantsika amin'izany fa mila ny fitarihan'ny Fanahy Masina mandrakariva isika.
Ny voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany ary ny fahalalàna ho an'ireo izay mangetaheta ny Fahamarinana izay ny Tenin'Andriamanitra velona.
Hafatra: "Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso làlana." Ohabolana 19/2

répondu par Miharena le 07/06/2011 05:03
2. Navalona2006
(
06/06/2011 05:46)
Misaotra amin'ny fanazavana. Ilaina tokoa ny mianatra ary ilaina toy izany koa ny mampihatra amimpinoana izay noraisina satria manjary resaka ara-tsaina fotsiny raha mijanona eo amin'ny fahalalana . Mahereza daholo
3. Miharena
(
07/06/2011 05:03)
Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao." Lioka 11/34 -35.
Ity tanisa iray ity no fototra azo raisina ao amin'ny fanazavan'i Safidy. Jiro isika satria Fofon'Ain'Andriamanitra noho izany mila haseho IZY ao anatintsika fa tsy variana mijery ny fombafomban'ny hafa ka manototra ny tena mazava.
Io mazava io no fiainana mandrakizay izany hoe maha-Kristy antsika tsirairay avy ary fahatanterahan'ny TENY tamin'ny voalohany. Mila fohazina io eo amin'ny olona sasany ary efa mifoha amin'ny olon-drehetra izay mahalala fa zanak'Andriamanitra manana fahefana toa AZY satria Mpandova dieny izao satria efa nahazo izany fahalalàna izany.