AOKA TSY VARIANA AMIN'NY ADY HEVITRA TSY MITONDRA FAMONJENA NAMANA ISANY FA
1. RBNIR
(
23/05/2011 14:09)
Inty no teny napetrak'i ny Tompo,
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Amiko ny tokony ampiasa ny sain-tsika lalina dia hoe :
1/- Inona ny Sitrapon'Andriamanitra?
2/- Ahoana no fomba ataoko mba hahaizako manao io sitrapon'Andriamanitra io?
Raha ho avy ny Tompo, araka io teny io zavatra iray ihany no hojereny. Iza no nanao ny sitrapon'ny Raiko????
Izay nanao : hiditra, Izay tsy nanao : tsy ho tafiditra.
Raha sanatria tsy ho tafiditra isika dia hampalahelo b mihitsy satria izao no efa voasoratra hatramin'ny ela « Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. » (Daniela 12:2). Araka io dia ity no anjaran'izay tsy ho tafiditra : ".....ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay".
Raha tenenina dia mety hoy isika hoe moramora izany ,
Tsia dia Tsia ry namako isany , araka ny voalaza dia hoe « Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)
Tsy ho mora satria ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay,
Afo no hiainana any ary tsy hisy intsony famindrapo satria mandrak'izay no voalaza.
Andeha hatahotra an'Andriamanitra isika namana isany. Andeha hianatra ny sitrapony ary andeha hanantateraka izany sitrapony izany satria tsy ampy ny mahafantatra fotsiny satria "izay manao" hoy ny tenin'ny Tompo fa tsy hoe izay mahafantatra.
Manoro hevitra an-tsika aho hianatra ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny télé jery, isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6ora ny alatsinainy ka hatramin'ny asabotsy. Manentana an-tsika aho avy dia hanantanteraka izay sitrapon'Andriamanitra fantatrao satria izay no antoka ho amin'ny famonjena.
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra

répondu par Miharena le 26/05/2011 13:03
2. rekinbelo
(
24/05/2011 12:13)
Ny atao hoe sitrapon'Atra anie ka efa nasehon'i Jesosy fony izy tety an-tany e, ka raha tsy manaraka akaiky ny modely nomen'i Jesosy isika dia tsy manao ny sitraky ny Ray mihitsy.
tsy hoe rehefa mivavaka isan'andro na mandeha ampiangonana akory no atao hoe manao ny sitra-pony fa zvt maro mihitsy.
Koa tandremo ary so voafitaka isika mahakasika ny sitrapon'Atra io.
Mila fantarina tsara aloha raha tsy izany de reraka fotsiny eo eee!

3. RBNIR
(
24/05/2011 12:23)
rekinbelo:

Faly miarahaba namana,
Manasa anao aho namana mba hanaraka ilay fandaharana,
Misy zavatra izay tiako mba hijerevanao ilay fandaharana satria ora maro hoy aho no nianarako azy io ary tiako raha mba fanazavana feno no ho azonao fa tsy tapatapany akory,
Faly manasa namana,
Samy ho tahin'ny Tompo
4. Miharena
(
24/05/2011 14:05)
Sarotra ihany namana RBNIR ny mamaly ity loha-hevitra nosokafanao ity satria tsy tokony hiady hevitra hoy ianao. Ka asa hoe inona no tiana hahatongavana amin'ny loha-hevitra.
5. RBNIR
(
24/05/2011 14:11)
Miharena:
Sarotra ihany namana RBNIR ny mamaly ity loha-hevitra nosokafanao ity satria tsy tokony hiady hevitra hoy ianao. Ka asa hoe inona no tiana hahatongavana amin'ny loha-hevitra.
Faly miarahaba namana a!
ny tena zava-dehibe no tokony anonkanan-tsika ny herin-tsika iray manontolo namana a! = FIAINANA MANDRAK'IZAY SY NY TOKONY ATAO MBA AHAZOANA IZANY,
Mazava B ny tenin'ny Tompo, IZAY MANAO NY SITRAPON'NY RAINY NO HIDITRA, fa tsy izay rehetra manao azy hoe Tompoko akory,
Io fanaovana ny Sitrapon'Andriamanitra io ihany no hanentanako ny olona, tsy misy ankoatran'izay.
Samy ho tahin'ny Tompo.
6. bor2lais
(
25/05/2011 08:00)
RBNIR:
Amiko ny tokony ampiasa ny sain-tsika lalina dia hoe :
1/- Inona ny Sitrapon'Andriamanitra?
2/- Ahoana no fomba ataoko mba hahaizako manao io sitrapon'Andriamanitra io?
Fa angaha mila ampiasana saina lalina ry namana izy izany ?
Amiko aloha :
valin'ny 1/ dia ny finoana Izay nirahiNY !
valin'ny 2/ dia fahasoavana izany fa tsy noho ny heriko akory !
RBNIR:
Manoro hevitra an-tsika aho hianatra ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny télé jery, isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6ora ny alatsinainy ka hatramin'ny asabotsy. Manentana an-tsika aho avy dia hanantanteraka izay sitrapon'Andriamanitra fantatrao satria izay no antoka ho amin'ny famonjena.
Gratos koa aloha ilay pub e ! :-)
8. RBNIR
(
25/05/2011 13:11)
daran:
ka ngà tsy azo lazaina eto lé sitrapon'A/tra e? fangà lava b lé izy?
Mianara daran a!
misy zavatra tsara raha mijery sy mihaino ilay fandaharana ianao sao misy latsaka fa ny azoko ambara efa nambarako teto avokoa,
ny antony dia tsotra namana isany fa tsy hoe mampifilafila akory sanatria = ny fiainana mandrak'izay = fiainan-tsika mandrak'izay (tsy kitoatoa io ary aoka tsy hisy hanao vazivazy sanatrian'izany) satria araka ny voasoratra na ianao hiadana mandrak'izay miaraka amin'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, na ianao hijaly mandrak'izay miaraka amin'ny devoly sy ny anjeliny.
Tsy zavatra maivana izany amiko ry namana, ilay pasteur no nampianarin'i Jesosy Tompo mivantana sady hitako fa mahay mampianatra tsara ny zavatra rehetra izy.
Ny hivavahako fatratra dia ny mba hahazoanao ny fahasoavana nozaraina tamiko.
Koa dia mazotoa re e!
Samy ho tahin'ny Tompo e!
9. Miharena
(
25/05/2011 16:34)
Ny sitrapon'Andriamanitra tokoa ve tsy tokony ho tsotra dia tsotra dia ny hahatsiarovantsika tena fa voariNY ka ho IRAY ao AMINY?
Inona no mbola hisalasalantsika hitady endri-pampianarana mihoatra noho izany?

10. RBNIR
(
26/05/2011 07:20)
Miharena:
Ny sitrapon'Andriamanitra tokoa ve tsy tokony ho tsotra dia tsotra dia ny hahatsiarovantsika tena fa voariNY ka ho IRAY ao AMINY?
Inona no mbola hisalasalantsika hitady endri-pampianarana mihoatra noho izany?
Faly miarahaba namana isany,
Ny azoko ambara dia izao, Ilay loka (Fiainana mandrak'izay io) dia misy mpanome. Io mpanome io dia manana ny zavatra tiany hotanterahin'ny olona (io ilay hoe Sitrapony).
Io no tokony tadiavina hoe inona io? dia rehefa fantatra dia tsy hoe ampirimina akory na mahafaly fotsiny ny fahafantarana azy fa tanterahina avy hatrany satria izay no nolazain'i Jesosy Tompo.
« Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » (Matio 7:7)
Mivavaha mandrakariva, mangataha mafy amin'Andriamanitra mba ahafantaranao io Sitrapony io.
koa dia mazotoa ary mahereza ry namana isany,
Samy ho tahin'i Jesosy daholo
11. Miharena
(
26/05/2011 13:03)
Ilay loka izany namana RBNIR dia ny fampahafantarana fa Fofon'Ain'Andriamanitra isika ka tokony ho faly raha vao mandre izany vaovao mahafaly izany rehefa niaritra zavatra mangidy noho ny tsy fahalalàna. Araka ny filazan'ny Fiangonana moa dia vaovao mahafaly ny Tenin'Andriamanitra ka efa lasa ny haizina ka mandroso amin'ny fahazavana ary mizara hazavana arak'izay azo atao. Ny Sitrapon'Andriamanitra amiko dia izay fahaizana maneho ny HazavaNY izay ao anatinsika ka hita taratra izany ka mora voarain'ny mpiara-belona izay mbola miaina anaty geja na haizina.
Eo amin'ny fahazona ny Teniny sy ny hahaizana manazava ny Teniny araka ny tokony ho izy no hita taratra io fizaràna vaovao mahafaly io. Rehefa hita kosa fa misy sakantsakana ilay fanazavàna dia tokony ho mailo satria misy tsy azon'ny mpanazava izany ny fiainana zarainy fa lety mifangaro ny famoahany ny heviny satria tsy ny Tompo no miteny ao anatiny fa izy tenany mbola voageja.
Ka raha mandray ampahatsorana sy mizara am-pahatsorana toy izao moa dia mandray ny fahatsoram-pon'ny zaza ihany fotsiny namana mba hampihiratra ny tsirairay fa tsy dia mila loka loatra satria efa fantatra fa manana ny fiainana mandrakizay izay mandray am-pahatsorana.