HO IRAY IHANY VE FIVAVAHANA AMIN A/TRA INDRAY ANDRO ANY?

1. daran ( 20/05/2011 11:20)
Nivavaka i Jesosy mba ho iray ny mpianany (jaona 17:21). Ny fivavahana anefa ity to tsy mitsaha-mitombo, mifampitsikera, misaratsaraka. Dia aona no hahatanteraka ny vavaka izay nataon'i Jesosy?
répondu par Miharena le 30/05/2011 16:26
2. rekinbelo ( 20/05/2011 14:43)
Ho avy tsy ho ela Daran a.itanao io fa mefa manomboka mangozohozo daholo izao ireo fivavahna lehibe ireo, midika izany fa tsy ho ela ny fotoana tsy hisiany intsony mandrakizay eto an-tany, ka fivavahana iray sisa no hisy eto an-tany,ary hiray saina ny olona rehetra tia mivavaka @ zay fotoana izay ka tsy ahita sekta isan-karazany intsony enao.matoa i Jesosy niteny hoe " raha hoavy ny zanak'olona ahita finoana ety ambony tany va izy?" midika izany fa misy tsy ankasitrahany daholo ny daholo ny fivavahana isan-karazany.
3. bor2lais ( 20/05/2011 15:34)
Tena sarotra ho anareo mihitsy ny manaiky ny "fiombonana ao anatin'ny fisamihafàna" e ! :-)
4. rijadolly ( 20/05/2011 19:06)
Daran:

Nivavaka i Jesosy mba ho iray ny mpianany (jaona 17:21). Ny fivavahana anefa ity to tsy mitsaha-mitombo, mifampitsikera, misaratsaraka. Dia aona no hahatanteraka ny vavaka izay nataon'i Jesosy?

JAONA 4 : 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
5. Miharena ( 22/05/2011 16:31)
Daran:

Nivavaka i Jesosy mba ho iray ny mpianany (jaona 17:21). Ny fivavahana anefa ity to tsy mitsaha-mitombo, mifampitsikera, misaratsaraka. Dia aona no hahatanteraka ny vavaka izay nataon'i Jesosy?


Mazava fa rehefa mifoha daholo ny olona dia iray ao amin'ny Ray izy rehetra. Izany hoe fantany tanteraka fa endrik'Andriamanitra tsy ampiana tsy analàna izy tsirairay avy.
6. rijadolly ( 24/05/2011 11:37)

Mazava fa rehefa mifoha daholo ny olona dia iray ao amin'ny Ray izy rehetra. Izany hoe fantany tanteraka fa endrik'Andriamanitra tsy ampiana tsy analàna izy tsirairay avy

Ary ahoana ny fahazoan'Mpanazava ty teny ty : JAONA 17 : 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, [coloro=blue]ary noraisiny[/color], ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy.10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazana eo aminy Aho.11 Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Ahy, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
hiandry an'izay tsy hifoha raha izay no mety filaza azy, sa, tsy maintsy tanterahaNY ny iraka sy ny FaminaniaNY na iza hifoha na iza tsy mety handray AZY.
7. rekinbelo ( 24/05/2011 12:04)
ka izany hoe samihafa ve ry bor2lais de mety itambatra a?
Jesosy anie nivavaka hoe mba ho iray izy rehtra,nefa jereo fa misaratsaraka be mihitsy ny mpino kristianina.
ZAvatra tena mbl tsy azo ny saina tankarina izany nefa mino aho fa tsy diso aloha ny eritreritro.
Tsika samy milza azy ho Kristianina aza moa mifanaratsy sy mifanenjika ka atao ahoana moa,
ny ahy ny tena mampihomehy ahy de hoe refa tsy mino an'i Jesosy maty Alarobia hono dia tsy voavonjy avokoa. Ny sasany ndray hoe izay tsy mitandrina sabata,na mihinana biby maloto hono dia tsy voavonjy.sns...
ahoana ary hoy enao no ampitambatra ny Kristianisma @ izany?Impossible mihitsy satria ao ny miaro mafy ny azy hoe marina.
8. Miharena ( 24/05/2011 13:59)
Rijadolly:

hiandry an'izay tsy hifoha raha izay no mety filaza azy, sa, tsy maintsy tanterahaNY ny iraka sy ny FaminaniaNY na iza hifoha na iza tsy mety handray AZY.


Raha dinihina ny resaka nataon'i Kristy tamin'ny fotoana nanaovany ny vavaka voatanisan'i Rijadolly ao amin'ny Jaona 17 dia mazava fa ny olona dia efa anisan'ny zanak'Andriamanitra fa mampahatsiahy fotsiny i Kristy eto.
Raha ny hoe hiandry izay tsy hifoha araka ny filaza azy eto dia toa lasa manana fisalasalàna Rijadolly. tsy tokony hisalasala rehefa hita fa mandeha any amin'ny fahalalàna sy fifohazana ny olon-drehetra.
Ny hany mba azontsika esorina amin'ny foto-pisainantsika dia ny fametrahana hatrany ny fisian'ny fahaverezan'ny hafa nefa ny fikasana dia ao amin'ny Ray Maharipo sady be famindram-po. Ka raha izany no famaritana omentsika Azy, dia aoka Izy no hanao ny asa fa isika dia trotroiNY fotsiny ihany eo amin'ny fiainantsika. Raha manaiky io fitrotroana io dia mazava fa hanana fomba fijery toa Azy ary hanana firaisana Aminy noho izany.

Ny resaka lazaina manga momba ny zanaky ny fahaverezana, dia anisan'ny nanao asa iray hampamiratra an'i Kristy koa i Jodasy fa tsy hoe teo fotsiny tamin'izao. Koa raha misy milaza fa any am-paradisa i Jodasy dia tokony tsy ho taitra ny Kristiana satria tsy Andriamanitra mamono no inoana fa Andriamanitra mamelona.
9. bor2lais ( 25/05/2011 07:41)

rekinbelo:

ka izany hoe samihafa ve ry bor2lais de mety itambatra a?
Jesosy anie nivavaka hoe mba ho iray izy rehtra,nefa jereo fa misaratsaraka be mihitsy ny mpino kristianina.
ZAvatra tena mbl tsy azo ny saina tankarina izany nefa mino aho fa tsy diso aloha ny eritreritro.
Tsika samy milza azy ho Kristianina aza moa mifanaratsy sy mifanenjika ka atao ahoana moa,
ny ahy ny tena mampihomehy ahy de hoe refa tsy mino an'i Jesosy maty Alarobia hono dia tsy voavonjy avokoa. Ny sasany ndray hoe izay tsy mitandrina sabata,na mihinana biby maloto hono dia tsy voavonjy.sns...
ahoana ary hoy enao no ampitambatra ny Kristianisma @ izany?Impossible mihitsy satria ao ny miaro mafy ny azy hoe marina.


Raha io zohin-kevitrao io izany dia nofinofy ho anao koa ohatra ny antsoina hoe "unité nationale" dradradrain'ny Malagasy e ! :-)
10. daran ( 25/05/2011 12:44)
ka araka ny hevitrareo, nivaly zany lé vavaka hoe ho iray ny kristianina? faly zany Jesosy mahita an'ireo fivavahana b d b ireo? Ekena v ouz nareo fa afaka samy manana ny fampianarany ny fiangonana? hazavao fa tsy azoko
11. rekinbelo ( 25/05/2011 13:31)
Tsy mety hisy ny "unité nationale" satria samy mitady ny tombosoany ny mtsirairay eo @ tontolon'ny politika.
Dia toy izany ndray koa ny fivavahana, misy ireo mitady ny tomobtsoany manokana ihany koa, izay mety aminy no arahiny fa tsy izay mety @ Andriamanitra akory. Misy aza moa ireo mpitondra fivavahna mitady ny tombotsoany fa tsy ny kristianina mpino ao aminy. ka sarotra mihitsy ny hino hoe ho iray ny fivavahan indray andro any. Raha mbola isika olombelona aloha no anatanteraka izany dia nofy fa tsy maintsy hoe Jesosy Kristy tompony finoantsika ihany no afaka hanao izany indray andro any.
12. bor2lais ( 25/05/2011 14:29)
daran:

ka araka ny hevitrareo, nivaly zany lé vavaka hoe ho iray ny kristianina? faly zany Jesosy mahita an'ireo fivavahana b d b ireo? Ekena v ouz nareo fa afaka samy manana ny fampianarany ny fiangonana? hazavao fa tsy azoko

Asa na nivaly aloha na tsia, asa na faly Izy na tsia : tsy misy mahafantatra izany na izaho na ianao.
Ny ahy kosa dia ilay "principe" noteneniNY ihany no tazomiko : "rehefa tsy manohitra antsika dia momba antsika !" :-)
13. rijadolly ( 25/05/2011 19:36)
Miharena:

Raha dinihina ny resaka nataon'i Kristy tamin'ny fotoana nanaovany ny vavaka voatanisan'i Rijadolly ao amin'ny Jaona 17 dia mazava fa ny olona dia efa anisan'ny zanak'Andriamanitra fa mampahatsiahy fotsiny i Kristy eto.

ao amin' andininy faha 6:

ary notandremany ny teninao
Nisy ve izay tsy nitandrina? ary mbola misy koa ve ireo izay niniha tsy nitandrina?

7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny
Nisy ve ireo miniha tsy te ahalala fa tsy Teny avy any amin'Andriamanitra ireo azon' Jesoa Kristy? Misy ve ireo tsy nety nandray izany?

9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy
Iza ilay izao tontolo izao? Ary iza ireo an'Andriamnitra.

ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany
Misy ve ireo raraka an-dalana?
Miharena:

Raha ny hoe hiandry izay tsy hifoha araka ny filaza azy eto dia toa lasa manana fisalasalàna Rijadolly. tsy tokony hisalasala rehefa hita fa mandeha any amin'ny fahalalàna sy fifohazana ny olon-drehetra.
Tena azon'ny Miharena antoka ve fa ny olon-drehetra?
Miharena:

Ny hany mba azontsika esorina amin'ny foto-pisainantsika dia ny fametrahana hatrany ny fisian'ny fahaverezan'ny hafa nefa ny fikasana dia ao amin'ny Ray Maharipo sady be famindram-po. Ka raha izany no famaritana omentsika Azy, dia aoka Izy no hanao ny asa fa isika dia trotroiNY fotsiny ihany eo amin'ny fiainantsika. Raha manaiky io fitrotroana io dia mazava fa hanana fomba fijery toa Azy ary hanana firaisana Aminy noho izany.
Miray saina tanteraka aho eto, ary dia ampiako aza hoe : tsy misy tiaNy ho very na dia iray akory aza. Ary koa ny tenin' se hoe: "RAHA manaiky io fitrotroana io dia mazava fa hanana fomba fijery toa AZY, ary hanana firaisana aminy noho izany." Ary hamafisiko ihany koa fa izay ny antony hifampitenenana eto mba tsy handehanana any amin'ny lalana tsy izy, fa tsy hoe "tsy misy ho very izany", ny antony dia FITIAVANA ho iray ao AMINY.
14. rijadolly ( 25/05/2011 21:43)
Raha eo amin'ilay lohahevitra indray ny hoe

HO IRAY IHANY VE FIVAVAHANA AMIN A/TRA INDRAY ANDRO ANY?

Tsy maintsy Iray ihany ny fivavahana amin'Andriamanitra indray andro any.

JAONA 4 : 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.

AONA 17: 11 Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
15. Miharena ( 26/05/2011 13:09)
Rehefa azo tokoa ireo teny ireo ary raisina amim-pahatsorana Rijadolly dia tsy miherikerika intsony fa Iray ao amin'ny Ray daholo ary ao am-po Izy amin'izay fotoana izay fa tsy tadiavina ivelany intsony.
Efa ela ihany ireo Teny voatanisan'i Rijadolly ireo fa misy manolaka any amin'ny adihevitra tsy misy fotony hatrany ka manjary very ilay hafatra tsotra dia tsotra.
16. daran ( 27/05/2011 16:41)
bor2lais:

daran:

ka araka ny hevitrareo, nivaly zany lé vavaka hoe ho iray ny kristianina? faly zany Jesosy mahita an'ireo fivavahana b d b ireo? Ekena v ouz nareo fa afaka samy manana ny fampianarany ny fiangonana? hazavao fa tsy azoko

Asa na nivaly aloha na tsia, asa na faly Izy na tsia : tsy misy mahafantatra izany na izaho na ianao.
Ny ahy kosa dia ilay "principe" noteneniNY ihany no tazomiko : "rehefa tsy manohitra antsika dia momba antsika !" :-)


manohitra an'iza kay
17. bor2lais ( 28/05/2011 08:26)
daran:

manohitra an'iza kay

Ao amin'ny Marka 9:38-40 ao ny tiako tenenina ! :-)

"38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika."

Ny tanjona dia iray ihany fa ny fomba ahatongavana no mety samihafa ! Io no fototry ny antsoiko hoe fiombonana ao anatin'ny fahasamihafana ! :-)
18. daran ( 29/05/2011 07:30)
dakôro e, ka midika né zany ry Bor2lais fa efa tratra ny tanjona satria betsaka né zao kristianina ety an-tany e, betsaka ny mino an'i Jesosy kanefa entre an'ireo kristianina ireo tsy misy firaisantsaina zany. Ao anatin'ny fiangonana iray iany aza moa, mifanaritaka ny ao anatiny d aona zany?
19. reve ( 29/05/2011 16:27)
FIVAVAHANA nentin'ny vazaha daholo ireo tonga eto ireo EUROPE sy AMERIQUE fa ny MALAGASY izay heverintsika GASY sy ireo Vazaha fa hoe tao anatin'ny MAIZINA de nitondrana ny fivavahana kristianina efa ela lavitra 3000 taona tany aloha tany no efa nahalala an'Andriamanitra tokana nanao ny lanitra sy ny tany mba diniho nge ny fomba malagasy e! Fa tsy fantatrareo ny tantaran'ny MALAGASY ny azoko lazaina de hoe tsy avy any INDONESIE zany isika ! hananako ny porofo ara-tantara sy archeologique.....
20. Miharena ( 30/05/2011 16:26)
Arosoy ary Reve izay mba fantatrao hodinihina!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1667