iza no nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty?

1. daran ( 17/05/2011 16:21)
Iza no nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo?
répondu par rijadolly le 01/06/2011 17:45
2. hery ( 17/05/2011 17:22)
Ankamantatra ve sa sekoly alahady sa fanontaniana fandrika? :-p

Inona aloha ny valin-tenin'i daran?

3. 0uioui ( 18/05/2011 06:51)
Ao anatin n'y trinité n'a n'y telo izay iray i jesosy....izany hoe sady Atra koa izany i Jesosy...de Izy tenany iany, n'a Atra ,n'a n'y Fanahy Masina no nanangana azy amin n'y ....tsy nahatazona Azy n'y fahafatesana
4. 0uioui ( 18/05/2011 06:52)
Nanangana azy tam maty ..
5. bor2lais ( 18/05/2011 09:00)
daran:

Iza no nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo?

Ouioui:

Ao anatin n'y trinité n'a n'y telo izay iray i jesosy....izany hoe sady Atra koa izany i Jesosy...de Izy tenany iany, n'a Atra ,n'a n'y Fanahy Masina no nanangana azy amin n'y ....tsy nahatazona Azy n'y fahafatesana

Ka "nanangana" no izy sa "nitsangana" ? :-)
6. Mpanazava ( 18/05/2011 13:25)
Trinité tsy ao anaty baiboly no tsy fampianaran'ny Kristianina voalohany raha jerena ny tantara ka tsy hidirako.
Nisy nanagana tokoa i Jesosy. Tsy azo saintsainina ny hoe sady manangana izy no atsangana. Tsy maintsy lehibe noho izy no afaka nanangana azy. Fantatr'i Paoly tsara ny antony mampanjavozavo ny fampianarana momba an'i Kristy. Hoy izy : "Eo amin'izy ireny ny andriamanitr'ity tontolo ity no mananjamba ny sain'ny tsy mino, mba tsy hamirapiratra amin'izy ireo ny fahazavan'ny vaovao ysara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an'i Kristy, izay ENDRIK'ANDRIAMANITRA" (2Kor3:4)

Hoy izy avy eo : "Fantatray mantsy fa ilay nanangana an'i Jesosy dia hanangana anay koa toa ny nananganana an'i Jesosy, ary hampiseho anay miaraka aminareo eo anatrehany" (2kor3:14)
Iza marina ary no nanangana an'i Jesosy?
7. rijadolly ( 18/05/2011 21:22)
raha miteny ilay hoe tsy nitsangana tamin'ny maty Jesosy dia ohatry ny mahatsiaro ilay esoesotenin'olona tamin'Jesoa teo ambonin' hazo fijaliana aho. hain' Jesoa tokoa ny mamonjy ny olona koa nahoana no tsy hainy ny mamonjy ny tenany? Izany anefa dia làlana hanatanteraka izay lazain' Mpaminany talohaNY ihany no antony, satria, azoNY dia azoNy atao tokoa ny miala sy mamonjy ny tenaNy.

Eto dia resaka mitovy amin'izany ihany. Resaka Fitsanganana amin' maty. Iza tamitsika no tsy nahalala fa efa nanangana olona tamin' maty Jesoa? Nahoana no hilazantsika fa tsy hainy ny mitsangana amin' ny maty? Nahoana no mbola maka fanahy Azy indray isika fa tsy vitany izany nefa efa nasehony tamitsika; sa tsy marina ireny voasoratra ireny?Tsy resiNY ve ny fahafatesana sa resiNY?
Miharena:

Hoy izy avy eo : "Fantatray mantsy fa ilay nanangana an'i Jesosy dia hanangana anay koa toa ny nananganana an'i Jesosy, ary hampiseho anay miaraka aminareo eo anatrehany" (2kor3:14)
Iza marina ary no nanangana an'i Jesosy?
Azafady Miharena sao dia diso fanoratra se amin'ilay toko sy andininy? Azon'se hamarinina ve azafady?
8. bor2lais ( 19/05/2011 07:48)
H.S Ary afangaron'i rijadolly angamba i Miharena sy Mpanazava a ! :-)
9. Mpanazava ( 19/05/2011 10:12)
Miala tsiny fa ity ilay fanamarinana nangatahin'i rijadoly
2kor 4: 4 ilay voalohany dia 2 kor 4:14 ilay faharoa.
10. rekinbelo ( 19/05/2011 14:24)
aiza no misy maty afaka manangana tena? tsy misy dikany ny nahafatesan'ni Jesosy raha tsy maty tanteraka akory izy.maro be ny zvt diso raha tsy maty izy.
11. bor2lais ( 19/05/2011 14:41)
Mpanazava:

Trinité tsy ao anaty baiboly no tsy fampianaran'ny Kristianina voalohany raha jerena ny tantara ka tsy hidirako.
Nisy nanagana tokoa i Jesosy. Tsy azo saintsainina ny hoe sady manangana izy no atsangana.

rekinbelo:

aiza no misy maty afaka manangana tena?

Sarotra ho an'ny tsy mino ny Trinité tokoa aloha ilay izy e ! Ka na ny voasoratra ao amin'ny Baiboly aza angamba izany tsy mitovy e :
asa raha misy an'ity ohatra ao amin'ny Lioka 24 ao
"Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izany nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia "
12. rijadolly ( 19/05/2011 14:55)

bor2lais:

H.S Ary afangaron'i rijadolly angamba i Miharena sy Mpanazava a ! :-)
azafady tokoa, Mialatsiny indrindra an' Miharena sy Mpanazava e! Mpanazava fa tsy Miharena kay moa no teto, fa atsy ambadika no Miharena, Misaotra an' Bor2lais

Dia misaotra an' Mpanazava koa nanome an'ilay Toko sy And...
13. rijadolly ( 19/05/2011 15:36)

rekinbelo:

aiza no misy maty afaka manangana tena?.

Mahagaga tokoa ô? hafa noho ny hafa an! IZY tokoa ve no IZY?
Misy tenin' Jesoa izay talohan' nananganaNy ilay zazavavy izay nampihomehy ny olona. MATIO 9 : 23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.26 Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
inona ny hifandraisany eto? Matory ny maty, marina tokoa fa maty Jesoa Kristy, tsy vitaNy asaNy raha tsy nakany amin' fiainatsihita Izy, Mahatsiaro tena fa Izy no Izy Izy ao anatin'izany. Ary dia nisava ny làlana sy nandresy ny fahafatesana mba tsy ho voatazon'io intsony ny ondriNy. Ahoana izany hoe nandresy ny fahafatesana izany? Mazava be, fa nisy ady tao ary nisy ny resy dia ny fahafatesana, valiny velona, nitsangana. Maivana aminy anefa izany rehetra izany ary dia sahiny nilaza ny olona fa matory ny olona maty. Tsy nanana Hery handresy ny fahafatesana ve Jesoa Kristy? Raha nanana, Mahery IZY raha izany... Giravy be marina an! ny atsika olombelona aza ny torimaso mila tsy ho resy mihitsy,
14. Mpanazava ( 20/05/2011 05:46)
Raha hanontany ny apostoly isika izay tsy iandian-kevitra fa tsy mbola nitory na nampianatra ny TRINITE izay noforonina t@ 400 taona tafaran'i Kristy rehefa maty ny apostoly; SAhy milaza ve ianareo mpino ny trinité fa hitovy hevitra aminareo izy hoe i Jesosy nanagatena? Ary hita ao anaty baiboly koa fa nanagana olona t@ maty i Elie, Petera? Nanangatena koa ve izy ireo?
15. bor2lais ( 20/05/2011 09:00)
Ny Trinité ange ry Mpanazava dia teny iray entina milaza fa Jesoa dia Andriamanitra ihany koa fa tsy tahaka ny olombelona rehetra e ! Ary io no tsy ekenao (na nareo) raha tsy diso aho ka mahatonga ny tadin-dokanga tsy hifanaraka mihitsy !

Ny fahazoako azy mantsy (raha ny resaka mandeha eto no jerena) aminareo dia tsy misy afa-tsy ny Ray (na Jehovah hoy ianareo izay) ihany no antsoina hoe Andriamanitra e ! Ilay Teny tonga nofo kosa lavinareo fa raisinareo tahaka i Elia na Petera na iray amin'ny mpaminany ... :-)

Izany hoe lavinareo ny fisian'ny hoe :
- Andriamanitra Ray
- Andriamanitra Zanaka
- Andriamanitra Fanahy
izay miara-miasa tsy azo sarahina (ary mifaniraka) !

Tsetsatsetsa kely ny ahy ity ary fijeriko manokana ka mba (averiko) zaraina :

Na ny firafitry ny Baiboly izay eken'ny maro fa "manambara" an'Andriamanitra aza ange ka ahitana ireo lafiny telo tsy azo sarahina ireo raha ny fahitako azy koa e :
- Testamenta Taloha (manambara ny asan'ny Ray)
- Filazantsara (manambara ny asan'ny Zanaka)
- Epistily (manambara ny asan'ny Fanahy Masina)

Ka raha miteny ianao hoe tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly ny Trinité : amiko, sao dia variana loatra miondrika ao amin'ilay soratra kosa ary isika ka tsy mahita ny zavatra mibaribary ! :-)

Asa fa fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)
16. daran ( 20/05/2011 11:15)
nanangan-tena izany i Jesosy ouz nareo? d mba manontany anareo aho: tamin'iza i Jesosy no niresaka ref nilaza izy hoe " Andriamanitra o, nahoana no dia mahafoy ahy ianao? " miresaka amin'ny tenany ve izy? matio 27: 46
17. Mpanazava ( 20/05/2011 11:34)
SAhy milaza ve ianareo mpino ny trinité fa hitovy hevitra aminareo izy hoe i Jesosy nanagatena?
18. rekinbelo ( 20/05/2011 14:39)
fa naninona ary no tsy mba natao hoe "fiangoana'ny Fanahy masina eto madagasikara" na hoe "fiangonana'i Jehovah eto madagasikara" fa nataonareo hoe fjkm?
ny Kato zao ny azy Maria no mpanalalana fa tsy Jesoa,mankalaza ireo olo-masina be de be sns.Na ireo fiangonana lehoibe ireo aza de misy hevitra tsy ifanarahany ihany matetika fa ny hany itambarany dia ny fianoana ny Trinité izay ny akabezany théologien aza tsy mahavita manazava ny fisian'izy io akory. Ary dia ny mapihomehy de otran'ity fanontaniana nipetraka ity hoe nananga-tena sa natsangana Jesosy?
Na olona manana doctorat en théologie aza fanina anontanianao io satria base ny finoany le Trinité de mangozohozo be ny hevitra avoakany eo.
fanontaniana iray koa ty apetrako: efa maty zany andriamanitra? satria t@ Jesosy maty dia maty daholo zany izy telo ireo?
19. Miharena ( 20/05/2011 16:10)
Ity fanontaniana farany nataon'i Rekinbelo ity no hitako tokony hanazava ny sain''ny olona amin'ny zavatra voiziko mateika eto hoe "tsy misy ny fahafatesana ary efa hatrizay namoronana izao tontolo izao izany raha ny ara-panahy no lazaina".
Raha lazaina fa Andriamanitra dia mandrakizay ary Izy dia Fanahy ary Izy dia nanao olona mitovy endrika Aminy dia mazava fa tsy maty izay endriNY izay na inona na inona mitranga. Isika dia lasa ideolojista loatra rehefa mamaky Teny ka manjary tsy mijery mihitsy ilay essence voalohany mampihetsika sy mampiaina ary mandrindra izao rehetra izao ary ny fikasana rehetra ao anatin'izany. Dia very ny vontoatin'ny voalazan'ny Baiboly ary lasa adihevitra mivily sy mibirioka ilay izy.

KA raha mamaly aho hoe iza ary no nanangana? Izay tsy mety maty va atsangana atao inona? Mivoatra fotsiny Izy (Fanahy Fototra) rehefa mandao ny nofony na mitondra ny nofony hifindra toerana.
20. rijadolly ( 20/05/2011 20:20)
Daran:

nanangan-tena izany i Jesosy ouz nareo? d mba manontany anareo aho: tamin'iza i Jesosy no niresaka ref nilaza izy hoe " Andriamanitra o, nahoana no dia mahafoy ahy ianao? " miresaka amin'ny tenany ve izy? matio 27: 46

Samy mahafantatra isika hoe tsy miresaka ny tenaNy Izy ka, fa tamin' Raitsika fa kosa MATIO 28 : 18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3124