iza no nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty?

21. Mpanazava ( 23/05/2011 05:39)
Tsy maintsy lehibe noho i Jesosy no nanangana azy tamin'ny maty. Fantar'ireo Apostoliny izany. Andriamanitran'i Jesosy no nanangana azy. Mety gaga ianareo hoe F'angaha i Jesosy manana Andriamanitra. ENY hoy ny soratra masina. Izy io ilay nanagana azy.
22. daran ( 25/05/2011 12:54)
hery:

Ankamantatra ve sa sekoly alahady sa fanontaniana fandrika? :-p

Inona aloha ny valin-tenin'i daran?

fanontaniana ka? sa tsy mahazo mametraka fanontaniana e? ny hevitrao zao bol tsy eto. Ny mba tiko d mba manomé valiny ara-baiboly zay mamaly fa tsy manomé ny heviny manokana.
23. Miharena ( 26/05/2011 13:24)
Mpanazava:

Tsy maintsy lehibe noho i Jesosy no nanangana azy tamin'ny maty. Fantar'ireo Apostoliny izany. Andriamanitran'i Jesosy no nanangana azy. Mety gaga ianareo hoe F'angaha i Jesosy manana Andriamanitra. ENY hoy ny soratra masina. Izy io ilay nanagana azy.

Iray ao amn'ny Ray anefa Izy ka aiza izay fananganana raha fantany fa manana fiainana mandrakizay Izy?
Tsy hoe finiavana hanongo teny fa ahitana sehatra roa ny famakiana ny Baiboly eo amin'io fananganana amin'ny maty io. Ny iray dia ilay endrika ara-nofo, milaza fa misy izay hatsangana dia ilay vatana izany. Fa ny iray kosa dia ilay endrika ara-panahy izay milaza ny tena maha-olona ny olona dia ny fanahy izany, ka atsangana toy ny ahoana moa ny fanahy raha sombin'Andriamanitra izy? Mivoatra amin'ny dingana manaraka fotsiny ny fanahin'ny tsirairay no tokony ho izy.
Ny amin'ny hoe lehibe dia mazava fa Andriamanitra no mandrakotra ny rehetra sady ao anatin'ny rehetra ary mampanam-pahefana ny rehetra hanana ny fiainana mandrakizay izay IZY IHANY.
24. Mpanazava ( 27/05/2011 08:51)

Miharena
Iray ao amn'ny Ray anefa Izy ka aiza izay fananganana raha fantany fa manana fiainana mandrakizay Izy?

Azavao ilay hoe "Iray". Io manko no tsy ahatakaran'ny olona ny soratra masina. Iray izany hoe izy ny Ray dia anakiray ihany sa raha miaraka amin'ny namanao ohatra ianao mividy zavatra, dia manontany anao ilay mpivarotra avy eo hoe "Inona koa ny anao azafady", dia mamaly ianao hoe "Iray ihany zahay ka!"
25. daran ( 27/05/2011 16:45)
Miharena:

d aona ny hevitrao ry Miharena am lé hoe nitsangana tam ny andro faha 3 i Jesosy? Raha tonga mantsy izy ka vao niala aina teo am hazo fijaliana d lasa fanahy d inona ny dikan'ilay hoe am andro faha 3 izy vo hitsangana?
26. Miharena ( 27/05/2011 16:47)
Mpanazava:

Azavao ilay hoe "Iray". Io manko no tsy ahatakaran'ny olona ny soratra masina. Iray izany hoe izy ny Ray dia anakiray ihany sa raha miaraka amin'ny namanao ohatra ianao mividy zavatra, dia manontany anao ilay mpivarotra avy eo hoe "Inona koa ny anao azafady", dia mamaly ianao hoe "Iray ihany zahay ka!"

Iray no fiandohana ary Iray no fiafarana. Ho iray ihany anie izy rehetra.
27. daran ( 27/05/2011 16:55)
Miharena a, tsy novalinao ny fanontaniako etsy ambony an?
28. Miharena ( 27/05/2011 19:02)
Daran:

d aona ny hevitrao ry Miharena am lé hoe nitsangana tam ny andro faha 3 i Jesosy? Raha tonga mantsy izy ka vao niala aina teo am hazo fijaliana d lasa fanahy d inona ny dikan'ilay hoe am andro faha 3 izy vo hitsangana?

Fanamarinana izay voasoratra no antsony nanaovana io asa fananganana io.

Tsarovy fa na i Nenilava na i Neny Ravelonjanahary dia samy efa nandalo io fahafatesan'ny nofo izay niverina indray io entina manamarina fa manana izay fanahy tsy mety maty izay ny olombelona. Toy izany koa i Kristy tamin'ny andro nanaovana io démonstration io. Fitsanganana ara-batana ho hitan'ny mason'ny olona no natao satria tsy mino raha tsy mahita ny olona.
29. daran ( 29/05/2011 07:32)
zany hoe vao maty zany i Jesosy d lasa fanahy d nivenjivenjy teny mandrapahatongan'ny andro faha 3? d zay vao niakatra tany an-danitra?
30. rijadolly ( 29/05/2011 13:31)
daran:

zany hoe vao maty zany i Jesosy d lasa fanahy d nivenjivenjy teny mandrapahatongan'ny andro faha 3? d zay vao niakatra tany an-danitra?

izay ilay hoe nidina tany amin' fiainan-tsihita, nisava ny làlana, mba handresena ny fahafatesana.
31. rekinbelo ( 31/05/2011 11:42)
Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.asa 02:32
32. Miharena ( 31/05/2011 15:09)
Daran:

zany hoe vao maty zany i Jesosy d lasa fanahy d nivenjivenjy teny mandrapahatongan'ny andro faha 3? d zay vao niakatra tany an-danitra?

Aleo atao hoe nandao ny nofo vetivety Izy fa tsy hoe maty angamba no filaza azy. Satria ny hoe maty anie ka fahafoanana tanteraka fa tsy misy izay fanahy azo raisina intsony.
Ny famaritana ara-nofo sy arak'eritreritra ataontsika dia tsy tafiditra amin'ny tena IZY araka ny naharian'Andriamanitra izao rehetra izao izay TENANY ary fantatra fa manana izay Fototra dia ny Fofon'aina mandrakizay na fanahy arak'izay famaritana azo apetraka momba izany.

Ny amin'ny hoe nivenjivenjy dia tsy manana toerana i Kristy fa fitoeraNY avokoa izao rehetra izao. Afaka mitoetra anatin"ny voary andavitrisany maro Izy. Izay no hilazan'ny olona mifoha hoe efa miaina ao anatiny i Kristy fa tsy zahana etsy sy eroa.
33. daran ( 31/05/2011 16:15)

Satria ny hoe maty anie ka fahafoanana tanteraka fa tsy misy izay fanahy azo raisina intsony.

hay ve ka eken'i Miharena iany ny hoe maty = tsy misy izay fanahy azo raisina intsony e.

D tsy maty zany i Jesosy? d aona reo fehezanteny b d b milaza fa maty i Jesosy?
34. Miharena ( 31/05/2011 17:07)
Ny fandraisana ny fehezanteny dia tsy tokony hataontsika ara-nofo rehefa mamaly Baiboly fa resaka fanahy sy fiainana no resahana ao. Ny fiheviTRO hoy ny Tompo tsy fihevitrareo. Izany hoe ny maty amintsika tsy mitovy amin'ny hoe maty amin'Andriamanitra.

Tsy misy fahafoanana ara-panahy izany na oviana na oviana satria efa nolazaiko ombieny imbieny fa tsy misy ny fahafatesana raha vao voaforona fotsiny ny voary iray.

Ka asa hoe aiza ho aiza no ilazan'i Daran hoe manaiky aho fa misy izay fanahy tsy azo raisina intsony? Famaritan'ny olona nofo no manome io resaka fanahy maty io fa tsy an'Andriamanitra velively. Na Satana aza mahalala izany.
35. rijadolly ( 31/05/2011 19:10)
Daran:

Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.asa 02:32

Daran:

d aona ny hevitrao ry Miharena am lé hoe nitsangana tam ny andro faha 3 i Jesosy? Raha tonga mantsy izy ka vao niala aina teo am hazo fijaliana d lasa fanahy d inona ny dikan'ilay hoe am andro faha 3 izy vo hitsangana?

Tsy andefa ny teny rehetra ao anaty Baiboly milaza fa "nitsangana Jesosy" aho Daran, izay maro dia maro raha hampitahaina ny hoe " Natsangana Jesosy ".
Ary manao ahoana ny famkin' Daran an'ty
MATIO 27 : 52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
Tsy any ny olana anefa. fa ny hoe tsy natao hanana hery hitsangana amin'ny maty ve Jesoa Kristy ? inona izany ny antony mampihavaka AZY sy ny olombelona izay natsangana( fa tsy nitsangana) tamin' maty? Tsy efa nomena AZY ve ny fahefana rehetra tety an-tany sy any an-Danitra? Inona no maha samy hafa ny hoe " nandresy ny fahafatesana Jesoa" sy ny hoe resen'Andriamanitra ny fahafatesana mba hananganany an'Zanany??? Izany fanontaniana izany akory tsy hoe manafoana ny herinAndriamanitra RAY, fa kosa manambara fa nomena an' Kristy ny fahefana rehetra.

36. Mpanazava ( 01/06/2011 08:10)
Raha anontaniana hoa ny apostoly, Hitovy hevitra aminareo ve izy? Sa izy ireo tsy nahafantatra tsara an'ny Jesosy mihoatra noho anareo?
Raha ilay fampianaran'ny Andriamanitra telo izay iray izay sady tsy ao anaty baiboly, tsy nnampianarin'ny Jesosy ny Mpiananany na dia indray mandeha monja aza, tsy noresahan'ireo mpaminany sy mpanoratra rehetra dia sarotra aminy ny ahatakatra ny fahamarinana marina ao amin'ny soratra masina.
Iza no nanangana an'i Jesosy?
As 2: 24 "Kanefa Andriamanitra nanangana azy (Jesosy) tamin'ny maty rehefa namaha ny fatoran'ny fahafatesana, satria tsy voatanan'izany maharitra izy"
Asa 3:15 "Fa novoinareo kosa ilay Mpitarika lehibe indrindra izay manome fiainana. Kanefa Andriamanitra nanangana Azy tamin'ny maty ary vavolombelon'izany izahay"
Asa 5:30 "Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty"

Iza ilay Andriamanitra na ilay Andriamanitry ny rasantsika? I Jesosy ihany ve? TSIA Hoy ny baiboly tsy maintsy hafa noho i Jesosy no nanangana azy.
Asa 3:13 "Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ilay Andrimanitrin'ny Razantsika dia nanome voninahitra an'i Jesosy MPANOMPONY ...) (mitohy amin'ilay and 15 etsy ambony.

Iza indray ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka ary Jakoba? Ilay Andriamanitr'i Jesosy ihany = Jehovah
37. bor2lais ( 01/06/2011 08:38)
Mpanazava:

Raha anontaniana hoa ny apostoly, Hitovy hevitra aminareo ve izy? Sa izy ireo tsy nahafantatra tsara an'ny Jesosy mihoatra noho anareo?

1. Apostoly iza aloha no tianao anontaniana ?
2. Sûr ve ianao fa nifanara-tsaina tamin'i Paoly foana ohatra ry Petera, izay nahafantara "tsara" (araka ny lazainao) an'i Jesoa ?
3. Inona no antsoinao hoe apostoly ? Paoly ve ao anatiny ?

Asa raha manamarika ianao fa raha ny fijeriko azy dia toa tsy misy fahataperany (fin) ny bokin'ny Asan'ny Apostoly e ! :-)
38. rijadolly ( 01/06/2011 17:45)
Amiko manoka aloa ry Mpanazava dia tsy ataoko olana na mampihena, na tsy inoako an' Jesoa na Andriamanitra na ny Fanahy Masina izay teny hoe Natsangana na Nitsangana; maro noho io natsangana io ny teny hoe nitsangana Jesoa Kristy. Tsy any hoy aho ny olana fa raha izay dia mandresy ny hoe Nitsangana Jesoa; fa ny hoe resin' Jesoa ve ny fahafatesana sa tsy resiny? Valin' izay atao ao am-po dia mazava ny lalana fa efa nosavaiNY izay, ny oloNY tsy ho voatazon' ny fiainatsihita intsony fa efa resy izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.252